2010
Nahoana no misy Ireto Tempoly Ireto?
2010


Nahoana no misy Ireto Tempoly Ireto?

Ny tempolin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia toerana masina izay hamaliana ireo fanontaniana mahakasika ny mandrakizay.

Ny tempoly dia toerana hahazoan’ireo fanontaniana mikasika ny fiainana valim-panontaniana mahakasika ny mandrakizay amin’ireo

Moa ve nisy lehilahy na vehivavy hatramin’izay, ao anatin’ny fotoana fanaovany fandinihan-tena mba efa nisaintsaina ny amin’ireo misitery lehiben’ny fiainana?

Moa ve efa mba nanontany izy hoe: “Avy aiza aho? Nahoana aho no eto? Handeha ho aiza aho? Inona no fifandraisako amin’ilay Mpahary ahy? Moa ve ny fahafatesana hanaisotra ireo fifandraisako manan-danja amin’ireo hafa eo amin’ny fiainana? Ahoana ny amin’ny fianakaviako? Moa ve hisy fiainana aorian’ity fiainana ity, ary raha hisy izany, moa ve hifankafantatra isika any?”

Tsy ao anatin’ny fahendren’izao tontolo izao no ahitana ny valin’ireo fanontaniana ireo. Ao anatin’ny tenin’Andriamanitra nambara irery ihany no ahitana ny valin’izany. Ny tempolin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia toerana masina izay hamaliana ireo fanontaniana ireo sy ireo hafa mahakasika ny mandrakizay. Izy tsirairay avy dia notokanana ho tranon’ny Tompo, toeran’ny fahamasinana sy fiadanana miala amin’izao tontolo izao. Ao no ampianarana ny fahamarinana sy hanatanterahana ireo ôrdônansy izay mitondra fahalalana momba ny zavatra mandrakizay ary mankahery ireo mpandray anjara hiaina amin’ny fahalalana ireo lova masintsika amin’ny maha-zanak’Andriamanitra ary amin’ny fahafantarana ny hery anaty ananantsika amin’ny maha-olona mandrakizay.

Miavaka amin’ny tanjony sy ny fomba fiasany amin’ireo toeram-pivavahana hafa rehetra ny tempoly

Ireo tranobe ireo, izay samihafa amin’ireo trano fivavahana mahazatra an’arivony an’ny Fiangonana dia miparitaka manerana ny tany, ary miavaka amin’ireo toeram-pivavahana hafa rehetra amin’ny tanjony sy ny fomba fiasany. Tsy ny halehiben’ireo trano na ny endriny araky ny haisoritrano nanaovana azy no mahatonga azy ho toy izany, fa ny asa izay atao ao anatin’izany.

Tsy vaovao akory ny fanokanana trano natao hanatanterahana ôrdônansy manokana, izay miavaka amin’ireo trano fivavahana mahazatra. Efa hatramin’ny andron’i Isiraely fahiny izany fomba izany, ka tany amin’ireo synagoga no nivavahan’ireo olona tsy tapaka. Ny toerana masina indrindra ho azy ireo dia, voalohany, ny taberinakely tany an-tany foana izay nisy ny efitra Masina Indrindra, avy eo dia nisy ireo tempoly nifandimby, izay nanatanterahana ireo ôrdônansy manokana ary izay olona nahafeno ny fepetra takiana ihany no afaka nandray anjara tamin’ireo ôrdônansy ireo.

Ary dia toy izany koa ankehitriny. Alohan’ny hanokanana ny tempoly dia manasa ny olon-drehetra Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hitsidika ilay trano ary hijery ireo efitra maro. Fa rehefa voatokana kosa izany dia lasa tranon’ny Tompo, nomena ilay toetrany tena masina tokoa ka ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika ihany no avela miditra ao. Tsy resaka tsiambaratelo izany, fa resaka fahamasinana.

Ny asa ao amin’ny tempoly dia ho antsika tsirairay avy amin’ny maha-fianakavian’Andriamanitra mandrakizay antsika

Ny asa izay atao ao amin’ireo tranobe ireo dia maneho ny tanjona mandrakizain’Andriamanitra mahakasika ny olona, izay zanaka sy voaharin’Andriamanitra. Amin’ny ankamaroan’ ny fotoana, ny asa ao amin’ny tempoly dia mahakasika ny fianakaviana, amin’ny maha-fianakavian’Andriamanitra mandrakizay antsika sy amin’ny maha-olona ao anatin’ny fianakaviana eto an-tany antsika. Miompana amin’ny fahamasinana izany ary ny toetra mandrakizain’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana sy ny fifandraisan’ny fianakaviana.

