Mampianatra ao an-tokantrano—andraikitra maharavoravo sy masina
Mangataka ny fanampian’ny lanitra aho eo am-pihezahantsika ny ho tonga mpampianatra tahaka an’i Kristy ao an-tokantranontsika.
Nahalehibe zanaka sarobidy anankienina izaho sy i Julie vady malalako, ary vao tsy ela ny tokantranonay no lasa tsy nahitana ankizy intsony. Tena manina ny fisian’ireo zanakay ao an-trano amin’ny fotoana feno aho. Manina ireo fotoana nianarako avy tamin’izy ireo aho sy ny fampianarana azy ireo.
Anio dia atodiko any amin’ireo ray aman-dreny sy ireo maniry ny ho ray aman-dreny ny lahateniko. Maro aminareo no manabe zanaka amin’izao. Mety tsy ho ela dia ho avy izany ho an’ny hafa. Ary ho an’ny sasany kosa dia mety mbola fitahiana ho amin’ny ho avy ny fahafahana hanan-janaka. Mivavaka aho mba ho tsapantsika rehetra ny maha-andraikitra maharavoravo sy masina ny fampianarana zaza iray.1
Amin’ny maha ray aman-dreny antsika dia ampahafantarintsika ny zanatsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanakalahiny. Manampy ireo zanatsika isika hanao ny vavak’izy ireo voalohany. Mitarika sy manohana azy ireo isika amin’ny fidiran’izy ireo eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana2 amin’ny alalan’ny batisa. Mampianatra azy ireo isika hitandrina ireo didin’ Andriamanitra. Mampianatra azy ireo isika momba ny drafiny ho an’ireo zanany, ary manampy azy ireo hamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina. Tantaraintsika azy ireo ny tantaran’ireo mpaminany fahiny ary amporisihantsika izy ireo hanaraka ireo mpaminany velona. Mivavaka ho an’ny fahombiazan’izy ireo isika ary miara-ory amin’izy ireo mandritra ny fotoam-pisedrana azy ireo. Mijoro vavolombelona amin’ireo zanatsika isika momba ireo fitahiana entin’ny tempoly ary miezaka ny hanomana tsara azy ireo ho amin’ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno isika. Manoro hevitra feno fitiavana an’ireo zanatsika isika rehefa tonga ray aman-dreny ihany koa izy ireo. Kanefa—na dia amin’izay fotoana izay aza—dia tsy mitsahatra velively ny ho ray aman-drenin’izy ireo isika. Tsy mitsahatra velively ny ho mpampianatr’izy ireo isika. Tsy hisaorana na oviana na oviana amin’ireo antso mandrakizay amin’ny maha ray aman-dreny antsika isika.
‘Ndeha isika anio handinika ny vitsivitsy amin’ireo fahafahana mahafinaritra nomena antsika hampianarana ireo zanatsika ao an-tokantranontsika.
Fampianarana mandritra ny takarivan’ny mpianakavy
‘Ndeha hatombotsika amin’ny takarivan’ny mpianakavy, izay laharam-pahamehana tokoa tao amin’ny tokantrano feno finoana izay nanabeazana ahy. Tsy mahatadidy ny lesona nampianarina nandritra ny takarivan’ny mpianakavy aho, saingy tadidiko fa tsy mbola nisy herinandro iray tsy nanaovanay izany.3 Fantatro hoe inona no zava-dehibe tamin’ireo ray aman-dreniko .4
Tsaroako ny iray tamin’ireo kilalao fanaonay mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Nasain’i Dada ny iray tamin’ireo zanany hanao ilay hatao hoe “Ilay Sedra”. Nomeny andiana torolalana ny ankizy, torolalana toy ny hoe: “Voalohany aloha, mankanesa any an-dakozia, sokafy ny vata fampangatsiahana dia hidio ilay izy avy eo. Avy eo dia mandehana mankany amin’ny efitrano fatoriako dia makà bakiraro singany roa ao amin’ny fitoeran’akanjoko. Avy eo dia miverena aty amiko, sady mitsambikina in-telo dia mitenena hoe: “Vitako ilay izy ry Dada!”
Tena tiako mihitsy rehefa anjarako. Tiako novitaina an-tsakany sy an-davany ny dingana rehetra ary nohamamiko ny fotoana nahafahako niteny hoe: “Vitako ilay izy ry Dada!” Nanampy ahy hanorina ny fahatokiantenako io kilalao io ary nanamora ny fifantohan’ny zazalahy pelipelika iray rehefa nampianatra fitsipiky ny filanzantsara i Dada na i Neny.
