Tantaran’ireo Tempoly
Na fahiny na ankehitriny, ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo dia nandray ny fananganana ny tempoly ho toy ny asa izay takiana indrindra indrindra amin’izy ireo.
Toerana Voatokana Manokana
Ny votoatin’ny tempoly hatramin’izay ka hatramin’izao dia hoe toerana natokana hanatanterahana asa masina. Raha fintinina, ny tempoly dia tranobe iray izay naorina sy natokana hanatanterahana ireo fomba amam-panao masina.
Ny teny Latina hoe templum dia mitovy amin’ny teny Hebreo hoe beth Elohim ary midika hoe tranon’Andriamanitra. Noho izany tena tranon’ny Tompo mihitsy ny dikany.
Ny tranobe toy izany dia natsangana tao anatin’ny vanimpotoana maro samihafa ka samy nanangana na ny mpanompo sampy na ireo mpanara-dia an’ilay Andriamanitra marina sy velona. Na dia misy toerana nampiasaina hivorian’ny olona sy hanatanterahan’ny daholobe fombafomba aza ny tokontany ao anatin’ilay manda, dia misy foana ny faritra lavidavitra ao anatin’ilay tranobe izay natokana ho an’ireo mpisorona fotsiny ihany ary toerana izay lazaina fa hisehoan’Andriamanitra. Ny tempoly dia tsy noraisina velively ho toy ny toerana hanaovana fivoriana tsotra ho an’ny daholobe fa noraisina ho toy ny trano masina natokana ho an’ny fanaovana fombafomba masina ho an’izany karazana fivavahana manokana izany.
Ny Tabernakelin’i Isiraely Fahiny
Fahiny, ny vahoakan’i Isiraely dia fantatra teo anivon’ny firenena maro ho toy ny mpanangana trano masina amin’ny anaran’ilay Andriamanitra velona. Izany asa izany dia nangatahan’i Jehovà manokana tamin’izy ireo, izay nambaran’izy ireo fa tompoiny. Ny tantaran’i Isiraely amin’ny maha-firenena azy dia nanomboka tany amin’ilay Fifindra-monina. Tsy ela akory taorian’ny nandosirany an’ilay tontolo feno fanompoan-tsampin’ny Egyptiana dia nangatahana izy ireo mba hanorina trano masina izay hahafahan’i Jehovà hiseho sy hampahafantatra ny sitrapony amin’ny maha Tompo sy Mpanjaka izay neken’izy ireo Azy.
Masina tamin’i Isiraely ny tabernakely izay toy ny trano masin’i Jehovà. Izany dia naorina araka ny drafitra sy ny toromarika manokana nambara (jereo ny Eksodosy 26–27). Trano maivana sy azo lanjaina izany ary na dia trano lay aza izany dia naorina tamin’ny alalan’ny akora sy fitaovana tena tsara sy mihaja ary sarobidy indrindra nananan’ny vahoaka. Izany fepetra fanehoana hatsarana fatratra izany no fanatitry ny firenena iray ho an’ny Tompo. Ny tabernakely raha jerena ny lafiny rehetra nanorenana azy no zavatra tena tsara indrindra azon’ny vahoaka nomena ary nohamasin’i Jehovà izany fanomezana izany tamin’ny alalan’ny fanehoany ny fankatoavany masina an’izany.
Rehefa nanorim-ponenana tao amin’ny tany nampanantenaina i Isiraely taorian’ilay efapolo taona nirenireneny tany an-tany foana ka nahazoan’ny vahoakan’ny fanekempihavanana an’ilay Kanana ho azy irery ihany noho ny farany, dia nomena toerana hipetrahany tao Silo ny tabernakely ary nandeha tany ireo foko mba hianatra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny teniny (jereo ny Josoa 18:1; 19:51; 21:2; Mpitsara 18:31; 1 Samoela 1:3, 24; 4:3–4). Taty aoriana dia nafindra tany Gibeona izany (jereo ny 1 Tantara 21:29; 2 Tantara 1:3) ary rehefa taty aoriana koa dia nafindra tany amin’ny Tanànan’i Davida na i Ziona (jereo ny 2 Samoela 6:12; 2 Tantara 5:2).
