Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
25 jolay. Nahoana aho no tokony hankatò ireo didin’ Andriamanitra? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83


“25 jolay. Nahoana aho no tokony hankatò ireo didin’ Andriamanitra? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“25 jolay. Nahoana aho no tokony hankatò ireo didin’ Andriamanitra?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovovavy mihira

25 jolay

Nahoana aho no tokony hankatò ireo didin’ Andriamanitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Inona no azontsika atao mba hanorenana firaisankina eo anivon’ny olona ao amin’ny kôlejy na kilasy misy antsika? Inona avy ireo tanjona tiantsika hiarahana miasa?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona no ataontsika amin’izao fotoana izao mba hizarana ny filazantsara? Inona no traikefa ananantsika amin’ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana?

  • Ny fiainantsika. Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika? Inona no nankahery antsika avy amin’ny fandalinantsika ny soratra masina tamin’ity herinandro ity?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Mety hisy fotoana hahatsapantsika fa maneritery ny fahalalahantsika sy mametra ny fahafahantsika misafidy ny didin’ Andriamanitra. Ny marina dia mampitombo ny fahalalahantsika ny didy. Ianarantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10 fa manampy antsika hahatakatra ny sitrapon’ Andriamanitra ireo didy, ary rehefa mankatò azy ireo isika dia “[ho tonga] … ho famonjena [antsika]” ny zavatra ataontsika. Raha ny marina dia izao, rehefa mankatò an’ Andriamanitra isika dia “voafatotra” ny hanome antsika ireo fitahiana nampanantenainy Izy (andininy 9–10). Ahoana no nitahian’ny Ray any An-danitra anao rehefa nankatò ireo didiny ianao? Mba hiomananao hampianatra dia afaka mamaky ny hafatry ny Loholona Dale G. Renlund hoe“Be fitahiana” (Liahona, mey 2019, 70–73) ianao.

Sary
zatovovavy iray manao fandalinana

Ireo ohatra nasehon’ireo mpanompon’ Andriamanitra nahatoky tany aloha dia afaka manentana antsika hiaina amim-pahatokiana amin’izao vaninandro izao.

Miaraha mianatra

Mety manana olana amin’ny fankatoavana ny sasany amin’ireo didy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao. Afaka mitondra fientanam-panahy ho azy ireo ny fanampiana azy ireo hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe ny fankatoavana. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny lohatenin’ity rindran-damina ity, dia asao hizara valin-teny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy. Azonao angatahina izy ireo hitady ireo hevi-baovao fanampiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10, izay mety ho efa nianarany tamin’ity herinandro ity. Avy eo dia misafidiana asa atao iray na maromaro etsy ambany mba hanampiana azy ireo hahatakatra kokoa ny antony maha-zava-dehibe foana ny mankatò an’ Andriamanitra, na dia sarotra aza ny manao izany.

  • Afaka ny ho mora kokoa ny mankatò ireo didy rehefa azontsika ny antony ao ambadik’izy ireo. Mba hianarana ny antony anomezan’ Andriamanitra antsika ireo didy dia azon’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy atao ny mamaky ireo toko sy andinin-tsoratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” (na hafa izay eritreretinao). Ahoana no ahafahan’ireo soratra masina ireo manampy antsika rehefa hitantsika fa sarotra ny mankatò didy iray? Mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonareo iarahana mamaky ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fahefatra, aza hadino ilay hoe -nahoana-ao amin’ny filazantsara” ao amin’ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Aza hadino aho” (Liahona, nôv. 2011, 122).

  • Satria takatr’ireo ampianarinao ny ohatra tonga lafatra amin’ny fankatoavana nasehon’ny Mpamonjy, dia mety ho voataona hankatò feno kokoa an’ Andriamanitra izy ireo. Oviana i Jesoa Kristy no nankatò ny Rainy na dia tao anaty toe-javatra sarotra aza? (jereo ny Matio 4:1–11; Lioka 22:39–44). Azo jerena ao amin’ny Hebreo 11 ny ohatra amin’ireo lehilahy sy vehivavy mpankatò. Afaka misafidy iray amin’ireo ohatra ireo angamba ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy misy anao—na ohatra hafa fantany, ao anatin’izany ny ao amin’ny fianakavian’izy ireo—ary hizara izay zavatra manentana azy ireo momba ireo olona ireo. Nahoana izy ireo no nisafidy ny hankatò ny Tompo? Ahoana no anampian’ny Mpamonjy antsika rehefa misafidy ny ho mpankatò isika?

  • Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy handray ireo didy ho fitahiana fa tsy enta-mavesatra dia azonao atao ny mizara ireo fampianaran’ny Loholona D. Todd Christofferson hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Afaka mampiseho na manao sarina tohatra ianao ary mangataka ireo olona ampianarinao hametraka didy iray izay mety ho saro-takarina na ankatoavina ho an’ny tanora iray mba ho anaran’ny zana-tohatra tsirairay . Ahoana no ahafahan’ireo tenin’ny Loholona Christofferson manampy olona iray izay manana olana amin’ny fitandremana ireo didy?

  • Azon’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy atao angamba ny manomana ny horonan-tsarin’izy ireo manokana mikasika ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra. Afaka mikarakara fiaraha-mientana iray hamoronana ilay horonan-tsary izy ireo ary hizara izany amin’ny tambajotran-tserasera.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

  • 1 Nefia 17:3; Môzià 2:41; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21 (Tahiana amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo didy isika)

  • Deoteronomia 10:12–13; Jaona 14:15; 1 Jaona 5:1–3 (Mankatò ireo didy isika satria tia an’ Andriamanitra)

  • Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:20 (Manome fahafahana antsika handray amin’ny fahafenoan’ Andriamanitra ny fankatoavana)

  • Nampianatra toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson: “Ny sasany dia tsy mahita afa-tsy fahafoizan-tena sy famerana ao amin’ny fankatoavana ireo didy ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay, saingy ireo izay miaina izany—izay manolo-tena amin-kalalahana sy tsy amim-pihambahambana hiaina ilay fiainana ao anatin’ny fanekempihavanana—dia mahita fahafahana sy fahatontosan-javatra lehibe kokoa. Rehefa tena azontsika tsara izany, dia mikatsaka didy betsaka kokoa isika, fa tsy vitsy kokoa. Ny lalàna na didy vaovao tsirairay ianarantsika sy iainantsika dia tahaka ny antanan-tohatra iray fanampiny na zana-tohatra izay ahafahantsika miakatra ambonimbony kokoa hatrany. Ary tena marina fa ny fiainana araka ny filazantsara no fiainana tsara” (“Ny herin’ny fanekempihavanana,” Liahona, mey 2009, 23).

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nanasa ny mpianany hijoro ho vavolombelona ny Mpamonjy ary rehefa nanao izany izy ireo dia nikasika ny fon’izy ireo ny Fanahy. Rehefa mampianatra ianao dia asao ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ny didy.

Hamoaka printy