2010–2019
Ireo Herin’ ny Lanitra
Aprily 2012


Ireo Herin’ ny Lanitra

Ireo mpihazona ny fisoronana tanora sy antitra dia sady mila ny fahefana sy ny hery—ny fahazoan-dalana ilaina sy ny hery ara-panahy hisolo tena an’ Andriamanitra amin’ ny asan’ ny famonjena.

Ry rahalahiko malala, feno fankasitrahana aho fa afaka miaraka midera amin’ ny maha-vondrona lehibe mpihazona ny fisoronana antsika isika. Tiako sy ankasitrahako ianareo noho ny fahamendrehanareo sy ny ohatry ny fahatsarana ataonareo manerana an’ izao tontolo izao.

Manasa antsika tsirairay aho hieritreritra ny mety ho havalintsika amin’ ity fanontaniana napetraky ny Filoha David O. McKay tamin’ ny mpikamban’ ny Fiangonana ity taona maro lasa izay: “Raha amin’ izao fotoana izao ny tsirairay avy aminareo no asaina milaza ao anatin’ ny fehezanteny iray na andian-teny iray ny endrika mampiavaka indrindra Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany dia ahoana no mety ho valinteninareo?” (“The Mission of the Church and Its Members,” Improvement Era, Nôv. 1956, 781).

Ny valinteny nomen’ ny Filoha McKay tamin’ izany fanontaniana napetrany izany dia ny “fahefana avy any an-danitra” izay an’ ny fisoronana. Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany dia tsy mitovy amin’ ireo fiangonana hafa izay milaza fa ny fahefana ananan’ izy ireo dia azo avy tamin’ ny fahefana natolotr’ olona nifandimby toerana, na avy tamin’ ny soratra masina na avy tamin’ ny fianarana teôlôjia. Manambara mazava isika fa ny fahefan’ ny fisoronana dia nomena tamin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana mivantana nataon’ ireo iraky ny lanitra tamin’ ny Mpaminany Joseph Smith.

Hifantoka amin’ izany fisoronana masina sy ny herin’ ny lanitra izany ny hafatro. Mivavaka aho mba ho tohanan’ ny Fanahin’ ny Tompo eo am-pandalinantsika miaraka ireo fahamarinana manan-danja ireo.

Fahefana sy Herin’ ny Fisoronana

Ny fisoronana dia fahefan’ Andriamanitra nampandraiketina ireo lehilahy eto an-tany mba hanaovana ireo zava-drehetra ho an’ ny famonjena ny zanak’ olombelona (jereo ny Spencer W. Kimball, “The Example of Abraham,” Ensign, Jiona 1975, 3). Ny fisoronana no fitaovana hampiasain’ ny Tompo amin’ ny alalan’ ireo lehilahy hamonjena fanahy. Ny iray amin’ ny zavatra mampiavaka ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy, taloha sy ankehitriny, dia ny fahefany. Tsy hisy Fiangonana marina raha tsy miaraka amin’ ny fahefana avy any an-danitra.

Nomena ny fahefan’ ny fisoronana ireo lehilahy tsotra. Ny fahamendrehana sy ny faniriana no mahavoafidy amin’ ny fanendrena amin’ ny fisoronana—fa tsy ny traikefa na fahaizana na ny fahalalana.

Ny lamina hahazoana ny fahefan’ ny fisoronana dia voafaritra ao amin’ ny fanekem-pinoana fahadimy: “Mino isika fa tsy maintsy voantson’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny faminaniana sy amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana, ataon’ ireo izay manana fahefana, ny olona iray vao mitory sy manatanteraka ny ôrdônansin’ ny Filazantsara.” Noho izany dia mandray ny fahefan’ ny fisoronana ary atokana amin’ ny anjara fanompoana iray miavaka amin’ ny alalan’ ny olona iray izay mihazona ny fisoronana ary nahazo lalana tamin’ ny mpitarika izay mihazona ny fanalahidy mifandraika amin’ izany ny zazalahy na lehilahy iray.

