Ny Fanahiny miaraka aminareo
Mivavaka amin’ny foko manontolo aho ny mba handrenesanareo ny feon’ny Fanahy, izay alefa aminareo amin-kalalan-tanana.
Ry rahalahiko sy ranabaviko, feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako miresaka aminareo amin’izao Sabatan’ny Tompo, amin’ny fihaonamben’ny Fiangonany maneran-tany izao, amin’ity vanim-potoan’ny Paska ity. Misaotra ny Raintsika any An-danitra aho noho ny nanomezany ny Zanakalahy Malalany, izay tonga an-tsitrapo teto an-tany mba ho Mpanavotra antsika. Feno fankasitrahana aho mahafantatra fa nanao sorona ho an’ny fahotantsika Izy ary nitsangana tamin’ny maty. Isan’andro aho dia feno fitahiana noho ny fahafantarako fa, noho ny Sorompanavotany, dia afaka ny hitsangana amin’ny maty aho indray andro any, hiaina mandrakizay ao anatin’ny fianakaviana be fitiavana.
Fantatro ireo zavatra ireo amin’ny alalan’ilay hany fomba ahafantsika tsirairay mahafantatra azy ireo. Efa niresaka tato an-tsaiko sy tato am-poko ny Fanahy Masina fa marina izany, tsy indray mandeha ihany fa matetika. Nila izany fanamafisana tsy tapaka izany aho. Samy mandalo loza izay ilantsika ny fankaherezan’ny Fanahy avokoa isika rehetra. Nahatsapa izany aho indray andro rehefa niara-nijoro tamin’ny raiko tao anatin’ny hôpitaly iray. Nijery ny reniko niala aina izahay. Teo am-pijerenay ny tarehiny dia nitsiky izy rehefa lasa ny fanaintainana. Taorian’ny fotoana kely nangina dia ny raiko no niteny voalohany. Hoy izy: “Lasa nody ilay ankizivavy kely.”
Nolazainy tamin’ny fomba malefaka izany. Toa nahatsapa fiadanana izy. Nizara zavatra izay fantany fa marina izy. Nanomboka nanangona tsimoramora ireo zavatry ny reniko manokana izy. Nivoaka teo amin’ny lalantsaran’ilay hôpitaly izy hisaotra ireo mpitsabo mpanampy sy ireo dokotera izay nikarakara azy nandritra ny andro maro.
Nanana ny Fanahy Masina ho namana ny raiko tamin’izay andro izay, izay nanampy azy hahatsapa sy hahafantatra ary hanao ny zavatra nataony tamin’io andro io. Nahazo ilay fampanantenana izay ananan’ny maro izy, manao hoe: “Mba hananany ny Fanahiny miaraka aminy” (F&F 20:79).
Ny fanantenako anio dia ny hampitombo ny fanirianareo sy ny fahafahanareo handray ny Fanahy Masina. Tsarovy fa Izy no mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra. Ny Ray sy ny Zanaka dia olona nitsangana tamin’ny maty. Ny Fanahy masina dia olona fanahy. (Jereo ny F&F 130:2.) Safidinao ny handray Azy sy ny hanasa Azy ho ao am-ponao sy ao an-tsainao na tsia.
Ny fepetra ahafahantsika mandray izany fitahiana avy any an-danitra izany dia hazavaina ao amin’ireo teny izay lazaina isan-kerinandro saingy mety tsy takatry ny fontsika sy ny saintsika foana angamba Mba handefasana ny Fanahy amintsika dia tsy maintsy mahatsiaro ny Mpamonjy mandrakariva isika ary mitandrina ny didiny (F&F 20:77).
Izao vanim-potoana izao dia manampy antsika hahatsiaro ny sorona nataon’ny Mpamonjy sy ny fitsanganany avy tao am-pasana ho lasa olona nitsangana tamin’ny maty. Maro amintsika no efa nanana sary an-tsaina ireo tranga ireo tao amin’ny fitadidiany. Indray mandeha izaho sy ny vadiko dia nitsangana teo ivelan’ny fasana iray tao Jerosalema. Maro no mino fa izay ilay fasana nivoahan’ilay Mpamonjy voahombo tamin’ny hazo fijaliana ho lasa Andriamanitra velona sy tafatsangana tamin’ny maty.
Nanondro tamin’ny tanany ilay mpitari-dalana tamin’izay andro izay ary nilaza taminay hoe: “Avia, jereo fa foana ny fasana”
Niondrika izahay hidirana tao. Nahita vato fipetrahana izahay niankina tamin’ny rindrina. Saingy nisy sary iray hafa tonga tato an-tsaiko, toa tena izy tahaka ny zavatra hitanay tamin’izay andro izay ny fahitako azy. I Maria ilay izy, izay navelan’ireo Apôstôly teo amin’ny fasana. Izany no zavatra navelan’ny Fanahy ho hitako, sy ho reko tao an-tsaiko mihitsy aza, tamin’ny fomba tena mazava tahaka ny hoe teo aho.
“Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
“Ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay nandrian’ny fatin’i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
“Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? Ary hoy izy tamin’izy ireo, Satria nalain’olona ny Tompoko ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
“Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an’ i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
“Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? Iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary Izaho dia haka Azy.
“Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny Taminy hoe: Rabôny! Izany hoe: Mpampianatra ô.
“Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho an’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary amin’ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20:11–17).
Nivavaka aho ny mba hanomezana ahy fahafahana hahatsapa zavatra tahaka ny tsapan’i Maria teo am-pasana sy ny zavatra tsapan’ny mpianatra roa hafa teo amin’ny lalana nankany Emaosy raha niara-nandeha tamin’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izy ireo, nieritreritra Azy ho mpitsidika an’i Jerosalema:
“Ary ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera aty aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.
“Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.
“Dia nahiratra ny mason’izy ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
“Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?” (Lioka 24:29–32).
Naverina nandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo iray natrehako 70 taona mahery lasa ny sasany tamin’ireo teny ireo. Tamin’izany andro izany dia tamin’ny hariva no nanatanterahana ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Maizina ny tany ivelany. Nihira ireo teny efa mahazatra ireo ny mpiangona. Efa reko imbetsaka izany. Saingy ny fahatsiarovako tena naharitra dia ny momba ny fahatsapana iray nandritra ny alina iray manokana. Mampanatona ahy bebe kokoa ny Mpamonjy izany. Angamba raha tononiko ny tonony dia ho tonga amintsika rehetra indray izany:
Mitoera aty f’hariva izao,
Ny andro endrey mandao.
Mihamaizina ihany ity ny andro,
Ka mandrosoa Ianao.
Vahiny irin’ny foko indrindra,
Mba mitoera re!
Mitoera aty f’hariva izao,
Fa teo anilanao
Nangorakoraka ity foko
Nitafa taminao.
Ny teninao nankahery ahy,
Ho akaikinao re.
Sarobidy mihoatra noho ny fahatsiarovana zavatra nitranga ny fahatsiarovana ny Fanahy Masina nikasika ny fontsika sy ny fanamafisany tsy tapaka ny fahamarinana. Sarobidy mihoatra ny fahitana amin’ny maso, na ny fahatsiarovana teny nolazaina sy novakiana ny fahatsiarovana ireo fahatsapana niaraka tamin’ilay feo malefaky ny Fanahy. Mahalana aho no nahatsapa izany mitovy tanteraka tamin’ny fahatsapan’ireo izay nandeha teo amin’ny lalana ho any Emaosy, izay malefaka fa tsy hay disoana toy ny afo mirehitra ao am-po. Matetika kokoa izany dia fahatsapana hazavana sy fahatokiana.
Manana ny Fanahy Masina ho namana isika, ilay fampanantenana tsy hay sandaina, ary ananantsika ihany koa ny fitarihana marina momba ny fomba ahazoana izany fanomezana izany. Ireto teny ireto dia lazain’ny mpanompon’ny Tompo nahazo lalana, miaraka amin’ny tanany eo ambony lohantsika: “Raiso ny Fanahy Masina.” Amin’io fotoana io izaho sy ianao dia mahazo toky fa ho avy amintsika Izy. Saingy ny adidintsika dia ny misafidy ny hanokatra ny fontsika handraisana ny fiasan’ny Fanahy, mandritra ny androm-piainana.
Mitondra torolalana ny zavatra niainan’ny Mpaminany Joseph Smith. Nanomboka ny asa fanompoany sy nanohy izany izy tamin’ny fanapahan-kevitra fa tsy ampy ny fahendreny manokana mba hahafantarana ny lalana tokony haleha. Nifidy ny hanetry tena teo anoloan’ Andriamanitra izy.
Avy eo dia nanapa-kevitra ny hisafidy an’ Andriamanitra i Joseph. Nivavaka izy tao anatin’ny finoana fa hamaly Andriamanitra. Tonga ny valiny fony izy zatovolahy. Tonga ireo hafatra ireo rehefa nila nahafantatra ny fomba tokony hananganan’ Andriamanitra ny Fiangonany izy. Nananatra sy nitarika azy nandritra ny fiainany ny Fanahy Masina.
Nankatò fitaomam-panahy izy tamin’ny fotoana naha-sarotra izany. Ohatra, nahazo fitarihana izy mba handefa ny Roambinifololahy ho any Angletera tamin’ny fotoana izay tena nilany azy ireo. Nalefany izy ireo.
Nanaiky ny fanitsiana sy ny fankaherezana avy tamin’ny Fanahy izy tamin’ny fotoana nigadrany sy nampijaliana mafy ny Olomasina. Ary nankatò izy rehefa nandeha tany Carthage na dia efa fantany aza fa hiatrika loza mahafaty izy.
Naneho ohatra ho antsika ny Mpaminany Joseph momba ny fomba hahazoana fitarihana sy fankaherezana ara-panahy tsy tapaka amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Ny safidy voalohany nataony dia ny manetry tena teo anoloan’ Andriamanitra.
Ny faharoa dia ny mivavaka sady manam-pinoana an’i Jesoa Kristy Tompo.
