2010
Miomana amin’ireo Fitahiana avy amin’ny Tempoly
2010


Miomana amin’ireo Fitahiana avy amin’ny Tempoly

Ny tempoly tsirairay dia mariky ny finoantsika an’Andriamanitra ary porofon’ny finoantsika ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Ny tempoly no votoatin’ny fiaraha-mientana rehetra, ny lesona rehetra ary ny dingana rehetra irosoan’ny Fiangonana.

Satria nomanina ho an’ny olona ny tempoly, noho izany dia mila manomana ny tenany ho an’ny tempoly ny olona

Ireto teny ireto dia misoratra eo amin’ny tempoly tsirairay “hamasinina ho an’ny Tompo.”1 Izany teny izany dia maneho fa ny tempoly sy ny tanjony dia samy masina. Ireo izay miditra ny tempoly dia ilaina koa hanana ilay toetra masina.2 Satria nomanina ho an’ny olona ny tempoly, noho izany dia mila manomana ny tenany ho an’ny tempoly ny olona.

Ny tempoly dia samy hafa amin’ireo trano fivavahana hafa. Ny tempoly izay tsy toy ny trano fiangonana, dia mihidy ny andro Sabata mba hahafahan’ny olona hiangona sy hiaraka amin’ny fianakaviany amin’izany andro masina izany. Ny tempoly dia misokatra ao anatin’ireo andro hafa mandritra ny herinandro mba hanaovana asa masina. Ny tempoly dia tena tranon’ny Tompo ary natokana ho an’ireo ôrdônansy izay manana lanjany mandrakizay. Ireo ôrdônansy ireo dia ahitana ny batisa, ny fanambadiana, fanafiana masina ary ny famehezana.

Ny tempoly tsirairay dia mariky ny finoantsika an’Andriamanitra ary porofon’ny finoantsika ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Ny tempoly no votoatin’ny fiaraha-mientana rehetra, ny lesona rehetra ary ny dingana rehetra irosoan’ny Fiangonana. Ny ezaka rehetra ataontsika eo amin’ny fitoriana ny filazantsara, ny fanaovana izay hahalavorary ny Olomasina ary ny fanavotana ny maty dia mitondra mankany amin’ny tempoly masina. Tena zava-dehibe ireo ôrdônansin’ny tempoly. Tsy afaka miverina any amin’ny fanjakan’Andriamanitra isika raha tsy miaraka amin’izy ireo.

Ny ôrdônansy tsirairain’ny tempoly dia fanaovana fampanantenana iray

Ao amin’ny tempoly no andraisantsika ny fanafiana masina, izay raha ara-bakiteny dia fanomezana. Mila mahatakatra ny dikan’izany ara-panahy isika sy ny maha-zava-dehibe ny fanajana ireo fanekempihavanana masina nataontsika sy ny andraikitra nekentsika rehefa nandray izany fanomezana izany. Ny “ôrdônansy tsirairain’ny tempoly dia tsy fombafomba tsy maintsy atao fotsiny fa fanaovana fampanantenana lehibe koa izany.”3

Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana. Noho izany dia mora takatra tokoa izy raha amin’ny alalan’ny fanambarana ary tokony hokatsahana amin’ny alalan’ny fo madio. Nanazava ny Filoha Brigham Young hoe: “ny fanafiana masina dia ny fandraisanao ireo ôrdônansy rehetra ireo ao amin’ny tranon’ny Tompo izay ilainao aorian’ny fandaozanao ity fiainana ity mba hahafahanao handeha hiverina eo anatrehan’ny Ray sy handalo an’ireo anjely izay mijoro ho mpiambina, … ary hahazo ilay fisandratanao mandrakizay.”4

Ny fankatoavana ireo fanekempihavanana masina natao tany amin’ny tempoly dia manome fahafahana antsika hahazo ny fiainana mandrakizay

Ny fahefan’ny fisoronana entina manao famehezana dia ampiasaina any amin’ny tempoly tsirairay. Nanazava ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “tsy misy mpanjaka na filoham-pirenena na manampahefana avy amin’izay fikambanana misy eto amin’ity izao tontolo izao izay misy antsika ity ka manana fahefana mahafehy ireo zavatra any ankoatry ny fasana. Very hevitra ny olona rehetra rehefa manakaiky ny fahafatesana, saingy ilay mpisorona avo feno fanetren-tena sy tsara toetra ary marin-toetra izay nahazo ny fahefan’ny famehezana dia afaka mamatotra any an-danitra izay voafatotra eto an-tany.”5

