Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
28 febroary. Inona no hevitry ny hoe mibebaka? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19


“28 febroary. Inona no hevitry ny hoe mibebaka? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“28 febroary. Inona no hevitry ny hoe mibebaka?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovovavy iray manao fandalinana

28 febroary

Inona no hevitry ny hoe mibebaka?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Iza no olona vaovao ato amin’ny paroasintsika, ary ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahatsapa ho voaray tsara? Inona no ataontsika mba hahatonga ny fotoantsika ao amin’ny kôlejy na kilasy ho manan-danja?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona avy ireo adidy sy andraikitra sasany ananantsika amin’ny maha-zatovolahy sy zatovovavy antsika? Ahoana no ahafahantsika manatanteraka azy ireny amin’ny fomba tsaratsara kokoa?

  • Ny fiainantsika. Inona no ataontsika mba ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa ary handraisana ny heriny eo amin’ny fiainantsika? Inona no ataontsika mba hanampiana ny fianakaviantsika hanatona Azy?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Sarotra izany hoe mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19 kanefa tsy mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika. Ao amin’ireo andininy ireo Izy dia mamariparitra ny fijaliana niainany rehefa nanao sorompanavotana noho ny otantsika ary manambara ny antony nahatonga Azy ho vonona ny hijaly izaitsizy tokoa—“mba tsy hahatonga [antsika] hijaly raha mibebaka [isika].” Fitahiana nanjary azo notanterahina tamin’ny alalan’ny Mpamonjy ny fibebahana. Ezaka mitohy isan’andro ny fialana amin’ny ota sy ny fitodihana amin’ Andriamanitra. Ampahany amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny hanampy antsika hiverina any Aminy. Ny fahatakarana ny fomba hibebahana dia afaka manampy antsika hadio amin’ireo otantsika, hanova ny fontsika sy ny saintsika ary hanatona akaiky kokoa an’ Andriamanitra.

Ahoana no nanampian’ny fibebahana anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra? Ahoana no ahafahanao manampy ireo izay ampianarinao haniry ny hibebaka? Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahita fa ezaka isan’andro ny fibebahana ary tsy natokana ho an’ny ota goavana ihany? Rehefa miomana hampianatra ianao dia hevero ny handalina ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa Isika” (Liahona, mey 2019, 67–69).

Sary
i Jesoa Kristy mivavaka

I Kristy tao Getsemane, nataon’i Harry Anderson

Miaraha mianatra

Hatrany am-boalohany no efa niantso ny olona hibebaka ny mpaminany rehetra. Kanefa dia tsy misy fanasana hibebaka izay mampihetsi-po amin’ny fomba mahery vaika tahaka ilay an’ny Mpamonjy hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekem-pihavanana 19:15–19 angamba, izay mety ho novakian’ny zatovo tamin’ity herinandro ity. Afaka manontany azy ireo izay zavatra ianarany momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo ianao. Inona no resahin’ireo andininy ireo mikasika ny maha-zava-dehibe ny fibebahana araka ny hevitry ny Tompo? Ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy ireo olona ampianarinao handray ny fibebahana ho fitahiana isan’andro eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Mba hanampiana ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hahatakatra ny fomba itahian’ny fibebahana ny fiainan’izy ireo dia afaka manomboka amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana ireto ianao: Ahoana no ahalalako raha toa ka mahomby ireo ezaka ataoko ibebahana? Ahoana no hanampian’ny Tompo ahy hiova? Ankoatra ny famelana ny fahotana, dia inona koa no fitahiana hafa avy amin’ny fibebahana? Asao ny mpianatra hamaky ny iray na ny mihoatra izany amin’ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana,” ka hitady ny valin’ireo fanontaniana. Inona no hitan’izy ireo?  

  • Maro ireo tanora tsy mahatakatra ny atao hoe mibebaka. Mety matahotra ny fibebahana izy ireo na mieritreritra fa amin’ny ota lehibe ihany izany no mihatra. Mba hanitsiana io fahadisoan-kevitra io dia afaka manasa ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ianao handalina ny ampahany amin’ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika” (Liahona, mey 2019, 67–69), ka hitady ireo andian-teny manampy azy ireo hahatakatra ny dikan’ny hoe mibebaka. Inona no hitan’izy ireo ka nanampy azy ireo hieritreritra momba ny fibebahana tamin’ny fomba vaovao? Inona avy ireo fitahiana nampanantenain’ny Filoha Nelson an’ireo izay mibebaka?

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo olona ampianarinao hahatakatra ny antony sy ny fomba ibebahantsika? Afaka manampy ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks “Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana” (Liahona, mey 2019, 91–94). Azonao zaraina ho vondrona efatra ny kôlejy na kilasy ary omena andraikitra hamaky ny iray amin’ireo fizarana efatra ao amin’ny lahatenin’ny ny Filoha Oaks ny isam-bondrona. Avy eo ny vondrona tsirairay dia afaka manolotra famintinana ny zavatra novakian’izy ireo amin’ireo vondrona hafa, miaraka amin’izay soratra masina avy amin’ilay hafatra ka manohana ny zavatra nianaran’izy ireo. Azonao faranana amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mikasika ny maha-zava-dehibe ny fibebahana ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra izany.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa notanterahin’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nanasa ny hafa hanao asa amim-pinoana sy hiaina ireo fahamarinana nampianariny ny Mpamonjy. Inona no azonao atao mba hanampiana ireo olona ampianarinao hahita ny herin’ny fibebahana isan’andro? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 3135.)

Hamoaka printy