Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
29 martsa– 4 aprily. Paska: “Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina”


“29 martsa– 4 aprily. Paska: -Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“29 martsa– 4 aprily. Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Sarivongan’i Kristy

29 martsa–4 aprily

Paska

“Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina”

Eo am-piomananao hankalaza ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty amin’ny alahadin’ny Paska dia saintsaino ny fomba nampitomboan’ireo fanambarana maoderina ny finoanao fa i Jesoa Kristy no Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra sy Mpanavotra izao tontolo izao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Alahadin’ny Paska ny 3 aprily 1836. Rehefa avy nanampy tamin’ny fizarana ny fanasan’ny Tompo tamin’ireo Olomasina niara-nivory tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izay vao notokanana i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery dia nitady toerana mangina iray tao ambadiky ny voaly tao amin’ny tempoly ka niondrika mangina nivavaka. Rehefa izany, tamin’io andro masina izay hankalazan’ny Kristianina n’aiza n’aiza ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty io, dia niseho tao amin’ny tempoliny ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty ka nanambara hoe “Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:4).

Inona no dikan’ny filazana fa i Jesoa Kristy no “Ilay velona”? Tsy ny nitsanganany avy tao am-pasana tamin’ny andro fahatelo sy ny nisehoany tamin’ireo Galileana mpianany fotsiny no dikan’izany. Midika izany fa velona Izy ankehitriny. Miteny amin’ny alalan’ireo mpaminany Izy ankehitriny. Mitarika ny Fiangonany Izy ankehitriny. Manasitrana ireo fanahy maratra sy ireo fo torotoro Izy ankehitriny. Noho izany dia afaka averintsika ireo tenin’i Joseph Smith izay mirakitra tenivavolombelona mahery vaika manao hoe: “Ary ankehitriny, aorian’ireo tenivavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny tenivavolombelona … izay ataonay momba Azy: Fa velona Izy!” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22). Afaka mahare ny feony isika ao amin’ireny fanambarana ireny. Afaka mahita maso ny tanany eo amin’ny fiainantsika isika. Ary isika tsirairay dia afaka hahatsapa hoe “endrey mamy sy kanto re: -Ny mandre fa velon’i Kristy!-” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:5; 38:7; 62:1; 76:11–14, 20–24; 110:1–10

Velona i Kristy.

Nahita imbetsaka ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty ny Mpaminany Joseph Smith ary roa tamin’ireny zavatra niainana ireny dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Rehefa mamaky ny fizarana 76:11–14, 20–24; 110:1–10, dia inona zavatra hitanao fa manan-danja momba ny tenivavolombelon’ny Mpaminany Joseph Smith? Nahoana ny tenivavolombelony no manan-danja aminao?

Manerana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Mpamonjy dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny iraka notanterahiny sy ny maha-Andriamanitra Azy. Inona no ianarako momba ilay Kristy velona avy amin’ireo teniny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:5; 38:7; 62:1? Eo am-pandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia azonao heverina ny hirakitra ny fanambarana toy ireny izay hitanao.

Jereo koa ny Joseph Smith—Tantara 1:17.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:26–27; 42:45–46; 63:49; 88:14–17, 27–31; 93:33–34

Koa satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty aho.

Fantatr’i Joseph Smith hoe manao ahoana izany hoe misaona ny fahafatesan’ny olon-tiana izany. Ny roa tamin’ireo rahalahiny, i Alvin sy i Don Carlos, dia maty tamin’ny naha-zatovo azy ireo. I Joseph sy i Emma dia nandevina zanaka miisa enina izay latsaky ny roa taona avy. Kanefa avy amin’ireo fanambarana noraisin’i Joseph dia nahazo fomba fijery mibanjina ny mandrakizay momba ny fahatesana sy ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra izy. Saintsaino ireo fahamarinana nambara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:26–27; 42:45–46; 63:49; 88:14–17, 27–31; 93:33–34. Inona no fiantraikan’ireo fanambarana ireo amin’ny fomba fijerinao momba ny fahafatesana? Inona no fiantraikan’ireny amin’ny fomba fiainanao?

Jereo ihany koa ny 1 Korintiana 15; M. Russell Ballard, “Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty,” Liahona, nôv. 2018, 71–74; Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 174–76.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13; 19:16–19; 45:3–5; 76:69–70

Nanatanteraka “sorompanavotana tonga lafatra” i Jesoa Kristy.