Ny fisoronana dia mandrakizay—tsy misy fiandohany na fiafarany—ary dia toy izany koa ny fahefan’izany fisoronana izany.6 Vokatr’izany dia mihoatra ny fotoana koa ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ireo. Ilay fanambarana voalohany nomen’ny anjely Môrônia ho an’ny Mpaminany Joseph Smith dia mikasika izany.7 Tao anatin’ireo torolalana taty aoriana izay nomena ny Mpaminany momba ny tempoly, dia hoy ny Tompo hoe:

“Aoka izany trano izany haorina ho an’ny anarako, mba hahazoako manambara ireo ôrdônansiko amin’ny oloko;

“Fa sitrako ny hanambara amin’ny fiangonako ireo zavatra izay efa nafenina hatry ny talohan’ny nanorenana izao tontolo izao, zavatra izay mikasika ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana.”8

Miaina ao anatin’izany fotoam-pahafenoana izany isika. Tafaverina tsara tokoa araka ny faminaniana ireo tempoly, ôrdônansy, fanekempihavanana sy fanafiana masina ary famehezana. Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia manome fomba hihavanana amin’ny Tompo ary mamehy ny fianakaviana hiaraka mandrakizay. Ny fankatoavana ireo fanekempihavanana masina natao tany amin’ny tempoly dia mahamendrika antsika hahazo ny fiainana mandrakizay—izay fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny olombelona.9

Na iza na iza vonona ny hiomana tsara dia afaka miditra ny tempoly

Noho ny maha-masina ny tempoly dia nangataka ny Tompo mba hiarovana izany amin’ny fametavetana. Afaka miditra ao izay olona vonona hiomana tsara hahazo izany tombontsoa izany. Ny lafin’ny fiomanana dia mibahan-toerana any amin’ireo karazan-javatra hafa atao. Tsaroako fony aho mbola zatovolahy dia nilaza tamin’ny ray aman-dreniko aho fa te-hianatra any amin’ny oniversite. Nolazain’izy ireo fa afaka mianatra any aho raha toa ka niasa mafy tany amin’ireo kilasy fanomanana ary nahafeno ireo fepetra takiana mba hidirana any amin’ny oniversite. Toy izany koa isika dia tsy maintsy manao ny tokony hatao aloha mba ho tafiditra any amin’ny tempoly. Miomana ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy isika. Ny fahafahan’ny olona handeha any dia jerena tsirairay isaky ny olona mangataka fahazoan-dalana.

Ireo izay mihazona ireo fanalahidin’ny fahefan’ny fisoronana sy ny andraikitry ny fisoronana dia manampy antsika hiomana amin’ny alalan’ny fanaovana dinidinika momba ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly. Miahy antsika ireo mpitarika ireo ary manampy antsika hahafantatra raha vonona isika handeha ho any amin’ny tempoly. Tia ny Tompo koa izy ireo ary maka antoka tsara hoe “tsy hisy zavatra tsy madio havela hiditra ny tranony.”10 Noho izany ireo dinidinika ireo dia tarihina ao anatin’ny toe-tsaina maha-tompon’andraikitra.

Ahoana no fomba hiomananao mba hahazoana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly? Afaka maka hevitra any amin’ny episkôpànao ianao ary koa any amin’ny ray aman-dreninao, na ny fianakavianao, na ny filohan’ny tsatòkanao, na ny mpampianatra anao na ny mpanoro hevitra ao amin’ny kôlejy misy anao. Tsotra ireo zavatra takiana. Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia takiana ny olona anankiray mba hitandrina ireo didin’ny Tompon’ilay trano. Efa napetrany ny fitsipika. Isika dia miditra ao amin’ny tempoly toy ireny vahininy ireny.

