Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
9 mey. Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina mitahy ahy isan’andro? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48


“9 mey. Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina mitahy ahy isan’andro? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“9 mey. Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina mitahy ahy isan’andro?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovovavy iray mivavaka

9 mey

Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina mitahy ahy isan’andro?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Iza no mila ny fanampiantsika sy ny vavaka ataontsika? Inona no azontsika atao mba hanampiana azy ireo? Iza no tokony hasaintsika amin’ny fiaraha-mientana manaraka?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona avy ireo asa nampandraiketina efa tontosantsika?Inona avy ireo asa nampandraiketina ilaina ataontsika? Ahoana no nanasantsika ny hafa hanatona an’i Kristy, ary ahoana no ahafahantsika manasa ny hafa ankehitriny?

  • Ny fiainantsika. Inona avy ireo zavatra niainana tato ho ato izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Inona no mitranga eo amin’ny fiainantsika, ary ahoana no ahafahantsika mifanohana?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Maro tamin’ireo mpikambana voalohany tao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny no namaky momba ny fisehoana ara-panahy nataon’ny Fanahy Masina ao amin’ny soratra masina (jereo ny Asan’ny Apostoly 2:1–4; 13:52; 1 Korintiana 12:4–11; 3 Nefia 19). Satria nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48 ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy tamin’ity herinandro ity, dia mety ho efa fantany fa maniry mafy ny hampianatra ireo Olomasina momba ny fitahiana azon’ny Fanahy Masina entina eo amin’ny fiainan’izy ireo ny Tompo. Inona no zavatra niainana izay nampianatra anao ny fomba itahian’ny fanahy Masina anao? Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy ireo olona ampianarinao amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’izy ireo?

Mba hanampiana anao hiomana hitaona ny kôlejy na ny kilasy ampianarinao hitady ny fitaoman’ny Fanahy Masina, dia azonao vakina ny “Anjara asan’ny Fanahy Masina” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana ([2004], 82) sy ny hafatry ny Loholona Gary E. Stevenson hoe “Ahoana no fomba anampian’ny Fanahy Masina anao?” (Liahona, mey 2017, 117–20).

Sary
zatovovavy mamaky soratra masina ao an-dakilasy

Afaka manampy antsika hahatakatra sy hampianatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny Fanahy Masina.

Miaraha mianatra

Manome ohatra maro amin’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny soratra masina. Ahoana no ahafahanao manampy amin’ny fanorenana ny finoan’ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao fa afaka ny ho hita eo amin’ny fiainantsika ankehitriny ireo fanomezam-pahasoavana ireo? Azonao atao ny manomboka amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hanoratra fanomezam-pahasoavana ara-panahy iray voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33 eny amin’ny solaitrabe ary hiresaka ny fomba nahitan’izy ireo izany niseho teo amin’ny fiainan’izy ireo na ny fiainan’olona fantany.

Ankoatra ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, dia mitahy antsika amin’ny fomba maro hafa ny Fanahy Masina. Afaka mampiasa ny iray na mihoatra izany amin’ireto asa atao eto ambany ireto ianao hanampiana ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hahatakatra kokoa izany.

  • Indraindray isika dia mihevitra fa amin’ny fanapahan-kevitra na trangan-javatra lehibe eo amin’ny fiainantsika ihany no ilantsika ny Fanahy Masina. Ahoana no ahafahanao manampy ireo olona ampianarinao hahafantatra fa mbola betsaka kokoa ny zavatra azon’ny Fanahy Masina atao ho azy ireo? Azonao atao ny mizara ny kôlejy na ny kilasy ho vondrona kely maromaro ary mangataka ny vondrona tsirairay hamaky ny iray na ny mihoatra izany amin’ireo soratra masina avy ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Afaka mizara ny zavatra nianarany ny olona iray avy amin’ny vondrona tsirairay. Avy eo dia asaivo manao lisitra ireo fomba ahazoan’ny Fanahy Masina mitahy ny fiainan’izy ireo isan’andro ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy na kilasy. Rehefa mizara ireo lisitra nataony izy ireo, dia afaka miresaka momba ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiarahan’ny Fanahy Masina aminy mandritra ny andro tsirairay.

  • Fomba iray hafa ahazoanao manampy ireo olona ampianarinao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy azy ireo ny fanoratana ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe: Inona no fantatsika momba ny Fanahy Masina? Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika? Avy eo ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy dia afaka mitady valiny ao amin’ny hafatry ny Loholona Gary E. Stevenson hoe “Ahoana no fomba anampian’ny Fanahy Masina anao?” (Liahona, nôv. 2017, 117–20). Afaka mahita valiny amin’ny alalan’ny famakiana ny “Anjara asan’ny Fanahy Masina” ihany koa izy ireo ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana. Raha mety dia mizarà zavatra niainanao niaraka tamin’ny Fanahy Masina, ary asao ny zatovo hizara ny zavatra niainany.

  •   Avy eo ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy dia afaka mody mihevitra ny tenany hoe misiônera mampianatra olona iray mbola tsy naheno mihitsy hoe ahoana no fomba ahafahan’ny Fanahy Masina mitahy ny fiainantsika. Inona no holazain’izy ireo aminy?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nizara tantara tsotra sy fanoharana ary ohatra tena nisy ny Mpamonjy mba hampianarana ireo mpianany tamin’ny fomba izay hahatakaran’izy ireo tsara ny heviny. Inona no zavatra niainanao manokana azonao zaraina amin’ny zatovo mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny anjara asan’ny Fanahy Masina sy hahatsapa faniriana hikatsaka ny hiaina zavatra toy izany? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 22.)

Hamoaka printy