Aprily 2018 Fivoriana sabotsy maraina Fivoriana sabotsy maraina Henry B. EyringFivoriana masinaTao anatin’ny fivoriana masina iray ny Filoha Eyring dia nanolotra ny anaran’ireo ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hotohanana. M. Russell BallardFanomezana sarobidy avy amin’ AndriamanitraMampianatra ny Filoha Ballard fa mitondra fifaliana ho antsika sy ho an’ny hafa ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanekena ireo fanomezana masina avy amin’ Andriamanitra. Brian K. TaylorZanaky ny Ray ve aho?Ny Loholona Taylor dia mampianatra ny fomba hahafahana mampatanjaka antsika amin’ny alalan’ny fahatakarana ny maha-andriamanitra antsika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika. Larry J. Echo HawkTahaka ny namelan’i Kristy ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosaMampianatra ny fitsipiky ny famelan-keloka ny Loholona Echo Hawk amin’ny fandraisana ho ohatra ny famelana natolotry ny fianakaviany ny tovolahy iray taorian’ny lozam-piarakodia izay nahafatesan’ny rahalahiny. Gary E. StevensonNy fon’ny mpaminanyNanazava ny lamina masin’ny fiantsoana sy fanohanana ny mpaminany velona iray eto ambonin’ny tany ny Loholona Stevenson. Lynn G. RobbinsHatramin’ny fito-polo im-pitoNy Loholona Robbins dia nampianatra fa ny fahotana sy ny fahadisoana dia ampahany amin’ny fiainana ary afaka mahazo hatrany ny famelana sy fanampiana avy amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fibebahana marina. Neil L. AndersenIlay Mpaminanin’ AndriamanitraMampianatra ny Loholona Andersen fa misy fiarovana sy fiadanana ao amin’ny fanarahana ny mpaminany, izay ny andraikitr’izy ireo manan-danja indrindra dia ny manondro ny lalana mankany amin’ny Mpamonjy. Fivoriana sabotsy tolakandro Fivoriana sabotsy tolakandro Dallin H. OaksFanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny FiangonanaManolotra ireo Mpiandraikitra ambonin’ny Fiangonana mba hotohanana ny Filoha Oaks. Kevin R. JergensenTatitra avy amin’ny Departemantan’ny Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ ny Fiangonana, taona 2017Manolotra ny tatitra momba ny fanamarinana ny fampiasam-bola i Kevin R. Jergensen, Tale Mpitantana ny Departemantan’ny Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana. David A. BednarMalemy fanahy sy mietry am-poNizara ohatra mikasika ny halemem-panahy avy ao amin’ny soratra masina sy eo amin’ny fiainan’ireo mpaminany maoderina ny Loholona Bednar, ary nampianatra fa io toetran’i Kristy io dia azo hampitomboina. Taylor G. GodoyAndro iray sisaNy Loholona Godoy dia mampianatra momba ireo fitahiana izay tonga amin’ny alalan’ny fandehanana fanaovana fahafoizan-tena. Bonnie L. OscarsonZatovovavy ao anatin’ilay asaNanazava ireo fomba ahafahan’ny zatovovavin’ny Fiangonana mitondra anjara biriky any amin’ny paroasiny sy ny sampany ny Rahavavy Oscarson. Taniela B. WakoloHitondra hazavana mahagaga ho antsika ireo ôrdônansin’ny famonjenaMiresaka momba ny anjara asan’ ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao amin’ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra ny Loholona Wakolo. Devin G. DurrantMampianatra ao an-tokantrano—andraikitra maharavoravo sy masinaMiresaka momba ny andraikitra masina eo an-tsoroky ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny ankizy ary milazalaza ireo karazana fotoana ahafahana mampianatra ny Rahalahy Durrant. Dale G. Renlund Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitrananaMampianatra ny Loholona Renlund fa rehefa manao asa momba ny tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo razambentsika isika, dia mandrotsaka fitahiana amin’ny lafy roan’ny voaly Andriamanitra. Fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany Fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany Douglas D. HolmesNy zavatra tokony ho takatry ny mpihazona ny fisoronana Aharôna tsirairay avyNy Rahalahy Holmes dia mampianatra fa ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia manana anjara asa manan-danja amin’ny fanampiana ny hafa handray ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Russell M. NelsonTeny fanoloranaManambara ny Filoha Nelson fa ny mpisorona avo sy ny loholona, eny anivon’ny paroasy, dia hatambatra ho kolejy tokana an’ny loholona D. Todd ChristoffersonNy kôlejin’ny loholonaManazava ny tanjona ao ambadiky ny fampitambarana ny loholona sy ny mpisorona avo ho ao anatin’ny kôlejin’ny loholona tokana eo anivon’ny paroasy ny Loholona Christofferson ary manome ny antsipiriany momba izany fanovana izany. Ronald A. RasbandEndrey! Ny tafiky ny mpanjakaNizara ireo antsipirihan-javatra mitondra fanazavana momba ireo fiovana eo amin’ny firafitry ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka ny Loholona Rasband ary niresaka momba ireo fitahiana avy amin’ireo fiovana ireo. Henry B. EyringFanompoana entanim-panahyMampianatra ny Filoha Eyring fa ny fanompoana ny hafa amin’ny fomban’ny Tompo dia mitaky fahatsapana fitiavana ho an’ny tsirairay sy fanarahana ireo bitsiky ny Fanahy. Dallin H. OaksNy herin’ny fisoronanaNy Filoha Oaks dia mizara fitsipika mahakasika ny fampiasana ny Fisoronana Melkizedeka ao amin’ny Fiangonana sy ao an-tokantrano. Russell M. NelsonManompo amin’ny hery sy fahefan’ AndriamanitraMampianatra ny Filoha Nelson fa tokony hifanompo amin’ny anaran’i Kristy isika, miaraka amin’ny heriny sy ny fahefany, ary ilay hatsaram-panahiny feno fitiavana. Fivoriana alahady maraina Fivoriana alahady maraina Larry Y. WilsonRaiso ho mpitari-dalana anao ny Fanahy MasinaNampianatra ireo fitsipika izay mitarika amin’ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Loholona Wilson. Reyna I. AburtoNiray sainaMampianatra ny Rahavavy Aburto fa mba hahatratrarana ny anjarantsika avy amin’ Andriamanitra dia mila manaraka ny ohatr’i Kristy amin’ny firaisan-kina amin’ny Rainy isika ka hiray hina kokoa amin’ Izy ireo sy eo amintsika samy isika. Massimo De FeoNy fitiavana madio no tena ahafantarana ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy rehetraMampianatra ny Loholona De Feo fa ny filazantsara dia mifototra amin’ny fitiavana madio ary ny maha-mpianatra antsika dia fanehoana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny fifankatiavantsika. Claudio D. ZivicIzay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.Mampianatra ny maha-zava-dehibe ny faharetana amim-pinoana hatramin’ny farany, sy ny fibebahana ary ny fankatoavana ny Loholona Zivic. Henry B. EyringNy Fanahiny miaraka aminareoNampianatra momba ny fandraisana ny Fanahy Masina ny Filoha Eyrig, ka nampiasa ireo soratra masia ao amin’ny Testamenta Vaovao sy an’i Joseph Smith ho ohatra. Dallin H. OaksZava-madinika sy tsotraNy Filoha Oaks dia mampahatsiahy antsika fa ireo zava-madinika sy tsotra, tafiditra ao anatin’izany ireo safidy kely tsara na ratsy ataontsika isan’andro, dia mahatanteraka zavatra lehibe rehefa mandeha ny fotoana. Russell M. NelsonFanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsikaMijoro ho vavolombelona ny Filoha Nelson fa mitarika ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fanambarana ny Tompo ary afaka mandray fanambarana ho an’ny tenany manokana ny tsirairay. Fivoriana alahady tolakandro Fivoriana alahady tolakandro Gerrit W. GongTafatsangana i KristyMizara ny fijoroany ho vavolombelona mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy izay tafatsangana tamin’ny maty ary momba ireo mpaminany amin’ny andro farany ny Loholona Gong. Ulisses SoaresMiteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminanyMijoro ho vavolombelona ny Loholona Soares fa ny mpaminany dia tarihin’ny Fanahy Masina sy mampianatra momba an’i Jesoa Kristy. Russell M. NelsonManompoNy Filoha Nelson dia nampahafantatra fomba iray vaovao kokoa sy masina kokoa hikarakarana sy hanompoana ny hafa. Jeffrey R. Holland“Miaraka amin’izy ireo sy manatanjaka azy”Nampianatra ny Loholona Holland fa isika ka dia tokony ho entanin’ny fitiavana madio an’i Kristy eo amin’ny fahatongavantsika ho manolotena kokoa amin’ny fiahiana sy fanompoana ny hafa. Jean B. BinghamManompo tahaka ny ataon’ny MpamonjyMampianatra momba ny fifanompoana ny Rahavavy Bingham ary manome ohatra maneho ny fomba ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ny amin’ny fanompoana feno fitiavana amin’ny alalan’ny asa tsotra. Dieter F. UchtdorfIndro ny Lehilahy!”Ny Loholona Uchtdorf dia mijoro ho vavolombelona fa ny andro lehibe indrindra teo amin’ny tantara dia tamin’ny nandresen’ny Mpamonjy ny fahotana sy ny fahafatesana. Afaka mahita fifaliana sy fiadanana isika rehefa mahita Azy amin’ny maha-izy Azy. Gérald CausséNatao hikarakarana olona izanyMampianatra ny Eveka Caussé fa ny tanjaky ny Fiangonana dia avy amin’ny asa ataon’ireo mpianatr’i Kristy an-tapitrisany isan’andro, izay miezaka isan’andro ny hanaraka ny ohatra nasehony. Quentin L. CookMiomàna hihaona amin’ Andriamanitra.Mampianatra ny Loholona Cook fa miomana ny hihaona amin’ Andriamanitra isika rehefa manatanteraka ireo andraikitra nomen’ Andriamanitra eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara, ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny fampantanjahana ireo mpikamban’ny Fiangonana. Russell M. NelsonNdao handroso hatranyNamporisika antsika ny Filoha Nelson mba handalina ireo hafatra avy amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany manan-tantara ity. Nampilaza ny fananganana tempoly fito vaovao izy.