Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
28 martsa. Nahoana aho no mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29


“28 martsa. Nahoana aho no mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“28 martsa. Nahoana aho no mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
i Kristy mivavaka

I Kristy tao Getsemane, nataon’i Heinrich Hofmann

28 martsa

Nahoana aho no mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Inona no azontsika atao mba hanorenana firaisankina eo anivon’ny olona ao amin’ny kôlejy na kilasy misy antsika? Inona avy ireo tanjona tiantsika hiarahana miasa?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona no ataontsika amin’izao fotoana izao mba hizarana ny filazantsara? Inona no traikefa ananantsika amin’ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana?

  • Ny fiainantsika. Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika? Inona no nankahery antsika avy amin’ny fandalinantsika ny soratra masina tamin’ity herinandro ity?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nampianatra hoe: “Mitovy mihitsy amin’ny hoe tsy tena maniry ny hisakafo ny olona iray raha tsy noana, dia tsy maniry ny famonjen’i Kristy koa izy raha tsy efa fantany ny antony ilany an’i Kristy. “Tsy misy olona tena mahafantatra tsara ny antony ilany an’i Kristy raha tsy rehefa takany sy ekeny ilay fotopampianaran’ny Fahalavoana sy ny vokany eo amin’ny olombelona” (“The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign, May 1987, 85). Satria nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 ianao tamin’ity herinandro ity, dia mety ho tsikaritrao ny famaritan’ny Mpamonjy ny Fahalavoana sy ny fomba hanavotana antsika amin’izany. Ahoana no nahazoanao fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy? Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fanatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy momba Azy hanova azy ireo. Rehefa manomana ianao dia halalino ny “Agency and the Fall of Adam and Eve (Fahafahana misafidy sy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva),” “The Atonement of Jesus Christ (Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy),” ary “The Divine Mission of Jesus Christ (Ny asa masina nanirahana an’i Jesoa Kristy)” ao amin’ny toko faha-3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ([2019], 49–52, 60–61).

Sary
zatovovavy ao an-dakilasy

Afaka mahita fifaliana isika satria nanavotra antsika tamin’ny Fahalavoana ny Mpamonjy.

Miaraha mianatra

Ho fampidirana ny fifanakalozan-kevitra anio dia afaka manasa ireo olona ampianarinao ianao mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra rehetra fantatr’izy ireo momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Ohatra hoe, inona no ianaran’izy ireo momba ny Fahalavoana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:36–50? Inona no porofon’ny Fahalavoana hitantsika eo amin’ny manodidina antsika? Ireo asa atao eo ambany ireo dia hanampy ny kôlejy na kilasy misy anao hahita ny fomba anampian’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy antsika handresy ireo vokatry ny Fahalavoana.

  • Mba hahatakarana kokoa ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia azon’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy vakina ny “Fahalavoana” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana (56–59) na ny “Agency and the Fall of Adam and Eve (Fahafahana misafidy sy ny fahalavoan’i Adama sy i Eva)” ao amin’ny toko faha-3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (49–50). Asao izy ireo haka sary an-tsaina fa misy namana iray manontany azy ireo hoe: “Inona no antony ilako an’i Jesoa Kristy?” Asao izy ireo hifampianatra tsiroaroa ny fomba mety hamalian’izy ireo izany fanontaniana izany mifototra amin’ny zavatra nianarany avy tamin’ny famakian-teny nataony.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hianatra avy amin’ny soratra masina ny antony ilan’izy ireo ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Fomba iray ohatra ny manoratra ny sasany amin’ireo toko sy andinin-tsoratra masina avy amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” eo amin’ny solaitrabe ary avy eo dia manoratra ireo fehezan-teny famintinana ho an’ireo toko sy andininy ireo amina tapa-taratasy kely. Omeo iray amin’ireo tapataratasy kely ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy na kilasy. Asao izy ireo hamaky ilay andinin-tsoratra masina voasoratra eny amin’ny solaitrabe ary hitady anankiray izay mifandray amin’ny fehezan-teny famintinana nomena azy ireo. (Ny fehezan-teny sasany dia miresaka soratra masina mihoatra ny iray.) Asao ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy na ny kilasy hamaky mafy ilay andinin-tsoratra masina mifandray amin’ny fehezan-teny nomena azy ireo ary hizara izay zavatra nianaran’izy ireo momba ny antony ilantsika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

  • Asao ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hamaly mangina ny fanontaniana tahaka izao manaraka izao: Ahoana no itahiana ahy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Inona no asain’ny Mpamonjy ovaiko mba hahafahako miaina feno kokoa ireo fitahian’ny Sorompanavotany? Avy eo dia asao izy ireo hiara-hifanakalo hevitra mikasika ny fanontaniana voalohany. Azon’izy ireo vakina indray ny “The Atonement of Jesus Christ (Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy)” sy ny “The Divine Mission of Jesus Christ (Ny asa masina nanirahana an’i Jesoa Kristy)” ao amin’ny toko faha-3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (51–52, 60–61). Asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa notanterahin’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nivavaka ho an’ny mpianany sy nanompo azy ireo foana ny Mpamonjy. Nahita fotoana hiarahana tamin’izy ireo Izy ary naneho ny fitiavany. Inona no fahafahana anananao mba hanao toy izany koa amin’ireo olona ampianarinao? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 6.)

Hamoaka printy