Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
14 martsa. Ahoana no ifamenoan’ny anjara asa masina tànan’ny lehilahy sy ny vehivavy? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26


“14 martsa. Ahoana no ifamenoan’ny anjara asa masina tànan’ny lehilahy sy ny vehivavy? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“14 martsa. Ahoana no ifamenoan’ny anjara asa masina tànan’ny lehilahy sy ny vehivavy?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
fianakaviana mandalina ny soratra masina

14 martsa

Ahoana no ifamenoan’ny anjara asa masina tànan’ny lehilahy sy ny vehivavy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (azonareo tapahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ireo zavatra izay horesahina):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Iza no mila ny fanampiantsika sy ny vavaka ataontsika? Inona no azontsika atao mba hanampiana azy ireo? Iza no tokony hasaintsika amin’ny fiaraha-mientana manaraka?

  • Ny andraikitsika na anjara asantsika. Inona avy ireo asa nampandraiketina izay notontosaintsika? Inona avy ireo asa nampandraiketina izay ilaintsika atao? Tamin’ny fomba ahoana no nanasantsika ny hafa hanatona an’i Kristy, ary ahoana no ahafahantsika manasa ny hafa ankehitriny?

  • Ny fiainantsika. Inona avy ireo zavatra niainana tato ho ato izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Inona no mitranga eo amin’ny fiainantsika, ary ahoana no ahafahantsika mifanohana?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety ny hanaovana izany izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Nomen’ny Ray any An-danitra anjara asa samy tena ilaina hotanterahina ao amin’ny drafiny ny lehilahy sy ny vehivavy. Mifameno ireo anjara asa ireo. Mba hanampiana ny lehilahy sy ny vehivavy hanatanteraka ireo anjara asa ireo dia nomeny fanomezam-pahasoavana sy fahaiza-manao miavaka izy ireo. Mety ho nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy tamin’ity herinandro ity. Ao amin’io fanambarana io ny Tompo dia nanoro hevitra an’i Emma Smith mikasika ny asany manan-danja ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ary nanazava ny fomba ahafahan’i Joseph sy i Emma mifanohana. Inona no ohatra efa hitanao amina lehilahy sy vehivavy miara-miasa amin’ny fomba mifameno mba hanao ny asan’ny Tompo? Ahoana no ahafahanao manentana ny zatovolahy sy ny zatovovavy ampianarinao hahatakatra ny anjara asa masina tanàn’izy ireo sy hiara-hiasa hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra?

Rehefa miomana hampianatra ianao dia hevero ny hamaky “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo” (ChurchofJesusChrist.org) sy ny hafatry ny Filoha Linda K. Burton hoe “Hiara-hivoatra isika” (Liahona, mey 2015, 29–32).

Sary
zatovovavy sy zatovolahy mandravaka mofomamy

Afaka mianatra ny hiara-hiasa mba hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra ny zatovolahy sy ny zatovovavy.

Miaraha mianatra

Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fomba iarahan’ny lehilahy sy vehivavy miasa ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia hevero ny hanasa ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25. Inona no nolazain’ny Tompo momba ireo adidy nomena an’i Emma sy i Joseph mba hifampiandraiketany? Inona no ianarantsika avy amin’ny fizarana 25 momba ny fomba tokony hiarahan’ny mpivady miasa? Azonao omena taratasy ireo olona ampianarinao mba hanoratan’izy ireo izay zavatra hitany dia asao izy ireo hizara ny eritreriny. Avy eo dia misafidiana amin’ireto asa atao manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hahatakatra misimisy kokoa hoe andrandrain’ Andriamanitra hiara-hiasa amin’ny fomba ahoana ireo zanakalahiny sy zanakavaviny.

  • Afaka mieritreritra ohatra iray ve ianao hanampiana ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hahazo ny dikan’ny hoe “mifameno”? Ohatra hoe, afaka miresaka momba ny loko mifameno izy ireo na mifanakalo hevitra mikasika ny fomba anomezan’ny feo samihafa ao anatina amboaram-peo iray hira kanto kokoa. Ahoana no ifamenoan’ny anjara asa masina tànan’ny lehilahy sy ny vehivavy? Asaivo iarahan’ny mpikambana rehetra ao amin’ny kôlejy na kilasy mamaky ny andiam-pehezan-teny roa voalohany ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Mampahery sy manampy ao amin’ny anjara asantsika mifameno” avy amin’ny hafatry ny Filoha Linda K. Burton hoe “Hiara-hivoatra isika” (Liahona, mey 20155, 30). Na afaka manasa mpivady hitsidika ny kôlejy na kilasy misy anao ianao, ka izy ireo dia hiresaka momba ny fomba nifanampian’izy ireo hanatanterahana ny anjara asany sy ny fomba nanampian’ny Tompo azy ireo. Inona avy amin’ny hafatry ny Filoha Burton na ireo mpivady no ianarantsika mikasika ny fomba ifanohanan’ny lehilahy sy vehivavy ao anatin’ny fianakaviana?

  • Ireo soratra masina voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” dia afaka manampy ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hianatra misimisy kokoa momba ireo andraikitry ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny ankohonana. Azonao omena andraikitra hamaky ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy na kilasy. Asao izy ireo hizara ny andininy novakiny ary hiresaka momba ireo andraikitra nofaritana. Inona no ampianarin’ireo soratra masina ireo momba ny andraikitry ny ray aman-dreny? Ahoana no ahafahan’ny mpivady mifanampy amin’ny fanatanterahana ireo andraikitra avy amin’ Andriamanitra ireo? Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy azy ireo mba hahomby? Ahoana no ahafahan’ny ankizy manampy azy ireo?

  • Mba hanampiana ny kôlejinao na ny kilasinao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny lehilahy sy ny vehivavy mifameno toy ny mpiara-miasa mira lenta dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto lohateny ireto: Andraikitry ny ray sy Andraikitry ny reny. Angataho ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hamakafaka ny andiam-pehezan-teny fahafito ao amin’ “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia soraty eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany ny zavatra hitan’izy ireo. Inona no ianarantsika mikasika ireo anjara asa masina tanàn’ireo ray sy renim-pianakaviana? Inona no hevitr’izany hoe ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy “amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta” azy ireo amin’ny fanatanterahana ireo andraikitra ireo? Inona no ohatra azontsika zaraina avy amin’ny fiainantsika izay mampiseho ray sy reny manatanteraka ny anjara asan’izy ireo ary mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo? Azonareo atao koa ny mifanakalo hevitra mikasika ireo fomba ahafahan’ny tanora miomana dieny izao ho amin’ireo anjara asa amin’ny ho avy ireo.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba hanatanterahana ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nanomana ireo izay nampianariny ny Mpamonjy ary nanome azy ireo andraikitra lehibe. Ahoana no azonao hanomanana ireo izay ampianarinao mba hiara-hiasa amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra azy ireo? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 27–28.)

Hamoaka printy