2010
Ny Tempoly Masina
2010


Ny Tempoly Masina

Ao amin’ny tempoly no ahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana izay nanao izay hahamendrika ny tenany mandray anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanavotana izay tena ambony indrindra nambara tamin’ny zanak’olombelona.

Ao amin’ny tempoly no ahafahana mandray anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanavotana tena ambony indrindr

Mety ho maro ireo antony hanirian’ny olona iray handehanana any amin’ny tempoly. Na dia ny endriny ety ivelany aza dia toa maneho sahady ny tanjony lalina ara-panahy. Hita taratra mazava izany tanjona izany rehefa ao anatin’ny tempoly. Eo ambonin’ny varavaran’ny tempoly dia ahitana ny filazana hoe: “Hamasinina ho an’ny Tompo.” Rehefa miditra ny tempoly efa notokanana ianao dia ao an-tranon’ny Tompo izay ianao.

Ao amin’ny tempoly no ahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana izay nanao izay hahamendrika ny tenany mandray anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanavotana tena ambony indrindra nambara tamin’ny zanak’olombelona. Ao no hanadiovana, hanosorana, hampianarana, hanomezana ny fanafiana masina sy hamehezana ny olona iray ao anatin’ny amin’ny fombafomba masina. Ary rehefa avy mandray ireo fitahiana ireo ho an’ny tenany izy ireo dia afaka misolo tena an’ireo izay efa nodimandry mba hanana fahafahana handray izany koa. Tanterahana ao amin’ny tempoly ny ôrdônansy masina izay sady ho an’ny velona no ho an’ny maty.

Ny ôrdônansy sy ny fombafomba ao amin’ny tempoly dia tsotra, mahafinaritra ary masina

Rehefa vakiana tsara ny soratra masina dia hita ao fa tsy nampahafantatra ny zava-drehetra tamin’ny olona rehetra ny Tompo. Misy fepetra napetraka sasantsasany izay takiana mba hahafahana mandray ireo fampahalalana masina ireo. Ny fombafomba atao ao amin’ny tempoly dia tafiditra ao anatin’izany sokajy izany.

Tsy resahantsika any ivelan’ny tempoly ireo ôrdônansin’ny tempoly. Tsy ao an-tsain’Andriamanitra velively ny hametra izany fahalanana voaray ao amin’ny tempoly izany ho an’ny olona vitsivitsy voafantina izay ho voatery avy eo hanao izay tsy hahafantaran’ny hafa velively izany. Ny mifanohitra amin’izany aza no izy. Miezaka mafy isika mamporisika ny fanahy tsirairay mba hanao izay hahamendrika sy hiomana hahazo traikefa ao amin’ny tempoly. Nampianarina fotokevitra iray ireo izay efa avy tany amin’ny tempoly hoe: Indray andro any dia hanana fahafahana haheno ny filazantsara sy hanaiky na handa ny zavatra atolotra azy ao amin’ny tempoly ny fanahy rehetra izay niaina hatrizay. Raha toa ka lavina izany tombontsoa izany dia tsy maintsy tompon’andraikitra amin’izany fandavana izany ilay olona.

Ny ôrdônansy sy ny fombafomba ao amin’ny tempoly dia tsotra. Mahafinaritra izy ireo. Masina izy ireo Notazonina ho tsiambaratelo izy ireo mba tsy hanomezana azy ireo an’ireo olona tsy vonona. Ny misikotsikotra mba hahafantarana momba ireo fombafomba any amin’ny tempoly dia tsy fiomanana. Ny fahalianana lalina koa dia tsy fiomanana. Ny fiomanana amin’ny ôrdônansy dia ahitana ireto dingana atao mialoha ireto: finoana, fibebahana, batisa, fandraisana ho mpikambana, fahamendrehana, fahamatorana sy fahambonian-teotran’ny olona iray izay mahazo fanasana ho toy ny vahiny hiditra ny tranon’ny Tompo.

Ireo izay mendrika dia afaka miditra ny tempoly

Ireo rehetra izay mendrika sy nahafeno ny fepetra rehetra dia afaka miditra ny tempoly, mba hampahafantarina ireo fombafomba sy ôrdônansy masina ao.

Rehefa takatrao ny lanjan’ny fitahiana avy amin’ny tempoly sy ny fahamasinan’ireo ôrdônansy tanterahina any amin’ny tempoly dia tsy hisalasala ka hametra-panontaniana amin’ireo fepetra avo napetraky ny Tompo mahakasika ny fidirana ny tempoly masina ianao.

