Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
27 jona. Ahoana no ahafahako miomana amin’izao fotoana izao mba hanangana tokantrano mifantoka amin’i Kristy? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70


“27 jona. Ahoana no ahafahako miomana amin’izao fotoana izao mba hanangana tokantrano mifantoka amin’i Kristy? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“27 jona. Ahoana no ahafahako miomana amin’izao fotoana izao mba hanangana tokantrano mifantoka amin’i Kristy?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
Jesoa Kristy

I Jesoa Kristy Tompo, nataon’i Del Parson

27 jona

Ahoana no ahafahako miomana amin’izao fotoana izao mba hanangana tokantrano mifantoka amin’i Kristy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Iza no olona vaovao ato amin’ny paroasintsika, ary ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahatsapa ho voaray tsara? Inona no ataontsika mba hahatonga ny fotoantsika ao amin’ny kôlejy na kilasy ho manan-danja?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona avy ireo adidy sy andraikitra sasany ananantsika amin’ny maha-zatovolahy sy zatovovavy antsika? Ahoana no ahafahantsika manatanteraka azy ireny amin’ny fomba tsaratsara kokoa?

  • Ny fiainantsika. Inona no ataontsika mba ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa ary handraisana ny heriny eo amin’ny fiainantsika? Inona no ataontsika mba hanampiana ny fianakaviantsika hanatona Azy?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68 dia ahitana torohevitra ho an’ireo ray aman-dreny izay mety tsy ho tonga dia hanan-danja amin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy (jereo ny andininy 25–28). Noho izy ireo afaka ny hanana fitaomana mahery vaika eo amin’ny fianakavian’izy ireo amin’izao fotoana izao sy amin’ny ho avy anefa dia afaka manampy azy ireo amin’izao fotoana izao io torohevitra io. Ny fomba tsara indrindra hiomanan’izy ireo hanana tokantrano mifantoka amin’i Kristy amin’ny hoavy dia ny “handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo” ankehitriny (andininy 28).

Inona avy ireo fitahiana efa azon’ny ankohonanao satria nanaraka ny fampianaran’ny Mpamonjy ianareo? Ahoana no ahafahan’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy manampy ny fianakavian’izy ireo hanorina tokantrano mifantoka amin’i Kristy? Mba hiomananao hampianatra dia azonao vakina ny hafatry ny Filoha Henry B. Eyring “Tokantrano itoeran’ny Fanahin’ny Tompo” (Liahona, mey 2019, 22–25) sy ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org).

Sary
zatovovavy mitendry pianô

Afaka mahatsapa fitiavana lehibe kokoa ao amin’ny fianakaviantsika isika rehefa mampifantoka ny tokantranontsika amin’i Kristy.

Miaraha mianatra

Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao hahita ny fomba iharan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28 amin’izy ireo, dia afaka mangataka azy ireo ianao hanoratra famaritana fohy hoe irian’izy ireo ho toy ny ahoana ny fianakavian’izy ireo amin’ny ho avy. Azonao angatahina hizara ny zavatra nosoratany izy ireo raha maniry ny hanao izany. Avy eo dia afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28 izy ireo ary hitady fampianarana sy fitsipiky ny filazantsara izay afaka manampy azy ireo hanorina fianakaviana marina amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy. Afaka manampy azy ireo hahatakatra ny fomba hametrahana an’i Kristy ho ivon’ny ankohonany ireto asa atao eto ambany ireto.

  • Ny andiam-pehezan-teny fahafito ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia ahitana fahamarinana izay afaka manampy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hampifantoka ny tokantranony amin’ny Mpamonjy. Asao izy ireo hamaky io andiam-pehezan-teny io ary hamantatra ireo fampianarana sy fitsipika izay hanampy ny fianakaviana iray ho sambatra. Mety ho tianao ny hanoratra ireo zavatra ireo eny amin’ny solaitrabe ary hanasa ireo olona ampianarinao hifanakalo hevitra mikasika ny antony hanampian’ny tsirairay avy amin’ireo ny fianakaviana iray mba ho sambatra. Mety te hizara ny nahitany ny fiharan’ireo fampianarana sy fitsipika fototra ireo tamin’ny fianakaviany ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahany mampihatra farafahakeliny ny iray amin’ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainany ankehitriny. Omeo toky izy ireo fa afaka manao an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainany izy ireo, na toy ny ahoana na toy ny ahoana toe-javatra iainan’ny fianakaviana iavian’izy ireo.

  • Afaka mifanakalo hevitra momba ireo zavatra mihazona ny Mpamonjy ho ivon’ny tokantranontsika sy ireo zavatra manakana Azy tsy ho lasa ivon’ny tokantranontsika ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy. Azonao atao ny mangataka ny isam-batan’olona na ny vondrona kely maromaro hamaky ny hafatry ny Filoha Henry B. Eyring hoe“Tokantrano itoeran’ny Fanahin’ny Tompo” (Liahona, mey 2019, 22–25) mba hitady fitsipika afaka manampy amin’ny fampifantohana ny tokantranontsika amin’i Kristy. Asao ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hizara ny zavatra ianarany ary hifidy zavatra iray hataony mandritra ny herinandro ho avy mba hampifantohany kokoa ny tokantranony amin’i Jesoa Kristy sy ireo fampianarany.

  • Azonao atao angamba ny mangataka mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy iray na mihoatra izany mba hihira na hamaky hira momba ny tokantrano sy ny fianakaviana, toy ny “Notre foyer ici bas” (Cantiques, no. 188) na ny “Fitia no ao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 102). Afaka mihaino izay zavatra ampianarin’ilay hira mikasika ny fanaovana ny tokantrano ho toerana feno fifaliana ny hafa. Asao izy ireo hizara zavatra niainana tamin’ny fotoana nahatsapan’izy ireo ho sambatra satria nanehoana fitiavana izy ireo, na tamin’ny fotoana nampitomboan’izy ireo ny fitiavana tao an-tranony.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Naneho ny fitiavany ny hafa tamin’ny alalan’ny fanompoana ny Mpamonjy. Betsaka ny olona niova fo ary fiainana maro no niova tamin’ny alalan’ireo asa tsara nataony. Ahoana no ahafahanao maka tahaka izany toetra tsara izany amin’ny maha-mpitarika anao? Ahoana no ahafahanao manampy ny zatovo haniry ny hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanompoana ao amin’ny fianakavian’izy ireo?

Hamoaka printy