Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
11 jolay. Inona no fiantraikan’ny fahalalana momba ny drafitry ny famonjena amin’ny fiainako? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76


“11 jolay. Inona no fiantraikan’ny fahalalana momba ny drafitry ny famonjena amin’ny fiainako? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“11 jolay. Inona no fiantraikan’ny fahalalana momba ny drafitry ny famonjena amin’ny fiainako?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovovavy mandalina ny soratra masina

11 jolay

Inona no fiantraikan’ny fahalalana momba ny drafitry ny famonjena amin’ny fiainako?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Iza no mila ny fanampiantsika sy ny vavaka ataontsika? Inona no azontsika atao mba hanampiana azy ireo? Iza no tokony hasaintsika amin’ny fiaraha-mientana manaraka?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona avy ireo asa nampandraiketina efa tontosantsika?Inona avy ireo asa nampandraiketina ilaina ataontsika? Ahoana no nanasantsika ny hafa hanatona an’i Kristy, ary ahoana no ahafahantsika manasa ny hafa ankehitriny?

  • Ny fiainantsika. Inona avy ireo zavatra niainana tato ho ato izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Inona no mitranga eo amin’ny fiainantsika, ary ahoana no ahafahantsika mifanohana?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Ny Raintsika any An-danitra dia nanome drafitra izay ahafahantsika mandray ireo fitahiana mandrakizay sy ho lasa tahaka Azy. Tiany hahalala izany drafitra izany ny zanany rehetra ka dia nambarany tamin’ireo mpaminany tao anatin’ny vanim-potoana rehetra izany. Rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy tamin’ity herinandro ity, dia nianatra ny zavatra nambaran’ Andriamanitra momba ny drafiny tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon izy ireo, ao anatin’izany ny anjara asa fototra tanàn’ny Mpamonjy ao amin’ilay drafitra sy ny voninahitra azontsika raisina any amin’ny fiainana ho avy. Raha mahatoky isika dia afaka ny hatao tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy handray fahafenoan’ny fifaliana ary hiaina mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra.

Nanova ny fomba fijerinao ny fiainana tamin’ny fomba ahoana ny fahafantaranao momba ny drafitry ny Ray any An-danitra? Ahoana no ahafahanao manampy ny kôlejy na kilasy ampianarinao hahafantatra momba ny drafitry ny famonjena? Mba hiomanana hampianatra dia azonao vakina ny “Drafitry ny famonjena” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana ([2004], 115–17) na ny hafatry ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe “Ilay dianao lehibe mampientanentana” (Liahona, nôv. 2019, 86–90).

Sary
zatovolahy ao an-dakilasy

Manome tari-dalana sy tanjona eo amin’ny fiainantsika ny fianarana momba ny drafitry ny famonjena.

Miaraha mianatra

Fomba iray hanombohana ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny drafitry ny famonjena miaraka amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao ny manasa olona iray hanoratra ireto lohateny manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe, miaraka amin’ireo andininy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: Fiainana talohan’ny nahaterahana (andininy 22–27), Fiainana an-tany (andininy 40–43), ary ny Fiainana aorian’ny fahafatesana (andininy 50–53, 59–62). Omeo minitra vitsy hamakiana ireo andininy ireo ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hahitany ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fanatanterahana ny drafitry ny Ray any An-danitra. Angataho izy ireo hanoratra izay hitany eo ambanin’ny lohateny tsirairay. Afaka manampy azy ireo hahatakatra kokoa ny fomba itahian’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fiainan’izy ireo ireto asa atao eto ambany ireto.

  • Ny famerenana mijery ireo anaran’ny drafitry ny Ray any An-danitra dia afaka manampy ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hahatakatra tsara kokoa ilay drafitra. Afaka mamaky ireo soratra masina eo amin’ny teboka voalohany eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” izy ireo ary hanao lisitra ireo anarana fiantso ny drafitr’ Andriamanitra. Inona no ampianarin’ireo anarana fiantso ireo mikasika ilay drafitra? Ohatra hoe, ahoana no itondran’io drafitra io hasambarana ho antsika amin’izao fotoana izao sy mandrakizay? Inona no ampianarin’ireo soratra masina ireo antsika mikasika ny anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’ilay drafitra?  

  • Hevero ny hanasa ireo olona ampianarinao hifanakalo hevitra mikasika ny fomba mety hamalian’izy ireo namana iray izay mametraka ireto fanontaniana manaraka momba ny drafitry ny famonjena ireto: Avy aiza moa isika? Maninona eto isika? Handeha ho aiza isika aorian’ity fiainana ity? Asao izy ireo hampiasa ny fampahafantarana eo ambanin’ny “Drafitry ny famonjena” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana (pejy 115–17) sy ireo loharanom-pitaovana eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” mba hanomanana valin-teny ho an’ny iray amin’ireo fanontaniana. Lasa natanjaka toy ny ahoana isika rehefa nahafantatra ny valin’ireo fanontaniana ireo?

  • Mianatra lalina kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy rehefa omena fahafahana hampianatra. Angataho mialoha ny mpikambana maromaro ao amin’ny kôlejy na kilasy hiomana hizara famintinana fohy momba ny zavatra fantany mikasika ny lafin-javatra iray amin’ny drafitry ny famonjena.   Inona no fahasamihafana ateraky ny fahalalana ny drafitry ny famonjena?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny Mpamonjy dia nametraka fanontaniana izay nahatonga ireo izay nampianariny hisaintsaina lalina. Tena liana tamin-kitsimpo hahafantatra ny valin-tenin’izy ireo Izy. Ahoana no ahafahanao mampiasa fanontaniana hanampiana ny zatovo hisaintsaina lalina ny drafitr’ Andriamanitra? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 33–34.)

Hamoaka printy