Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
5 aprily–11 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36: “Nantsoina hitory ny filazantsarako ianareo”


“5 aprily–11 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30-36,-Nantsoina hitory ny filazantsarako ianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“5 aprily–11 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
misiôneran’ny Fiangonana tany am-piandohana

5 aprily–11 aprily

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36

“Nantsoina hitory ny filazantsarako ianareo”

Afaka mahita hevi-baovao momba ny toe-javatra miavaka iainantsika ao amin’ny soratra masina isika. Angataho ny Tompo mba hanampy anao hahita hafatra natao ho anao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny iray volana teo ho eo i Parley P. Pratt rehefa nantsoina “[h]ankany an-tany foana” izy mba hitory ny filazantsara (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32:2). Mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fotoana mbola latsaka izany i Thomas B. Marsh rehefa nolazaina taminy hoe “efa tonga ny ora ho an’ny asa fitorianao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:3). I Orson Pratt sy i Edward Partridge, ary ny maro hafa koa dia vao vita batisa vao tsy ela rehefa nandray ny antson’izy ireo. Angamba io fotoana io dia tena nilaina tokoa—tamin’ny fararanon’ny taona 1830, tsy nisy na iray aza mpikamban’ny Fiangonana nihoatra ny enim-bolana tamin’izy ireo. Saingy misy ihany koa lesona iray ho antsika ankehitriny ao amin’io lamina io: raha manana fahalalana ampy ianao hanekena ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ny batisa, dia manana fahalalana ampy ianao hizarana izany amin’ny hafa. Mazava ho azy fa tiantsika hatrany ny hampitombo ny fahalalantsika ny filazantsara, saingy tsy nisalasala na oviana na oviana Andriamanitra niantso ny “tsy mahay” mba hitory ny filazantsarany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13). Raha ny marina dia manasa antsika rehetra Izy hoe “[sokafy] ny vavanao hanambara ny filazantsarako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5). Ary isika dia manao izany amin’ny fomba tsara indrindra tsy noho ny fahendrentsika sy ny traikefantsika fa “amin’ny herin’ny Fanahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13).

Jereo ihany koa ny “The Faith and Fall of Thomas Marsh,” “Ezra Thayer: From Skeptic to Believer,” “Orson Pratt’s Call to Serve,” Revelations in Context, 54–69.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36

Nantsoina hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

Na nantsoina tamin’ny fomba ôfisialy ho misiônera ianao na tsia, dia tian’ny Tompo ny hizara ny filazantsarany ianao, ary maro amin’ireo teny nataony tamin’ireo misiônera tany am-piandohan’ity fotoampitantanana ity no natao ho anao koa. Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 ianao dia raketo izay nianaranao momba ny antso hitory ny filazantsara. Azonao atao ny manao lisitra iray misy ireo zavatra angatahan’ny Tompo amin’ireo misiônerany (ohatra, jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:8) ary ny lisitra iray hafa misy ireo ny zavatra ampanantenain’ny Tompo azy ireo (ohatra, jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:11).

Mety hankahery ny olona fantatrao izay manompo na miomana amin’ny asa fitoriana na asa fanompoana ato amin’ny Fiangonana amin’ny fomba ahoana ireo andininy ireo ? Inona no hitanao fa manentana anao hizara ny filazantsara?

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13–15; Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenan’Isiraely” (fampaheram-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org; Silvia H. Allred, “Go Ye Therefore,” Ensign na Liahona, Nov. 2008, 10–12.

Sary
misiônera mampianatra

Isika rehetra dia misiônera ho an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:1–2, 5–6, 9, 13

Afaka manampy ahy amin’ny fifandraisako amin’ny fianakaviako ny Tompo.

Ny fianakaviana tamin’ny taona 1830 dia niady tamin’ny olana mitovy amin’izay manahirana ny fianakaviana ankehitriny. Inona no torolalana sy fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh momba ny fianakaviany? Ahoana no ahafahan’ny teniny manampy anao amin’ny fifandraisanao amin’ny fianakavianao?