Ho faly ny Tompo raha toa ny olon-dehibe mpikambana rehetra ka mendrika ny hihazona fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly izay manan-kery. “Traikefa sarobidy ireo dinidinika … momba ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly ireo izay ataonao miaraka amin’ireo [mpikambana ao amin’ny episkôpànao] sy ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòkanao. Ary amin’ny lafiny iray dia azo raisina ho toy ny ‘fanazaran-tena’ lehibe ho an’ilay fihaonana lehibe izany, rehefa hijoro eo anatrehan’ilay Mpitsara Lehibe isika.”11

Miomana ara-batana rehefa handeha ho any amin’ny tempoly

Ankehitriny rehefa eo am-pelatanana ny fahazoan-dalana dia vonona ny hiatrika fiomanana fanampiny ianao. Miomana ara-batana ianao amin’ny alalan’ny fanaovana akanjo tsara sy mendrika rehefa handeha ho any amin’ny tempoly. Tsy toerana hanaovana fitafy tsy dia mendrika loatra any. Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nanantitrantitra ny fanajantsika ny vatantsika. Izany fanajana izany dia tokony haseho, indrindra indrindra ho an’ireo izay hiditra tempoly masina iray.12

Miakanjo fotsy mangatsakatsaka ny olona rehetra any amin’ny tempoly. “Ilay fahadiovana miavaky ny fotsy toy izany dia mampahatsiahy antsika fa mila olona madio Andriamanitra.”13 Ny taona, ny fiaviana, ny fiteny—eny fa na dia ny anjara asa ao amin’ny Fiangonana aza—dia tsy manan-danja noho izany. Efa nanatrika fivoriana maro fandraisana ny fanafiana masina aho izay nandraisan’ny Filohan’ny Fiangonana anjara. Ny olona rehetra tao amin’ilay efitrano dia nahazo ilay fanajana lehibe izay nomena ny Filoha koa. Miara-mipetraka daholo ny rehetra ary raisina ho mitovy eo anatrehan’ny Tompo. Ny fandehanana any amin’ny tempoly dia mampahatsiahy antsika fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” amin’ny alalan’ny fampitoviana ny akanjo.14

Mandeha mankany amin’ny tempoly ny lehilahy sy vehivavy hanambady mba hivady ho amin’ny fotoana sy mandrakizay. Rehefa ao amin’ny tempoly, ilay vehivavy hanambady dia manao akanjo lava fotsy, lava tanana ary tsotra ny didiny sy ny lambany ary tsy ahitana haingonkaingony. Ny lehilahy dia tsy manao ilay akanjon-dehilahy enti-mianjaika na akanjo mihaja be. Ny Filoha Boyd K. Packer, izay Filohan’ny Apôstôly Roambinifolo ankehitriny dia nanoratra hoe: “Faly ny Tompo rehefa mandro isika ary manao akanjo madio, na dia mora toy ny inona aza ny vidin’ilay akanjo. Tokony hanao akanjo toy izany isika mba hahafahantsika hanatrika amim-pilaminan-tsaina ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo na fivoriana iray mendri-kaja.”15

Raha eo amin’ny lafin’ny akanjo any amin’ny tempoly dia afaka manome hevitra tsara ny zanany sy ny zafikeliny ny reny sy ny renibe. Afaka manome famporisihana azo tsapain-tanana ho an’ny fianakaviany izy ireo arakaraky ny fahaiza-manao ananany sy ny toe-javatra iainany. Ny fanomezana avy amin’ny reny toy ny mosara iray misy peta-kofehy na zavatra iray hanaovana any amin’ny tempoly dia famporisihana mahery vaika mendrika hotehirizina ho an’ny zanaka na zafikely be fitiavana iray.

Ny garmentan’ny tempoly dia maneho ny fitohizan’ny fanoloran-tena

Ny fanaovana ny garmentan’ny tempoly dia marika maneho dikan-javatra lehibe sy maneho ny fitohizan’ny fanoloran-tena. Rehefa nampiseho antsika ohatra iray teo amin’ny fahafahany maharitra hatramin’ny farany ny Mpamonjy, dia ny fanaovana ny garmenta kosa no fomba iray ampisehoantsika ny faharetantsika ao anatin’ny finoana Azy sy ireo fanekempihavanana mandrakizay nataontsika taminy.

Ny Fiadidiana Voalohany dia nanomana taratasy ho an’ny Fiangonana mahakasika izany. Nanoratra izy ireo hoe:

“Ireo fomba fanao hita matetika eo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana dia mampiseho fa misy mpikambana sasany izay tsy mahatakatra tanteraka ny fanekempihavanana nataony tany amin’ny tempoly mba hanao ny garmenta mifanaraka amin’ny fanahin’ny fanafiana masina.

