Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
22 aogositra. Nahoana aho no tian’ny Tompo ho salama tsara? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92


“22 aogositra. Nahoana aho no tian’ny Tompo ho salama tsara? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“22 aogositra. Nahoana aho no tian’ny Tompo ho salama tsara?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovovavy manao dia an-tongotra lavitra any anaty ala

22 aogositra

Nahoana aho no tian’ny Tompo ho salama tsara?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Iza no olona vaovao ato amin’ny paroasintsika, ary ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahatsapa ho voaray tsara? Inona no ataontsika mba hahatonga ny fotoantsika ao amin’ny kôlejy na kilasy ho manan-danja?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona avy ireo adidy sy andraikitra sasany ananantsika amin’ny maha-zatovolahy sy zatovovavy antsika? Ahoana no ahafahantsika manatanteraka azy ireny amin’ny fomba tsaratsara kokoa?

  • Ny fiainantsika. Inona no ataontsika mba ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa ary handraisana ny heriny eo amin’ny fiainantsika? Inona no ataontsika mba hanampiana ny fianakaviantsika hanatona Azy?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Mora ho an’ny olona sasany ny mieritreritra ny Tenin’ny Fahendrena hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89, ho lisitr’ireo zavatra tokony sy tsy tokony hatao. Ahitana ny sasany amin’ireo ny Tenin’ny Fahendrena, saingy ahitana ihany koa ireo fitsipika hihazonana ny vatantsika ho salama izany. Mampianatra ihany koa izany fa ny fomba itondrantsika ny vatantsika dia misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamantsika ara-tsaina, ara-pihetseham-po ary ara-panahy. Inona avy ireo fitahiana noraisinao rehefa niezaka mafy ny hiaina fiainana mahasalama ianao?

Mety ho efa nandalina ny Tenin’ny Fahendrena ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao satria namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92 izy ireo tamin’ity herinandro ity. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra ireo fitahiana ara-batana sy ara-panahy izay tonga avy amin’ny fankatoavana io fanambarana io? Afaka mahita hevi-baovao manampy ianao amin’ny alalan’ny famakiana ny Santé physique et émotionnelle” ao amin’ny Jeunes, soyez forts ([2011], 25–27).

Sary
zatovolahy manao dia an-tongotra lavitra any anaty ala

Ny fikarakarana ny tenantsika ara-batana dia misy fiantraikany amin’ny fahasalamantsika ara-tsaina, ara-pihetseham-po ary ara-panahy.

Miaraha mianatra

Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny Tenin’ny Fahendrena dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto teny ireto: Ara-batana Ara-tsaina, Ara-panahy, ary Ara-tsôsialy. Asao ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21 sy hifanakalo hevitra ny amin’ny fomba iharan’ireo fampanantenana ao amin’ireo andininy ireo amin’ireo sehatra ireo. Inona avy ireo fitahiana afaka ny ho tonga avy amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena? Ahoana no niainantsika ireo fitahiana ireo teo amin’ny fiainantsika?

  • Afaka mifampianatra zavatra be dia be amin’ny alalan’ny fanaovana lisitra iombonana an’ireo zavatra ataony mba hahasalama azy ireo ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy. Zarao ho vondrona maromaro ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy, dia omeo andraikitra hamakafaka ny iray na mihoatra izany amin’ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny teboka voalohany eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ny vondrona tsirairay, ka hitady fahamarinana momba ny fahasalamana ara-batana. Angataho ny vondrona tsirairay hizara ny zavatra nianarany ary hanoratra ireo heviny eny amin’ny solaitrabe. Ahoana no hamaliantsika fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto: Nahoana Andriamanitra no manome antsika lalàna mikasika ny fahasalamana ara-batana? Nahoana no mankatò azy ireny isika?

  • Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao dia mety hametrahan’ny olona fanontaniana momba ny antony tsy isotroany toaka, tsy ifohany sigara, na andraisany zava-mahadomelina. Ahoana no hamaliany ireo fanontaniana ireo? Afaka mandinika ny “Santé physique et émotionnelle” ao amin’ny Jeunes, soyez forts (pejy 25–27) izy ireo ary mitady torohevitra sy fitahiana ampanantenaina izay azony zaraina amin’ny hafa. Inona no fiantraikan’ny fomba itondrantsika ny vatantsika amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra? Ahoana no nahazoan’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy fijoroana ho vavolombelona fa mitahy ny fiainan’izy ireo ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena?

  • Ireo zavatra niainana maneho ireo fitahiana avy amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena dia afaka manentana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hanokan-tena bebe kokoa amin’ny fiainana io lalàna io. Azonao atao ny mizara zavatra niainana na ilay zavatra niainana nozarain’ny Filoha Thomas S. Monson ao amin’ny hafany hoe “Fitsipika sy fampanantenana” (Liahona, nôv. 2016, 78–79).   Afaka mamporisika ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hizara ny zavatra niainany ianao.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fomba hanoherana ny fakam-panahy handika ny Tenin’ny Fahendrena, dia afaka mampiseho jono ianao (na sary iray maneho izany). Ahoana no amitahan’ny jono ny trondro? Ny valin’io fanontaniana io dia azo jerena ao amin’ny M. Russell Ballard, “E, ny hafetsen’ny tetikadin’ilay ratsy,” Liahona, nôv. 2010, 108–10). Inona no mampitovy ny jono amin’ny zavatra ataon’i Satana hamitahana na hametsena antsika? Inona no hafatra omen’ny Filoha Ballard ho an’ireo izay tratran’ny fiankinan-doha? Ahoana no ahafahantsika manampy olona iray mitolona amin’ny fakam-panahy mba hitodika amin’ny Mpamonjy? (jereo ny soratra masina eo amin’ny teboka faharoa eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana”).

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ohatra sy mpanofana antsika teo amin’ny sehatra rehetra ny Mpamonjy. Rehefa miomana hampianatra ianao dia eritrereto ny fomba nifandraisan’ny Tompo tamin’ny hafa sy ny fomba ahafahanao mifandray amin’ny fomba izay mampitraka sy mankahery ireo olona ampianarinao.

Hamoaka printy