Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
12 septambra. Ahoana no ahafahantsika miatrika fahoriana amim-pinoana? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101


“12 septambra. Ahoana no ahafahantsika miatrika fahoriana amim-pinoana? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“12 septambra. Ahoana no ahafahantsika miatrika fahoriana amim-pinoana?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
Olomasina mandositra ireo andian’olona mpihetraketraka

C. C. A. Christensen (1831–1912), Olomasina noroahina hiala ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, tokotokony ho tamin’ny taona 1878, tempera sur mousseline, 77 ¼ × 113 pouce. Tranombakoky ny zavakanton’ny Oniversiten’i Brigham Young, fanomezana avy tamin’ireo zafikelin’i C.C.A. Christensen, 1970

12 septambra

Ahoana no ahafahantsika miatrika fahoriana amim-pinoana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Iza no mila ny fanampiantsika sy ny vavaka ataontsika? Inona no azontsika atao mba hanampiana azy ireo? Iza no tokony hasaintsika amin’ny fiaraha-mientana manaraka?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona avy ireo asa nampandraiketina efa tontosantsika?Inona avy ireo asa nampandraiketina ilaina ataontsika? Ahoana no nanasantsika ny hafa hanatona an’i Kristy, ary ahoana no ahafahantsika manasa ny hafa ankehitriny?

  • Ny fiainantsika. Inona avy ireo zavatra niainana tato ho ato izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Inona no mitranga eo amin’ny fiainantsika, ary ahoana no ahafahantsika mifanohana?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Ireo tenin’ Andriamanitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98 sy 101 dia nanome fampiononana ireo Olomasina izay niatrika fitsapana mahamay tany Missouri teo anelanelan’ny 1830 sy 1840. Mety ho hafa amin’ny an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana ny fitsapana mahazo antsika amin’izao, nefa samy miatrika fahoriana mandritra ny fiainantsika eto an-tany avokoa isika rehetra, ary ny fihetsika feno fahatokiana hasetrintsika ireo fahoriana dia manampy antsika hitombo ara-panahy sy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Ahoana no nampatanjahan’ny fitodihana tany amin’ny Tompo nandritra ny fotoam-pahoriana anao sy ny nanatsaran’izany ny fifandraisanao tamin’i Jesoa Kristy? Fanamby sy fitsapana inona no iainan’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao amin’izao fotoana izao, ary ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahazo tanjaka ao amin’ny Mpamonjy? Mba hanampiana anao hiomana hampianatra momba ny fahoriana dia azonao vakina ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Maratra” (Liahona, nôv. 2018, 83–86) sy ny “Fahoriana” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana ([2004], 8–11).

Sary
zatovolahy eny ivelany

Afaka mahita fiadanana ao anatin’ny fotoam-pahoriana isika amin’ny alalan’ny fitodihantsika any amin’ny Mpamonjy.

Miaraha mianatra

Ny tsirairay amin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao dia sahirana amin’ireo olana atrehiny avy. Inona no fampiononana tsapanao fa afaka ny ho hitan’izy ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3? Afaka mampiasa ny iray na ny maromaro amin’ireo asa atao etsy ambany ianao hanampiana azy ireo hahatakatra ny fomba iaretana ny fahoriana miaraka amin’ny finoana ny Tompo.

  • Ny soratra masina dia ahitana ohatra maro amin’ireo olona izay niaritra fitsapana tamim-pahatokiana. Afaka mianatra ny fomba iaretana fahoriana amim-pahatokiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy amin’ny alalan’ny fandalinana ny sasany amin’ireo ohatra ireo (jereo ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ny sasany amin’izany). Afaka misafidy iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ny tsirairay amin’izy ireo ary mamintina ny zavatra niainan’izany olona izany amin’ny kôlejy na kilasy. Inona ireo hevi-baovao azontsika momba ny antony iatrehantsika zava-tsarotra? Inona no ianarantsika momba ny fomba iaretantsika fahoriana amim-pahatokiana? Asao mba samy hanoratra fitsapana iray izay atrehiny na atrehin’ireo olona tiany ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ary hisaintsaina ny fomba ahafahany mampiasa ny herin’ny Mpamonjy mba hanampiana azy ireo mandritra ireo fitsapana.

  • Mba hianarana momba ny sasany amin’ireo anton’ny fahoriana sy ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny fitsapana lalovantsika, dia azonareo iarahana mamaky ny andiam-pehezan-teny roa voalohany eo ambanin’ny “Fahoriana” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana (pejy 8). Asao mba hizara ny zavatra nianarany ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy. Avy eo ny olona tsirairay dia afaka mamerina mijery ny iray amin’ireo fizarana telo tavela ao amin’ny“Fahoriana ” ary hiomana hampianatra ny ambin’ny zavatra nianaran’izy ireo, anisan’izany ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika mandritra ny fotoan’ny fitsapana. Amporisiho izy ireo hizara zavatra niainana manokana mifandray amin’ny zavatra novakin’izy ireo raha mahazo aina amin’ny fanaovana izany.

  • Fomba iray hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fahoriana ny manoritra tsipika eo afovoan’ny solaitrabe dia manoratra hoe Nahoana no misy fahoriana eo anivontsika? amin’ny lafiny iray ary hoe Ahoana no ahafahantsika miatrika amim-pahatokiana ny fahoriana? eo amin’ny lafiny ilany. Afaka mamaky ny iray amin’ireo fizarana ao amin’ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Maratra,” ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao ka hitady ny valin’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Inona no zavatra ianarantsika momba ny Mpamonjy avy amin’ny hafatry ny Loholona Andersen?

  • Nampiasa ohatra mikasika ny akohokely sy lolo ny Loholona Stanley G. Ellis mba hampianarana mikasika ny fahoriana tao anatin’ny hafany hoe “Matoky Azy ve isika? Tsara ny zavatra sarotra” (Liahona, nôv. 2017, 112–14). Afaka mampiseho sarina akohokely foy ianao na lolo mivoaka avy ao amin’ny akoran-dandy ary mifanakalo hevitra momba ny zavatra nampianarin’ny Loholona Ellis. Afaka miara-miasa tsiroaroa ireo olona ampianarinao mba hamaky ny lahatenin’ny Loholona Ellis. Ny olon-droa isanisany dia afaka manao lisitra ny zavatra rehetra hitany izay nampianariny mikasika ny antony isian’ny fahoriana eo amintsika sy ny fomba tokony hiatrehantsika izany. Ahoana no nanampian’ny fiaretana tamim-pahatokiana tao anatin’ny fotoam-pahoriana antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Fantatry ny Mpamonjy manokana ireo izay nampianariny, ary fantany hoe afaka ny ho lasa olona tahaka ny ahoana izy ireo. Rehefa sahirana izy ireo dia tsy mba nilavo lefona tamin’izy ireo Izy fa nanohy nitia azy ireo hatrany. Inona ireo ady mafy atrehin’ny tanora? Ahoana no ahafahanao maneho fitiavana sy fanohanana?

Hamoaka printy