Tsy maintsy manana fahazoan-dalana manan-kery ianao vao hahazo lalana hiditra ny tempoly. Izany fahazoan-dalana izany dia tsy maintsy voasonian’ny mpitariky ny Fiangonana nahazo lalana hanao izany. Ireo mendrika ihany no tokony hiditra ny tempoly. Andraikitry ny eveka na filohan’ny sampana eo an-toerana ny manadihady ny fahamendrahan’ny tenanao manokana alohan’ny handraisanao ny ôrdônansin’ny tempoly. Izany tafa sy dinika izany dia manan-danja lehibe, satria fahafahana iray hahafantatra ny lamin’ny fiainanao miaraka amin’ny mpanompo voahosotry ny Tompo izany. Raha misy zavatra tsy mety eo amin’ny fiainanao dia afaka hanampy anao hamaha izany ny eveka. Amin’ny alalan’izany lamina izany no ahafahanao manambara ny fahamendrehanao hiditra ny tempoly miaraka amin’ny fankatoavan’ny Tompo na hanampiana anao hahazo izany.

Ny dinidinika ho an’ny fahazoan-dalana hiditra ny tempoly dia atao mitokana eo amin’ny eveka sy ny mpikamban’ny Fiangonana voakasik’izany. Mandritra izany no ametrahana amin’ireo mpikambana ireo fanontaniana manadihady ny fomba fiainany manokana, ny fahamendrehany, ary ny fahatokiany amin’ny Fiangonana sy ny mpitarika ao aminy. Mila maneho ilay olona fa madio ara-pitondrantena sy mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena, mandoa ny fahafolon-karena feno, miaina mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Fiangonana, ary tsy mikambana na tsy mankasitraka vondrona ao anatin’ny apôstazia. Nomena toromarika ny eveka fa ny tsiambaratelo eo amin’ny fanatanterahana izany andraikitra izany miaraka amin’ireo olona atao dinidinika dia zava-dehibe tokoa.

Ireo valinteny azo ekena avy tamin’ireo fanontanian’ny eveka no hamaritra ny fahamendrehan’ny olona iray mba hahazoany mandray ny fahazoan-dalana hiditra ny tempoly. Raha toa ka tsy mitandrina ny didy ny olona iray na misy zavatra izay tsy nibebahany teo amin’ny fiainany ka ilaina alamina, dia ilaina ny maneho fibebahana marina alohan’ny hanomezana ny fahazoan-dalana hiditra ny tempoly.

Aorian’ny fanaovan’ny eveka dindinika toy izany dia manatanteraka izany ihany koa ny filohan’ny tsatòka alohan’ny handraisanao ny ôrdônansin’ny tempoly.

Ahitana fampiasana marika ny fampianarana any amin’ny tempoly

Alohan’ny handehananao any amin’ny tempoly voalohany, na aorian’ny fotoana nandehananao imbetsaka tany aza, dia afaka hanampy anao ny mahatakatra fa ny fampianarana any amin’ny tempoly dia natao tamin’ny fomba izay ampiasana marika. Nanome ny ankamaroan’ny torolalany arak’izany fomba izany ny Tompo, ilay Mpampianatra Lehibe.

Sekoly lehibe tokoa ny tempoly. Trano fianarana izany. Voalamina tsara ny tontolo ao amin’ny tempoly mba ho toerana mendrika handraisana toromarika mikasika ny zavatra izay manana dikany lalina ara-panahy. Itompokolahy Loholona John A. Widtsoe tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia filohan’ny oniversite niavaka ary manampahaizana nalaza eran-tany. Nanome haja lehibe tokoa ny asa ao amin’ny tempoly izy ary niteny toy izao indray mandeha hoe:

“Ny ôrdônansin’ny tempoly no mandravona ny drafitry ny famonjena rehetra araka ny efa nampianaran’ny mpitariky ny Fiangonana azy, ary manazava ireo zavatra sarotra takarina. Tsy amboamboarina na terena hifanaraka amin’ny drafitra lehiben’ny famonjena ny fampianaran’ny tempoly. Ny foto-pisainana feno hitondrana ny fanafiana masina dia iray amin’ireo hevitra lehibe hanehoana ny fahamarinan’ny ôrdônasnin’ny tempoly. Ho fanampin’izany, izany famerenana sy fandalinana amin’ny endriny feno ny drafitry ny Filazantsara izany dia mahatonga ny fitsaohana any amin’ny tempoly ho fomba mahomby indrindra entina hamerenana ao an-tsaina firafitry ny Filazantsara manontolo” (“Temple Worship,” Utah Genealogical and Historical Magazine, Apr. 1921, 58).