“Ireo mpikamban’ny Fiangonana izay notafiana ny garmentan’ny tempoly dia nanao fanekempihavanana hanao izany mandritra ny fiainany. Izany dia nadika hoe hanaovana ao anatin’ny akanjo andro aman’alina izany. … Ny fahamendrehana sy ny fahatokiana eo amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana no fepetra ahazoana ny fiarovana sy fitahiana.

“Ny fitsipika fototra dia ny tsy maintsy hanaovana ny garmenta ary ny tsy fitadiavana fomba hanesorana azy. Noho izany ny mpikambana dia tsy tokony hanala ny garmenta ambony ambany na ny iray amin’izany rehefa manao asa manodidina ny trano na rehefa te hitsotsotra haka aina satria te hanao akanjo filomanosana na akanjo tsy maotina. Izy ireo koa dia tsy tokony hanala izany rehefa manao zavatra mampiala voly izay azo atao tsara miaraka amin’ny garmenta hanaovana araka ny tokony ho izy ao anatin’ny akanjo fanao mahazatra. Raha toa ka tsy maintsy esorina ny garmenta, toy ny rehefa milomano dia tokony haverina hanaovana haingana dia haingana izany avy eo.

“Ny fitsipiky ny fahamaotinana sy ny fanaronana ny vatana araka ny tokony ho izy dia mazava ao anatin’ny fanekempihavanana ary tokony ho fenitra arahana eo amin’ny karazana fitafy tokony hanaovana. Ny mpikamban’ny Fiangonana nandray ny fanafiana masina dia manao ny garmenta ho mpampahatsiahy an’ireo fanekempihavanana masina izay nataon’izy ireo niaraka tamin’ny Tompo ary koa ho fiarovana amin’ny fakam-panahy sy ny ratsy. Ny fanaovana azy dia fanehoana ety ivelany ny fanoloran-tena ao anaty mba hanaraka ny Mpamonjy.”16

Miomana ara-tsaina sy ara-panahy rehefa handeha any amin’ny tempoly

Ankoatry ny fiomanana ara-batana dia mila miomana ara-tsaina sy ara-panahy isika. Satria masina ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly dia tena voarara tanteraka isika mba tsy hiresaka any ivelan’ny tempoly ny momba ny zava-miseho ao anatin’ny tempoly. Ny zavatra masina dia mendrika ny omena haja fatratra.

Ampianarina araka ny fomban’ny Tompo isika ao anatin’izany trano izany. Tsy mitovy amin’ny fombantsika ny fombany.17 Tsy tokony ho taitra isika raha toa ny fomba fampianarana ka samy hafa amin’ireo izay ampiasaina any amin’ny seha-pianarana izay mahazatra antsika kokoa. Ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanan’ny tempoly dia efa lafiny iray tafiditra tanteraka ao anatin’ny filazantsara nanomboka tamin’ny andron’i Adama sy Eva. Fahiny dia nampiasaina ny marika hampianarana fahamarinana lalina ary izany fomba fampianarana izany dia ampiasaina ao amin’ny tempoly ankehitriny.

Noho izany dia ilaina ny misaintsaina momba ireo marika aseho any amin’ny tempoly ireo sy mahita ny fanazavana lehibe momba ny dikan’ny marika tsirairay.18 “Ny ôrdônansin’ny tempoly dia tena feno fampiasana marika mba hisian’ny fandinihana sy fianarana mitera-bokatsoa mandritra ny fiainana.”19 Ireo fampianarana any amin’ny tempoly dia tsotra amin’ny fomba mahagaga ary mahagaga tsotra fotsiny. Takatr’ireo izay tsy dia nandia fianarana izany kanefa afaka manaitra ny sain’ireo avara-pianarana koa.

Mamporisika ireo mpikambana izay handeha vao voalohany any amin’ny tempoly aho mba hamaky ireo fanazavana fohy ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina momba ny hoe “Manosotra,” “Fanekempihavanana,” “Sorona,” ary “Tempoly.” Mety misy te-hamaky ny Eksodosy toko 26–29 koa ary ny Levitikosy toko 8. Ny Testamenta Taloha ary koa ny bokin’i Mosesy sy Abrahama ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy dia manamafy ny efa maha-tranainy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ilay toetra maharitry ny ôrdônansiny.

