Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
19–25 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44: “[Ny] lalàko hitondrana ny fiangoanako.”


“19–25 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44: -[Ny] lalàko hitondrana ny fiangoanako,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“19–25 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga

Sary
Jesoa Kristy

19–25 aprily

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44

“[Ny] lalàko hitondrana ny fiangoanako”

Mandritra ny fiomananao amin’ity herinandro ity dia ifantohy manokana ireo fahatsapana azonao avy amin’ny Fanahy. Inona no tsapanao fa ilain’ny ankizy ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Manipaza baolina amin’ny ankizy iray ary asaivo zarainy ny didy iray fantany. Ampitapitao hatrany ilay baolina mandra-pananan’ny ankizy rehetra fahafahana nizara zavatra iray.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:2

Afaka mankatò ireo lalàn’ Andriamanitra aho.

Rehefa nitombo ny Fiangonana ary nivondrona tany Kirtland Ohio ireo mpikambana, dia nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ilay antsoiny hoe “lalàko” ny Tompo ka nandidy ireo Olomasina Izy hoe “mihainoa sy mandrenesa ary ankatoavy” izany. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa voatahy isika rehefa mpankatò?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:2, ka antitrantero ilay teny hoe “ankatoavy.” Omeo toe-javatra mety hitranga tsotsotra vitsivitsy ireo ankizy, izay hisafidianany ny hankatò na tsy hankatò lalàna na fitsipika iray. Asaivo mihaino tsara ireo ankizy ary hitsiky raha toa mankatò ilay olona ao amin’ilay tantara, ary hanao tarehy ratsy raha toa tsy mankatò ilay olona. Zarao ireo fitahiana azonao rehefa nankatò ny lalàn’ Andriamanitra ianao.

  • Manaova kilalao amin’ny fanomezana ny ankizy fitsipika arahana. Ohatra, azonao lazaina izy ireo fa tsy maintsy manangana ny tanany ary antsoina vao afaka mamaly fanontaniana. Dia avelao izy ireo avy eo hizatra hankatò amin’ny fametrahana fanontaniana amin’izy ireo ary ny fiantsoana ireo izay manangana ny tanany. Inona avy ireo lalàna nomen’ Andriamanitra antsika?

  • Tanteraho miaraka amin’ny ankizy ilay pejin’ny asa atao, na hirao ny hira iray momba ny fankatoavana ireo lalàn’ Andriamanitra, toy ilay hoe “Te hiaina ny filazantsara aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 72). Lazao amin’ny ankizy ny fomba nitondran’ny fankatoavana ireo lalàn’ Andriamanitra fahasambarana ho anao.

    Sary
    Fotoam-pianaran’ny Kilonga

    Mianatra ireo didin’ Andriamanitra isika ao amin’ny Kilonga.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:38

Manompo an’i Jesoa Kristy aho rehefa manompo ny hafa.

Maniry ny hikarakaran’ireo Olomasina ny mahantra sy ny sahirana ny Tompo. Ampio ny ankizy hahatakatra fa rehefa manompo ny olona sahirana izy ireo dia manompo ny Mpamonjy ihany koa izy ireo izay.

Asa atao azo tanterahina

  • Raha ao amin’ny kilasintsika i Jesoa Kristy anio, dia inona no ho lazaintsika Aminy? Ahoana no handraisantsika Azy? Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy, ary hazavao ny fampianaran’i Jesoa hoe rehefa maneho fitiavana amin’ny hafa isika dia maneho fitiavana Aminy ihany koa. Ampio ny ankizy hamerina ny andininy 38 miraka aminao, teny iray isaky ny mandeha.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahany manompo an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa. Afaka mahita hevitra izy ireo avy amin’ny sarin’ny Mpamonjy manampy ny hafa, toy ireo sariny manasitrana ny marary na Izy tsara fanahy amin’ny ankizy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 42, 47). Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manompo ny hafa izy ireo dia manompo an’i Jesoa koa izy ireo izay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–7

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Tompo.

Afaka manampy ireo ankizy ianao tsy ho voafitaka eo amin’ny fiainany amin’ny fampianarana azy ireo, dieny mbola kely izy ireo, ny lamin’ny Tompo amin’ny fitarihana ny Fiangonany amin’ny alalan’ny mpaminany velona

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’olona isan-karazany, tafiditra amin’izany ny sarin’ny mpaminany ankehitriny. Apetraho mihohoka ireo sary, dia avelao ny ankizy hamadika ireo sary tsirairay mandra-pahitan’izy ireo ny mpaminany. Hazavao ny fampianaran’ny Tompo hoe ny mpaminany no hany “notinendri[ny] ho anareo mba handray ireo didy sy fanambarana avy amin’ [ny Tompo]” hitarihana ny Fiangonana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:2).