Maneho izany fa ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay teraka teto an-tany dia zanak’Andriamanitra, izay nandova toetra masina avy Taminy. Ny famerenana ireo fampianarana fototra sy manan-danja ireo dia mitondra tombontsoa ho an’ireo izay mandray izany, satria rehefa zaraina mazava tsara amin’ny fiteny mahafinaritra sy mahatalanjona ny fotopampianarana dia hahatakatra ireo mpandray anjara fa satria ny lehilahy sy vehivavy tsirairay dia zanaky ny Ray any an-danitra, noho izany dia olona ao amin’ny fianakaviana masina ny tsirairay; izany hoe, ny tsirairay dia mpirahalahy sy mpirahavavy.

Dia nanontany ny mpanora-dalàna hoe: “Ny didy manao ahoana no voalohany amin’izy rehetra?” Ary ny Mpamonjy namaly hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra: izay ny voalohany.

“Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Marka 12:28, 30–31).

Ny fampianarana atolotra any amin’ny tempoly amin’izao androntsika izao dia manantitrantitra izany fotokevitra lehiben’ny adidintsika amin’ny Mpahary sy namantsika izany. Mampivelatra izany fotokevitra tena tsaran’ny fianakavian’Andriamanitra izany ireo ôrdônansy masina. Mampianatra izy ireo fa ny fanahy izay ao anatintsika dia mandrakizay, izay mifanohitra amin’ny vatana izay mety maty. Tsy vitan’ny manome fahalalana mikasika ireo fahamarinana lehibe ireo fotsiny izy ireo fa mampitombo koa ny fitiavan’ireo mpandray anjara an’Andriamanitra ary manosika azy haneho fitiavana bebe kokoa eo anatrehan’ireo zanaka hafan’ny Ray.

Ny fanekena ny hevitra fa zanak’Andriamanitra ny olona tsirairay dia manampy antsika hahita fa misy tanjona masina ny fiainana eto an-tany. Mbola ampianarina ao amin’ny tranon’ny Tompo indray ireo fahamarinana nambara. Ny fiainana an-tany dia ampahan’ny dia mandrakizay. Niaina tamin’ny naha-zanaka niendrika fanahy isika talohan’ny nahatongavana teto. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany ny soratra masina. Diniho tsara ny tenin’ny Tompo ho an’i Jeremia: “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena” (Jeremia 1:5).

Ilay fifandraisana sarobidy avy amin’ny fiainan’ny fianakaviana dia afaka ny hitohy any amin’ny tontolo ho avy

Tonga eto amin’ity fiainana ity isika amin’ny maha-zanaky ny ray aman-dreny mety maty sy amin’ny maha-olona ao amin’ny fianakaviana antsika. Ny ray aman-dreny dia mpiara-miasa amin’Andriamanitra eo amin’ny fanatanterahana ny Tanjony masina mahakasika ny zanany. Noho izany, ny fianakaviana dia vondrona masina, faran’ny manan-danja indrindra eto an-tany sy any amin’ny mandrakizay.

Ny ankamaroan’ny asa izay atao ao amin’ny tempoly dia mahakasika ny fianakaviana. Ny fahatakarana ny dika fototr’izany dia maneho ny fanekena fa noho isika efa nisy tamin’ny naha-zanak’Andriamanitra antsika talohan’ny nahaterahana teto amin’ity izao tontolo izao ity, dia hitohy hiaina koa isika aorian’ny fahafatesana, ary ilay fifandraisana sarobidy sy nahafa-po antsika teto amin’ny fiainana an-tany, izay faran’ny mahafinaritra sy manan-danja indrindra hita eo amin’ny fianakaviana dia afaka ny hitohy any amin’ny tontolo ho avy.

Rehefa mivady ao amin’ny tranon’ny Tompo ny lehilahy sy ny vehivavy iray dia tsy hakambana fotsiny mandritra ny fotoana iainany eto an-tany izy fa hakambana koa amin’ny fotoana maharitra mandrakizay rehetra. Tsy nakambana teo ambanin’ny fahefan’ny tany ihany izy ireo izay manakambana azy ireo mandrapahafatiny fa nakambana koa tamin’ny alalan’ny fisoronana mandrakizain’Andriamanitra, izay mamehy ny any an-danitra ny zavatra rehetra fehezina ety an-tany. Ireo mpivady izay nivady tany amin’ny tempoly dia mahazo antoka avy amin’ny fanambarana masina fa ny fifandraisana’izy ireo sy ny an’ny zanany dia tsy hifarana amin’ny fahafatesana fa hitohy any amin’ny mandrakizay, raha toa ka miaina am-pahamendrehana ho amin’izany fitahiana izany izy ireo.