Ho fampahalalana bebe kokoa momba an’i Thomas B. Marsh, dia jereo ny Olomasina, 1:79–80, 119–20.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3235

Moa ve tsy fahombiazana ny iraka notanterahina tany amin’ny Lamanita?

Rehefa nandeha nitory tamin’ireo Amerikana Indianina tany andrefan’i Missouri i Oliver Cowdery, i Peter Whitmer Jr., sy i Parley P. Pratt, ary i Ziba Peterson, dia nino izy ireo fa nanatanteraka ny faminanian’ny Bokin’i Môrmôna momba ny Lamanita handray ny filazantsara amin’ny andro farany (jereo ohatra ny 1 Nefia13:34–41; Enôsa 1:11–18). Kanefa tamin’ny fiafaran’ny iraka nataony, na dia nanana fihaonana tsara tamin’ny andiany sasany aza izy ireo, dia tsy nanao batisa Amerikana Indianina izy ireo na iray monja aza. Saingy nanao batisa olona mihoatra ny zato teo akaikin’ Kirtland, Ohio izy ireo rehefa nijanona teo amin’ny lalana nankany Missouri. Anisan’ireo niova fo ireo ny mpitarika ny Fiangonana izay nanana ny lazany taty aoriana, anisan’izany i Sidney Rigdon, ary lasa toerana fiangonana manan-danja ho an’ny Fiangonana i Kirtland taty aoriana. Inona no ampianarin’io zavatra niainana io anao momba ny fomba hanatanterahan’ny Tompo ny asany?

Jereo ihany koa ny “A Mission to the Lamanites,” Revelations in Context, 45–49.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:12–18

Raha manorina ny fiainako amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy aho dia tsy hianjera.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33 dia natao ho an’i Northrop Sweet sy i Ezra Thayer, mpikambana vaovao anankiroa. Niala tao amin’ny Fiangonana i Northrop taoriana kelin’ny nanomezana ity fanambarana ity. Nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny fotoana kelikely i Ezra, saingy nihemotra ihany koa izy taty aoriana. Ity dia mety ho fotoana tsara hanaovana fanombanana hoe mafy orina toy ny ahoana “eo ambonin’ny vatolampin’”ny filazantsara (andininy 13) ianao. Inona ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy anao hijanona ho mahatoky ny Mpamonjy?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:2.Manao ahoana isika mianakavy amin’ny fifantohana amin’ny zavatr’ Andriamanitra fa tsy amin’ny “zavatry ny tany”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31.Rehefa mamaky ny fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’i Thomas B. Marsh momba ny fianakaviany ianareo dia afaka miresaka momba ireo fitahiana izay tonga teo amin’ny fianakavianareo noho ny asa fitoriana ny filazantsara. Azonareo atao ihany koa ny mihira fihirana mifandray amin’izany toy ny “Ny làlanao no làlako” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 56.). Voatahy tamin’ny fomba ahoana ny fianakavianao noho ny fizarana ny filazantsara tamin’ny hafa?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:7–10.Inona no sary nampiasain’ny Tompo tao amin’ireo andininy ireo mba hamaritana ny fizarana ny filazantsara? Inona ireo sary hafa na sariohatra azon’ny fianakavianao eritreretina? Mety afaka hanampy ny fianakavianao hieritreritra fomba mahomby hizarana ny filazantsara ireny sary ireny. Ity fifanakalozan-kevitra ity avy eo dia afaka mitarika amin’ny drafitra iray entina mizara ny filazantsara. Ataovy lalao an-tsehatra ny toe-javatra sasany mety hitranga.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:10.Misafidiana fehezan-teny iray ao amin’ny andininy 10 ary manasà olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hibitsibitsika izany. Afaka manandrana maminavina ilay fehezan-teny ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana. Avy eo dia mangataha olona iray hafa ao amin’ny fianakaviana hilaza ilay fehezan-teny amin’ny feo mafy. Ahoana no ahafahan’ity hetsika ity manampy antsika hahatakatra hoe nahoana ny Tompo no mandidy antsika hoe “asandrato ny feonao”?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Maniry hanao asa fitoriana aho,” Bokin-kiran’ny ankizy,91.