Nanoro hevitra ny Filoha Gordon B. Hinckley fa: “Raha toa ianao ka manana ahiahy amin’ny zava-tsoa entin’ny takarivan’ny mpianakavy dia andramo izany. Vorio manodidina anao ireo zanakao ary ampianaro izy ireo, mijoroa ho vavolombelona amin’izy ireo, miaraha mamaky soratra masina ary miaraha faly amin’izy ireo.”5
Tsy maintsy hisy hanakana foana ny fanaovana takarivan’ny mpianakavy.6 Na dia eo aza izany dia manasa anareo aho hikaroka fomba hialana amin’ireo sakana ka hanao ny takarivan’ny mpianakavy ho laharam-pahamehana—ary ny kilalao no ataovy laro fototra.
Fampianarana mandritra ny fiaraha-mivavaky ny Mpianakavy
Ny vavaky ny mpianakavy dia fahafaha-mampianatra iray hafa tena tsara.
Tiako ny fomba nampianaran’ny rain’ny Filoha N. Eldon Tanner azy nandritra ny vavaky ny mpianakavy, Hoy ny Filoha Tanner:
“Tadidiko indray hariva raha nandohalika hanao ny vavaky ny mpianakavy izahay, dia hoy ny raiko tamin’ny Tompo: -Nanao zavatra izay tsy tokony ho nataony i Eldon androany; nanenina tamin’izany izy ary raha toa ka avelanao ny helony dia tsy hamerina izany intsony izy.-
“Nahatonga ahy ho tapakevitra ny tsy hanao ilay izy intsony izany—nihoatra lavitra noho ny vokatry ny kapoka mandrivorivo aza.”7
Fony aho zazalahy kely dia nahasorena ahy indraindray ny vavaky ny mpianakavy izay toa tafahoatra ka nahatonga ahy niteny irery hoe: “Fa tsy vao teo ve isika no nivavaka e?” Ankehitriny amin’ny maha-ray ahy dia fantatro fa tsy misy izany hoe mivavaka be loatra izany ao amin’ny fianakaviana.8
Mampiaiky ahy foana ny fomba fampahafantaran’ny Ray any An-danitra an’i Jesoa Kristy ho ilay Zanany Malalany.9 Nankamamiko ny mivavaka ho an’ireo zanako amin’ny fanononana ny anaran’izy ireo, eo am-pihainoan’izy ireo ny fanehoako amin’ny Ray any An-danitra ny halehiben’ny fitiavako azy ireo. Toa tsy misy fotoana tsara kokoa hilazana ny fitiavantsika an’ireo zanatsika noho ny rehefa miara-mivavaka amin’izy ireo na mitsodrano azy ireo isika. Lesona mahery vaika sy maharitra no tafampita rehefa mivory miara-mivavaka amim-panetrentena ny mpianakavy.
Fampianarana isak’izay ilaina
Ny fampianaran’ny ray aman-dreny dia toy ireny hoe dokotera mpiandry raharaha ireny. Mila mivonona hatrany isika hampianatra ireo zanatsika satria tsy ampoizintsika ny hitrangan’ny fotoana afahana mampianatra.
Tahaka ny Mpamonjy isika, ny ankamaroan’ny fampianarany dia “tsy nitranga tany amin’ny sinagôga fa tany amin’ny toerana tsotsotra sy mahazatra—teo am-pisakafoana niaraka tamin’ny mpianany, teo am-pakana rano tao amin’ny fantsakana, teo am-pandalovana ny hazo aviavy iray.”10
Taona maro lasa izay no nitantaran’ny reniko fa ny roa tamin’ny resadresaka mahakasika ny filazantsara tiany indrindra nataony tamin’i Matt zokiko lahy dia indray andro tamin’izy namalon-damba ary ny iray hafa tamin’izy nitondra azy tamin’ny fiara ho any amin’ny mpitsabo nify. Iray amin’ireo zavatra maro iderako ny reniko dia ny fahavononany hatrany hampianatra ireo zanany.
Tsy mba nifarana mihitsy ny fampianaran-dreny avy aminy. Nandritra ny naha-eveka ahy, ny reniko izay 78 taona tamin’izany dia nilaza ahy fa nila nihety volo aho. Fantany fa mila ho ohatra ho an’ny hafa aho ary tsy nisalasala izy niteny izany tamiko. Tiako ianao ry Neny!
