2010
Vahoaka Mazoto Mankany amin’ny Tempoly
2010


Vahoaka Mazoto Mankany amin’ny Tempoly

Asio sarin’ny tempoly ao an-tranonao mba ho hitan’ny zanakao izany. Ampianaro azy ireo ny tanjon’ny tranon’ny Tompo.

Marika lehibe amin’ny maha-mpikambana antsika ny tempoly

Tena voninahitra ho antsika ny fananana fahafahana mandeha any amin’ny tempoly hahazoana fitahiana ho an’ny tenatsika manokana. Avy eo, aorian’ny fandehanantsika any amin’ny tempoly hahazoana fitahiana ho an’ny tenatsika manokana, dia tena voninahitra lehibe ny fahafahana manao asa ho an’ireo izay efa nodimandry talohantsika. Io lafiny iray amin’ny asa atao any amin’ny tempoly io dia asa maneho ny tsy fitiavan-tena. Kanefa isaky ny manao asa any amin’ny tempoly ho an’ny olon-kafa koa isika dia misy fitahiana azontsika avy amin’izany. Noho izany dia tsy tokony hahataitra antsika ny faniriana lehiben’ny Tompo mba hahatonga ny olony ho olona mazoto mankany amin’ny tempoly.

Ny Tompo mihitsy ao anatin’ny fanambarany nomeny antsika no nanao ny tempoly ho mari-pamantarana lehibe ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana. Eritrereto ireo toetra sy fihetsika mendrika izay nasain’ny Tompo katsahintsika ao anatin’ilay torohevitra nomeny an’ireo Olomasina tany Kirtland tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa niomana ny hanangana tempoly izy ireo. Mbola azo ampiharina izany torohevitra izany hatramin’izao:

“Mifandamina ianareo; omano ny zavatra rehetra ilaina, ary manorena trano dia tranon’ny vavaka, tranon’ny fifadian-kanina, tranon’ny finoana, tranon’ny fianarana, tranon’ny voninahitra, tranon’ny filaminana, tranon’Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119). Moa ve ireo toetra sy fihetsika ireo tena mamaritra marina ny zavatra iriantsika sy katsahantsika tsirairay avy?

Ny ezaka rehetra ataontsika ao amin’ny Fiangonana dia mitondra antsika mankany amin’ny tempoly masina

Ny ezaka rehetra ataontsika eo amin’ny fitoriana ny filazantsara, ny fanaovana izay hahalavorary ny Olomasina sy ny famonjena ny maty dia mitondra mankany amin’ny tempoly masina. Izany dia noho ny maha-tena zava-dehibe an’ireo ôrdônansin’ny tempoly ary tsy afaka hiverina eo anatrehan’Andriamanitra isika raha tsy miaraka amin’izy ireo.

Tena maniry marina ny olony ho lasa olona mazoto mankany amin’ny tempoly ny Tompo. Ny faniriana lalin’ny foko dia ny mba hahamendrika ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra handeha ho any amin’ny tempoly. Manantena aho fa ny olon-dehibe mpikambana rehetra dia mba ho mendrika ny hihazona fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly, na dia eo aza ny fahalaviran’ny tempoly izay tsy ahafahana mampiasa izany haingana sy matetika.

Masina ny tempoly ho an’ny Tompo ka tokony ho masina izany ho antsika.

Aoka isika mba ho olona mpandeha any amin’ny tempoly sy ho olona tia ny tempoly. Aoka isika handeha ho any amin’ny tempoly matetika araka izay hamelan’ny fotoanantsika sy ny enti-manana eo amintsika ary ny toe-javatra iainantsika manokana hanao izany. Handeha isika ho any, tsy ho an’ireo havantsika nodimandry fotsiny, fa ho any koa mba hahazoana ny fitahiana ho an’ny tena manokana avy amin’ny fanompoam-pivavahana hatao any amin’ny tempoly, sy ny fahamasinana ary ny fiarovana azo ao anatin’izany rindrina masina sy voatokana izany. Ny tempoly dia toerana tsara tarehy sy toeran’ny fanambarana ary toeran’ny fiadanana. Tranon’ny Tompo izany. Masina izany ho an’ny Tompo. Tokony ho masina izany ho antsika.