Raha handeha any amin’ny tempoly ianao ary hahatsiaro fa ny fampianarana any dia aseho amin’ny alalan’ny fampiasana marika, dia handeha any amin’ny fihetsika mifanaraka amin’izany ianao ka tsy hiala any raha tsy mahazo fahitana mivelatra, fahatsapan-javatra lehibe kokoa ary miaraka amin’ny fitomboan’ny fahalalanao mahakasika ny zavatra ara-panahy. Mahavariana ny drafitra enti-mampianatra. Feno fitaomam-panahy izany. Nampianatra ny mpianany tamin’ny alalan’ny fanoharana foana ny Tompo, ilay Mpampianatra Lehibe—fomba firesaka aseho amin’ny ohatra ho an’ireo zavatra izay mety ho sarotra takarina.

Lasa toy ny mari-pamantarana mihitsy ny tempoly. Raha toa ianao ka efa nahita tempoly iray amin’ny andro alina, izay feno hazavana, dia fantatrao fa zavatra tena manaitra be izany rehefa jerena. Ilay tranon’ny Tompo, izay rakotry ny hazavana sy mijoro miavaka ao anatin’ny haizina dia lasa mari-pamantarana ny hery sy ny fitaomam-panahy avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy haizina, ary lasa fanilo eto amin’izao tontolo izao izay toa mihamilentika ao anatin’ny fahamaizinana ara-panahy hatrany hatrany.

Eo am-pidirana ao amin’ny tempoly dia manolo ireo akanjo fitondra ety ivelany amin’ny akanjo fotsy ao amin’ny tempoly ianao. Ao amin’ny toerana fisoloana akanjo no hanaovana izany fisoloana izany, izay hanomezana fitoeran’akanjo sy toerana malalaka hisoloana akanjo ho an’ny olona tsirairay izay ho azy manokana tokoa. Tandrovana ao amin’ny tempoly tokoa ny endrika masin’ny fahamaotinana. Rehefa hidinao ao amin’ny fitoeran’akanjonao ny akanjonao dia avelanao ao ireo ahiahy sy zavatra mety hahavariana hafa. Mivoaka avy ao amin’io toerana fisoloana akanjo io amin’ny akanjo fotsy ianao ary hahatsapa ho iray sy hitovy amin’ireo hafa manodidina anao izay miakanjo fotsy tahaka izany koa.

Ny fanambadiana any amin’ny tempoly no ôrdônansy faratampony indrindra ao amin’ny tempoly

Mety te-hahafantatra ny zavatra hitranga mandritra ny fanambadiana any amin’ny tempoly ireo izay miandrandra hanao izany. Tsy azontsika tononina ivelan’ny tempoly akory ireo teny lazaina mandritra ny ôrdônansin’ny famehezana (fanambadiana), kanefa azontsika lazaina hoe ilay efitrano famehezana dia kanto ny endriny, milamina sy tony ho an’ny fanahy ary lasa masina noho ireo asa masina tanterahana ao ny efitrano famehezana.

Alohan’ny hirosoan’ny mpivady manoloana ny alitaran’ny ôrdônansin’ny famehezana dia manana fahafahana hanome torohevitra vitsivitsy ny mpiandraikitra ny fanambadiana ary manana fahafahana handray izany ireo mpivady vao herotrerony. Anisan’ny teny mety ho ren’ny mpivady vao herotrerony mandritra izany fotoana izany ny hoe:

“Anio no andro hanaovana ny fanambadianareo. Mety ho feno fihetseham-po noho izany fanatanterahana ny fanambadianareo izany ianareo. Naorina ho toerana voatokana hanaovana ôrdônansy toy izany ny tempoly. Tsy ao amin’izao Tontolo izao isika. Tsy manan-kery ato ny zavatr’izao tontolo izao ary tsy tokony hanana fiantraikany amin’ny zavatra izay ho ataontsika eto. Niala teo anivon’izao tontolo izao isika ary tonga ato amin’ny tempolin’ny Tompo. Ho andro manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanareo ity andro ity.