Efa nisy ve hatramin’izay lehilahy izay tia tanteraka vehivavy iray, na vehivavy iray izay tia tanteraka ny lehilahy iray, ka tsy nivavaka mba hitohizan’ny fiarahan’izy ireo any ankoatry ny fasana? Moa ve efa nisy zaza iray nalevin’ny ray aman-dreniny izay nikatsaka fahatokiana fatratra fa ho azy ireo ihany izany olon-tian’izy ireo izany any amin’ny tontolo ho avy? Moa ve hisalasala ny olona iray izay mino ny fiainana mandrakizay fa ny Andriamanitry ny lanitra dia hanolotra ho an’ny zanakalahiny sy ny zanakavaviny ny toetra faran’izay sarobidy indrindra eo amin’ny fiainana, dia ny fitiavana izay miseho lany eo amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana? Tsia, satria tia antsika Andriamanitra dia mazava ho azy fa hitohy aorian’ny fahafatesana ny fifandraisan’ny fianakaviana. Maniry izany fitohizan’ny fifandraisan’ny fianakaviana izany ny fon’ny zanak’olombelona, ary ny Andriamanitry ny lanitra dia nanambara fomba izay ahafahana mahazo izany. Ireo ôrdônansy masin’ny tranon’ny Tompo no manome izany.

Natao ho an’ny rehetra ny fitahiana avy amin’ny tempoly

Kanefa izany rehetra izany dia ho toy ny tsy rariny tokoa raha toa ka ho an’ireo izay mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’izao fotoana izao ihany izany fitahiana avy amin’ireo ôrdônansy ireo. Raha ny marina dia misokatra ho an’ny rehetra izay manaiky ny filazantsara sy atao batisa ao amin’ny Fiangonana ny fahafahana hiditra ny tempoly sy handray ireo fitahiana azo avy aminy. Noho izany antony izany, ny Fiangonana dia mampivelatra ny fandaharan’asa fitoriana saika manerana an’izao tontolo izao ary hanohy hampivelatra izany fandaharan’asa izany arak’izay tratra, satria andraikitra, araka ny fanambarana masina, ny mampianatra ny filazantsara amin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra.

Kanefa nisy an-tapitrisany maro ireo olona izay efa nandia ny tany ary tsy nanana fahafahana nandre ny filazantsara. Moa ve holavina tsy handray izany karazan’ny fitahiana izay atolotry ny tempolin’ny Tompo izany izy ireo?

Amin’ny alalan’ny mpisolo tena velona izay manao izany ho an’ireo izay efa nodimandry, izany ôrdônansy mitovy izany dia misy ho an’ireo izay efa niala teto amin’ity fiainana an-tany ity. Any amin’ny tontolon’ny fanahy, ireo olona tsirairay ireo dia afaka misafidy ny hanaiky na handa izany ôrdônansy tanterahina eto an-tany ho azy ireo izany, anisan’izany ny batisa, fanambadiana ary ny famehezana ny fiarahan’ny fianakaviana. Tsy misy fanerena olona hanao zavatra iray ao amin’ny asan’ny Tompo, fa tsy maintsy misy kosa ny fahafahana hanao zavatra.

Ny asa ao amin’ny tempoly dia asa fanehoam-pitiavana raha eo amin’ny lafin’ny fisoloan’ireo velona tena ireo efa nodimandry

Izany asa fisoloana tena izany dia asa fanehoam-pitiavana tsy manam-paharoa asehon’ireo velona misolo tena ireo izay efa nodimandry. Mahatonga ny asa lehibe fikarohana ny tetiarana ho ilaina mba hahitana sy hamantarana ireo olona niaina taloha izany. Mba hanampiana amin’izany fikarohana izany dia nandrindra fandaharan’asa fanaovana tetiarana ny Fiangonana ary nanangana toeram-pikarohana miavaka eto amin’izao tontolo izao. Misokatra ho an’ny olon-drehetra ny tahirin-tsoratra ary efa nampiasain’ireo olona maro tsy mpikamban’ny Fiangonana nentina nikarohana ny firazanany izany. Izanys fandaharan’asa izany dia ankasitrahin’ireo mpahaifirazanana maro manerana an’izao tontolo izao ary nampiasain’ny firenena maro ho fitehirizana ny firaketany manokana. Fa ny tena tanjony voalohany dia ny hanome ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo loharano ilaina entina hamantarana ny razambeny mba hahafahany hanolotra ho azy ireo ilay fitahiana izay efa ananan’izy ireo. Toy ireny miteny amin’ny tenany ireny izy ireo hoe: “Raha tia ny vadiko sy ny zanako tokoa aho dia tiako hiaraka amiko any amin’ny mandrakizay izy ireo, ka tsy tokony hahazo izany fitahiana mandrakizay mitovy amin’izany koa ve ny raibeko sy ny renibeko efa nodimandry sy ireo ray aman-drenin’izy ireo?”

