2010
Tsy Voavidy Vola ny Fanambadianay tany amin’ny Tempoly
2010


Tsy Voavidy Vola ny Fanambadianay tany amin’ny Tempoly

Raha tsy efa nitsitotongana ny orinasako voalohany ary efa nitsipozipozy ilay orinasaka faharoa vao nanotany tena aho hoe afaka hitondra an’i Beny fofombadiko any amin’ny tempoly ve aho sa tsia. Efa nandre izahay fa fitsapa-pinoana lehibe tokoa ny fandehanana any, kanefa rehefa nametraka ny fanambadiana any amin’ny tempoly ho tanjona izahay dia tsy nahafantatra velively hoe hatraiza no hitsapana ny finoanay.

Nihaona tany Panama tanindrazanay izaho sy i Beny taorian’ny nanaovana asa fitoriana. Noho ny lalàna nisy any Panama, ireo olon-droa te hanomboka ny fiainan’izy ireo ara-panambadiana any amin’ny tempoly dia tsy maintsy manatanteraka ny fisoratam-panambadiana ara-panjakana alohan’ny handehanan’izy ireo any amin’ny tempoly akaiky indrindra, dia ny tempolin’i Guatemala City Guatemala. Ho lafo sy sarotra izany dia izany, saingy izany hoe vita famehezana izany dia fitahiana tianay nananana teo amin’ny fiainana.

Ny andro taorian’ny nangatahiko azy, dia lasa tsy an’asa aho. Tsy nikely soroka aho, fa dia nanapa-kevitra ny hitady vola amin’ny alalan’ny fitondrana olona mandehandeha amin’ny fiarabe fitateram-bahoaka. Simba sahady ny fiarabeko ny alina voalohany. Niahiahy aho kanefa dia vonona hatrany, ka nanapa-kevitra indray ny hivarotra T-shirt. Tamin’ilay maraina nandehanako naka ireo akanjo T-shirt tany amin’ny mpanamboatra azy, dia indro hitako fa may tanteraka ny tranobe ny alin’io. Toa lasa setroka ihany koa ilay fanantenako.

Volana vitsy monja sisa no tavela talohan’ny dia manaraka ho any amin’ny tempoly, kanefa ny ezaka nataoko rehetra mba hahazoana vola dia nifarana tamin’ny tsy fahombiazana tampoka foana. Niala teo amin’ilay korontan-javatra rava sisa izay nanetroka aho ary nandeha namonjy an’i Beny.

“Tsy manana na inona na inona aho,” hoy aho taminy. “Angamba tsy tokony hanambady ahy ianao.”

“Raha toa aho ka hanambady noho ny vola, dia efa nanambady aho tahaka izay,” hoy izy. “Kanefa tsy hanambady noho ny vola aho. Hanambady anao aho satria tiako ianao.”

Nampiova zavatra lehibe izany. Tsapanay fa nandresy fitsapana lehibe iray izahay. Rehefa nandroso hatrany tamim-pinoana izahay, dia nanomboka nisokatra ny varavarana. Nahita asa manao fanaka aho, na dia tsy ampy hahazoana izay ilainay aza ny karama. Ary avy eo dia nisy eveka tsara fanahy vonona ny hanampy anay tamin’ny saran’ny fiara fitateram-bahoaka nitondra anay. Na dia tena tsara aza izany zavatra tiany hatolotra izany, dia nahatsapa izahay fa tsy rariny izany. Nametraka tanjona ny hahaleo tena izahay. Kanefa noho ny fahitanay fa nanam-paniriana ny hanampy anay marina izy, dia nanontanianay izy raha toa ka afaka manome asa ho an’i Beny izy. Nataony izany.

Rehefa nahangona vola handehanana any amin’ny tempoly izahay dia nivady ara-panjakana ary farany dia nandeha tany Guatemala niaraka tamin’ny mpikambana 10 hafa. Kanefa mbola tsy vita ny fitsapana anay.

Nosakanan’ireo mpitatitra nitokona tany amin’ny sisin-tanin’i Costa Rica izahay. Rehefa niandry teo amin’ny sisin-tany nandritra ny roa andro izahay, dia nanapa-kevitra ny mpamily ny fiara fa hitodi-doha hiverina. Kanefa izaho sy i Beny, niaraka tamin’ny rahalahy roa hafa dia nanapa-kevitra fa tsy hiverin-dalana. Taorian’ny nitazananay ny fiara fitateram-bahoaka nitondra anay lasa niverina sy nandao anay, dia nandeha tongotra nankany Costa Rica izahay. Nandroso hatrany izahay, natory teny amin’ireo toeram-pialofana teny amin’ny sisin-dalana, mandrapahatonganay teo amin’ny sisin-tanin’i Nicaragua. Afaka naka fiarakaretsaka izahay avy teo ho any an-drenivohitra, izay nahafahanay nividy tapakila handraisana fiara fitateram-bahoaka mankany amin’ny sisin-tanin’i Honduras. Roa andro—niampy fandraisana fiara fitareram-bahoaka roa hafa—dia tonga teo amin’ny tempoly ihany izahay tamin’ny farany. Naloto sy reraka izahay, ary nandany vola mihoatra ny efa nomaninay kanefa dia faly izahay.

Ny ampitson’iny, taorian’ireo fitsapana rehetra sy ny fahataranay, dia nofehezina ho mpivady mandrakizay izahay. Ilay hafalianay—izay mendriky ny fanaovana asa sy ny fiandrasana, ary ny fitaintainana—dia feno tokoa!

Tsy ireo rehetra izay mivady any amin’ny tempoly akory dia misedra fitsapana tahaka izany, fa ho ahy sy i Beny kosa (ary ireo hafa izay nandeha tany amin’ny tempoly niaraka taminay), dia dingana fanadiovana ho anay ireo zavatra ireo. Iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra niainako teo amin’ny fiainako izany.

Raha toa ny tanjonay hivady any amin’ny tempoly dia ny hanatanterahana ilay fitiavan’izao tontolo izao fotsiny, dia tsy ho tratranay izany. Kanefa noho izahay nino ny hery famehezan’ny fisoronana naverina indray amin’izao androntsika izao, dia tsy nilavo lefona izahay, satria fantatray fa ny fanambadiana tany amin’ny tempoly nataonay—ho amin’ny fotoana sy mandrakizay—dia mendrika ireo fahafoizan-tena nataonay.

Hamoaka printy