Fomba iray hifantohana amin’ny Mpamonjy mandritra ny vaninan’andron’ny Paska ny mandalina ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay mampianatra momba ny sorona manavotra nataony. Ny sasany amin’izy ireny dia afaka hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13; 19:16–19; 45:3–5; 76:69–70. Azonao hatao ihany koa ny manao lisitra ireo fahamarinana momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay hitanao ao amin’ireo andininy ireo. Ho fanatsarana ny fandalinanao dia azonao hatao ny manampy ny ao amin’ny lisitrao amin’ny alalan’ny fandalinana ireo andalan-tsoratra masina voatanisa ao amin’ny “Sorompanavotana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Ireto misy fanontaniana vitsivitsy izay mety hitarika anao amin’ny fandalinanao:

  • Nahoana i Jesoa Kristy no nisafidy ny hijaly?

  • Inona no tsy maintsy ataoko mba handraisako ireo fitahiana avy amin’ny sorona nataony?

  • Ahoana no ahafahako mahafantatra raha toa ka misy fiantraikany eo amin’ny fiainako ny Sorompanavotana nataony?

Sary
i Jesoa mivavaka

Lord of Prayer, nataon’i Yongsung Kim

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.Koa satria mifanandrify amin’ny alahadin’ny Paska ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amin’ity taona ity dia mety ho azonao heverina ny fomba ahafahan’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana (tafiditra ao anatin’izany ny hira) mampitombo ny fijoroana vavolombelona ananan’ny fianakavianao momba an’i Jesoa Kristy. Ohatra, ireo ankizy madinika dia afaka manao ny sarin’ny Mpamonjy na mitazona ny sariny rehefa mahare hafatra na hira momba an’i Jesoa Kristy. Azon’ireo olona sasany ao amin’ny fianakaviana hatao ny manao lisitra ireo fahamarinana ren’izy ireo momba ny Mpamonjy. Avy eo ireo olona ao amin’ny fianakaviana dia afaka mizara ny zavatra nataony sary na ireo lisitra nataon’izy ireo sy ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo manokana momba an’i Jesoa Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–17; 138:17, 50.Mety ho tian’ny fianakavianao ny mieritreritra fanahafana iray na lesona iray hampiasana zavatra azo tsapain-tanana mba hanazavana ny dikan’izany hoe maty sy mitsangana amin’ny maty izany. Fomba iray maneho ny fisarahan’ny vatana sy ny fanahy sy ny fikambanan’izany indray avy eo ny tanana sy fonon-tanana. Ahoana no hampitomboan’ireo andininy ireo ny fankasitrahantsika ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika?

“Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly.”Mba hanomezana vahana ny fifanakalozan-kevitra momba ny fijoroana ho vavolombelon’ireo mpaminany maoderina ny amin’ny Mpamonjy dia azonao hatao ny manendry ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana mba hamaky ampahany amin’ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ireo Apôstôly” ( Liahona, mey 2017, fonony anatiny eo am-boalohany) sy mizara izay zavatra nianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.    Inona ireo fahamarinana hitantsika izay manentana ny fanahintsika?

“Velona ilay Mpanavotra ahy”Mba hanampiana ny fianakavianao hisaintsaina ireo fomba maro itahian’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty antsika amin’izao fotoana izao dia azonareo hiraina miaraka ny “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy Hiran’ny ankizy, lah. 76) sy mampifandray ireo fahamarinana ampianarina ao amin’io hira io amin’ireo izay ampianarina ao amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:34; 45:3–5; 84:77; 98:18; 138:23. Mety ho tian’ny fianakavianao ihany koa ny manoratra andininy fanampiny ho an’ireo hira ao amin’ny fihirana izay maneho ny fomba ahafantaran’izy ireo fa velona ny Mpanavotra azy ireo.

Raha te hijery horonan-tsary sy loharanom-pitaovana hafa momba ny Paska dia jereo ny Easter.ComeUntoChrist.org.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Jésus est ressucité,” Chants pour les enfants, 44.

Manatsara ny fampianarantsika

Mitadiava lesona ao amin’ireo zavatra eo amin’ny an-davanandro. Hevero ny fomba mety hitarihan’ireo zavatra iainan’ireo olona ao amin’ny fianakavianao an-davanandro amin’ny resadresaka momba ny fahamarinana iray an’ny filazantsara (jereo ny Mampianatra amin’ny fomban’ny Mpamonjy, 4). Ohatra, ny oram-baratra iray dia afaka ny ho fahafahana iray hiresahana momba ny hanomezan’ Andriamanitra fitahiana an-kahalalahana ireo zanany.

Sary
I Jesoa miseho amin’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery

Niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy Oliver Cowdery i Jesoa Kristy, nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy