2010
Tranon’ny Tompo
2010


Tranon’ny Tompo

Ny tempoly dia toerana fianaran’ny Mpamonjy fony Izy teto an-tany. Zavatra iray lehibe nibahana teo amin’ny Fiainany izany. Amin’izao androntsika izao dia eto indray ireo fitahiana avy amin’ny tempoly” (James E. Faust, “The Restoration of All Things,” Liahona, Mey 2006, 67).

Ny tempoly dia tena tranon’ny Tompo ara-bakiteny mihitsy. Toerana izay ampianaran’Andriamanitra ny zanany ary hanomanany azy ireo hiverina eo Anatrehany indray. Toerana izay hampiraisana ny fianakaviana ho iray ary ampianarana ny fomban’ny Tompo.

“Maneho ny tsy maha-manam-petra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fikarohana ireo razambentsika sy fanatanterahana ho azy ireo ny ôrdônansin’ny famonjena izay tsy ho azo tanterahin’ny tenany manokana” (D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Liahona, Jan. 2001, 11).

“Ny dingan’ny fandraisana eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy izay niantomboka teo amin’ny ranon’ny batisa dia mitohy ary mivelatra kokoa any amin’ny tranon’ny Tompo. … Mandray ny anaran’i Jesoa Kristy tanteraka sy amin’ny endriny feno eo amintsika isika amin’ny fandraisana ny ôrdônansin’ny tempoly masina” (David A. Bednar, “Honorably Hold a Name and Standing,” Liahona, Mey 2009, 98).

“Ao anatin’ny famirapiratan’ny voninahiny no toa hiantsoan’ny tempoly ny olona tsirairay izay mijery ny hatsarany hoe: ‘Avia! Avia tongava ato amin’ny tranon’ny Tompo. Ato no hahitana filaminana ho an’ireo mizaka enta-mavesatra ary fiadanana ho an’ny fanahy.‘ … Manomana ireo rehetra hiditra amin’ny lalana hiverenana any an-tokantrano ny [tempoly]—tokantrano any an-danitra, tokantrano eo anivon’ny fianakaviana, tokantrano miaraka amin’Andriamanitra” (Thomas S. Monson, “Days Never to Be Forgotten,” Ensign, Nôv. 1990, 67, 70).

Tempolin’i Washington D.C. Notokanana tamin’ny 19 Nôv. 1974.

Loharano, Tempolin’i Nashville Tennessee.

Takela-pitaratra, Tempolin’i Palmyra New York (farany havia).

Tempolin’i Hong Kong Chine. Notokanana tamin’ny 26 Mey 1996.

Andohalambo, Tempolin’i Bountiful Utah.

Tempolin’i Cochabamba Bolivie. Notokanana tamin’ny 30 Apr. 2000.

Sombiny amin’ny Rafi-pananganana, Tempolin’i Cardston Alberta.

Fefy, Tempolin’i Sacramento Californie.

Tempolin’i Accra Ghana. Notokanana tamin’ny 11 Jan. 2004.

Hamoaka printy