“Teraka ary nasaina ho tonga teto an-tany ianao tamin’ny alalan’ireo ray aman-dreny izay nanomana taberinakely ara-batana mba hitoeran’ny fanahinao. Samy vita batisa ny tsirairay avy taminareo. Ny batisa, izay ôrdônansy masina iray, dia tandindon’ny fanadiovana, tandindon’ny fahafatesana sy fitsanganana amin’ny maty ary tandindon’ny fandrosoana eo amin’ny fiainam-baovao. Ao anatin’izany ny fibebahana sy ny famelan-keloka noho ireo ota. Ny fanasan’ny Tompo dia fanavaozana ny fanekempihavanan’ny batisa, ary afaka ny hihazona ny famelan-keloka noho ireo otantsika isika raha manaja izany tanteraka.

“Ianao, ry mpampakatra, dia nomena ny fisoronana. Nomena ny Fisoronana Aharôna aloha ianao tamin’ny voalohany ary mety niroso hatrany tao amin’ireo anjara fanompoana rehetra misy ao amin’izany—diakona, mpampianatra ary mpisorona. Dia tonga indray avy eo ny andro izay nahitana fa mendrika ny handray ny Fisoronana Melkizedeka ianao. Izany fisoronana izany, ny fisoronana ambonimbony kokoa, dia faritana ho toy ny fisoronana araky ny lamina masin’Andriamanitra, na ny Fisoronana masina araky ny Lamin’ny Zanakalahin’Andriamanitra (jereo Almà 13:18; Helamàna 8:18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:2–4). Naroso tao amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana ianao. Loholona ianao izao.

“Samy efa nandray ny fanafiana masina ianareo. Nandritra izany fanafiana masina izany dia nandray ny hery anaty mandrakizay ianareo. Kanefa izany rehetra izany, raha atao bango tokana, dia fanombohana sy fiomanana amin’ny firosoanareo eto amin’ny alitara mba hofehezina ho mpivady ho amin’izao fotoana izao sy ho amin’ny mandrakizay. Tonga fianakaviana ianareo ankehitriny, malalaka eo amin’ny famoronana aina, ary manana fahafahana amin’ny alalan’ny fanoloran-tena sy fahafoizan-tena hitondra zanaka eto amin’ity izao tontolo izao ity ary hitaiza azy ireo amim-pitandremana mandritry ny fiainany eto an-tany; ary hahita azy ireo indray andro any, toy ny nataonareo, handray anjara amin’ireto ôrdônansy masin’ny tempoly ireto.

“Tamin’ny nahim-ponareo no nahatongavanareo eto ary efa fantatra fa mendrika ianareo. Ny fifanekena ao anatin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana dia andraikitra lehibe, izay mitondra fitahiana mihoa-pampana miaraka aminy.”

Mamehy eto an-tany sy any an-danitra ny herin’ny famehezana

Raha te-hahafantatra ny tantara sy ny fotopampianaran’ny asa ao amin’ny tempoly isika dia tokony hahatakatra ny dikan’ny herin’ny famehezana aloha. Mila mahatakatra isika, farafahakeliny, ny antony maha-zava-dehibe ny fampiasana ny fanalahidin’ny fahefana hampiasana ny herin’ny famehezana.

“Ary rehefa tonga tany amin’ny faritanin’ i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona? …

“Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.

“Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.

“Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.

“Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra” (Matio 16:13, 16–19).

Nomena hotazonin’i Petera ireo fanalahidy. Notazonin’i Petera ny herin’ny famehezana, ny fahefana izay mitondra ny hery hamatotra na hamehy eto an-tany na hamaha eto an-tany ary ho toy izany koa ny an-danitra. Ireo fanalahidy ireo dia hazonin’ny Filohan’ny Fiangonana—ny mpaminany, mpahita ary mpanambara. Izany herin’ny famehezana masina izany dia ato amin’ny Fiangonana ankehitriny. Tsy misy zavatra hafa raisina ho masina indrindra mihoatra izany ho an’ireo izay mahafantatra ny halehiben’izany fahefana izany. Tsy misy zavatra izay manakaikikaiky izany akory. Vitsy ireo lehilahy izay nametrahana izany andraikitra hihazona ny herin’ny famehezana izany eto ambonin’ny tany mandritry ny fotoana iray—isaky ny tempoly iray dia misy rahalahy nomena izany herin’ny famehezana izany. Tsy misy olona mihazona izany raha tsy avy amin’ny mpaminany, mpahita ary mpanambara izay Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nametrahana matetika ity fanontaniana ity: “‘Tsy afaka hahazo famonjena ve izahay raha tsy mandray ireo ôrdônansy ireo, sns.?‘ Ny valinteniko dia hoe: Tsia, tsy hahazo ny famonjena feno. Hoy Jesoa hoe: ‘Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.‘ [Jereo Jaona 14:2.] Ny Trano voalaza eto dia tokony nadika hoe fanjakana ary ireo olona izay nasandratra any amin’ny trano avo indrindra dia mila mankatò ny lalàna selestialy ary ireo lalàna hafa rehetra” (ao amin’ny History of the Church, 6:184).

