Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
26 septambra. Nahoana no zava-dehibe ny maha eto ambonin’ny tany ireo fanalahidin’ny fisoronana amin’izao fotoana izao? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108


“26 septambra. Nahoana no zava-dehibe ny maha eto ambonin’ny tany ireo fanalahidin’ny fisoronana amin’izao fotoana izao? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“26 septambra. Nahoana no zava-dehibe ny maha eto ambonin’ny tany ireo fanalahidin’ny fisoronana amin’izao fotoana izao?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
ampahany kely amin’ny sarivongan’i Petera mihazona fanalahidy

26 septambra

Nahoana no zava-dehibe ny maha eto ambonin’ny tany ireo fanalahidin’ny fisoronana amin’izao fotoana izao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Inona no azontsika atao mba hanorenana firaisankina eo anivon’ny olona ao amin’ny kôlejy na kilasy misy antsika? Inona avy ireo tanjona tiantsika hiarahana miasa?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona no ataontsika amin’izao fotoana izao mba hizarana ny filazantsara? Inona no traikefa ananantsika amin’ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana?

  • Ny fiainantsika. Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika? Inona no nankahery antsika avy amin’ny fandalinantsika ny soratra masina tamin’ity herinandro ity?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

“Ny fanalahidin’ny fisoronana,” hoy ny Loholona Gary E. Stevenson nampianatra dia, “hanokatra ireo fitahiana sy fanomezam- pahasoavana ary herin’ny lanitra ho [antsika]” (“Aiza ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana?Liahona, mey 2016, 32). I Jesoa Kristy no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra, ary nanome fahefana ireo iraka avy any an-danitra hanome fanalahidin’ny fisoronana an’i Joseph Smith Izy. Ankehitriny dia mihazona ireo fanalahidy ireo ny mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:3–4, 6; 107:35; 132:7). Ireo fanalahidy ireo dia ny fahefana nomen’ Andriamanitra ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hitarihana ny fampiasana ny fisoronany eto ambonin’ny tany.

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 ianao amin’ity herinandro ity, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ Andriamanitra mitahy anao sy ireo olona ampianarinao amin’ny alalan’ny fisoronany. Inona no hitanao ao amin’io fizarana io fa zava-dehibe ho an’ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny mahafantatra azy? Rehefa miomana hampianatra ianao dia azonao vakina ny hafatry ny Loholona Gary E. Stevenson voalaza etsy ambony sy ny “Fanalahidin’ny Fisoronana” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana ([2004], 126–27).

Sary
ankizilahy mizara ny fanasan’ny Tompo

Fitahiana lehibe ara-panahy maro no azo omena antsika amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana.

Miaraha mianatra

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 dia afaka manampy amin’ny famaliana ny fanontaniana hoe “Fitahiana inona no raisintsika amin’ny alalan’ny fisoronana sy ny fanompoana ataon’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana?” Afaka hitady valiny ao amin’ny andininy 18–23, 85–89 angamba ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy. Mba hanampiana azy ireo hahatakatra kokoa ny fomba itahian’ny fisoronana sy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ny fiainantsika, dia ampiasao ny iray na ny maromaro amin’ireto asa atao manaraka ireto.

  • Azonao atao ny manomboka fifanakalozan-kevitra momba ireo fanalahidin’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fanasana mpikambana iray ao amin’ny kôlejy na kilasy hivonona hizara ny tantara momba ny famangian’ny Filoha Spencer W. Kimball ny fiangonana iray tao Danemark, izay notantarain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny hafany hoe “Ny Roambinifololahy” (Liahona, mey 2008, 83–87. Azonao atao ihany koa ny mangataka amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao mba hiara-hamaky ny fizarana “Fanalahidin’ny Fisoronana” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana (pejy 126–27). Omeo fotoana izy ireo ifampianarany tsiroaroa momba ireo fanalahidin’ny fisoronana miainga avy amin’ny zavatra nianarany. Inona avy ireo fitahiana tonga teo amintsika tamin’ny alalan’ny fanompoana nataon’ireo mpihazona ny fanalahidin’ny fisoronana?

  • Mety ho tianao ny hizara ny tantaran’ny Loholona Gary E. Stevenson momba fahaverezan’ny fanalahidiny avy ao amin’ny andiam-pehezan-teny enina voalohany amin’ny hafany hoe “Aiza ny fanalahidy sy ny fahefan’ny Fisoronana?”.  Afaka mampiseho fanalahidy ianao ary manasa ny kôlejy na kilasy ampianarinao mba hizara ny fomba itovian’ireo fanalahidy ireo amin’ny fanalahidin’ny fisoronana. Ireo olona ampianarinao dia afaka mamaky sy mifanakalo hevitra momba ireo soratra masina noresahin’ny Loholona Stevenson (Joseph Smith—Tantara 1:68–72; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16), izay mamariparitra ireo fanalahidin’ny fisoronana izay natolotra ho eto antany. Afaka manasa ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ianao mba samy hisafidy ny iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto ary hizara famintinana anatina fehezan-teny iray ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ireo hery sy fitahiana raisintsika amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana: Matio 16:18–19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12; 65:2; 84:19–20. Inona no antony maha zava-dehibe ny maha-eto ambonin’ny tany ireo fanalahidin’ny fisoronana ankehitriny?

  • Azonao atao ny manome fanalahidy taratasy ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao ary manome andraikitra ny olona tsirairay hamaky ny fizarana II, III, IV, na V amin’ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny Fisoronana” (Liahona, mey 2014, 49–52). Asao izy ireo hanoratra izay zavatra nianaran’izy ireo momba ny fisoronana eo amin’ilay fanalahidy ary hizara izay zavatra nosoratany. Ahoana no hanovan’ireo fahamarinana ireo ny zavatra tsapantsika momba ireo mpitarika antsika ao amin’ny kôlejy na kilasy misy antsika sy ny asa ampanaovin’izy ireo antsika?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

  • Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 76–79

  • Priesthood Keys (Ireo fanalahidin’ny Fisoronana),” ao amin’ny General Handbook: Serving in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany). 3.4.1

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Niantso sy nanokana mpitarika ny Mpamonjy mba hitarika sy hitondra ny Fiangonany (jereo ny Matio 10:1–5). Ahoana no ahafahanao manampy ireo olona ampianarinao hahatsapa fankasitrahana an’ireo nantsoina hanompo sy hanampy azy ireo?

Hamoaka printy