Amin’ny maha-ray ahy, dia marisika aho handalina sy hisaintsaina manokana ny soratra masina mba hahafahako mamaly rehefa manome fahafana tampoka ahy ireo zanaka aman-jafiko hampianatra azy ireo.11 “Ny sasany amin’ireo fotoana tena tsara azo ampianarana dia manomboka amin’ny fanontaniana na olana ao am-pon’ilay [olona iray ao amin’ny fianakaviana].”12 Mba mihaino ve isika amin’ireny fotoana ireny?13
Tiako ny fanasan’ny Apôstôly Petera manao hoe: “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo [ary ampiako hoe ny zaza] ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo.”14
Fony aho zatovololahy dia nankafy nifaninana ny amin’izay mafy tanana izaho sy ny dadako. Nofenjahinay mafy araka izay tratra ny tanan’ilay iray mandrapahatonga azy hiferitr’aina noho ny fanaintainana. Toa kilalao tsy dia mahafinaritra firy intsony izany amin’izao fa nahafinaritra izany tamin’izany fotoana izany. Taorian’ny fifaninanana iray tahaka izay, dia nijery ahy tao amin’ny masoko ny raiko ka niteny hoe: “Mafy tanana ianao ry zanako lahy. Manantena aho fa tsy hoampiasainao na oviana na oviana hikasihana tovovavy tsy amim-pahamendrehana izany herin’ny tananao izany.” Nananatra ahy izy avy teo mba hadio fitondran-tena ary hanampy ny hafa hanao toy izany koa.
Nitantara toy izao momba ny rainy ny Loholona Douglas L. Callister: “Raha teny an-dalana hody avy niasa iny ny raiko no niteny tampoka hoe: -Nandoa fahafolonkarena aho androany. Dia nosoratako hoe “misaotra” teo amin’ilay taratasy fandoavana fahafolonkarena. Feno fankasitrahana ny Tompo aho noho ny nitahiany ny fianakaviantsika.’”
Naneho fankasitrahana ity rainy sy mpanabe azy ny Loholona Callister noho izany nanao hoe: “Nampianatra fankatoavana izy, na teo amin’ny fihetsika na teo amin’ny toetra.”15
Mihevitra aho fa fahendrena ny manontany tena indraindray hoe: “Inona no ho ampianariko, na inona no efa ampianariko ny zanako amin’ny alalan’ny fihetsika sy ny toetra maneho fankatoavana?”
Fampianarana mandritra ny fandalinan’ny mpianakavy soratra masina
Ny fandalinan’ny mpianakavy soratra masina no fotoana fifanakalozan-kevitra tsara indrindra hoenti-mampianatra fotopampianarana ao an-tokantrano.
Hoy ny Filoha Nelson : “Tsy hoe tokony hifikitra amin’ny tenin’ny Tompo fotsiny ireo ray aman-dreny fa manana andraikitra tsy azo ialana avy amin’ Andriamanitra izy ireo ny hampianatra izany amin’ireo zanany.”16
Raha nanabe ireo zanakay izaho sy i Julie dia niezaka hatrany ny tsy hiovaova sy ho tia mamoron-javatra. Indray taona dia nanapa-kevitra ny hamaky ny Bokin’ i Môrmôna amin’ny teny Espaniola izahay mianakavy. Mety izany angamba no antony samy niantsoan’ny Tompo ny zanakay efatra hanompo tamin’ny fotoana feno tany amina misiôna miteny Espaniola.? Es posible (Mety ho izay ve?).
Tena tohina tokoa aho raha nilaza tamiko ny Rahalahy Brian K. Ashton fa izy sy ny rainy dia niara-namaky ny pejy tsirairay tamin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’izy kilasy famaranana tany amin’ny Lycée. Tia soratra masina ny Rahalahy Ashton. Voasoratra ao an-tsainy sy ao am-pony ireny. Ny rainy no namboly izany voa izany tao amin-dRahalahy Ashton tamin’izy zatovo, ary izany voa izany17 dia nihalehibe tonga hazon’ny fahamarinana lalim-paka. Nanao toy izany koa tamin’ireo zanany voalohany ny Rahalahy Ashton.18 Vao tsy ela izay ny zanany lahy valo taona no nanontany azy hoe: “Dada ô, rahoviana kay aho no afaka hamaky ny Bokin’i Môrmôna miaraka aminao?”
