Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
11 aprily. Ahoana no ahafahako manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36


“11 aprily. Ahoana no ahafahako manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“11 aprily. Ahoana no ahafahako manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovolahy mijery finday

11 aprily

Ahoana no ahafahako manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Aorian’izay, ankoatra ny fiarahana midinika mikasika ny raharaha mahakasika manokana ny kôlejy na kilasy, dia azonareo atao ny miresadresaka momba ireo zavatra tsapa sy ireo lohahevitra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona ireo lohahevitra na hafatra nanaitra antsika?

  • Inona no zavatra tsapantsika fa asaina ataontsika noho ny zavatra nianarantsika na tsapantsika?

  • Inona no zavatra tokony mila ataon’ny kôlejy na kilasy mba hamadihana ho asa ireo torohevitra rentsika nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Volana vitsivitsy fotsiny taorian’ny nanorenana ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny 6 aprily 1830 tao Fayette New York, dia nanomboka niantso misiônera ny Tompo hanangona ireo “[olom-boafidy] avy amin’ny vazan-tany efatra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:6). Ny zavatra natomboka avy tamin’ny ezaka nataon’olona niova fo vitsivitsy monja tao anatin’ny faritra ara-jeôgrafika voafetra dia nitombo ho lasa andian-tafika misiônera mitory ny filazantsara manerana izao tontolo izao. Tsy voafetra amin’ireo izay manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno anefa ny asa fitoriana ny filazantsara. Tian’ny Tompo hanasa ireo manodidina antsika hanatona Azy ny tsirairay amintsika.

Inona no zavatra efa niainanao tamin’ny fanasana ny hafa hianatra momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy? Inona no azonao atao hanentanana ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hanatanterahan’izy ireo ny adidiny hitondra fanahy ho an’i Jesoa Kristy? Rehefa miomana hampianatra ianao dia hevero ny hamaky ny hafatry ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 15–18).

Sary
zatovovavy mihomehy

Amin’ny alalan’ny fanasantsika ireo namantsika hanatrika ireo fivoriana na fiaraha-mientan’ny Fiangonana, dia manampy azy ireo hianatra mikasika an’i Kristy isika.

Miaraha mianatra

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 dia milaza ny anaran’ireo olona maromaro nantsoina hanao asa fitoriana tamin’ny fotoana niantombohan’ny Fiangonana. Andro vitsivitsy alohan’ny fivorianareo dia azonao omena iray amin’ireo anarana ireo ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy na kilasy (jereo ireo lohahevitra fampidirana ho an’ny fizarana 30–36), dia asao izy hianatra ny torohevitra nomen’ny Tompo mba hanampiana io olona io hizara ny filazantsara. Ahoana no azontsika hampiharana io torohevitra io amin’ny tenantsika? Ireto hevitra eto ambany ireto dia afaka manentana kokoa ireo olona ampianarinao mba hanasa ireo manodidina azy hanatona an’i Kristy.

  • Azon’ireo olona ampianarinao ve ny dikan’izany hoe manatona an’i Kristy izany? Azonao angatahina hizara ny eritreriny izy ireo. Raha toa ka hanampy dia azonao zaraina ity fanazavana ity: “Mba hanatonana ny Mpamonjy dia tsy maintsy manam-pinoana Aminy ho amin’ny fibebahana ny olona—manao ny fanovana ilaina rehetra mba hampifanarahana ny fiainan’izy ireo amin’ny fampianarany” (Torio ny Filazantsarako, 2). Afaka mamaky soratra masina ahitana ny andian-teny toy ny hoe “mankanesa aty Amiko” na “manatòna an’i Kristy” ihany koa ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io—ohatra, Matio 11:28–30; Ômnia 1:26; Môrônia 10:32; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:59. Nahoana ny olona no tiantsika hanatona an’i Kristy? Inona avy ireo zavatra tsotra azontsika atao mba hanampiana azy ireo? Afaka manao drafitra hanasana olona iray fantany hanakaiky kokoa an’i Kristy ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

  • Fomba tena tsara hitaomana ireo olona ampianarinao ny fianarana mikasika ny fomba nizaran’ny hafa ny filazantsara. Azonao asaina ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny kilasy mba hamaky ny torohevitra sy ohatra hita ao amin’ny hafatry ny Rahavavy Cristina B. Franco hoe “Mahita fifaliana amin’ny fizarana ny filazantsara”” (Liahona, nôv. 2019, 83–86). Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra ireo? Ifanakalozy hevitra ny zavatra azon’ny kôlejy na kilasy misy anao atao mba hanasana ny hafa hanatona an’i Kristy.

  • Mahakasika ny fizarana ny filazantsara dia nilaza ny Loholona Dieter F. Uchtdorf fa ny sasany amintsika dia mety “tsy [hahafantatra] tsara hoe ahoana no hanaovana an’izany. Na mety hoe menatra isika ny hanao zavatra izay mety tsy hampahazo aina antsika.” (“Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 16). Raha mahatsapa izany ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy, dia afaka manampy azy ireo ireo sosokevitra tsotra miisa dimy nomen’ny Loholona Uchtdorf ao amin’ny hafatra nomeny. Afaka manasa nympikambana tsirairay ao an-dakilasy ianao mba hamaky ny iray amin’ireo sosokevitra nomeny sy hizara izay zavatra nianaran’izy ireo.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba hanatanterahana ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

  • 1 Timoty 4:12 (Aoka ho ohatra ho an’ny mpino ianao)

  • Almà 17:2–4 (Nanomana ny tenan’izy ireo hizara ny filazantsara ny zanakalahin’i Môzià)

  • Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:6–7 (Torio amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy ny filazantsara)

  • I Russell M. Nelson sy i Wendy Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona, 2018), fanampin’ny New Erasy ny Ensign, HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org

  • “Manasa ny hafa ho -avy ka hizaha,-” “Manasa ny hafa ho -tonga sy hijanona,-” “Manasa ny hafa ho -avy ka hanampy-” (horonan-tsary), ChurchofJesusChrist.org 

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny Mpamonjy dia nanasa ny hafa hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana mba hikasihan’ny Fanahy ny fon’izy ireo. “Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?” Hoy Izy nanontany. Nihanatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Petera rehefa namaly izy hoe: “Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona” (Matio 16:15–16). Ahoana no ahafahan’ny fizarana ny filazantsara mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy?

Hamoaka printy