Aoka isika hizara amin’ny zanantsika ireo fahatsapana ara-panahy azontsika any amin’ny tempoly. Ary aoka isika hampianatra azy ireo amim-pahamatorana sy amim-pilaminana kokoa momba ireo zavatra izay azontsika lazaina mikasika ny tanjon’ny tranon’ny Tompo. Asio sarin’ny tempoly ao an-tranonao mba ho hitan’ny zanakao izany. Ampianaro azy ny tanjon’ny tranon’ny Tompo. Asaivo manao drafitra dieny mbola kely izy ireo mba handeha ho any ary hitoetra ho mendrika hahazo izany fitahiana izany.

Faly ny Tompo rehefa mandeha amim-pahamendrehana any amin’ny tempoly isika.

Faly ny Tompo rehefa mandeha amim-pahamendrehana any amin’ny tempoly ny tanorantsika ary manatanteraka batisa isoloana tena ho an’ireo izay tsy nanana fahafahana natao batisa teto amin’ity fiainana ity. Faly ny Tompo rehefa mandeha amim-pahamendrehana any amin’ny tempoly isika mba hanao fanekempihavanana manokana Aminy ary mba hofehezina amin’ny maha-mpivady sy amin’ny maha-fianakaviana antsika. Ary faly ny Tompo rehefa mandeha amim-pahamendrehana any amin’ny tempoly isika mba hanatanteraka ireo ôrdônansy ireo ihany ho an’ireo izay efa maty ka maro amin’izy ireo no efa niandry mafy ny fanatanterahana ireo ôrdônansy ireo amin’ny anarany.

Mba hahatongavan’ny tempoly ho toy ny mari-pamantarana ho antsika dia tsy maintsy maniry ny hahatongavan’izany ho mari-pamantarana aloha isika. Tsy maintsy miaina ao anatin’ny fahamendrehana isika raha te-handeha ho any amin’ny tempoly. Tsy maintsy mitandrina ny didin’ny Tompontsika isika. Raha toa ka alaintsika tahaka eo amin’ny fiainantsika ny fiainan’ilay Mpampianatra ary raisintsika ho toy ny lamina lehibe arahantsika ny fampianarany sy ny ohatra nasehony, dia tsy ho sarotra amintsika ny ho mendrika ny hiditra ny tempoly ary tsy hiovaova sy hahatoky eo amin’ny lafim-piainana rehetra, satria hanolo-tena ny hanaraka fitsipi-pitondrantena sy fitsipi-pinoana masina sy tokana ihany isika. Hazava ny lalantsika ary hiavaka ny fitsipika arahantsika na any an-trano izany na any an-tsena, na any am-pianarana izany na fotoana aty aoriana rehefa vita ny fianarana, na manao zavatra irery tanteraka isika na miara-manao zavatra amin’ny olon-kafa maro.

Ny fahafahana manaraka ireo fitsipika ijoroany sy ny fiainana amim-pahamarinana sy amim-pahatokiana ny finoany—no hany tena zava-dehibe. Izany fanoloran-tena hanaraka fitsipika marina izany—eo amin’ny fiainantsika manokana, eo amin’ny tokantranontsika sy ny fianakaviantsika sy any amin’ny toerana rehetra izay hihaonantsika amin’olon-kafa sy hitarihantsika azy ireo—izany no ilay fanoloran-tena takian’Andriamanitra tanteraka amintsika. Mitaky fanoloran-tena izany—fanoloran-tena nomen’Andriamanitra avy amin’ny fo manontolo, sy latsa-paka ary hotanana mandrakizay mba hanaraka ireo fitsipika izay fantatsika fa marina ao amin’ireo didy nomen’Andriamanitra. Raha toa isika ka mitoetra ho marina sy mahatoky amin’ireo fitsipiky ny Tompo, dia ho mendrika ny hiditra ny tempoly foana ary ny Tompo sy ireo tempoly masina dia ho mari-pamantarana lehibe amin’ny maha-mpanara-dia Azy antsika.

Tempolin’i Kirtland Notokanana tamin’ny 27 Marsa 1836.

Tempolin’i Logan Utah. Notokanana tamin’ny 17 Mey 1884. Naverina notokanana tamin’ny 13 Marsa 1979.

Hamoaka printy