Mampianatra amin’ny alalan’ny ohatra
Ary farany, ny fampianarantsika ray aman-dreny izay misy fiantraikany lehibe indrindra dia ny ohatra asehontsika. Toroina hevitra isika mba ho “tonga fianarana ho an’ny mino [hianao] amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.”19
Nandritra ny dia nataonay farany, izaho sy i Julie dia nanatrika fivoriam-bavaka iray ary nahita ny fampiharana an’io andinin-tsoratra masina io.Nisy zatovolahy iray izay hanainga tsy ho ela hanompo amin’ny fotoana feno, nanao lahateny nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.
Hoy izy: “Ianareo rehetra dia mihevitra fa ny raiko dia olona tsara aty am-piangonana kanefa …” Niato izy, ary nitaintaina aho naminavina izay mety holazainy manaraka.Dia notohizany hoe: “olona tsaratsara kokoa noho izay izy ao an-trano.”
Nisaotra ilay zatovo aho avy eo noho ny fanehoam-pisaorana mitaona fanahy nataony ho an-drainy. Fantatro avy eo fa ny rainy no evekan’ilay paroasy. Na dia nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ny paroasy nisy azy aza ity eveka ity dia tsapan’ny zanany lahy fa ny asa tsara indrindra ataony dia ny ao an-tokantrano.20
Nanoro hevitra ny Loholona D. Todd Christofferson fa: “Isika dia manana fomba maro hampianarana ny … taranaka vao misondrotra, ary tokony hanokana araka izay tratra ny eritreritsika sy ny ezaka ataontsika hanararaotana hampiasa ireny. Ambonin’ny zava-drehetra, tsy maintsy manohy mandrisika sy manampy ireo ray aman-dreny isika mba ho mpampianatra tsara kokoa sy maharitra kokoa …indrindra amin’ny alalan’ny ohatra.”21
Toy izany no fomba fampianaran’ny Mpamonjy.22
Tamin’ny taon-dasa, nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra niarahana tamin’ireo zanakay roa farany dia nandroso hevitra i Julie ny mba hanaovanay batisa isoloana tena any amin’ireo tempolin’ny St. George sy San Diego. Nimonomonona samirery tan’eritreritra aho hoe: “Rehefa any an-trano no mankany amin’ny tempoly, fa izao isika miala sasatra. Fa maninona kosa izao raha mba manao zavatra sahaza kokoa amin’ny fialan-tsasatra?” Taorian’ireo batisa dia te haka sary eo ivelan’ny tempoly hono i Julie. Dia mbola nimonomonona mangina indray aho. Dia fantatrao ny tohiny: naka sary izahay.
Tian’i Julie hanana fahatsiarovana ny fomba nanampianay ireo razambenay ny zanakay ary torak’izany koa aho. Tsy nila nanao lesona voaomana be momba ny lanjan’ny tempoly izahay. Niainanay izany—izany dia noho ny reny iray izay tia ny tempoly sy te hizara izany fitiavana izany amin’ireo zanany.
Rehefa mifankatia sy maneho ohatra tsara ny ray aman-dreny dia ho voatahy mandrakizay ireo zanany.
Famaranana
Ho anareo rehetra izay miezaka mafy hanao izay vitanareo hampianatra any an-tokantranonareo dia manantena aho fa hahita fiadanana sy fifaliana ianareo amin’ireo ezaka ataonareo. Ary raha toa ka mahatsapa ianareo fa afaka mivoatra na mila fiomanana bebe kokoa, dia miangavy anareo aho mba hanaiky izay bitsihan’ny Fanahy aminareo ary hanolo-tena hanao izany.23
Nilaza ny Loholona L. Tom Perry fa: “Ny tanjaky ny fiarahamonina rehetra, ny fahasambaran’ny mponina ao aminy, ny firoboroboany, ary ny fiadanany dia samy mifototra amin’ny fampianarana ny zanaka ao an-tokantrano.”24
Eny, tsy ao antokantranoko intsony izao ireo zanakay, kanefa dia mbola miandry raharaha hatrany aho, vonona ary tsy mahatombina te hikaroka fahafahana sarobidy fanampiny hampianatra ireo zanako efa lehibe, sy ny zanak’izy ireo, ary indray andro any, enga anie, ireo zafiafiko.
Mangataka ny fanampian’ny lanitra aho eo am-pihezahantsika ny ho tonga mpampianatra tahaka an’i Kristy ao an-tokantranontsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.