Natao hikarakarana olona izany
Ny Fiangonana dia natao hikarakarana anareo, izay mpianatry ny Tompo. Ireo izay tia sy manaraka Azy ary nitondra ny anarany tamin’ny alalan’ny fanekempihavanana.
Teo am-piomanana tamin’ny fananganana ny Tempoly tsara tarehin’i Paris Frantsa, dia niaina zavatra izay tsy ho hadinoko na oviana na oviana aho. Tamin’ny 2010, rehefa hita ny toerana hanorenana ny tempoly, dia nangataka ny hihaona taminay ny ben’ny tanàna mba hamantatra zavatra bebe kokoa momba ny Fiangonantsika. Dingana lehibe dia lehibe tokoa tamin’ny fahazoana ny fahazoan-dalana hanorenana io fihaonana io. Nanomana tamim-pitandremana fatratra ny famelabelarana izahay izay nahitana sary maro be tena nanaitra naneho an’ireo tempolin’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny fanantenako nivaivay indrindra dia hoe enga anie ka handresy lahatra ny ben’ny tanàna hanohana ny tetik’asanay ny hakanton’ny rafitranon’izy ireo.
Akory ny hagagako raha nilaza ilay ben’ny tanàna fa tian’izy sy ny ekipany kokoa raha izy ireo no manao ny fikarohany manokana mba hahafantarany mazava tsara hoe karazam-piangonana toy ny ahoana ny antsika, toy izay hijery ilay famelabelarana nomaninay. Ny volana manarak’izay dia nasaina niverina izahay mba handre ny tatitra nomen’ny mpanolotsaina iray an’ny ben’ny tanàna, izay prôfesora mpampianatra momba ny tantaran’ny fivavahana ihany koa. Nitsangana izy dia nilaza hoe: “Ambonin’ny zavatra rehetra dia nirianay ny hahatakatra hoe iza ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonanareo. Voalohany dia nanatrika ny iray tamin’ireo fivoriana fanasan’ny Tompo fanaonareo izahay. Nipetraka tany aoriana izahay tao amin’ilay trano fiangonana dia nandinika tsara ny olona teo anivon’ireo mpiangona sy ny zavatra nataon’izy ireo. Dia nihaona tamin’ireo mpiray monina aminareo izahay, ireo olona mipetraka manodidina ny foiben’ny tsatòkanareo, dia nanontanianay azy ireo hoe karazan’olona toy ny ahoana ianareo Môrmôna.”
“Dia inona ary no hevitra notsoahinareo?” Hoy aho nanontany, sady nahatsapa tahotra kely. Namaly izy hoe: “Hitanay fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no manakaiky indrindra ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tany am-piandohana raha ampitahaina amin’ny fiangonana hafa izay fantatray.” Efa saika hanohitra aho dia hiteny hoe: “Tsy tena marina tanteraka izany! Tsy hoe ny fiangonana manakaiky indrindra akory izany, fa io no Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ilay Fiangonany ihany, ny Fiangonana marina!” Saingy nosakanako ny tenako ary naleoko kosa nanolotra vavaka mangina fanehoam-pankasitrahana. Dia nanoro hevitra anay avy eo ny ben’ny tanàna fa, araka ny zavatra hitan’izy ireo, dia tsy misy antony tokony hanoheran’izy ireo ny fananganana tempoly iray eo anivon’ny fiaraha-monin’izy ireo.
Ankehitriny, rehefa nieritreritra izany zavatra niainana mahagaga izany aho, dia mahatsapa fankasitrahana noho ny fahendren’ilay ben’ny tanàna sy ny fahaizany mamantatra. Fantany fa ny iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra hahatakarana ny Fiangonana dia tsy ny fijerena izany amin’ny alalan’ny endrik’ireo tranon’ny Fiangonana ety ivelany, na amin’ny maha-fikambanana tsara rindra an’izany, fa amin’ny alalan’ireo mpikambana mahatoky an-tapitrisany ao aminy, izay miezaka isan’andro ny hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy.
Ny famaritana ny Fiangonana dia mety miainga avy amin’ny andininy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay milaza hoe “Ary ireo [izany hoe ireo mpianatry ny Tompo] izay natao batisa tamin’ny anaran’i Jesoa dia nantsoina hoe fiangonan’i Kristy.”1
Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia natao hikarakarana olona ny Fiangonana. Natao hikarakarana anareo izany, dia ny mpianatry ny Tompo. Ireo izay tia sy manaraka Azy ary nitondra ny anarany tamin’ny alalan’ny fanekempihavanana.