Ny Tempolin’i Solomona
I Davida, mpanjaka faharoan’i Isiraely, dia naniry sy nikasa hanorina trano iray ho an’ny Tompo ary nanambara izy fa tsy rariny hoe izy izay mpanjaka dia mipetraka ao anaty lapa vita amin’ny sedera kanefa ny tranon’Andriamanitra kosa dia trano lay fotsiny ihany (jereo ny 2 Samoela 7:2). Saingy niteny tamin’ny alalan’ny vavan’ny mpaminany Natana ny Tompo ka nilaza fa nanda ilay vinavina, satria i Davida mpanjakan’i Isiraely na dia azo lazaina aza fa lehilahy nofinidin’ny fon’Andriamanitra, dia nanota ary tsy navela ny fahotany (jereo ny 2 Samoela 7:1–13; 1 Tantara 28:2–3). Na dia izany aza dia nahazo alalana hanangona fitaovana ho an’ilay tranon’ny Tompo i Davida, fa ny zanany lahy Solomona kosa anefa no hanangana izany fa tsy izy.
Fotoana fohy taorian’ny nandraisan’i Solomona ny seza fiandrianana dia nanomboka ny fananganana izy. Nametraka ny fototra izy ny taona fahaefatra nanjakany ary vita tao anatin’ny fito taona sy tapany ny fananganana ilay trano. Ny fananganana ny Tempolin’i Solomona dia toe-javatra iray nanamarika ny fanombohan’ny vanimpotoana iray vaovao teo amin’ny tantara, tsy teo amin’ny tantaran’i Isiraely irery fa teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao mihitsy.
Araka ny fifanesen-java-miseho izay fantatry ny maro, dia vita tany amin’ny 1005 talohan’i J.K. tany ny tempoly. Fantatra ho toy ny iray amin’ireo tranobe tena nampitolagaga teo amin’ny tantara izany teo amin’ny hairafitrano sy ny fomba nananganana sy nandrafetana azy ary ny zava-tsarobidy nampiasaina. Ny fotoam-panokanana azy dia naharitra fito andro—herinandrom-pifaliana masina tany Isiraely. Ny fanekena feno famindram-po avy amin’ny Tompo dia niseho tamin’ny alalan’ny rahona izay nameno ny efitrano masina rehefa nisitaka ny mpisorona satria “feno ny voninahitr’i Jehovah ny tranon’Andriamanitra” (2 Tantara 5:14; jereo koa ny Eksodosy 40:35; 2 Tantara 7:1–2).
Fametavetana ny Tempolin’i Solomona
Tsy naharitra ela ny fijoalajoalan’izany tranobe tena tsara tarehy izany. Efatra amby telopolo taona taorian’ny nitokanana azy ary vao dimy taona monja taorian’ny nahafatesan’i Solomona dia nanomboka nitotongana izany ary vetivety izany fitotonganana izany dia lasa fikororosiana fahana tanteraka ary lasa fametavetana mihitsy tamin’ny farany. Lasa nivily lalana i Solomona noho ny fanangolen’ireo vehivavy mpanompo sampy ary ny fomba ratsiny dia niteraka faharatsiana teo amin’i Isiraely. Tonga dia very ny fahamasinan’ilay tempoly ary nesorin’i Jehovà teo amin’ilay toerana tsy masina intsony ilay fanatrehany feno fiarovana.
Nahazo fahafahana indray ny Egyptiana mba hampijaly an’i Isiraely satria nobaboin’izy ireo ny vahoaka. Nanafika an’i Jerosalema i Sisaka, mpanjakan’i Egypta “ary nobaboiny ny rakitry ny tranon’i Jehovah” (1 Mpanjaka 14:25–26). Nitohy nandritra ny taonjato maro ny asa fametavetana. Enina ambin’ny folo sy roanjato taona taorian’ny fanimbazimbana nataon’ny Egyptiana dia nesorin’i Ahaza mpanjakan’i Joda ny alitara sy ny tavin-drano ka trano iray izay tempoly fahiny sisa no navelany teo (jereo ny 2 Mpanjaka 16:7–9, 17–18; jereo koa ny 2 Tantara 28:24–25). Taty aoriana i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona no namarana ny famotehana ny tempoly ary nandrava ilay tranobe tamin’ny alalan’ny afo (jereo ny 2 Tantara 36:18–19; jereo koa 2 Mpanjaka 24:13; 25:9).