Andrasana ny hampiasan’ ireo mpihazona ny fisoronana ity fahefana masina ity araky ny eritreritra, sitrapo ary tanjona masin’ Andriamanitra. Tsy misy fitiavan-tena ao amin’ ny fisoronana. Ny fisoronana dia ampiasaina hatrany mba hanompoana, sy hitsofana rano ary hampaherezana ireo olon-kafa.

Ny fisoronana ambonimbony kokoa dia azo amin’ ny alalan’ ny fanekempihavanana matotra izay ahitana ireo adidy ny hanao asa eo ambanin’ ity fahefana ity (jereo ny F&F 68:8) sy ny anjara fanompoana (jereo ny F&F 107:99) izay noraisina. Amin’ ny maha-mpihazona ny fahefana masin’ Andriamanitra dia tokony ho tompon’ andraikitra mihetsika isika fa tsy hetsehina (jereo ny 2 Nefia 2:26). Ny fisoronana dia natao hihetsika fa tsy hohetsehina.

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

“Tsy ampy ny fandraisana fotsiny ny fisoronana ary avy eo mipetraka amim-pahalainana sy miandry mandrapitenin’ ny olona antsika hanao zavatra. Rehefa mandray ny fisoronana isika dia manana ny adidy ho tonga mazoto sy hirotsaka hanaparitaka ny fahamarinana eto an-tany, satria ny Tompo dia nilaza fa:

“‘ … Fa izay tsy manao na inona na inona raha tsy baikoana ary mandray baiko amin’ ny fo feno fisalasalana ka manatanteraka izany ao amin’ ny hakamoana, dia voaheloka.’ [F&F 58:29]” (So Shall Ye Reap [1960], 21).

Nanantitrantitra ny toetra mitaky fihetsehana izay an’ ny fisoronana koa ny Filoha Spencer W. Kimball. “Mandika ny fanekempihavanan’ ny fisoronana ny olona iray amin’ ny alalan’ ny fandikany ny didy—kanefa manao izany koa amin’ ny tsy fanaovana ny adidy. Noho izany, ny tsy fanaovana na inona na inona dia efa fandikana izany fanekempihavanana izany” (Le Miracle de Pardon [1969], 96).

Rehefa manao ny tsara indrindra hanatanterahana ny andraikitsika ao amin’ ny fisoronana isika dia ho voatahy amin’ ny herin’ ny fisoronana. Ny herin’ ny fisoronana dia herin’ Andriamanitra ampiasaina amin’ ny alalan’ ny lehilahy sy zazalahy toa antsika ary izany dia mitaky ny fiainan’ ny tena amim-pahamarinana, fahatokiana, fankatoavana ary fikirizana. Mety mandray ny fahefan’ ny fisoronana amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana ny zazalahy na lehilahy iray kanefa tsy hanana ny herin’ ny fisoronana izy raha toa ka tsy mankatò, tsy mendrika na tsy manana faniriana ny hanompo.

“Fa ireo zon’ ny fisoronana dia mifamatotra tsy azo sarahina amin’ ny herin’ ny lanitra, ary ny herin’ ny lanitra dia tsy azo fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana.

“Marina fa azo atolotra antsika ireo zo ireo; kanefa rehefa miezaka ny hanafina ny fahotantsika isika, na ny hampanarana ny fiavonavonantsika sy ny hambom-pontsika poaka aty, na ny hampiasa fifehezana na fanjakazakana na fanerena amin’ ny fanahin’ ny zanak’ olombelona, na manao ahoana na manao ahoana ampahan’ ny tsy fahamarinana amin’ izany, dia indro, misintona ny lanitra; malahelo ny Fanahin’ ny Tompo; ary rehefa misintona izany, dia Amena ho an’ ny fisoronana na ny fahefan’ izany lehilahy izany” (F&F 121:36–37; nampiana fanamafisana).

Ry rahalahy, tsy eken’ ny Tompo ny fandraisan’ ny zazalahy na lehilahy iray ny fahefan’ ny fisoronana kanefa manao ambanin-javatra ny tokony ho atao mba hahamendrika hanana ny herin’ ny fisoronana. Ireo mpihazona ny fisoronana tanora sy antitra dia sady mila ny fahefana sy ny hery—ny fahazoan-dalana ilaina sy ny hery ara-panahy hisolo tena an’ Andriamanitra amin’ ny asan’ ny famonjena.

