Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
25 aprily. Ahoana no ahafahako mitovy amin’i Kristy kokoa amin’ny fanompoako ny hafa? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44


“25 aprily. Ahoana no ahafahako mitovy amin’i Kristy kokoa amin’ny fanompoako ny hafa? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“25 aprily. Ahoana no ahafahako mitovy amin’i Kristy kokoa amin’ny fanompoako ny hafa?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
i Jesoa Kristy manasa ny tongotry ny Apôstôly

I Jesoa Kristy manasa ny tongotry ny Apôstôly, nataon’i Del Parson

25 aprily

Ahoana no ahafahako mitovy amin’i Kristy kokoa amin’ny fanompoako ny hafa?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (azonareo tapahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ireo zavatra izay horesahina):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Iza no olona vaovao ao amin’ny paroasy, ary ahoana no fomba hanampiantsika azy mba hahatsapa ho voaray tsara? Inona no ataontsika mba hahatonga ny fotoantsika ao amin’ny kôlejy na kilasy ho manan-danja?

  • Ny andraikitsika na anjara asantsika. Inona avy ireo adidy sy andraikitra sasany ananantsika amin’ny maha-zatovolahy sy zatovovavy antsika? Ahoana no ahafahantsika manatanteraka azy ireny tsaratsara kokoa?

  • Ny fiainantsika. Inona no ataontsika mba ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa ary handraisana ny heriny eo amin’ny fiainantsika? Inona no ataontsika mba hanampiana ny fianakaviantsika hanatona Azy?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety ny hanaovana izany izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Rehefa nomen’ Andriamanitra baiko hivory tany Kirtland Ohio ireo Olomasina dia maro ireo olona nandao ny fonenany tamim-pahatokiana dia nandeha tany. Io fifindrana io anefa dia tsy vitan’ny hoe fipetrahana tany amina toerana iray vaovao fotsiny—fa fiainana amin’ny fomba vaovao ihany koa. Mety ho efa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44 ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy tamin’ity herinandro ity ary nianatra momba ny fifindran’ireo Olomasina tany Kirtland sy ny lalàna nambaran’ny Tompo tamin’izy ireo tany. Ankoatra ny zavatra maro hafa dia nandrasan’ny Tompo tamin’ireo Olomasina ny ho lasa iray amin’ny alalan’ny fifankatiavany sy ny fifanompoany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–31, 38–39, 45; 44:6). Inona no traikefa azonao zaraina izay mety hanampy ny kôlejy na ny kilasy ampianarinao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fanompoana tahaka ny an’i Kristy?

Mba hanampiana anao hiomana hampianatra mikasika ny fanompoana tahaka ny an’i Kristy, dia azonao vakina ny “Service” ao amin’ny Jeunes, soyez forts ([2011], 32–33) sy ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson “Ny didy lehibe faharoa” (Liahona, nôv 2019, 96–100).

Sary
zatovolahy sy vehivavy zokiolona miaraka mihomehy

Afaka manompo ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy isika.

Miaraha mianatra

Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fanompoana tahaka ny an’i Kristy, dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe “Hiara-honina amim-pitiavana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:45). Asao ny kôlejy na ny kilasy ampianarinao hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–31, 38–39, 45; 44:6 ary hanao lisitra ireo fomba tian’ny Tompo hifanompoan’ny Olomasina. Inona no fahafahana ananantsika, ao an-tranontsika sy any ivelany, mba hanompoana ireo izay mila fanampiana ara-batana, ara-pihetseham-po na ara-panahy? Misafidiana amin’ireto hevitra eto ambany ireto hanentanana ny kôlejy na kilasy ampianarinao mba hanolotra fanompoana tahaka ny an’i Kristy ho an’ny hafa.

  • Mba hanampiana ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hianatra avy amin’ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanompoana, dia azonao omena andraikitra ny olona tsirairay hamaky andinin-tsoratra masina momba ny Mpamonjy manompo olona iray (jereo ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana”). Afaka mamintina ilay andinin-tsoratra masina sy manazava ny zavatra nataon’ny Mpamonjy mba hanompoana ny hafa ny olona tsirairay. Inona no ampianarin’ireo ohatra ireo mikasika ny hevitry ny hoe manompo tahaka ny nanompoan’ny Mpamonjy? Inona no maha-samy hafa ny manompo amin’ny fomban’ny Mpamonjy sy amin’ny fomba fanompoana hafa? Ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy dia afaka mizara ny zavatra niainany tamin’ny fotoana nanandramany nanompo tahaka ny nataon’ny Mpamonjy na tamin’ny fotoana nanompoan’ny hafa azy ireo tamin’izany fomba izany.

  • Mety hanampy ny kôlejy na kilasy ampianarinao ny mamerina mijery ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny momba ny fanompoana. Indreto misy andinin-tsoratra masina vitsivitsy azon’izy ireo iarahana mamaky: Matio 25:31–46; Lioka 10:25–37; Jaona 13:34–35; Jakoba 1:27; Môzià 2:17; 18:8–10. Amporisiho hanoratra izay zavatra nianarany momba ny fanompoana ny hafa izy ireo ary hizara ny eritreriny sy ny traikefa ananany izay mifandray amin’ny zavatra nianarany. Avy eo dia afaka manomana fomba hanaovana fanompoana tahaka ny an’i Kristy izy ireo.

  • Mba hanampiana ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny kilasy amin’ny ezaka ataon’izy ireo hanompo ny hafa dia hevero ny hiara-hamaky ny hafatry ny Filoha Bonnie H. Cordon hoe “Lasa mpiandry ondry” (Liahona, nôv. 2018, 74–76). Azonao atao ny manomboka amin’ny alalan’ny fampisehoana sary vitsivitsin’ny Mpamonjy eo am-panompoana (Nampiseho maromaro ny Filoha Cordon nandritra ny hafatra nentiny). Inona no ampianarin’ireo sary ireo mikasika ny fomba ahafahantsika manompo amin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy? Avy eo dia hevero ny hanasa ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hamaky tsiroaroa ny iray amin’ireo fizarana ao amin’ilay hafatra ary hizara ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny fomba hanompoana tahaka ny Mpamonjy. Afaka mizara izay zavatra ianaran’izy ireo momba ny fanompoana tahaka ny an’i Kristy ihany koa izy ireo rehefa manompo ny hafa.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba hanatanterahana ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nandany ny fotoany tamin’ny fanompoana sy ny fanampiana ireo olona nanodidina Azy i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoany tety ambonin’ny tany. Manao toy izany ny mpianatra marin’i Kristy (jereo ny Jaona 13:35). Mitadiava fotoana azo araraotina hanasana ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hizara ny fomba nanompoan’izy ireo ny hafa sy ny zavatra nanentana azy ireo hanompo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 4–5.)

Hamoaka printy