Ny fahatelo dia ny mankatò tanteraka. Ny fankatoavana dia mety hidika hoe miroso haingana. Mety hidika hoe miomana izany. Na mety hidika ho miandry aingam-panahy misimisy kokoa amim-paharetana izany.
Ary ny fahefatra dia ny mivavaka mba hahafantatra ny filàna sy ny ao am-pon’ny hafa ary ny fomba hanampiana azy ireo ho an’ny Tompo. Nivavaka ho an’ireo Olomasina izay tao anatin’ny fahoriana i Joseph raha tao am-ponja. Nanana fahafahana aho nandinika ireo mpaminanin’ Andriamanitra rehefa nivavaka, nangataka fitaomam-panahy, nandray fitarihana ary nanao zavatra nifanaraka tamin’izany izy ireo.
Efa hitako ny habetsaky ny vavaka ataon’izy ireo ho an’ny olona tiany sy tompoiny. Ny fiahian’izy ireo ny hafa dia toa manokatra ny fon’izy ireo mba handraisana fanentanam-panahy. Afaka ny ho marina izany ho anao.
Hanampy antsika hanompo ny hafa ho an’ny Tompo ny fanentanam-panahy. Efa hitanao tamin’ny fiainanao izany, tahaka ny efa hitako. Nilaza tamiko ny evekako indray andro, tamin’ny fotoana naha-tao anatin’ny fahasahiranana lehibe ny vadiko, nanao hoe: -Isaky ny mahare olona mila fanampiana aho ato amin’ny paroasy, ka rehefa tonga any amin’ilay olona aho mba hanampy, dia mahita fa efa tonga teo talohako ny vadinao. Ahoana no hanaovany izany?”
Tahaka ireo mpanompo lehibe rehetra ao amin’ny fanjakan’ny Tompo izy. Toa misy zavatra anankiroa ataon’izy ireo. Ny mpanompo lehibe dia nahafeno ny fepetra hananana ny Fanahy Masina ho namana miaraka aminy tsy tapaka. Ary nahafeno ny fepetra hananana ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana izy ireo, dia ny fitiavana madion’i Kristy izany. Nitombo tao anatin’izy ireo izany fanomezam-pahasoavana izany rehefa nampiasan’izy ireo tamin’ny fanompoana noho ny fitiavana ny Tompo.
Ny fomba iarahan’ny vavaka sy ny aingam-panahy ary ny fitiavana ny Tompo miasa ao amin’ny fanompoana ataontsika dia voafaritra tsara ao anatin’ireto teny ireto:
“Raha mangataka zavatra amiko amin’ny anarako hianareo, dia hataoko izany.
“Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.
“Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,
“Dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
“Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
“Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo.
“Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ary hianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
“Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy” (Jaona 14:14–21).
Zaraiko ny fijoaroako ho vavolobelona manokana fa ny Ray amin’izao fotoana izao dia mahafantatra ny aminao, sy ny fahatsapanao, ary ny zavatra ilain’ny olona tsirairay manodidina anao ara-panahy sy ara-nofo. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Ray sy ny Zanaka dia mandefa ny Fanahy Masina amin’ireo rehetra izay manana izany fanomezana izany, sy mangataka izany fitahiana izany, ary mikatsaka ny ho mendrika izany. Tsy misy misisika an-tery ao amin’ny fiainantsika na ny Ray, na ny Zanaka, na ny Fanahy Masina. Afaka misafidy malalaka isika. Hoy ny Tompo tamin’ny olon-drehetra:
“Indro, efa mitsangana eo ambaravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
“Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny seza fiandrianany.
“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy” (Apokalypsy 3:20–22).
Mivavaka amin’ny foko manontolo aho ny mba handrenesanareo ny feon’ny Fanahy, izay alefa aminareo amin-kalalan-tanana. Ary mivavaka aho ny mba hanokafanareo foana ny fonareo mba handray Azy. Raha mangataka omban’ny tena finiavana sy am-pinoana an’i Jesoa Kristy ianareo mba hahazo fitariham-panahy, dia ho azonareo amin’ny fomban’ny Tompo sy amin’ny fotoany izany. Nataon’ Andriamanitra izany tamin’i Joseph Smith fony izy tanora. Ataony izany ankehitriny amin’ny mampinanintsika velona, ny Filoha Russell M. Nelson. Napetrak’ Andriamanitra teo amin’ny lalan’ireo zanany hafa ianareo mba hanompo azy ireo ho Azy. Fantatro izany tsy tamin’ny alalan’ny zavatra hitan’ny masoko ihany fa mahery vaika kokoa tamin’ny alalan’ny zavatra nobitsihan’ny Fanahy tato am-poko.
Efa nahatsapa ny fitiavan’ny Ray sy ny an’ny Zanany Malala ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra eto amin’izao tontolo izao aho sy ho an’ireo zanany any amin’ny tontolon’ny fanahy. Efa nahatsapa ny fananarana sy ny fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina aho. Mivavaka aho ny mba hanananareo ilay fifaliana amin’ny fananana ny Fanahy miaraka aminareo ho namanareo tsy tapaka. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.