Sary
sary famantarana ny feon’ny famerenana amin’ny laoniny

Ireo olo-malazan’ny famerenana amin’ny laoniny

Mpikambana voalohany

Na dia talohan’ny nanorenana ny Fiangonana aza dia nanambara ny Tompo hoe “Efa masaka ny eny an-tsaha mba hojinjaina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:4). Io fanambarana io dia voaporofo fa marina nandritra ireo volana maromaro nifanesy taorian’izay, satria maro ireo mpikatsaka ny fahamarinana no notarihin’ny Fanahin’ Andriamanitra hitady ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Maro tamin’ireo mpikambana voalohany ireo no nanampy tamin’ny fametrahana ny fototry ny Famerenana amin’ny laoniny, ary sarobidy ho antsika amin’izao fotoana izao ny tantaran’izy ireo. Ny finoana izay nasehony dia ilay finoana izay ilaintsika mba hiova fo ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Abigail Calkins Leonard

Raha tokotokony ho manodidina ny dimy amby telopolo taona tany i Abigail Calkins Leonard dia naniry ny ho voavela heloka izy. Namaky Baiboly izy indraindray, ary nitsidika ny tranony ny olona avy tamin’ny fiangonana Kristiana, saingy nisalasala momba izay naha-samy hafa ireo fiangonana izy. “Indray maraina,” hoy izy, “Nalaiko ny Baiboliko ary nandeha tany anaty ala aho, ka nandohalika aho.” Nivavaka tamin-kafanam-po tamin’ny Tompo izy. “Avy hatrany dia nisy fahitana iray nandalo teo amin’ny masoko,” hoy izy, “ary ireo fiangonana samihafa dia nifanesy nandalo teo amiko, ary nisy feo niantso ahy, nilaza hoe: -Ireo dia natsangana mba hahazoana tombony-. Avy eo dia nahita hazavana lehibe aho, tao ambadik’izay, ary nisy feo avy any ambony niantso hoe: -Hanangana vahoaka iray Aho ka hahafaly Ahy ny manana azy sy mitahy azy.-” Fotoana fohy taty aoriana dia nandre momba ny Bokin’i Môrmôna i Abigail. Na dia mbola tsy nanana ny tahadikan’izany aza izy, dia nitady ny “hahalala ny fahamarinan’ity boky ity, tamin’ny alalan’ny fanomezana sy ny herin’ny Fanahy Masina,” ary “nahatsapa avy hatrany ny fanatrehany izy.” “Vonona ny handray izany” izy rehefa afaka namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny farany. Natao batisa tamin’ny taona 1831 izy sy i Lyman vadiny.1

Thomas B. Marsh

Fony zatovo vao herotrerony i Thomas B. Marsh, dia nandalina ny Baiboly izy ary niditra ho mpikambana tao amin’ny fiangonana kristianina iray. Saingy tsy afa-po izy ary niala tamin’ny fiangonana rehetra nony farany. “Nanana ampahany kely tamin’ny fanahin’ny faminaniana aho,” hoy izy, “ka niteny tamin’ny [mpitarika fivavahana iray] fa niandrandra fiangonana vaovao iray mba hitsangana, izay hanana ny fahamarinana ao amin’ny fahadiovany aho.” Fotoana fohy taorian’izany, dia nanana tanjaka ara-panahy i Thomas mba handao ny tranony tany Boston, Massachusetts, ka nandeha niankandrefana. Rehefa avy nandany telo volana tany andrefan’i New York anefa izy ka tsy nahita izay notadiaviny, dia nanomboka nody. Teny an-dalana dia nisy vehivavy iray nanontany an’i Thomas raha nahare momba ny “ Ilay Boky Volamena hitan’ny tanora iray antsoina hoe Joseph Smith” izy. Nampisaintsaina an’i Thomas izany ka nandeha avy hatrany tany Palmyra izy ary nifankahita tamin’i Martin Harris tao amin’ny trano printy, raha voantonta iny mihitsy ireo pejy 16 voalohany amin’ny Bokin’i Môrmôna. Afaka nahazo ny tahadikan’ireo pejy 16 ireo i Thomas, ka nentiny nody tany amin’i Elizabeth vadiny ireo. “Tena faly” tamin’ilay boky izy ary notantarainy fa “nino izany ho asan’Andriamanitra izy.” Nifindra tany New York niaraka tamin’ireo zanak’izy ireo i Thomas sy i Elizabeth taty aoriana ary natao batisa.2 (Ho fampahalalana bebe kokoa momba an’i Thomas B. Marsh, dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31.)