Indray mandeha ny Filoha Russell M. Nelson dia nampitaha ny Fiangonana tamin’ny fiara iray tsara tarehy. Samy tia avokoa isika rehefa madio sy mamiratra ny fiarantsika. Kanefa ny tanjona nanaovana ilay fiara dia tsy ny hiseho ho toy ny milina misarika ny maso. Ny hampikisaka ny olona ao anatin’ilay fiara no tanjon’izany.2 Tahaka izany ihany, isika, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, dia mankasitraka noho ny fananana toerana tsara tarehy hivavahana izay madio sy voakarakara tsara, ary isika ihany koa dia mankafy ny fananana ireo fandaharan’asa mandeha tsara. Saingy rafitra hoenti-manampy fotsiny ihany ireo. Ny hany tanjontsika dia ny hanasa ny zanakalahy sy ny zanakavavy tsirairain’ Andriamanitra hanatona an’i Kristy sy hitarika azy eny amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Tsy misy zavatra mana-danja kokoa noho izany. Ny asantsika dia ny hikarakara olona sy hanao sy hitandrina fanekempihavanana.
Moa ve tsy mahatalanjona fa ny anarana nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia mampitambatra ireo singa roa manan-danja indrindra ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara tsirairay? Ny voalohany dia ny anaran’i Jesoa Kristy. Azy ity Fiangonana ity, ary ny Sorompanavotany sy ny fanekempihavanany manamasina no hany lalana mankany amin’ny famonjena sy ny fisandratana. Ny anarana faharoa dia manondro antsika: ny Olomasina, na raha lazaina amin’ny teny hafa, dia ireo vavolombelony sy mpianany.
Nianatra ny maha-zava-dehibe ny fifantohana amin’ny olona aho fony aho filohan’ny tsatòka tany Frantsa. Tany am-piandohan’ny fanompoako, dia nieritreritra ny sasany tamin’ireo tanjona sarotra tanterahina ho an’ilay tsatòka aho: ny fananganana paroasy vaovao, ny fananganana trano fivoriana vaovao, eny fa hatramin’ny fananganana tempoly iray tao amin’ny vondrom-paritray aza. Rehefa nisaorana aho enin-taona taty aoriana, dia tsy nisy tanteraka ireo tanjona ireo na dia iray aza. Mety ho toy ny hoe tsy fahombiazana tanteraka izany, kanefa nandritra ireo enin-taona ireo dia lasa niova be ny tanjoko.
Rehefa nipetraka teny an-dampihazo aho tamin’ny andro nisaorana ahy, dia heniky ny fahatsapana fankasitrahana lalina sy ny fahatontosan-javatra aho. Nijery ny endrik’ireo mpikambana an-jatony izay nanatrika aho. Afaka nahatsiaro zavatra niainana ara-panahy nifandray tamin’ny tsirairay avy tamin’izy ireo aho.
Tao ireo rahalahy sy anabavy izay niroboka tao amin’ny ranon’ny batisa, sy ireo izay nataoko sonia ny fahazoan-dalana voalohany hidiranan’izy ireo ny tempoly mba hahafahan’izy ireo mandray ireo ôrdônansy masin’ny tempoly, ary ireo tanora sy mpivady izay natokako na nisaorako tamin’ny naha-misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno azy ireo. Tao ihany koa ireo maro hafa izay notompoiko rehefa nandalo fitsapana sy fahoriana teo amin’ny fiainany. Nahatsapa fitiavan-drahalahy mahery vaika ho an’ny tsirairay avy tamin’izy ireo aho. Nahatsapa fifaliana marina aho tamin’ny fanompoana azy ireo ary nifaly tamin’ny fahatokian’izy ireo tamin’ny Mpamonjy sy ny finoany Azy izay nitombo tokoa.
Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Ny manan-danja indrindra amin’ny andraikitsika ao am-piangonana dia tsy ny antontan’isa izay taterina, na ny fivoriana hatao, fa ny hoe moa ve ny olona tsirairay, izay notompoina tsirairay tahaka izay nataon’ny Mpamonjy, nahazo hery sy nahazo risi-po ary niova tamin’ny farany sa tsia.”3
Ry rahalahy sy ranabavy malalako, moa ve isika tena miaina araka ireo fitsipiky ny filazantsara, sa ve isika misahirana manao ireo asan’ny Fiangonana fotsiny? Ny fanalahidy dia ny manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny zavatra rehetra. Raha manao izany isika, dia hifantoka ho azy amin’ny famonjena ny isam-batan’olona fa tsy hanatanteraka asa sy hamita ireo fandaharan’asa fotsiny.
Efa nanontany tena ve ianareo hoe mba hanao ahoana re raha mitsidika ny paroasy na ny sampana misy anareo ny Mpamonjy ny alahady ho avy izao? Hanao inona Izy? Mety hamaky loha Azy ve ny hahalala hoe nety tsara ireo fitaovana nojeren’ny maso izay nampiasaina, na nety tsara araka ny tokony ho izy ny filaharan’ny seza tao amin’ny efitrano fianarana? Sa ve Izy hitady olona azony tiavina, ampianarina, ary hotahiana? Angamba Izy hitady mpikambana vaovao na namana horaisina an-tanandroa, rahalahy marary na anabavy mila fampiononana, na tanora iray tsy manana fijoroana ho vavolombelona mafy orina izay nila fankaherezana sy risi-po.