Lesona iray avy tamin’ ny Raiko

Notaizana tao amin’ ny tokantrano iray nisy reny mahatoky sy ray mahafinaritra aho. Ny mamako dia taranaka avy amin’ ny mpamaky lay izay nahafoy ny zava-drehetra ho an’ ny Fiangonana sy ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny dadako dia tsy mpikamban’ ny Fiangonantsika ary nanam-paniriana ny ho tonga môpera Katôlika fony fahakeliny. Tamin’ ny farany anefa dia nisafidy ny tsy hanatrika ireo seminera fianarana teôlôjia izy fa nianatra kosa ny ho tonga mpanamboatra fitaovana sy loko.

Nandritra ny ankamaroan’ ny fiainana ara-panambadiany dia nanatrika ny fivorian’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany niaraka tamin’ ny fianakaviako ny raiko. Raha ny marina dia tsy nihevitra mihitsy ny ankamaroan’ ireo olona fa tsy mpikamban’ ny Fiangonana ny raiko. Nilalao sy nanazatra ny ekipa mpilalao softball tao amin’ ny paroasinay izy, nanampy tamin’ ny asa natao teo amin’ ny Skoto, ary nanohana ny reniko tamin’ ireo antso sy andraikitra maro nohazoniny. Te-hizara aminareo ny lesona lehibe iray nianarako avy tamin’ ny raiko aho mikasika ny fahefana sy herin’ ny fisoronana.

Fony aho zazalahikely dia im-betsaka aho ao anatin’ ny herinandro no nanontany an-draiko hoe rahoviana ihany no ho atao batisa izy. Namaly tamim-pitiavana kanefa tamin’ ny fomba hentitra foana izy isaky ny nanadala azy tamin’ izany aho: “David a! Tsy ho tonga mpikamban’ ny Fiangonana noho ny renin’ ise, na noho ny amin’ ise na noho ny olon-kafa aho. Ho tonga mpikamban’ ny Fiangonana aho rehefa fantatro fa izany no zavatra tsara tokony ho atao.”

Angamba teo amin’ ny fiantombohan’ ny taonan’ ny fahatanorako aho rehefa nitranga ity resaka manaraka teo amiko sy ny raiko ity. Niverina tany an-trano vao avy niaraka nanatrika ireo fivoriana Alahady izahay ary nanontany ny raiko aho hoe rahoviana no ho atao batisa izy. Nitsiky izy sady niteny hoe: “Ise foana no manontany ahy hoe rahoviana aho no hatao batisa. Androany aho dia manana fanontaniana ho an’ ise.” Nanao tsoan-kevitra haingana aho tamin’ ny fieritreretana fa misy fivoarana mitranga!

Hoy ny raiko: “David a! Mampianatra ny fiangonanao fa nesorina teto an-tany tamin’ ny andro fahiny ny fisoronana ary naverina tamin’ ny laoniny nomen’ ireo iraky ny lanitra tamin’ ny alalan’ ny Mpaminany Joseph Smith, marina ve izany?” Namaly aho fa marina izany filazana izany. Dia hoy izy avy eo: “Izao ary ny fanontaniako. Isan-kerinandro mandritra ny fivorian’ ny fisoronana dia mihaino ny eveka sy ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana hafa aho mampahatsiahy, mangataka ary miangavy ireo lehilahy mba hanao ny fampianarana isan-tokantrano sy hanao ireo adidin’ ny fisoronana anjarany. Raha toa ny fiangonanareo ka namerina tamin’ ny laoniny marina ny fisoronan’ Andriamanitra, nahoana no tsy misy mampiavaka ny lehilahy ao amin’ ny fiangonanareo amin’ ireo lehilahy any amin’ ny fiangonako mikasika ny fanaovana ny adidiny masina?” Foana avy hatrany ny tao an-tsaiko. Tsy nanana valiny sahaza ho an’ ny raiko aho.

