2010
Ho an’ny Tanora: Manao ny Tempoly ho anisan’ny Fiainanao
2010


Manao ny Tempoly ho anisan’ny Fiainanao

Ho an’ny Tanora

Na dia miomana handray ny ôrdônansin’ny tempoly amin’ny ho avy aza ianao, dia afaka ny hisy fiantraikany lalina eo amin’ny fiainanao ankehitriny izany.

Ny tempoly dia toerana faran’izay masina indrindra eto an-tany—toerana izay ifanenan’ny tany sy ny lanitra ary ahatsapantsika ho toy ny akaikin’ny Raintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Na dia miomana handray ny ôrdônansin’ny tempoly amin’ny ho avy aza ianao, dia afaka ny hisy fiantraikany lalina eo amin’ny fiainanao ankehitriny izany. Ireto misy zavatra maromaro azonao atao mba hanomezana toerana ny tempoly eo amin’ny fiainanao dieny tanora ianao.

Mandraisa anjara amin’ny Batisa ho an’ny Maty

Ny zatovolahy sy zatovovavy 12 taona izay mendrika dia afaka mitsidika ny tempoly mba hatao batisa ho an’ireo razambeny izay maty tsy vita batisa. Ny Filoha Thomas S. Monson dia niresaka momba ny hafaliana izay entin’izany asa fanompoana izany:

“Indray maraina aho raha nandeha an-tongotra ho any amin’ny tempoly, dia nahita andian-jatovovavy, izay vao maraina be dia nandray anjara tamin’ny fanaovana batisa ho an’ireo izay efa maty. Lena ny volon’izy ireo. Namirapiratra ny fitsikin’izy ireo. Feno hafaliana ny fon’izy ireo. Nisy zatovovavy iray nitodika nanatrika ny tempoly ary naneho ny zavatra tsapany. ‘Ity no andro nahafaly ahy indrindra teo amin’ny fiainako,’ hoy izy.”1

I Jessica Hahn izay telo ambin’ny folo taona, avy any Daphne, Alabama, dia natao batisa ho an’ny sasany tamin’ireo razambeny tao amin’ny tempolin’i Atlanta Georgia. Na dia maharitra adiny dimy aza ny faharetan’ny dia mandeha any amin’ny tempoly, dia nilaza izy fa nahafinaritra ny zavatra niainany tany. “Ny fahafahana nanao akanjo fotsy mangatsakatsaka sy natao batisa ho an’ny razambeko dia nanome ahy fahatsapan-javatra lehibe tokoa,” hoy izy. “Tsapako ho toy ireny fantatro ireny izy ireo ankehitriny.”

Mandehana any amin’ny tempoly faran’izay matetika vitanao. Any ianao dia afaka miaina ireo hafaliana amin’ny fanampiana ny hafa handray ireo fitahiana avy amin’ny batisa.

Tohano ny Asa Atao any amin’ny Tempoly

Fomba maro no ahafahana manohana ny asa atao any amin’ny tempoly, na dia tsy afaka mandeha any amin’ny tempoly matetika aza ianao. Afaka mianatra momba ireo razambenao ianao ary mijery raha nisy ôrdônansin’ny tempoly notanterahana ho azy ireo. Afaka manolo-tena ianao miandry ireo ankizy kely mba hahafahan’ireo Ray aman-dreniny mandeha any amin’ny tempoly. Satria ny asa fanompoana any amin’ny tempoly dia mifantoka betsaka amin’ny fianakaviana, dia afaka manao ezaka ianao hanamafisan’orina ny fianakavianao. Ary afaka mizara amin’ny hafa ny fijoroanao ho vavolombelona ianao fa tranon’ny Tompo marina ny tempoly.

Miainà ao anatin’ny fahamendrehana mba hidirana ny tempoly

Noho ny tempoly tena toerana masina, dia nametraka fitsipika ambony tokony hiainantsika ny Tompo alohan’ny hahafahantsika hiditra any. Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nanazava fa “ny fitsipika izay napetraky ny Tompo ao amin’ireo fanontaniana ahazoana ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly dia mitovitovy amin’ny fitsipika hita ao amin’ny Ry Tanora Mahereza. Ao anatin’ny fotoam-pahatoniana ary koa ao anatin’ny fotoana isian’ny fakam-panahy lehibe dia hanampy anao hanao safidy tsara ireo fitsipika ireo sy ny fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina. … Ny fanatanterahanao ireo fitsipika ireo dia hamaritra betsaka ny maha ianao anao sy ny tanjonao.”2

Iaino ny fitsipiky ny Tompo, ary dia ho mendrika ny hiditra ny tempoly ianao. Ny fanananao faniriana hiditra ny tempoly amin’ny ho avy dia hanampy anao hahatohitra ireo fakam-panahy misy ankehitriny. “Manome antony hijanonanao ho mendrika izany,” hoy i Marlon Ruiz, 16 taona, avy ao Sunrise, Floride. “Rehefa manana izany tanjona izany ianao dia hieritreritra foana ny tokony hataonao satria tsy afaka ho any amin’ny tempoly ianao rehefa tsy mendrika.”

Miomàna amin’ny Fanambadiana any amin’ny Tempoly

“Mijery ny tempoly aho ary mieritreritra ny hanambady ao indray andro any,” hoy i Annika Reithmeier, 16 taona, avy any Oslo, Norvège. “Fantatro fa ny fampanantenana ataonao any amin’ny tempoly dia fampanantenana atao amin’ny Tompo. Ireo zavatra ianaranao ao dia tsy hiova na hanjavona fotsiny.”

Apetraho amin’ny toerana izay ahitanao azy matetika ny sarin’ny tempoly, ary aoka ianao hiandrandra fatratra an’ilay andro izay handraisanao ny ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny tenanao.

Tamin’izy 14 taona, i Jody Hazelbaker avy ao American Fork, Utah, dia nitsidika ny Tempolin’i Mount Timpanogos Utah nandritra ny varavarana misokatra. Nitantara izy hoe: “Rehefa nandeha tao amin’ny efitranon’ny vehivavy hanambady aho, dia nijanona kely ary nibanjina ilay fitaratra”. “Rehefa nijery teo aho, dia hitako sahady any aoriana any ny tenako manao akanjo mariazy tsara tarehy ary mitsikitsiky be. Fantatro fa io no toerana izay hanambadiako, ao amin’ny tempoly, akaiky ny Raiko any an-danitra.”

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Your Celestial Journey,” Liahona, Jolay 1999, 115.

  2. Dieter F. Uchtdorf, Liahona, Mey 2006, 44.

Hamoaka printy