Ny fitiavana madio no tena ahafantarana ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mifototra amin’ny fitiavan’ny Ray sy ny Mpamonjy ho antsika ary ny fitiavantsika Azy ireo sy ny fifankatiavantsika.
Tiantsika ny Filoha Thomas S. Monson ary malahelo azy isika, ary tiantsika sy tohanantsika ny Filoha Russell M. Nelson. Manana toerana miavaka ato am-poko ny Filoha Nelson.
Tamin’ny izaho mbola ray vao herotrerony dia nody avy tany an-tsekoly indray andro ny zanakay lahy kely, izay dimy taona tamin’izay, dia nanontany ny reniny hoe: “Fa inona no asa ataon’i Dada e?” Nanazava izy avy eo fa nanomboka niady hevitra ireo mpiara-mianatra taminy vaovao mikasika ny asan’ny rain’izy ireo. Nisy anankiray nilaza fa ny rainy no lehiben’ny pôlisy tao amin’ilay tanàna, ny iray kosa nanambara tamim-pireharehana fa ny rainy no lehiben’ny orinasa goavana iray.
Koa rehefa nanontaniana momba ny rainy ilay zanako lahy dia namaly tsotra hoe: “Ny dadako dia miasa anaty birao eo amin’ny solosaina iray.” Ary rehefa nahatsikaritra izy fa tsy nanaitra ireo namany kely vaovao loatra ny valinteniny dia nampiany hoe: “Sady ny dadako koa ange no lehiben’izao rehetra izao e!”
Mino aho fa izany angamba no namarana ilay fifanakalozan-kevitra.
Nolazaiko ny vadiko hoe: “Fotoana izao hampianarana azy antsipirian-javatra misimisy kokoa momba ny drafitry ny famonjena sy hoe iza marina no miahy izao rehetra izao.”
Fa rehefa nampianatra ny drafitry ny famonjena tamin’ireo zanakay izahay dia nitombo ny fitiavan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy satria nianatra izy ireo fa drafitra feno fitiavana ilay izy. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mifototra amin’ny fitiavan’ny Ray sy ny Mpamonjy ary ny fitiavantsika Azy ireo sy ny fifankatiavantsika.
Nilaza ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny didy lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny herintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny tanjatsika rehetra—izany no ilay didy lehibe voalohany. Saingy ny fahamarinana lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny hoe, tia antsika amin’ny fony rehetra sy ny heriny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra Andriamanitra. Io fitiavana io no vato iorenan’ny mandrakizay ary tokony ho vato iorenan’ny fiainantsika isan’andro.”1
Ny fitiavana madio dia takiana amin’ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra, amin’ny maha-vato iorenan’ny fiainantsika isan’andro azy.
Nampianatra ny mpaminany Môrmôna hoe: “Noho izany ry rahalahiko malala dia mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy Zanany”2
Eny tokoa, ny fitiavana no tena ahafantarana ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra.
Ny tena mpianatra dia tia manompo. Fantatr’izy ireo fa ny fanompoana dia fanehoana fitiavana madio sy fanekempihavanana iray izay ataon’izy ireo amin’ny batisa.3 Na inona na inona antsony ato am-piangonana na ny andraikiny any amin’ny fiarahamonina dia mahatsapa faniriana tsy mitsaha-mitombo ny hitia sy hanompo ny Tompo sy ny hafa izy ireo.
Tia mamela heloka ny tena mpianatra. Fantany fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia mandrakotra ny fahotana sy ny fahadisoana rehetra ataontsika tsirairay. Fantany fa ny sarany izay nefainy dia “sarany mahafaoka ny rehetra.” Tafiditra ao avokoa ny hetra, ny sarany, ny fandaniana ary ny trosa mifandray amin’ny fahotana sy ny fahadisoana ary ny zavatra ratsy natao. Ny tena mpianatra dia mailaka ny hamela heloka sady mailaka ny mangataka famelan-keloka.
Ry rahalahy sy ranabavy malalako isany, raha sahirana amin’ny fahitana ny hery hamelana heloka ianareo dia aza eritreretina ny zavatra nataon’ny hafa taminareo, fa diniho kosa ny zavatra efa nataon’ny Tompo taminareo, dia hahita fiadanana ao amin’ireo fitahiana manavotry ny Sorompanavotany ianareo.
Ny tena mpianatra dia tia manoa ny Tompo ao anatin’ny fiadanam-po. Mpanetry tena sy mpankatò izy ireo satria tiany Izy. Manam-pinoana hanekena tanteraka ny sitrapon’ny Tompo izy ireo, tsy hoe amin’ny zavatra ataony fotsiny ihany fa amin’ny fomba sy ny fotoana nanaovany izany koa. Ny tena mpianatra dia mahafantatra fa ny tena fitahiana dia tsy voatery izay tadiaviny foana fa izay tian’ Andriamanitra ho azy ireo kosa.
Ny tena mpianatra dia tia ny Tompo mihoatra izao tontolo izao ary miorina mafy tsy azo hozongozonina amin’ny finoany. Mitoetra ho matanjaka sy mafy orinaizy ireo ao anatin’ny tontolo izay miovaova sy misafotofoto. Ny tena mpianatra dia tia mihaino ny feon’ny Fanahy sy ny an’ireo mpaminany ary tsy voafitaky ny feon’izao tontolo izao. Ny tena mpianatra dia tia “mitsangana eo amin’ny toerana masina”4 ary tia manao izay maha masina ny toerana itsanganan’izy ireo. Na aiza na aiza alehan’izy ireo, dia mitondra ny fitiavan’ny Tompo sy fiadanana any am-pon’ny hafa izy ireo. Ny tena mpianatra dia tia mankatò ny didin’ny Tompo, ary mankatò izy ireo satria tiany ny Tompo. Rehefa tia sy mitandrina ny fanekempihavanany izy ireo dia lasa vaovao ny fony ary miova ny tena toetrany.