Nieritreritra aho fa diso ny raiko mitsara ny filazana marina ataon’ ny Fiangonana amin’ ny fihazonana ny fahefana masina noho ny fahalemen’ ireo lehilahy izay mifanerasera aminy ao amin’ ny paroasinay. Rehefa nandinika lalina ny fanontaniany anefa aho dia mitombina ny eritreriny izay milaza fa ireo lehilahy mihazona ny fisoronana masin’ Andriamanitra dia tokony hiavaka amin’ ireo lehilahy hafa. Ireo lehilahy izay mihazona ny fisoronana dia tsy tsaratsara kokoa mihoatra ireo lehilahy hafa fa kosa tokony hiavaka ny zavatra ataony. Ireo lehilahy izay mihazona ny fisoronana dia tokony tsy handray fotsiny ny fahefan’ ny fisoronana fa koa mendrika sy mahatoky amin’ ny fampiasana ny herin’ Andriamanitra. “Madiova ianareo izay mitondra ny fanaky ny Tompo” (F&F 38:42).

Tsy hadinoko velively ireo lesona mikasika ny fahefana sy herin’ ny fisoronana nianarako avy tamin’ ny raiko, lehilahy tsara tsy mpikambana ao amin’ ny finoantsika, izay nanantena zavatra bebe kokoa amin’ ireo izay milaza fa mihazona ny fisoronan’ Andriamanitra. Izany resaka nifanaovako tamin’ ny raiko indray Alahady tolakandro taona maro lasa izany dia niteraka tato anatiko faniriana ny ho tonga “zazalahy hendry.” Tsy te-ho ohatra ratsy sy sakana eo amin’ ny fivoaran’ ny raiko amin’ ny fianarana ny filazantsara izay naverina tamin’ ny laoniny aho. Te-ho zazalahy kely hendry fotsiny aho. Mila antsika rehetra mpihazona ny fahefany haneho fanajana, marin-toetra ary ho lehilahy hendry amin’ ny fotoana sy toerana rehetra ny Tompo.

Mety hahaliana anao ny hahafantatra fa taona maro taty aoriana dia vita batisa ny raiko. Ary tamin’ ny fotoana nifanaraka tamin’ izany dia nanana fahafahana aho nanome azy ireo Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka. Iray amin’ ireo traikefa lehibe teo amin’ ny fiainako ny fanatrehako ny raiko nandray izany fahefana izany ary tsikelikely teny dia ny herin’ ny fisoronana.

Zaraiko aminareo izany lesona manokana nianarako avy tamin’ ny raiko izany mba hanamafisana fahamarinana tsotra. Ny fandraisana ny fahefan’ ny fisoronana amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana dia fiantombohana manan-danja, kanefa tsy ampy. Ny fanendrena dia manome fahefana kanefa ny fahamarinana dia mitaky asa miaraka amin’ ny hery rehefa miezaka mankahery fanahy, mampianatra sy mijoro ho vavolombelona, mitahy sy manoro hevitra ary mampandroso ny asan’ ny famonjena isika.

Amin’ ity fotoana eto amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao ity dia mila lehilahy marina sy fitaovana mahomby eo am-pelantanan’ Andriamanitra izaho sy ianao izay mpihazona ny fisoronana. Mila mijoro amin’ ny maha-lehilahin’ Andriamanitra antsika isika. Tsara ho ahy sy ho anao ny mianatra sy manaraka ny ohatr’ i Nefia, ilay zafikelin’ i Helamàna sy mpianatra voalohany tamin’ ireo roambinifolo nantsoin’ ny Mpamonjy teo am-panombohany ny asa fanompoany teo anivon’ ireo Nefita. “Ary i [Nefia] nampiana[tra] azy [ireo] zavatra maro; … Ary i Nefia dia nampianatra tamin-kery sy fahefana lehibe” (3 Nefia 7:17).

