Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
10 ôktôbra. Ahoana no ahafahako ho lasa miova fo feno kokoa ho an’ny Tompo? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114


“10 ôktôbra. Ahoana no ahafahako ho lasa miova fo feno kokoa ho an’ny Tompo? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“10 ôktôbra. Ahoana no ahafahako ho lasa miova fo feno kokoa ho an’ny Tompo?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovovavy mitsiky

10 ôktôbra

Ahoana no ahafahako ho lasa miova fo feno kokoa ho an’ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Aorian’izay, ankoatra ny fiarahana midinika mikasika ny raharaha mahakasika manokana ny kôlejy na kilasy, dia azonareo atao ny miresadresaka momba ireo zavatra tsapa sy ireo lohahevitra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona ireo lohahevitra na hafatra nanaitra anao?

  • Inona no zavatra tsapantsika fa asaina ataontsika noho ny zavatra nianarantsika na tsapantsika?

  • Inona no zavatra tokony hataon’ny kôlejy na kilasy mba hamadihana ho asa ireo torohevitra rentsika nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Mba hahatongavana ho miova fo feno kokoa ho an’i Jesoa Kristy, dia tsy maintsy matoky Azy sy mankatò ireo didiny isika—na dia amin’ny fotoana itsapan’ny olana sarotra ny fiovam-pontsika aza. Tamin’ny 1837 dia nisy mpikamban’ny Fiangonana, izay nahitana ireo mpikambana sasany tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, tsy nanana fijoroana ho vavolombelona intsony ary nihodina nanohitra ny Mpaminany Joseph Smith. I Thomas B. Marsh no Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izay fotoana izay. Rehefa namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 ianao sy ny fianakavianao tamin’ity herinandro ity, dia mety ho tsikaritrao ny torohevitra nomen’ny Tompo mba hanampiana an’i Thomas B. Marsh hanamafy ny fiovam-pony (jereo manokana ny andininy 10–26). Inona no ampianarin’io torohevitra io anao mikasika ny fahatongavana ho miova fo kokoa ho an’ny Mpamonjy?

Ahoana no ahafahanao manampy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy handray ny fampanantenan’ny Mpamonjy hoe “hovana fo [izy ireo] ary hositraniko”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:13). Inona avy ireo zavatra niainana azonao zaraina? Rehefa misaintsaina ireo fanontaniana ireo ianao, dia hevero ny hamaky ny hafatry ny Filoha Bonnie H. Cordon hoe “Matokia an’i Jehovah fa aza miankina amin-javatra hafa” (Liahona, mey 2017, 6–9) sy ny “Fiovam-po” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana ([2004], 40–43).

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Tanjaka lehibe ny soratra masina rehefa mikatsaka ny ho lasa miova fo feno kokoa isika.

Miaraha mianatra

Fantatr’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao ve ny dikan’ny hoe miova fo ho an’i Jesoa Kristy? Fantatr’izy ireo ve hoe ahoana no ahatongavana ho miova fo feno kokoa? Asao izy ireo hisaintsaina ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10–26. Ahoana no ahafahantsika mijanona ho miova fo ho an’i Jesoa Kristy na dia ao anatina toe-javatra sarotra aza? Afaka mampiasa ny iray na ny mihoatra izany amin’ireto asa atao ireto ianao mba hanampiana ny kôlejy na kilasy ampianarinao hanamafy ny fiovam-pon’izy ireo ho an’ny Mpamonjy.

  • Ny Almà 32:27–43 dia afaka manampy ireo olona ampianarinao hahatakatra ny fomba hampatanjahana ny finoan’izy ireo ary ho lasa miova fo feno kokoa ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Angamba mety ho azonao atao ny mizara ny kôlejy na kilasy ho vondrona maromaro ary mangataka ny vondrona tsirairay hamaky ireo andininy ireo sy hifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra ampianarin’izany momba ny finoana sy ny fiovam-po. Asaivo mizara ny zavatra nianarany ny vondrona tsirairay. Afaka mamporisika ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra ianao amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana tahaka ireto: Nahoana ny voa izay mitombo dia lasa hazo no famariparitana tsara ny fiovam-po? Inona no dikan’ny hoe “fanandramana ny teni[n’ Andriamanitra]”? (andininy 27). Inona no dikan’ny hoe: “mamahana ny hazo”? (andininy 41). Ahoana no ahafahantsika milaza fa ny voan’ny fiovam-po dia “mandrobona … sy mitsimoka ary manomboka mitombo” ao anatintsika? (andininy 30). Omeo fotoana hisaintsainany izay zavatra ilaina ataony ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hamahanany ny fiovam-pon’izy ireo manokana ho an’i Jesoa Kristy.

  • Maro ireo hery manohitra ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy eto amin’izao tontolo izao. Ny famakiana ny Helamàna 5:12 dia afaka mampianatra ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny fomba hijanonana ho matanjaka na dia eo aza ny fanoherana. Inona no dikan’ny hoe “[manorina] ny fototrareo” eo ambonin’ny vatolampin’i Jesoa Kristy? Azonao atao ny manome ampahany amin’ny hafatry ny Loholona Quentin L. Cook hoe “Ireo fototra iorenan’ny finoana” (Liahona, mey 2017, 127–31) ho an’ny olona tsirairay ary mangataka azy ireo hitady ohatra sy torohevitra izay manampy azy ireo hanorina ny fototra iorenany eo amin’ny Mpamonjy.

  • Afaka mieritreritra fomba foronina iray hanehoana ny fitsipika ampianarin’ny Filoha Bonnie H. Cordon ao amin’ny hafatra nomeny hoe “Matokia an’i Jehovah fa aza miankina amin-javatra hafa” ve ianao? Ohatra hoe, azonao atao ny mizara ny kôlejy na ny kilasy ampianarinao ho vondrona maromaro ary mampanao fanamby ny vondrona tsirairay hanangana rafitra faran’izay avo eo ambonina tany mitongilana amin’ny fampiasana kilalao fanaovana rafi-trano na zavatra hafa. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ny fifandraisan’izany amin’ny hafatry ny Filoha Cordon. Avy eo ny kôlejy na ny kilasy dia afaka mikaroka ao amin’ilay hafatra mba hitadiavana ireo sosokevitra momba ny fomba ihazonana ny fiainantsika hifantoka amin’i Jesoa Kristy. Inona avy ireo zavatra niainana azontsika zaraina tamin’ny fotoana niankinantsika tamin’ny fahatakaran’ny saintsika na tamin’ny fotoana natokiantsika ny Mpamonjy?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Hoy ny Mpamonjy hoe: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’ Izay naniraka Ahy” (Jaona 7:16). Nampianatra ny fotopampianarana izay nianarany tamin’ny Rainy Izy. Ahoana no akanao antoka fa mampianatra fotopampianarana marina ianao? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 20–21.)

Hamoaka printy