Ny Tempolin’i Zerobabela
Noho izany teo amin’ny 600 taona talohan’ny nahatongavan’ny Tompontsika teto an-tany dia tsy nanana tempoly i Isiraely. Lasa nanompo sampy ny olona sy samy ratsy fanahy daholo ary dia nolavin’ny Tompo izy ireo sy ny trano fivavahany. Ny fanjakan’i Isiraely izay nahitana foko 10 hatramin’ny 12 teo ho eo dia nobaboin’ny Asyriana teo amin’ny 721 talohan’i J.K., ary taonjato iray taty aoriana dia nobaboin’ny Babyloniana ny fanjakan’i Joda. Nandritra ny 70 taona ny vahoakan’i Joda—izay fantatra taty aoriana hoe Jiosy—dia nobaboina araka ny efa nambara mialoha (jereo ny Jeremia 25:11–12; 29:10).
Teo ambany fitondrana nahafinaritr’i Kyrosy (jereo ny Ezra 1, 2) sy Dariosy (jereo ny Ezra 6), dia navela hiverina tany Jerosalema izy ireo sy hanangana tempoly indray mandeha indray izay mifanaraka amin’ny finoany. Ho fahatsiarovana ilay mpitantana ny asa dia fantatra tao anatin’ny tantara amin’ny hoe Tempolin’i Zerobabela izany tempoly naverina tamin’ny laoniny izany. Na dia tena latsaka ambany tokoa aza izany tempoly izany teo amin’ny hatsaran’ny fandavorariana azy farany sy teo amin’ny fanaka nanaingoana azy raha oharina amin’ilay Tempolin’i Solomona tsara tarehy, dia izay no tsara indrindra azon’ny olona natsangana, ary neken’ny Tompo izany ho toy ny fanatitra izay maneho ny fanoloran-tenan’ny zanaky ny fanekempihavanany.
Ny Tempolin’i Heroda
Teo amin’ny 16 taona talohan’ny nahaterahan’i Kristy teo no nanombohan’i Heroda I, mpanjakan’i Jodia ny fananganana indray ny Tempolin’i Zerobabela izay efa simba sy tena ravarava tamin’izany. Nijoro teo nandritra ny taonjato dimy izany tranobe izany ary tsy isalasalana fa dia lasa trano rava noho ny tsy firaharahiana izany sy rehefa nandeha ny fotoana.
Maro ireo zava-niseho teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy teto an-tany izay nifandray tamin’ny Tempolin’i Heroda. Mazava dia mazava avy ao amin’ny soratra masina fa na dia nanohitra ilay fanimbazimbana ny fahamasinan’ny tempoly noho ny fanaovana zavatra ratsy sy fivarotana tao aza i Kristy, dia nahatsapa sy nahafantatra ny fahamasinan’ireo toerana ao amin’ny tempoly Izy. Na inona na inona anarana nahafantarana izany dia tranon’ny Tompo izany ho Azy.
Ny faharavan’ny tempoly tanteraka dia efa nambaran’ny Tompo mialoha raha izy mbola niaina tao amin’ny nofo (jereoMatio 24:1–2; Marka 13:1–2; Lioka 21:6). Tamin’ny taona 70 taorian’i J.K. dia rava tanteraka tamin’ny alalan’ny afo ny tempoly izay nisy ifandraisany tamin’ny fambaboana an’i Jerosalema nataon’ny Romana teo ambany fitantanan’i Titosy.
Ireo Tempoly tany Amerika Fahiny
Ny Tempolin’i Heroda no tempoly farany nitsangana tany amin’ny Ilam-bolantany Atsinanana tamin’ny andro fahiny. Hatramin’ny naharavan’izany tranobe izany mandrapahatongan’ny fotoana namerenana indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny taonjato faha-19, dia ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna ihany no hany nahitantsika firaketana fananganana tempoly, izay manamafy fa nisy tempoly naorina teo amin’ilay antsointsika ankehitriny hoe kaontinanta Amerikana, kanefa kely dia kely ny zavatra fantatra mikasika ny fomba nananganana ireo tempoly tany andrefana ireo sy mikasika ireo ôrdônansy notanterahana tao. Nanangana tempoly ny olona teo amin’ny 570 talohan’i J.K., ary fantatsika fa naorina araka ny fomba nananganana ny Tempolin’i Solomona izany na dia tena latsaka ambany aza izany teo anatrehan’ilay tranobe tena tsara tarehy teo amin’ny halehibeny sy ny zava-tsarobidy nanorenana azy (jereo ny 2 Nefia 5:16).
