Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
24 ôktôbra. Ahoana no ahafahako mahazo “ny herin’ny lanitra” eo amin’ny fiainako? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123


“24 ôktôbra. Ahoana no ahafahako mahazo -ny herin’ny lanitra- eo amin’ny fiainako? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“24 ôktôbra. Ahoana no ahafahako mahazo -ny herin’ny lanitra- eo amin’ny fiainako?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
vehivavy miara-mandeha an-tongotra

24 ôktôbra

Ahoana no ahafahako mahazo “ny herin’ny lanitra” eo amin’ny fiainako?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Iza no olona vaovao ato amin’ny paroasintsika, ary ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahatsapa ho voaray tsara? Inona no ataontsika mba hahatonga ny fotoantsika ao amin’ny kôlejy na kilasy ho manan-danja?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona avy ireo adidy sy andraikitra sasany ananantsika amin’ny maha-zatovolahy sy zatovovavy antsika? Ahoana no ahafahantsika manatanteraka azy ireny amin’ny fomba tsaratsara kokoa?

  • Ny fiainantsika. Inona no ataontsika mba ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa ary handraisana ny heriny eo amin’ny fiainantsika? Inona no ataontsika mba hanampiana ny fianakaviantsika hanatona Azy?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Samy hafa ny fahefana sy ny herin’ny fisoronana. Afaka mandray ny fahefan’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ny olona iray—afaka ny hotendrena amina anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana ny lehilahy iray, ary samy azo atokana ho amina antso iray na ny lehilahy na ny vehivavy. Fa ny herin’ny fisoronana—herin’ Andriamanitra, na “herin’ny lanitra”—dia tsy azo ampiasaina raha tsy “araka ireo fitsipiky ny fahamarinana” ihany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36), ary samy afaka mampiasa io hery io na ny lehilahy na ny vehivavy. Raha tiantsika hahery vaika sy manova fiainana ny fanompoana ataontsika amin’ny hafa, dia mila mendrika ny hangataka ny herin’ny lanitra isika.

Fantatr’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao ve ny fomba hahazoana ny herin’ny fisoronana? Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainan’izy ireo sy ny fanompoany raha nanana izany fahatakarana izany izy ireo? Saintsaino ireto fanontaniana ireto rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121 ianao. Ho tsara ihany koa ny handalina hafatra roa avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson. Ny iray dia ho an’ireo mpihazona fisoronana—“Ny saran’ny fananana herin’ny fisoronana” (Liahona, mey 2016, 66–69). Ny iray hafa dia ho an’ireo rahavavy—“Ireo harena ara-panahy” (Liahona, nôv. 2019, 76–79).

Sary
zatovolahy mivavaka

Avy amin’ny fiainana marina no iavian’ny herin’ny fisoronana.

Miaraha mianatra

Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny herin’ny fisoronana dia afaka mangataka ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ianao hizara zavatra nianaran’izy ireo momba io hery io avy amin’ny famakiany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121 tamin’ity herinandro ity. Raha manampy dia afaka manome sosokevitra azy ireo ianao hamaky haingana ny andininy 34–46 mba hahitana ny toerana rehetra ampiasana ny teny hoe hery ary avy eo dia hizara ny zavatra ianaran’izy ireo. Afaka mampiasa ireto asa atao manaraka ireto ianao hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao mba hahatakatra kokoa ny fomba ahafahan’izy ireo mahazo ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany.

  • Mety hanampy ny hampifanoherana ny fomba ihazonana ny “hery” sy ny “fitaomana” eo amin’izao tontolo izao amin’ny zavatra ampianarin’ny Tompo ao amin’ny fizarana 121 momba ny fomba ihazonana ny herin’ny fisoronana. Afaka manao tabilao misy tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe ianao, miaraka amin’ny lohateny hoe Herin’izao tontolo izao sy Herin’ny lanitra. Afaka mameno ilay tabilao amin’ny teny na andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46 ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy. Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ireo andininy ireo miantraika eo amin’ny fomba hikatsahantsika ny hitarika ny hafa ho amin’ny tsara, ao anatin’izany ny namantsika, ny olona ao amin’ny fianakaviantsika ary ireo olona izay tompointsika? Araka ireo andininy ireo dia ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika hitarika ny hafa araka ny fahamarinana?

  • Mba hanampiana ireo mpihazona Fisoronana Aharôna hianatra hitondra hery eo amin’ny fanompoan’ny fisoronana ataony, dia afaka mampiseho zavatra isan-karazany ianao ary mangataka ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy haminavina ny lanjan’ny zavatra tsirairay. Nahoana ireo zavatra sasany no manan-danja kokoa noho ny hafa? Zavatra inona no tena manan-danja eo amin’ny fiainantsika, ary sarany toy ny ahoana no tsy maintsy “efaintsika” ho an’izany? Avy eo dia afaka mamakafaka ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Ny saran’ny fananana herin’ny fisoronana” ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy, ka hijery ilay sarany izay lazainy fa tsy maintsy efaintsika mba handraisana ny herin’ny firosonana. Inona no fiantraikany eo amin’ny fiainantsika sy ny fiainan’ny hafa rehefa manompo miaraka amin’ny herin’ny Mpamonjy bebe kokoa isika?

  • Mba hanampiana ny zatovovavy hahatakatra ny fomba hahazoany ny herin’ny fisoronana, dia afaka mangataka azy ireo ianao hieritreritra ireo fotoana nahatsapany ny herin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany. Hazavao fa herin’ Andriamanitra ny herin’ny fisoronana. Afaka mamakafaka ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Ireo harena ara-panahy” izy ireo mba hitadiavana fahamarinana momba ny vehivavy sy ny herin’ny fisoronana. Inona no nangatahan’ny Filoha Nelson hataon’ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana mba “hanovo amin-kalalahana ny herin’ny Mpamonjy”? (pejy 77; jereo manokana ireo andiam-pehezan-teny efatra manomboka amin’ny hoe “Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay”). Oviana isika no nanovo io hery io mba hitahiana ny fiainantsika sy ny fiainan’ny hafa? Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:39–43 antsika momba ny fomba anaovan-javatra amin’ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Rehefa mikatsaka ny hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ianao ary miaina mba ho mendrika ny hahazo amin’ny Heriny, dia ho afaka ny hampianatra amin-kery sy fahefana ianao.

Hamoaka printy