  • Iaraho manao ny hira iray mikasika ireo mpaminany, toy ny andininy farany amin’ilay “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny mpaminany dia mitarika ny Fiangonana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5

Ny mpianatra dia olona iray mandray ny lalàn’ Andriamanitra ary mankatò izany.

Moa ve ny ankizy ampianarinao mahafantatra ny dikan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy? Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5 dia afaka manampy azy ireo hahatakatra ny hoe ahoana no hahatongavana ho mpianatra tsaratsara kokoa.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty amin’ny taratasy ny hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5, ka avelao hisy banga eo amin’ny toerana tokony hisy ny “mpianatro.” Asaivo fenoin’ny ankizy ny banga, ka afaka mijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5 izy ireo raha mila fanampiana. Midika inona izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy izany? Zarao ny fomba fiezahanao ho lasa mpianatr’i Kristy tsaratsara kokoa.

  • Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5 ianareo dia asaivo mieritreritra lalàna izay azontsika avy amin’ny Tompo izy ireo. Asao izy ireo hifandimby hanao fihetsika ny fankatoavana ny iray amin’ireo lalàna ireo ka ny ankizy rehetra ambiny dia hanandrana hamantatra hoe inona ilay izy.

  • Omeo tapa-taratasy kely ny mpianatra tsirairay ary asaivo manoratra ao amin’izany ny fomba iray ahafahany ho lasa mpianatra tsaratsara kokoa. Asao ny mpianatra tsirairay hizara izay nosoratany, ary dia akambano ireo tapa-taratasy mba hanome rojo taratasy avy eo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61, 68

Manambara ny fahendreny amin’ireo izay mikatsaka izany Andriamanitra.

Mametraka fanontaniana maro ny ankizy rehefa mihamitombo ny fahalalany momba izao tontolo izao sy ny filazantsara. Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61, 68 mba hanampiana azy ireo hahafantatra ny fomba fahazoana fahendrena avy amin’ny Tompo?

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mizara aminao ny zavatra iray izay manampy azy ireo hahatsapa ho miadana ny ankizy ary zavatra iray izay manampy azy ireo hahatsiaro fifaliana. Asao izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61, ka hitady ny teny hoe “fiadanana” ary “fifaliana.” Ampio ny ankizy hieritreritra fahamarinana nambaran’ Andriamanitra izay mitondra fiadanana sy fifaliana ho azy ireo.

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61, 68, ka antitrantero ilay andian-teny hoe “fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana.” Hazavao fa tsy tonga dia ambaran’ Andriamanitra indray mandeha ny zava-drehetra; omeny tsikelikely isaky ny mandeha kosa isika. Ampisehoy fa ny piozila dia atambatra tsikelikely, na mampiasà zavatra mitovitovy amin’izany mba hanampiana ny ankizy hahatakatra io fitsipika io. Mizarà zavatra niainana iray izay nandraisanao fanambarana izay nitahy anao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–7

Ny mpaminany ihany no afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo.

Rehefa mihalehibe ny ankizy dia azo inoana fa hihaona amin’olona izay mikasa hampivily lalana azy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy mba hatoky ny lamina napetrak’ Andriamanitra amin’ny fitarihana ireo zanany amin’ny alalan’ny mpaminany nofidiany?

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo maka sary an-tsaina ny ankizy hoe mitsangana mandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona ny olona iray ka miteny amin’ny paroasy izy fa nandray fanambarana ho an’ny Fiangonana (ohatra hoe, tsy tokony hisotro ronono intsony isika na tokony hanatontosa ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo amin’ny andro talata isika fa tsy ny alahady intsony). Milaza izy fa tokony hihaino izay teneniny isika fa tsy izay tenenin’ny mpaminany. Inona no tsy mety ao anatin’izany? Ampio ny ankizy hikaroka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–7 mba hahitana ny fomba fanomezan’ny Tompo didy ho an’ny Fiangonany.

  • Mampisehoa sarin’ny mpaminany velona, dia asao ireo ankizy hizara zavatra iray nampianariny vao tsy ela. Raha ilaina dia mampisehoa ampahana horonan-tsary na mamakia andalana avy amin’ny hafatra amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany. Nahoana no fitahiana ny fananana mpaminany velona amin’izao fotoana izao?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hisafidy lalàna na didy izay tsapany fa tokony ifantohany ny fankatoavana azy amin’ity herinandro ity. Amporisiho izy ireo hizara ny tanjony amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampianaro ny ankizy hirakitra ireo zavatra tsapa. Na ny ankizy aza dia afaka mianatra ny fahazarana mirakitra ireo zavatra tsapa ara-panahy. Afaka mirakitra ireo zavatra tsapa izy ireo amin’ny alalan’ny fanasiana marika ny soratra masina, na fanaovana sary, na fanoratana zavatra tsotra ao anaty diary.

Sary
pejin’ny asa atao: sambatra aho rehefa mankatò an’ Andriamanitra

Hamoaka printy