Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
8 aogôsitra. Ahoana no ahafahako mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87


“8 aogôsitra. Ahoana no ahafahako mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“8 aogôsitra. Ahoana no ahafahako mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovolahy eo anoloan’ny tempoly

8 aogôsitra

Ahoana no ahafahako mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (azonareo tapahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ireo zavatra izay horesahina):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Inona avy ireo fiaraha-mientana nataontsika tato ato? Nahomby ve izy ireny? Inona no nizotra tsara, ary inona no azontsika hatsaraina?

  • Ny andraikitsika na anjara asantsika. Iza no mila ny asa fanompoantsika? Ahoana no hahafahantsika manampy azy ireo?

  • Ny fiainantsika. Inona avy ny tanjona hisasarantsika tsirairay avy? Inona avy ireo zavatra niainana azontsika zaraina? Inona avy ireo fitahiana efa noraisintsika?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety ny hanaovana izany izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Mety hahalala zavatra momba ny andraikitr’izy ireo amin’ny fanaovana ny asa fitoriana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny fanaovana tantaram-pianakaviana ireo izay ampianarinao ao amin’ny kôlejy na kilasy. Fa raha miresaka amin’izy ireo momba ny fanangonana an’i Isiraely ianao, dia mety tsy ho fantany ny zavatra resahinao. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra fa ny fizarana ny filazantsara, ny fikarohana ny tantaram-pianakavian’izy ireo ary ny fanatanterahana ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly dia ampahany amin’ny asa lehibe kokoa amin’ny fanangonana an’i Isiraely mba hanomanana ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany?

Ireo izay ampianarinao dia mety ho efa nianatra ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86, izay mampianatra momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany. Rehefa mamaky an’io fizarana io ianao, dia andramo alaina sary an-tsaina ho toy ny mpiasa ao amin’ny tanimbolin’ny Tompo ireo olona ao amin’ny kôlejy na kilasy izay ampianarinao. Ahoana no hanampianao azy ireo hiaina ny fifaliana izay tonga avy amin’ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ity asa lehibe ity? Mba hahalalana bebe kokoa momba io lohahevitra io dia halalino ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Rahavavy Wendy W. Nelson hoe “Fanantenana ho an’i Isiraely” ([fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], tovan’ny New Era sy ny Ensign, ChurchofJesusChrist.org).

Sary
tovovavy sy vehivavy lehibe mijery solosaina

Afaka manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ny zatovolahy sy ny zatovavy.

Miaraha mianatra

Afaka manomboka amin’ny fametrahana fanontaniana toy ireto amin’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy ianao: Inona no zavatra hitanao hoe miavaka rehefa namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86 tany an-trano ianao? Inona no zavatra nianaranao mikasika ny asa fanangonana ny zanak’ Andriamanitra amin’ny andro farany? Inona no ataontsika amin’izao mba handraisana anjara amin’io asa io? Ireto ambany ireto misy hevitra fanampiny mba hanentanana ny kôlejy na kilasy ampianarinao handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

  • Anontanio an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy misy anao izay zavatra eritreretiny rehefa maheno ny teny hoe “fanangonana an’i Isiraely” izy ireo. Raha mila fanampiana izy ireo dia omeo sosokevitra hamaky ity famaritana manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity: “Ny tena dikan’ny fanangonana an’ Isiraely dia ny fanolorana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo zanak’ Andriamanitra amin’ny lafin’ny voaly roa izay mbola tsy nahavita ireo fanekempihavanana manan-danja amin’ Andriamanitra na nandray ireo ôrdônansy manan-danja ho an’ny tenany. Ny zanaky ny Ray any An-danitra tsirairay avy dia mendrika ilay fahafahana hisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy, ny hanaraka sy handray ny filazantsarany miaraka amin’ireo fitahiana rehetra ao anatiny” (“Fanantenana ho an’i Isiraely,” 11–12). Ahoana no hanovan’io famaritana io ny fomba iheverantsika an’io adidy lehibe io?

  • Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hahatakatra ny fomba iharan’ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary amin’izy ireo dia afaka manoratra andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86 eny amin’ny solaitrabe ianao. Ireo andian-teny ireo dia afaka mamaritra ireo tandindona ao amin’ilay fanoharana—toy ny hoe “mpamafy voa,” “tsimparifary … manafotra ny vary,” “maniry ny vary,” ary ny hoe “hangonina … ny vary” (andininy 2–4, 7). Ireo andian-teny ireo ihany koa dia afaka mamaritra ny fanazavana ireo tandindona ireo—toy ny hoe “ny Apôstôly,” “ny Apôstazia,” “ny Famerenana amin’ny laoniny,” ary ny “asa fitoriana.” Avy eo dia afaka miara-miasa mamaky ny fizarana 86 ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ary mampifandray ireo tandindona amin’ny heviny. (Azon’izy ireo atao koa ny mamaky ny Matio 13:36–43.) Inona no ianarantsika avy amin’io fanoharana momba ny asa fanangonana an’i Isiraely io? Inona no azontsika atao mba ho “fahazavana” sy “mpamonjy” ny zanak’ Andriamanitra? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:11).

  • Mety hahatsiaro ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy fa ny Filoha Russell M. Nelson, ao amin’ny hafany hoe “Fanantenana ho an’i Isiraely” dia nanasa azy ireo hanao zavatra manokana mba hiomanana hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely (jereo ny pejy 14–17). Anontanio azy ireo ny fanasana izay tadidiny, ary iaraho jerena indray araka izay ilaina ireo fanasana. Hahatonga antsika hahomby kokoa amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny fomba ahoana ny fanaovana ireo zavatra ireo? Inona no azontsika atao mba hampahatsiahivana ireo fanasana ireo amin’ny tenantsika sy hifanampiantsika amin’ny fanatanterahana azy ireo? Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hieritreritra amin’ny fampiasana ny fahaiza-mamorona ary hizara ny hevitr’izy ireo.

  • Afaka mamaky ny fampidirana sy ny fizarana roa voalohany amin’ny hafatry ny Loholona Quentin L. Cook hoe “Fitiavana lehibe ho an’ireo zanaky ny Raintsika” (Liahona, mey 2019, 76–79) ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy, ka hijery ny antony maha zava-dehibe loatra ny fitiavana amin’ny ezaka ataontsika amin’ny asa fitoriana, ny tempoly ary ny tantaram-pianakaviana. Angataho izy ireo hizara ny zavatra nianarany mikasika ny fomba ahafahan’ny fitiavana manova zavatra rehefa miezaka mafy hizara ny filazantsara amin’ireo ao amin’ny lafy roan’ny voaly isika. Omeo fotoana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hanoratra zavatra tiany hatao noho ilay fifanakalozan-kevitra natao androany. Mba hanampiana azy ireo hahita hevitra dia afaka manome sosokevitra azy ireo ianao hieritreritra olona fantany. Ahoana no mety hanampian’ Andriamanitra ireo olona ireo? Ahoana no ahafahantsika manampy?

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Natoky ireo izay nanaraka Azy ny Mpamonjy. Nanomana azy ireo Izy ary nanome azy ireo andraikitra lehibe hampianatra, hitahy ary hanompo ny hafa (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 28). Inona avy ireo fahafahana azonao atolotra ny zatovo mba hifampianarany?

Hamoaka printy