Ny fitiavana madio no tena ahafantarana ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra.
Nianatra ny atao hoe fitiavana madio aho tamin-dreniko. Tsy mpikamban’ny Fiangonana izy.
Indray andro taona maro lasa izay, dia nitsidika an-dreniko aho, izay nararin’ny homamiadana. Fantatro fa ho faty izy, saingy nampiasa saina ahy ny hoe nijaly izy. Tsy niteny na inona na inona aho, saingy noho ny fahafantarany ahy tsara dia niteny izy hoe: “Hitako fa miasa saina ianao.”
Dia nahagaga ahy avy eo fa nanontany ahy tamin’ny feo malefaka izy hoe: “Afaka mampianatra ahy mivavaka ve ianao? Te hivavaka ho anao aho. Fantatro fa atombokao amin’ny hoe -Ry Ray Malala any An-danitra- izany, saingy inona avy eo no tokony hoteneniko?”
Raha nandohalika teo an-tongom-pandriany aho ary nivavaka ho ahy izy, dia nahatsapa fitiavana izay mbola tsy tsapako hatrizay aho. Fitiavana tsotra sy marina ary madio izany. Na dia tsy nahalala momba ny drafitry ny famonjena aza izy dia nanana ny drafitry ny fitiavany manokana izy tao am-pony, dia ny drafitry ny fitiavan-dreny ho an’ny zananilahy. Nijaly izy, na ny hery hivavahana azy nananosarotra azy. Zara raha reko ny feony, saingy tena tsapako marina tokoa ny fitiavany.
Tsaroako aho nieritreritra hoe: “Amin’ny fomba ahoana ny ahafahan’ny olona iray ao anatin’ny fanaintainana be toy izao mivavaka ho an’ny olona hafa? Izy anefa no mila fanampiana.”
Dia tonga mazava tsara tato an-tsaiko avy eo ny valiny: ny fitiavana madio. Tiany loatra aho ka hadinony hatramin’ny tenany. Nandritra ny fotoana sarotra indrindra taminy dia tia ahy nihoatra ny tenany izy.
Koa moa ve tsy izany no nataon’ny Mpamonjy, ry rahalahy sy ranabavy malala isany? Mazava ho azy, amin’ny fomba fijery mandrakizay sy mivelatra kokoa. Fa nandritra ilay fanaintainany lehibe indrindra, tao amin’ilay saha izay hariva izay, dia Izy no nila fanampiana, nijaly tamin’ny fomba izay tsy ho azontsika sary an-tsaina sy tsy ho takatsika mihitsy. Saingy ny manan-danja indrindra, dia nanadino ny Tenany Izy ary nivavaka ho antsika mandrapahefany ny sarany manontolo. Ahoana no nahavitany nanao izany? Noho ny fitiavany madio ho an’ny Ray, izay naniraka Azy, sy ho antsika. Tia ny Ray sy tia antsika mihoatra ny tenany Izy.
Nanefa ny saran’ny zavatra izay tsy nataony Izy. Nanefa ny saran’ny ota izay tsy nataony Izy. Satria nahoana? Noho ny fitiavana madio. Rehefa nandoa ny sarany manontolo Izy dia afaka nanolotra ho antsika ireo fitahiana azo tamin’ny zavatra nefainy raha toa ka mibebaka isika. Nahoana Izy no nanolotra izany? Noho ny fitiavana madio hatrany.
Ny fitiavana madio no tena ahafantarana ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra.
Nilaza ny Filoha ThomasS. Monson hoe: “Enga anie isika hanomboka dieny izao, izao androany izao, haneho fitiavana amin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra, na olona ao amin’ny fianakaviantsika izy ireo, na namantsika, na olona zara raha fantatra, na olona tsy fantatra mihitsy. Rehefa mifoha isika isa-maraina dia aoka isika hanapa-kevitra ny haneho fitiavana sy halemem-panahy amin’izay zavatra rehetra mety hiseho.”5
Ry rahalahy sy ranabavy, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny fitiavana. Ny didy lehibe indrindra dia mahakasika ny fitiavana. Ho ahy dia tsy misy afa-tsy ny fitiavana. Ny fitiavan’ny Ray, izay nanao sorona ny Zanany ho antsika. Ny fitiavan’ny Mpamonjy, izay nahafoy ny rehetra ho antsika. Ny fitiavan’ny reny na ny ray izay vonona ny hanome ny zava-drehetra ho an’ny zanany. Ny fitavan’ireo izay manompo amim-pahanginana ka tsy fantatry ny ankamaroantsika saingy fantatry ny Tompo tsara. Ny fitiavan’ireo izay mamela heloka foana ny rehetra. Ny fitiavan’ireo izay manome bebe kokoa noho ny mandray.
Tiako ny Raiko any An-danitra. Tiako ny Mpamonjy ahy. Tiako ny filazantsara. Tiako ny Fiangonana. Tiako ny fianakaviako. Tiako ity fiainana mahafinaritra ity. Ho ahy dia tsy misy afa-tsy ny fitiavana.
Enga anie ity andro fahatsiarovana ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ity ho andro fanavaozana ara-panahy ho antsika tsirairay. Enga anie ity andro ity ho fiantombohan’ny fiainana feno fitiavana, ilay “vato iorenan’ny fiainantsika isan’andro.”
Enga ny fontsika ho feno ny fitiavana madion’i Kristy, ilay tena ahafantarana ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra. Izany no vavaka ataoko, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.