Sady miaro no manome fahalalahana hanao zavatra ny fitandremana ny fanekempihavanana iray natao tamin’Andriamanitra

Misy zavatra anankiroa izay ilaintsika manokana atao ao an-tsaina rehefa miomana ny handeha ho any amin’ny tempoly isika. Ny voalohany dia ny fanekempihavanana. Mila mahatsiaro isika fa ny fanekempihavanana dia fampanantenana iray. Ny fanekempihavanana natao tamin’Andriamanitra dia tsy tokony horaisina hoe mamehy fa kosa miaro. Ny fanekempihavanana natao niaraka Taminy dia miaro antsika amin’ny loza.

Tsy vaovao io zavatra io. Raha toa ka mampiahiahy ny hadion’ny rano ampiasaintsika ohatra, dia tantavanintsika izany. Mitovy amin’izany koa ireo fanekempihavanana masina izay miaro antsika amin’ny ratsy. Rehefa misafidy ny handa ireo toetra tsy araka an’Andriamanitra isika,20 dia tsy ho very zavatra manan-danja ary hahazo voninahitra izay tsy misy mahafantatra afa-tsy ireo izay mahazo ny fiainana mandrakizay ihany. Ny fanajana ny fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly dia tsy maneritery fa kosa manome fahalalahana hanao zavatra. Mampisondrotra antsika hihoatra ny fetran’ny fahitantsika sy ny herintsika manokana izany. Izany dia toy ny fahasamihafana misy eo amin’ny fandehanana miadana ao anatin’ny fotaka sy ny fanivatsivana haingana ny lanitra ao anatin’ny fiaramanidina jet supersonique. Ny fanajana ny fanekempihavanana natao tamin’Andriamanitra dia sady miaro no manome fahalalahana hanao zavatra.

Ny zavatra faharoa tsy maintsy ampidirina tsara ao anatin’ny fiomanantsika ara-panahy dia ny Sorompanavotana. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no zavatra tena lehibe notanterahana teo amin’ny tantaran’ny olombelona rehetra. Izany no ivon’ny drafitry ny famonjena. Raha tsy nisy ilay Sorompanavotana tsisy fetra dia ho very tanteraka ny olombelona rehetra. Mampianatra momba ny hery manavotry ny Sorompanavotana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly.

Ny fiainana mandrakizay dia azontsika amin’ny alalan’ny fankatoavantsika ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly

Ny fanaovana asa any amin’ny tempoly dia mitondra fitahiana ho antsika eto an-tany ary koa any amin’ny mandrakizay. Ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza fa “ny fanaovana asa any amin’ny tempoly dia tsy fitsoahana an’izao tontolo izao fa kosa fanamafisana ny filana ny fanatsarantsika an’izao tontolo izao eo am-panomanana ny tenantsika ho any amin’ilay tontolo iray hafa sy tsara lavitra kokoa. Noho izany dia afaka manampy antsika hiavaka amin’izao tontolo izao ny fandehanana any amin’ny tranon’ny Tompo mba hitondrana fiovana bebe kokoa eo amin’izao tontolo izao.”21

Raha toa isika ka mitoetra ho marina sy mahatoky eto amin’ity fianana ity dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay. Ny dikan’ny tsy fahafatesana dia hoe miaina mandrakizay. Ny fiainana mandrakizay dia misy dikany bebe kokoa noho ny hoe tsy mety maty fotsiny. Ny fiainana mandrakizay dia ny fahazoana ny fisandratana any amin’ny lanitra avo indrindra sy ny fiainana miaraka amin’ny fianakaviana. Andriamanitra dia nanambara ny asa lehibe hotanterahiny—“ny asako sy ny voninahitro”—dia “ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”22 Tsy misy fepetra ny fahazoana izany fanomezany ny tsy fahafatesana izany—fanomezana mamaim-poana ho famonjena ny olombelona rehetra. Ny fahazoana ny fiainana mandrakizay—na ny fisandratana mihitsy aza—dia omena antsika amin’ny alalan’ny fankatoavantsika ireo fanekempihavanana natao sy ireo ôrdônansy noraisina tany amin’ireo tempoly masin’Andriamanitra.

