Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
13 jona. Ahoana no ahafahako manohitra ny pôrnôgrafia? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63


“13 jona. Ahoana no ahafahako manohitra ny pôrnôgrafia? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“13 jona. Ahoana no ahafahako manohitra ny pôrnôgrafia?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovovavy mihazona finday

13 jona

Ahoana no ahafahako manohitra ny pôrnôgrafia?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Inona avy ireo asa atao notontosaintsika tato ho ato? Nahomby ve izy ireny? Inona no nizotra tsara, ary ahoana no ahafahantsika manatsara azy ireo?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Iza no mila ny fanompoantsika? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo?

  • Ny fiainantsika. Inona ireo tanjona tratrarintsika tsirairay avy? Inona avy ireo zavatra niainana azontsika zaraina? Inona avy ireo fitahiana efa noraisintsika?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Mety ho efa nianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy tamin’ity herinandro ity ary namaky momba ny fampitandreman’ny Tompo ireo Olomasina tany am-boalohany ny amin’ny loza ateraky ny fitsiriritana—fampitandremana izay naverimberiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:13–16; Matio 5:27–28; 3 Nefia 12:27–30). Na dia nihatra tamin’ny olona niaina tamin’ny vanim-potoana rehetra aza ireo fampitandremana ireo, dia mihatra amin’ny amehana kokoa amin’izao androntsika izao izy ireny, fotoana izay mampirongatra ny pôrnôgrafia tahaka ny areti-mandringana. Inona no loza na tsindry mifandray amin’ny pôrnôgrafia mety hatrehin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao? Inona no fitsipiky ny filazantsara sy fepetra fisorohana afaka manampy azy ireo hihazona ny eritreriny sy ny zavatra ataony ho madio?

Rehefa miomana hampianatra ianao dia hevero ny hamaky ny “Divertissements et médias” sy ny “Pureté sexuelle” ao amin’ny Jeunes, soyez forts ([2011], 11–13, 35–37).

Sary
zatovolahy ao an-dakilasy

Afaka mifankahery amin’ny fanoherana ny pôrnôgrafia ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Miaraha mianatra

Mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny pôrnôgrafia, dia azonao asaina hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:13–16 ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ary hifanakalo hevitra momba ireo hevi-baovao ao amin’ireo andininy ireo izay manampy azy ireo hahatakatra ny antony mahatonga ny pôrnôgrafia ho tena manimba. Mba hanampiana ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny kilasy ampianarinao hahatakatra ny fomba hanoherana ny pôrnôgrafia, dia ampiasao ny iray na ny mihoatra izany amin’ireto asa atao manaraka ireto. Any amin’ny fiafaran’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia mety hahatsapa ho taomim-panahy ianareo mba hiresaka ny fomba ahafahan’ny eveka manampy ireo izay tafaroboka ao anatin’ny pôrnôgrafia (jereo ny Jeunes, soyez forts, 12, 37).

  • Mety hanana fanontaniana mikasika ny fanoherana ny pôrnôgrafia ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao. Mba hanampiana azy ireo hahita ireo valim-panontaniana dia afaka manoratra ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe ianao: Inona no atao hoe pôrnôgrafia? Nahoana izy io no manimba? Ahoana no ahafahantsika miala amin’ny fakam-panahin’ny pôrnôgrafia? Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hahita ny valin’ireo fanontaniana roa voalohany dia angataho izy ireo hamaky ny “Pôrnôgrafia” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana sy ny “Divertissements et médias” ary ny “Pureté sexuelle ” ao amin’ny Jeunes, soyez forts (pejy 11–13, 35–37). Mba hanampiana azy ireo hahita valin’ny fanontaniana fahatelo dia angataho izy ireo hamaky ny Genesisy 39:1–12; Romana 12:21; 2 Timoty 2:22; Almà 39:3–9; Môrônia 10:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18; 121:45–46. Asao izy ireo hizara ny valiny hitany.

  • Mba hanampiana ny kôlejy na kilasy ampianarinao hahita fomba hanoherana ny pôrnôgrafia, dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Aza manome toerana intsony ho an’ny fahavalon’ny fanahiko” (Liahona, mey 2010, 44–46) sy ny hafatry ny Rahavavy Linda S. Reeves hoe“Fiarovana amin’ny pôrnôgrafia—Tokantrano mifantoka amin’i Kristy” (Liahona, mey 2014, 15–17). Azon’izy ireo alaina sary an-tsaina hoe miresaka amin’ilay ho zanakalahiny na zanakavaviny amin’ny ho avy momba ny antony mahatonga ny pôrnôgrafia ho tena mamotika sy ny fomba ialana amin’izany izy ireo. Inona no fampahafantarana hozaraina avy amin’ny hafatry ny fihaonambe izay novakin’izy ireo? Asao hiaraka tsiroaroa izy ireo ary hizara izay valiny hitany. Angataho koa izy ireo hanoratra izay zavatra hataony mba hialana amin’ny pôrnôgrafia.

  • Asao ny olona ampianarinao mba hamaky ny 1 Korintiana 10:13 sy ny Almà 13:28. Anontanio azy ireo hoe inona no ifandraisan’ireo soratra masina ireo amin’ny fanamby atrehantsika amin’ny fanoherana ny pôrnôgrafia amin’izao fotoana izao. Azonao angatahina ihany koa izy ireo haka sary an-tsaina hoe manana namana iray manana olana amin’ny pôrnôgrafia ary te hibebaka. Inona no hitan’izy ireo fa hanampy ny namany ao amin’ireo soratra masina eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana”? Inona no mety hanampy ny naman’izy ireo hahatakatra fa afaka manampy azy ny eveka? (jereo ny Jeunes, soyez forts, 12, 37).

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Rehefa mampianatra amin’ny fomba ampianaran’ny Mpamonjy ianao, dia hanome toerana ho an’ny voan’ny filazantsara mba hovolena sy hamontsina ary haniry ao am-pony ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy. Inona no azonao atao hanampiana azy ireo hampiasa ny soratra masina mba hahatakarany ny hery sy ny hatsaran’ny hoe miaina fiainana madio?

Hamoaka printy