“Mba Ampio ny Vadiko Hahatakatra”

Eo am-pamaranana ireo tafa sy dinika amin’ ny fahazoan-dalana mankany amin’ ny tempoly izay notarihako tamin’ ny naha-eveka sy filohan’ ny tsatòka ahy dia matetika aho manontany ireo rahavavy manambady mikasika ny fomba tsara indrindra azoko atao hanompoana azy ireo sy ny fianakaviany. Ny valiny matetika lazain’ ireo vehivavy mahatoky ireo dia mitondra fampianarana sy fanairana. Mahalana no mitaraina na mitsikera ireo rahavavy ireo kanefa matetika kosa toy izao no lazainy: “Mba ampio ny vadiko hahatakatra ny andraikiny amin’ ny maha-mpitarika ny fisoronana azy ao an-tokantrano. Faly aho mitarika ny fandalinana ny soratra masina, vavaky ny mpianakavy ary takarivan’ ny mpianakavy ary hanohy hanao izany hatrany aho. Kanefa iriako raha ho mpiara-miasa amiko ny vadiko ary hanome ny fitarihan’ ny fisoronana matanjaka izay azony atao. Mba ampio ny vadiko hianatra ireo fomba hahafahany ho tonga patriarika sy mpitarika ao amin’ ny fisoronana ao an-tokantranonay izay mpiahy sy mpiaro.”

Mieritreritra matetika ireo fahitsim-pon’ ireo rahahavy ireo aho. Mandre ahiahy mitovitovy amin’ izany amin’ izao fotoana izao ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana. Maro ireo vehivavy no mangataka ireo vadiny mba tsy hanana fotsiny ny fahefan’ ny fisoronana fa hanana koa ny herin’ ny fisoronana. Miandrandra zioga mitovy amin’ ireo vady mahatoky sy mpihazona ny fisoronana izy ireo eo amin’ ny asa fanorenana tokantrano hifantoka amin’ i Kristy sy amin’ ny filazantsara.

Ry rahalahy, mampanantena anareo aho fa raha mandalina amim-bavaka ireo fangatahan’ ireo rahavavy ireo izaho sy ianao dia hanampy antsika ny Fanahy Masina hahalala hoe iza marina isika (jereo ny F&F 93:24) ary hanampy antsika hahafantatra ireo zavatra mila hovaintsika sy hatsaraintsika. Ary izao ankehitriny izao no fotoana hanaovana izany!

Aoka Ianareo ho Ohatra amin’ ny Fahamarinana

Te-hanantitrantitra ny fampianaran’ ny Filoha Thomas S. Monson aho anio hariva izay nanasa antsika mpihazona ny fisoronana mba ho tonga “ohatra amin’ ny fahamarinana.” Nampahatsiahy antsika tsy tapaka izy fa eo am-panompoana ny Tompo isika ary mendrika ny hahazo ny fanampiany araky ny fahamendrehantsika (jereo ny “Examples of Righteousness,” Liahona, Mey 2008, 65–68). Izaho sy ianao dia mihazona ny fahefan’ ny fisoronana izay naverina teo an-tany tamin’ ity fotoampitantanana ity tamin’ ny alalan’ ny iraky ny lanitra, dia i Jaona Mpanao Batisa sy i Petera, i Jakoba ary i Jaona. Noho izany, ireo lehilahy rehetra izay nandray ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manoritra ny fifanohizan’ ny fahefany mivantana hatrany amin’ ny Tompo Jesoa Kristy. Manantena aho fa feno fankasitrahana amin’ ity fitahiana mahatalanjona ity isika. Mivavaka aho mba ho madio sy mendrika hisolo tena ny Tompo isika eo am-pampiasana ny fahefany masina. Enga anie ka ho mendrika ny herin’ ny fisoronana isika tsirairay.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fisoronana masina dia naverina tamin’ ny laoniny eto an-tany amin’ izao andro farany izao ary ato amin’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Mijoro ho vavolombelona koa aho fa ny Filoha Thomas S. Monson no mpisorona avo mpiahy ny fisoronana ambonin’ ny Fiangonana (jereo ny F&F 107:9, 22, 65–66, 91–92) ary hany olona eto an-tany izay sady mihazona no hany manana lalana hampiasa ny fanalahidin’ ny fisoronana rehetra. Ireo fahamarinana ireo no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anarana masin’ ny Tompo Jesoa Kristy, amena.