Loharanon-kery ara-panahy ny asa ao amin’ny tempoly

Ny tempoly no ivon’ny tanjaka ara-panahin’ny Fiangonana. Tokony ho vonona hatrany isika fa ny fahavalo dia hanohitra antsika amin’ny maha-Fiangonana sy maha-olon-tokana antsika rehefa mikatsaka ny handray anjara amin’ity asa masina sy manentana ny fanahy ity isika. Mitondra hery lehibe hanoherana tokoa ny asa ao amin’ny tempoly satria loharano hahazoana hery ara-panahy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ho an’ny Fiangonana iray manontolo.

Nilaza ity teny ity ny Filoha George Q. Cannon, tao amin’ny Fiadidiana Voalohany nandritra ny fanokanana ny vato fehizoron’ny Tempolin’i Logan Utah:

“Ny vato fototra tsirairay izay iorenan’ny Tempoly sy ny Tempoly tsirairay voatsangana araky ny lamina nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Fisoronany masina, dia mampihena ny herin’i Satana eto an-tany, mampitombo ny herin’Andriamanitra sy ny Fahamasinana, mampandroso ny raharahan’ny lanitra amin-kery kokoa ho an’ny tenantsika, ary miantso sy mampidina ireo fitahiana avy amin’Andriamanitra mandrakizay ho eo amintsika sy ho eo amin’ireo izay miaina eo anatrehan’izy ireo” (tao amin’ny “The Logan Temple,” Millennial Star, 12 Nôv. 1877, 743).

Rehefa ao anatin’ny olana ny mpikamban’ny Fiangonana na misy fanapahan-kevitra tena manavesatra ny sainy dia zavatra fanaon’izy ireo matetika ny mandeha any amin’ny tempoly. Toerana tsara hitondrana ny ahiahintsika izany. Afaka mandray fitarihana ara-panahy isika ao amin’ny tempoly. Rehefa ao anatin’izany isika mandritra ny fanatrehana ny fotoana ao amin’ny tempoly dia “any ivelan’izao tontolo izao.”

Indraindray ny saintsika dia vesaran’ny olana maro ary maro ireo zavatra misarika ny saintsika ao anatin’ny fotoana iray ka manjary tsy afaka mieritreritra sy mahita mazava tsara. Ao amin’ny tempoly dia toy ny miravina ireo fisahotahan’ny zava-mahasarika rehetra, misava ny zavona sy ny haizina, ary afaka “mahita” ireo zavatra izay tsy nety hitantsika teo aloha isika ary mahita ny fomba hialana amin’ny olana izay nananantsika teo aloha.

Hitahy antsika ny Tompo rehefa manatsika ireo asa masina fanatanterahana ôrdônansy ao amin’ny tempoly isika. Tsy ho voafetra ny fitahiana azo avy amin’ny asa ataontsika ao amin’ny tempoly. Hotahiana eo amin’ny asa aman-draharahantsika rehetra isika.

Ahazoantsika ampinga sy fiarovana ny asa ataontsika any amin’ny tempoly

Tsy misy asa hafa izay mitondra fiarovana lehibe ho an’ny Fiangonana mihoatra noho ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fikarohana ny tetiarana izay miara-dalana amin’izany asa izany. Tsy misy asa hafa izay mitondra fahatanjahana ara-panahy mihoatra noho izany. Tsy misy asa hafa izay ataontsika ka manome hery noho izany. Tsy misy asa hafa izay mitaky fepetran’ny fahamarinana avoavo kokoa noho izany asa izany.

Ahazoantsika amin’ny maha-olona iray manokana antsika sy amin’ny maha-vahoaka antsika ampinga sy fiarovana ny asa ataontsika any amin’ny tempoly.

Koa avia aty amin’ny tempoly—avia ary alaivo ireo fitahiana ho anao. Asa masina izany.

Tempolin’i Panama City Panama. Notokanana tamin’ny 10 Aog. 2008.

Tempolin’i Tokyo Japon. Notokanana tamin’ny 27 Ôkt. 1980.

Tempolin’i Curitiba Brésil. Notokanana tamin’ny 1 Jiona 2008.

Hamoaka printy