Iza avy ireo kilasy hotsidihan’i Jesoa? Tsy ho gaga aho raha ny ankizy ao amin’ny Kilonga no hotsidihany voalohany. Tsy maintsy hoe handohalika Izy dia hiresaka amin’izy ireo sady hifampibanjina. Hanambara ny fitiavany azy ireo Izy, hitantara tantara aminy, hidera azy ireo amin’ny sary nataony, ary hijoro ho vavolombelona momba ny Rainy any An-danitra. Ho tsotra, sy marina ary tsy misy fitaka ny fihetsiny. Afaka manao toy izany koa ve isika?
Mampanantena anareo aho fa rehefa miezaka manao izay tian’ny Tompo ataonareo ianareo, dia tsy hisy zavatra ho lasa manan-danja kokoa noho ny fitadiavana ireo olona azonareo ampiana sy tahiana. Rehefa any am-piangonana ianareo dia hifantoka amin’ny fampianarana ny isam-batan’olona sy amin’ny fikasihana ny fon’izy ireo. Ny zavatra hanahiran-tsaina anareo dia ny hanao izay hisian’ny zavatra iainana ara-panahy fa tsy ny hanomana atrik’asa lavorary, ny hanompo ireo mpikambana namanareo fa tsy ny hanisy marika ny efamira kely iray mba hilazana ny fiakaran’ny isan’ny fitsidihana nataonareo. Tsy ny momba anareo no hanahiran-tsaina anareo fa ny momba ireo izay antsointsika hoe rahalahy sy anabavintsika.
Indraindray isika dia miresaka mikasika ny hoe mandeha any am-piangonana. Ny Fiangonana anefa dia mihoatra lavitra ny trano na ny toerana iray manokana. Mitovy ihany ny maha-tena misy sy velona izany na any amin’ireo toerana faran’izay sahirana any amin’ireo faritra lavitra indrindra eto an-tany, na aty amin’ny foiben’ny Fiangonana aty Salt Lake City. Ny Tompo mihitsy no nilaza hoe: “Na aiza na aiza no hiangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.”4
Afaka mahatsapa hatrany izay tsapantsika ao amin’ny Fiangonana isika na aiza na aiza alehantsika: any am-piasana, any an-tsekoly, any am-pialan-tsasatra, ary indrindra fa ao an-tokantranontsika. Ny maha-eo antsika sy ny hery mitaona ananantsika dia afaka ny ho ampy hahatonga ny toerana rehetra misy antsika ho toerana masina.
Tadidiko ny resaka iray nifanaovako tamin’ny namana iray tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonantsika. Gaga izy rehefa nahafantatra fa afaka mandray ny fisoronana izay mety ho lehilahy rehetra mendrika ao amin’ny Fiangonantsika. Dia nanontany izy hoe: “Fa misy mpihazona ny fisoronana firy ao amin’ny paroasinao?”
Dia namaly aho hoe: “Eo anelanelan’ny 30 ka hatramin’ny 40.”
Sanganehana izy, ka dia nanohy hoe: “Iray ihany ny mpitandrina amin’ireo mpiara-mivavaka amiko. Fa nahoana ianareo no mila mpitandrina be dia be toy izany rehefa alahady maraina.”
Noho izaho liana be tamin’ny fanontaniany, dia nahatsapa ho notaomim-panahy aho hamaly hoe: “Miombon-kevitra aminao aho. Heveriko fa tsy mila mpihazona ny fisoronana maro be toy izany izahay ao am-piangonana rehefa alahady. Fa saingy mila mpihazona ny fisoronana iray isan-trano izahay. Ary rehefa tsy misy mpihazona ny fisoronana ao amin’ny tokantrano iray, dia olona hafa mpihazona ny fisoronana no antsoina mba hiaro sy hanompo izany fianakaviana izany.”
Tsy fandehanana mivavaka isaky ny alahady fotsiny ny anay. Mitohy isan’andro ao anatin’ny herinandro ny fitsaohanay, na aiza na aiza misy anay ary na inona na inona ataonay. Ny tokantranonay indrindra indrindra no “toerana voalohany hampiharanay ny fivavahanay.”5 Ao an-tokantranontsika isika matetika indrindra no mivavaka, manome tsodrano, mianatra, mampianatra ny tenin’ Andriamanitra, ary manompo amin’ny fitiavana madio. Afaka mijoro ho vavolombelona avy amin’ny zavatra niainako manokana aho fa ny tokantranontsika dia toerana masina izay afaka hanjakan’ny Fanahy, tahaka ny any amin’ireo toerana ôfisialy fitsaohantsika, na mihoatra izany aza indraindray.
Mijoro ho vavolombelona aho fa ity Fiangonana ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy? Ny tanjany sy ny fahavelomany dia avy amin’ny asa ataon’ireo mpianany an-tapitrisany isan’andro, izay miezaka isan’andro ny hanaraka ny ohatra tsara indrindra hasehony amin’ny alalan’ny fikarakarana ny hafa na aiza na aiza misy azy ireo. Velona i Kristy, ary mitarika ity Fiangonana ity Izy. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminany izay nofidiny mba hitondra sy hitarika antsika amin’izao androntsika izao. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra ireo aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.