Parley sy Thankful Pratt

Tahaka an’i Thomas Marsh, i Parley sy i Thankful Pratt dia notaomin’ny fanentanana ara-panahy mba handao ny toeram-pamboleny niroborobo tao Ohio niaraka tamin’ny fikasana hitory ny filazantsara rehefa takatr’izy ireo avy tao amin’ny Baiboly izany. Raha nilaza tamin’ny rahalahiny i Parley hoe: “Ny fanahin’ireo zavatra ireo dia nampiasa ny saiko fatratra tato ho ato ka tsy nampitombina ahy.”3 Rehefa tonga tao New York atsinana izy ireo dia nahazo bitsika ny hijanona elaela tao amin’ilay faritra i Parley. Nanapa-kevitra izy ireo fa hanohy ny dia tsy miaraka amin’i Thankful. “Manana asa tokony hatao eto amin’ity faritra ity aho,” hoy i Parley taminy, “ary na inona izany, na hafiriana no hanatanterahana izany, tsy fantatro; fa ho avy aho rehefa vita izany.”4 Tany no nahenoan’i Parley voalohany momba ny Bokin’i Môrmôna. “Nahatsiaro ho liana tamin’ilay boky aho”, hoy izy.5 Nangataka tahadikan’izany izy ary namaky nandritra ny alina. Tamin’ny maraina dia fantany fa marina ilay boky, ary nanome lanja izany “noho ny harena rehetra eto amin’izao tontolo izao” izy6 Tao anatin’ny andro vitsivitsy dia natao batisa i Parley. Niverina tany amin’i Thankful izy avy eo, izay natao batisa ihany koa. (Ho fampahalalana bebe kokoa momba an’i Parley P. Pratt, dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32.

Sary
Parley P. Pratt

Sary hosodoko ahitana an’i Parley P. Pratt nataon’i Jeffrey Hein

Sidney sy Phebe Rigdon

Raha teny an-dalana avy any New York ka hanao asa fitoriana tany Missouri i Parley Pratt sy ireo mpiara-miasa taminy dia nijanona tao Mentor, Ohio izy ireo, tao an-tranon’i Sidney sy i Phebe Rigdon—naman’i Parley fony nipetraka tany Ohio izy. Mpitondra fivavahana kristianina i Sidney, ary efa mpikamban’ny fiangonany i Parley taloha ka noraisin’i Parley ho mpanabe ara-panahy izy. Nilaza tamim-pientanentanana momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ireo namany i Parley. I Sidney izy tenany mihitsy aza dia nitady ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana marina izay hitany voasoritsoritra tao amin’ny Testamenta Vaovao, na dia nisalasala momba ny Bokin’i Môrmôna aza izy tamin’ny voalohany. “Fa hovakiako ny bokinao,” hoy izy tamin’i Parley namany, “ary hiezaka hamantatra aho raha fanambarana avy amin’ Andriamanitra izany na tsia.”7 Taorian’ny roa herinandro nanaovana fandalinana sy vavaka dia samy resy lahatra na izy na i Phebe fa marina ilay boky. Kanefa fantatr’i Sidney ihany koa fa ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana dia ho sorona lehibe ho an’ny fianakaviany. Mazava ho azy fa ho very ny asany amin’ny maha-mpitondra fivavahana azy, miaraka amin’ny sata sosialy ao amin’ny fiarahamonina. Rehefa niady hevitra momba izany izy sy i Phebe, dia nanambara i Phebe hoe: “Nitanisa ny saran’izany aho, ary … faniriako ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra, na ho fiainana na ho fahafatesana.”8

Sary
lehilahy mandeha ao anaty ranomandry

Mandehana any an-tany foana, nataon’i Robert T. Barrett

Hamoaka printy