Rehefa niseho tamin’ny Nefita tany amin’ny kaontinanta andrefana ny Tompo tafatsangana tamin’ny maty, dia hitany nivory nanodidina ny tempoly izy ireo (jereo ny 3 Nefia 11:1–10).
Ny Bokin’ny Môrmôna anefa dia tsy mba miresaka momba ireo tempoly na dia tamin’ny fotoana efa taty aoriana be tamin’ny naharavan’ny tempolin’i Jerosalema aza ary ankoatr’izany ny firenena Nefita dia nifarana tao anatin’ny taonjato efatra taorian’i Kristy. Izany dia porofo fa tany amin’ireo ilam-bolantany roa ireo dia samy nitsahatra tsy nisy intsony ny tempoly raha vao nanomboka ny vanimpotoan’ny Apôstazia ary ilay tena dikan’ny tempoly ho toy ny toerana tena miavaka dia nanjavona teo anivon’ny olombelona.
Apôstazia sy Famerenana amin’ny Laoniny
Nandritra ny taonjato maro dia tsy nisy fanaovana trano masina ho an’ny Tompo. Toa hita fa tsy nisy niraharaha ny filana izany. Marina tokoa fa maro ireo tranobe natsangana izay goavana sy nandaniana zava-tsarobidy. Tao anatin’izy ireo dia nisy ny natokana ho an’i Petera sy Paoly, ary ho an’i Jakoba sy Jaona ary ny sasany ho an’i Magdalena sy ilay Virijiny saingy tsy nisy na dia iray aza naorina tamin’ny alalan’ny fahefana sy ny anarana manan-kajan’i Jesoa, ilay Kristy. Tao anatin’ireo trano fivavahana ary fiangonana sy katedraly maro dia tsy nanana toerana niantsoana ny Azy ny Zanak’olona.
Tsy niseho teo anivon’ny olona ny fisoronana masina raha tsy rehefa naverina niaraka tamin’ny fahefany sy ny tombontsoany fahiny ny filazantsara tamin’ny taonjato faha-19. Ary aoka hotsaroana fa ny fahefana ahafahana miteny sy manao asa amin’ny anaran’Andriamanitra dia ilaina ho an’ny tempoly iray ary tsinontsinona ny tempoly raha toa ka tsy manana ilay fahefana masin’ny fisoronana. Tamin’ny alalan’i Joseph Smith no namerenana teto an-tany ilay filazantsara fahiny ary naverina napetraka indray ny lalàna fahiny. Rehefa nandeha ny fotoana dia natsangana tao anatin’ny asa fanompoan’ny Mpaminany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary naorina tamin’ny alalan’ireo fisehoan’ny hery masina.
Ireo Tempolin’ny Andro Farany
Ity Fiangonana ity dia nanorina tempoly raha vao tany am-piandohan’ny tantarany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:8; 42:36; 133:2). Tamin’ny andro voalohan’ny volana Jiona 1833 tao anatin’ny fanambarana azon’ny Mpaminany Joseph Smith, dia nandidy ny hananganana trano masina haingana ny Tompo, izay toerana nampanantenainy fa hanomezany hery sy fahefana an’ireo mpanompo nofinidiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95). Namaly ny antso tamim-pahavononana sy tamim-panoloran-tena ny olona. Na dia teo aza ny fahantrana lalina sy ny fanenjehana mahery vaika dia vita soa aman-tsara ny asa ary tamin’ny Marsa 1836 no nitokanana ny tempoly voalohany tamin’izao vanimpotoana izao tany Kirtland, Ohio (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana 109). Ny fotoam-panokanana dia niavaka tamin’ireo fisehoan-javatra masina izay azo oharina amin’ireo izay nanatrika ny fanolorana ny tempoly voalohany fahiny ary tao anatin’ny fotoana taty aoriana dia nisy ireo olon’ny lanitra izay niseho tao anatin’izany toerana masina izany niaraka tamin’ny fanambarana mikasika ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny olona. Hita sy heno indray tao amin’izany toerana izany i Jesoa Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–10).
