Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
23 mey. Ahoana no andraisako ny fanomezana ny Fanahy Masina? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57


“23 mey. Ahoana no andraisako ny fanomezana ny Fanahy Masina? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“23 mey. Ahoana no andraisako ny fanomezana ny Fanahy Masina?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovovavy atokana

23 mey

Ahoana no andraisako ny fanomezana ny Fanahy Masina?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Inona no azontsika atao mba hanorenana firaisankina eo anivon’ny olona ao amin’ny kôlejy na kilasy misy antsika? Inona avy ireo tanjona tiantsika hiarahana miasa?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona no ataontsika amin’izao fotoana izao mba hizarana ny filazantsara? Inona no traikefa ananantsika amin’ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana?

  • Ny fiainantsika. Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika? Inona no nankahery antsika avy amin’ny fandalinantsika ny soratra masina tamin’ity herinandro ity?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Rehefa vita batisa isika dia mametraka ny tanany eo amin’ny lohantsika ireo mpihazona fisoronana mba hanome ny fanomezana ny Fanahy Masina. Mety ho efa nampahatsiahivina momba izany ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy tamin’ny fotoana nianaran’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57 tamin’ity herinandro ity. Na izany aza dia mitaky zavatra mihoatra izany ny fandraisana ny Fanahy Masina. Mba handraisana ny Fanahy Masina ho namantsika lalandava dia tsy maintsy maniry ny fanatrehany sy manasa Azy ho eo amin’ny fiainantsika isika ary mitandrina am-pahatokiana ny didy. Fitahiana inona no ho tonga eo amin’ny fiainan’ireo olona ampianarinao rehefa mikatsaka ny fitarihany izy ireo?

Mba hanampiana anao hiomana hampianatra dia azonao atao ny mamaky ny “Fanomezana ny Fanahy Masina” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana ([2004], 83–84) na ny hafatry ny Filoha Henry B. Eyring “Ny Fanahiny miaraka aminareo” (Liahona, mey 2018, 86–89).

Sary
zatovovavy sy zatovolahy ao an-dakilasy

Mba handraisana ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia tokony hikatsaka ny fitaomany isan’andro isika.

Miaraha mianatra

Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hahatakatra kokoa ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia afaka manomboka amin’ny firesahana momba ny fomba hanomezana ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao. Afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:10; 53:3; 55:1–3 izy ireo dia mifanakalo hevitra momba ny zavatra ianarany. Antitrantero fa tsy manome ny Fanahy Masina akory ny mpihazona fisoronana fa manasa ilay mpikambana handray ny Fanahy Masina. Inona no maha-samy hafa ireo zavatra ireo? Ireo asa atao eto ambany dia afaka manampy ireo olona ampianarinao hahatakatra kokoa ny fomba handraisana io fanomezam-pahasoavana miavaka io.

  • Mitovy amin’ny zavatra nataon’i Lehia sy ny ankohonany mba hitarihan’ny Liahona azy ireo ny zavatra tsy maintsy hataontsika mba handraisana ny fitaomana mitarika avy amin’ny Fanahy Masina. Afaka mampiseho sary iray maneho an’i Lehia sy ny Liahona ianao (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 68) dia manasa ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hizara izay fantatr’izy ireo momba ny Liahona. Avy eo dia afaka manasa ny antsasak’izy ireo ianao mba hamaky ny 1 Nefia 16:14–29 ary ny antsasany hafa hamaky ny 1 Nefia 18:8–22, ka hitady ireo fomba itovizan’ny Liahona amin’ny Fanahy Masina. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatry ny ankohonan’i Lehia izay afaka manampy antsika handray feno kokoa ny Fanahy Masina?

  • Ny fizarana tsirairay ao amin’ny Jeunes, soyez forts dia misy torohevitra momba ny fiainana ireo fenitra sy ny didin’ny Tompo. Ny fiainana ireo didy ireo dia manasa ny herin’ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika. Hevero ny hanasa ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba samy hisafidy ny iray amin’ireo toko ao amin’ny Jeunes, soyez forts, dia hamaky izany ary hanisy marika ireo zavatra tokony na tsy tokony hataon’izy ireo mba hanampiana azy ireo handray ny Fanahy Masina. Afaka mizara izay zavatra nianarany amin’ireo olona sisa ao amin’ny kôlejy na kilasy izy ireo avy eo. Asao izy ireo hametraka tanjona izay hanampy azy ireo handray feno kokoa ny Fanahy Masina. Nahoana isika no te hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika? (jereo ny Jaona 14:26–27; 15:26; 16:13; 2 Nefia 32:3).

  • Ao amin’ny hafatra nomeny hoe “Ny Fanahiny miaraka aminareo” (Liahona, mey 2018, 86–89), ny Filoha Henry B. Eyring dia nilaza hoe, “Ny fanantenako anio dia ny hampitombo ny fanirianareo sy ny fahafahanareo handray ny Fanahy Masina” (pejy 86). Angataho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hamaky ireo andiam-pehezan-teny sivy ao amin’ny hafatra nozarainy manomboka amin’ny hoe “Mitondra torolalana ny zavatra niainan’ny Mpaminany Joseph Smith” (pejy 87). Asao izy ireo hitady ny zavatra nataon’i Joseph Smith mba handraisana ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Azon’izy ireo atao lisitra eny amin’ny solaitrabe izay zavatra hitan’izy ireo. Raha mety ny hanaovana izany, dia afaka manasa azy ireo hizara ny zavatra niainany tamin’ny fandraisana fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina izy ireo. Inona no nataon’izy ireo tamin’ny fotoana niainany izany zavatra izany ka nitarika ho amin’ny fandraisana ny fitarihan’ny Fanahy Masina? Afaka mizara traikefa ihany koa ianao.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Tao anatin’ny fiomanany ho amin’ny asa fanompoany teto an-tany dia “notarihin’ny Fanahy … ho any an’efitra” ny Mpamonjy mba hifady hanina, hivavaka ary “hiaraka amin’ Andriamanitra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:1 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Ny fampianarana ny filazantsara amin’ny fomba mafonja dia tsy midika fotsiny hoe manomana lesona fa manomana ny ny tenantsika ihany koa. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 12.)

Hamoaka printy