Ireo fitahiana avy any amin’ny tempoly dia tena lasa hanan-danja tokoa rehefa misy olon-tiantsika ao amin’ny fianakaviantsika nodimandry. Ny fahafantarana fa mandalo ihany ilay fotoana isarahantsika dia mitondra fiadanana izay tsy takatry ny saina.23 Nanoratra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Amin’ny alalan’ilay fahefan’ny fisoronana izay nomen’i Elia, dia azo fehezina ny mpivady na afaka mivady mandrakizay. Ny zanaka dia azo fehezina amin’ny ray aman-dreniny hiaraka mandrakizay. Noho izany ny fianakaviana dia natao hiaraka mandrakizay ary tsy mampisaraka ny olona ao anatiny ny fahafatesana.”24 Rehefa nahavita ireo famehezana mandrakizay isika dia afaka miatrika ny fahafatesana ho toy ny ampahany iray tena ilaina ao amin’ny drafitra lehiben’ny fahasambarana izay an’Andriamanitra.25

Ny fananana fomba fijery mandrakizay izay raisintsika ao amin’ny tempoly dia manome hery antsika mba hahazaka ireo fitsapana eo amin’ny fiainana

Ny fananana fomba fijery mandrakizay dia manampy antsika hitoetra tanteraka ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataontsika. Nanamafy ny Filoha Packer hoe “ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana no fepetra takiana mba hahatongavantsika eo anatrehan’ [Andriamanitra]. Ny fandraisana azy ireo amim-pahamendrehana no zavatra katsahina mandritra ny fiainana ary ny fanajana azy ireo aorian’izany no fanamby eto amin’ny fiainana.”26

Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia tsy hoe misy ifandraisany fotsiny amin’ny voninahitra mandrakizay ho azontsika fa misy ifandraisany koa amin’ny voninahitra mandrakizay ho azon’ireo razambetsika. “Fa ny famonjena azy ireo dia ilaina sady zava-dehibe ho an’ny famonjena antsika, … fa tsy hatao tanteraka izy ireo raha tsy eo isika—isika koa dia tsy hatao tanteraka raha tsy eo ny maty eo amintsika.”27 Ny fanaovana asa ho azy ireo dia manome fahafahana antsika hanohy ny fitsaohana any amin’ny tempoly, ka atao amim-pitiavana izany toy ny asa isoloana tena araka ny lamina napetraky ny Tompo noho ny fanatanterahany ny Sorompanavotana mba hitahiana ireo rehetra izay efa niaina sy mbola hiaina.

Indray andro any dia tena hahita ilay Mpahary antsika isika ary hijoro eo anoloany eo amin’ny toeram-pitsarana. Ny soratra masina dia mampianatra antsika fa “ny Iray Masin’ny Isiraely no mpiandry vavahady; ary tsy mampiasa mpanompo Izy eo amin’ny vavahady; ary tsy misy lalan-kafa afa-tsy ny vavahady; satria tsy azo fitahana Izy, fa ny Tompo Andriamanitra no anarany.”28 Ny Tompo mihitsy no hamaritra raha toa isika ka nitoetra ho mahatoky tamin’ireo fanekempihavanana nataontsika Taminy tany amin’ny tempoly ka ho mendrika ireo fitahiana be voninahitra nampanantenainy an’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany.

Izany fomba fijery izany dia manome hery antsika hahazaka ireo fitsapana eo amin’ny fiainana. Ny Filoha Packer dia nilaza hoe: “Ny tanjona faratampon’ny zavatra rehetra ampianarintsika dia ny mba hampiraisana ny ray aman-dreny sy ny zanaka ao anatin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo ka ho sambatra izy ireo ao an-tokantrano, sy hofehezina ao anatin’ny fanambadiana mandrakizay ary hifamatotra ao anatin’ireo taranany izay mifandimby ary hahazo antoka fa handray ny fisandratana eo anatrehan’Ilay Raintsika any an-danitra.”29

Ny tempoly tsirairay dia toy ny mari-pamantarana ny maha mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonana ary mariky ny finoantsika ny fisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana ary dingana iray mankany amin’ny voninahitra mandrakizay ho antsika sy ny fianakaviantsika. Mivavaka aho mba hiomanan’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonana amin’ireo fitahiana mahagaga ao amin’ny tempoly.

Tempolin’i Houston Texas. Notokanana tamin’ny 26 Aog. 2000.

Tempolin’i Johannesburg, Afrika Atsimo. Notokanana tamin’ny 24 Aog. 1985.

Tempolin’i Helsinki Finlande. Notokanana tamin’ny 22 Ôkt. 2006.

Tempolin’i Recife Brésil. Notokanana tamin’ny 15 Des. 2000.