Roa taona taorian’ny nitokanana azy, dia nilaozan’ny olona nanangana azy ny Tempolin’i Kirtland. Voatery nitsoaka ny fanenjehana izy ireo ary lasa trano tsotra ilay tempoly masina rehefa lasa izy ireo.
Ny toerana nifindran’ireo Olomasin’ny Andro Farany dia tany Missouri tamin’ny voalohany ary tany Nauvoo, Illinois taty aoriana. Vao tsy ela akory no nipetrahany teo amin’ilay toeran’izy ireo vaovao dia nisy feon’ny fanambarana heno izay niantso ny vahoaka mba hanangana trano masina amin’ny anaran’Andriamanitra indray.
Na dia fantatra aza fa mety voatery hitsoaka indray ny olona ary na dia fantatr’izy ireo aza fa hilaozana indray ilay tempoly fotoana fohy aorian’ny hahavitana azy dia niasa tamin-kery sy tamim-pahavitrihana izy ireo mba hamitana sy hanaingoana ilay trano araka ny tokony ho izy. Notokanana tamin’ny 30 Aprily 1846 izany kanefa mbola tsy vita akory izany dia efa nanomboka nifindra-monina ny olona.
Nilaozan’ireo olona indray ny tempoly, izay nanangana izany tao anatin’ny fahantrana sy fahafoizan-tena. Tamin’ny Nôvambra 1848 dia nisy nanao fanahy iniana nandoro izany ary tamin’ny Mey 1850 dia nisy tafiodrivotra izay nandrava ireo rindrina mainty sisa tavela.
Tamin’ny 24 Jolay 1847, dia nanorim-ponenana tany amin’ny toerana antsoina hoe Salt Lake City ankehitriny ireo mpisava lalana Môrmôna. Andro vitsivitsy taty aoriana dia nanondro toerana iray teo amin’ny faritra iray feno rambiazina vahiny i Brigham Young, izay mpaminany sy mpitarika ka nikapoka ilay tany karankaina tamin’ny tehiny ary nanambara hoe: “Eto no hisy ny tempolin’Andriamanitsika.” Izany toerana izany ankehitriny dia toy ny vangongon-trano tsara tarehy miaraka amin’ny tempoly ary miroborobo ny tanàna manodidina izany. Ny Tempolin’i Salt Lake dia naorina tao anatin’ny 40 taona. Tamin’ny 6 Aprily 1892 no nametrahana ny vato farany ary notokanana herintaona taorian’izany ilay tempoly vita tanteraka.
Asa Masina Nasaina Natao
Ny vahoakan’ny fanekempihavanana na fahiny izany na amin’izao fotoana izao dia nandray ny fananganana ny tempoly ho toy ny asa izay angatahana manokana amin’izy ireo. Mazava ho azy fa ny tempoly dia mihoatra noho ny trano fiangonana na synagoga na katedraly. Trano naorina ho toy ny tranon’ny Tompo izany ary masina noho ny fisian’ny fiarahana tena akaiky eo amin’ny Tompo sy ny fisoronana masina ary natokana hanaovana ireo ôrdônansy ambony sy masina indrindra. Ankoatra izany mba ho tena tempoly masina—neken’Andriamanitra ary noraisiny ho toy ny tranony—dia tsy maintsy nisy zavatra notakiana mba hatao ary tsy maintsy mendrika na ilay fanomezana na ilay mpanome.
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manambara fa izy no manana ny fisoronana masina naverina teto ambonin’ny tany indray ary mirotsaka ao amin’ilay asa masina mba hanangana sy hikarakara ireo tempoly izay natokana ho an’ilay Andriamanitra marina sy velona ary hanompoana Azy, ary manatanteraka ireo ôrdônansin’ny fisoronana ao anatin’izany trano masina izany, ka ny vokatr’izany dia ny famehezana ny eto an-tany sy ny ankoatry ny fasana.