Manolotra fahafahana hianatra ny tena zavatra manan-danja eto amin’ny fiainana ny tempoly

Ka noho izany ireo toerana masina ireo dia ahitana karazan-javatra mahavariana maro, atao amim-pahanginana sy amim-panajana. Mampahatsiahy antsika ny ampahan’ny fahitan’i Jaona Mpanambara izay mirakitra ity fanontaniana sy valiny ity izany: “Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? …

“Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.

“Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman-alina eo amin’ny tempoly” (Apokalypsy 7:13–15).

Ireo izay miditra ao amin’ireo trano masina ireo dia miakanjo fotsy rehefa mandray anjara ao anatin’izany. Tsy miditra ao izy ireo raha tsy avy amin’ny alalan’ny fahazoana lalana tamin’ireo mpitondra ara-panahiny eto an-toerany izy ireo, rehefa avy nohamarinana ny fahamendrehany. Andrasana amin’izy ireo ny hadio amin’ny eritreritra, hadio ara-batana ary ho madio amin’ny fitafy rehefa rehefa hiditra ny tempolin’Andriamanitra. Rehefa miditra ao izy ireo dia takiana aminy ny hanala ny momba an’izao tontolo izao ao an-tsain’izy ireo ary hifantoka amin’ny zavatra masina

Izany fomba fanao izany raha toa ka azo antsoina arak’izay izany, dia mitondra tombontsoa manokana, satria iza eto amin’ity fiainana feno hotakotaka ity no tsy handray izany fahafahana hanakatona ny varavaran’ny zavatr’izao tontolo izao izany ary hiditra ny tranon’ny Tompo, ka hisaintsaina amim-pahanginana ny zavatra mandrakizain’Andriamanitra? Ireo tempoly masina ireo dia manome fahafahana, izay tsy fahita na aiza na aiza, ny hianatra sy hifantoka amin’ny tena zava-manan-danjan’izao fiainana izao—dia ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ny dia mandrakizay izay ataontsika izay nanomboka tany amin’ny fotoana talohan’ny nahaterahantsika hatramin’izao fiainantsika izao ary mankany amin’ny toetran’ny tenantsika amin’ny hoavy izay hifankafantarantsika sy hiarahantsika, ka ao tafiditra ao anatin’izany ireo olon-tiantsika sy ny razambentsika nialoha lalana antsika izay avy amin’izy ireo no nandovantsika ny zavatra ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy.

Ao amin’ny tempoly no hanomezana fampanantenana antsika amin’ny fahazoana ireo fitahiana mandrakizain’Andriamanitra

Tena miavaka raha samy trano tokoa ireo tempoly ireo. Trano handraisana fampianarana izany. Toerana hanaovana fanekempihavanana sy fampanantenana izany. Eo amin’ny alitarany no handohalihantsika eo anatrehan’Andriamanitra, ilay Mpahary antsika, ary hanomezana antsika ny fampananantenana amin’ny fahazoana ireo Fitahiany mandrakizay. Ao anatin’ireo toerana masin’ireo tempoly ireo no hifandraisantsika Aminy ary handinihantsika ny momba ilay Zananilahy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ny Tompo Jesoa Kristy, izay nanolo-tena ho antsika tsirairay avy tamin’ny fanaovana sorona ho antsika. Ao no hanilihantsika ny fitiavan-tenantsika ary hanompoantsika ny hafa izay tsy afaka manao ny asa ho an’ny tenany. Ao no hanakambanana antsika miaraka, eo ambany fahefan’ny fisoronana mawrin’Andriamanitra, ao anatin’ny fifandraisana faran’izay masina indrindra eo amin’ny fifandraisan’ny zanak’olombelona—amin’ny maha-mpivady, amin’ny maha-ray aman-dreny sy zanaka, amin’ny maha-fianakaviana voafatotra ka tsy ho azo ravain’ny fotoana sy sakanan’ny fahafatesana.

Ireo trano masina ireo dia naorina eny fa na dia nandritry ny andro sarotra izay nandroahana sy nanenjehana foana ny Olomasin’ny Andro Farany aza. Naorina izy ireo ary nokojakojaina na nandritry ny fahantrana na nandritry ny firoboroboana. Izy ireo dia avy tamin’ny finoana mahery vaikan’ireo olona maro an’isa izay mijoro ho vavolombelona momba an’ilay Andriamanitra velona, sy ny Tompo izay efa nitsangana tamin’ny maty, ary ireo mpaminany sy ny fanambarana masina, ary ny fiadanana sy fahatokiana avy amin’ny fitahiana mandrakizay izay hita ao amin’ny tranon’ny Tompo ihany.

Fitoeran-drano fanaovana batisa, Tempolin’i Papeete Tahiti.

Tempolin’i Stockholm Suède. Notokanana tamin’ny 2 Jolay 1985.

Tempolin’i Manti Utah. Notokanana tamin’ny 21 Mey 1888. Naverina notokanana tamin’ny 14 Jiona 1985.

Hamoaka printy