Ireo Mpiasa ao amin’ ny Tanimboaloboka
Henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina izay milaza aminareo amin’ izao fotoana izao mihitsy hoe tokony hanaiky ny sorompanavotana nomen’ i Jesoa Kristy Tompo ianareo.
Raha mikasika ireo antso sy fisaorana vao avy nambaran’ ny Fiadidiana Voalohany teo dia mamelà ahy ianareo hiteny amin’ ny anaranay rehetra fa hotsaroanay sy ho tianay foana ireo izay nanompo tamim-pahatokiana tokoa, toy ny tonga dia hitiavanay sahady sy handraisanay an’ ireo izay voantso hanompo. Mankasitraka sy mankatelina anareo tsirairay izahay.
Te-hiresaka momba ilay fanoharan’ ny Mpamonjy aho izay ahitana an’ ilay tompon-trano iray izay “nivoaka maraina hanakarama mpiasa.” Rehefa avy nampiditra niasa ny vondron’ olona voalohany izy tamin’ ny 6 ora maraina, dia niverina tamin’ ny 9 ora maraina, sy tamin’ ny 12 ora atoandro ary tamin’ ny 3 ora tolakandro mba hampiditra mpiasa bebe kokoa satria ilaina maika ny fanangonana ny vokatra. Milaza ny soratra masina fa niverina farany izy tamin’ ny “ora fahiraika ambin’ ny folo” (teo amin’ ny 5 ora hariva teo), ary dia nampiditra niasa an’ ilay vondron’ olona farany. Avy teo dia ora iray monja tao aorian’ izany dia nivory ireo mpiasa mba handray ny karamany nandritra ilay andro. Nahagaga fa ny rehetra dia nandray karama mitovy na dia samy hafa aza ny ora niasana. Tonga dia tezitra ireo izay nampidirina niasa voalohany ary nilaza hoe: “Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa ataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.”1 Rehefa mamaky ity fanoharana ity ianareo dia mety nahatsapa toa an’ ireo mpiasa ireo koa fa hoe misy ny tsy rariny eto. Mamelà ahy ianareo mba hiresaka fohifohy mikasika izany olana izany.
Voalohany indrindra dia tsara ny manamarika fa tsy nisy olona niharan’ ny tsy rariny mihitsy teto. Nanaiky ilay karama feno ho raisina mandritra ilay andro ireo mpiasa voalohany ary dia nahazo an’ izany izy ireo. Ankoatra izany dia azo an-tsaina mihitsy fa tena feno fankasitrahana izy ireo nahazo an’ ilay asa. Tamin’ ny fotoanandron’ ny Mpamonjy, ny lehilahy sy ny fianakaviany tamin’ ny ankapobeny dia tsy afaka nanao inona firy afa-tsy ny miaina amin’ izay azony iny andro iny. Raha toa ianao ka tsy miasa na miompy na manjono na mivarotra dia tena tsy hihinana ianao. Noho ny fahabetsahan’ ireo olona te-hiasa mihoatra noho ny habetsaky ny asa misy dia tena tsara vintana ireo lehilahy voalohany ireo tao anatin’ ilay vondron’ olona te-hiasa tamin’ io maraina io.
Marina tokoa fa raha toa ka misy olona tokony ho nanehoana fangorahana dia tokony ireo lehilahy izay tsy voafidy no hanehoana izany, farafaharatsiny tany am-boalohany, satria mba manana fianakaviana ho fahanana sy ho tafiana koa izy ireo. Ny sasany amin’ izy ireo anefa dia toa tsy mba tsara vintana velively. Isaky ny fitsidihan’ ilay tompon’ ny tanimboaloboka nandritra io andro io dia olona hafa foana no hitan’ izy ireo voafidy.
Kanefa rehefa nifarana ny andro, dia niverina tampoka fanindiminy indray ilay tompon-trano ary nanao tolotra miavaka tamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo! Ireto mpiasa farany sady kivy indrindra ireto, rehefa nandre fotsiny fa hahazo ny anjarany koa dia nanaiky ilay asa na dia tsy fantatr’ izy ireo akory aza izay karama, saingy fantatr’ izy ireo fa aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy, ary izay no niainan’ izy ireo hatreo. Dia rehefa nivory izy ireo mba handray ny karamany avy dia tena taitra izy ireo fa nandray karama nitovy tamin’ ny hafa rehetra! Tena mety ho taitra be tokoa izy ireo ary mety ho tena feno fankasitrahana tokoa! Azo antoka fa mbola tsy nahita fangorahana toy izany velively izy ireo hatramin’ izay niasany.
Noho izany fahatakarana ny zava-nitranga tao anatin’ ilay tantara izany no nahatsapako fa tokony ho jerena koa ny fimonomononan’ ireo mpiasa voalohany. Hoy ilay tompon-trano tao amin’ ilay fanoharana tamin’ izy ireo hoe (ary kely fotsiny ny fanovana ataoko): “Ry namako, tsy miangatra anareo izany aho. Nanaiky ilay karama ao anatin’ ny andro iray ianareo ary karama tsara izany. Faly ianareo nahazo ilay asa ary faly tamin’ ny fomba fiasanareo aho. Nomena karama feno ianareo. Raiso ny karamanareo ary ifalio ny fitahiana azonareo. Ary raha mikasika ireo olon-kafa, dia mazava ho azy fa malalaka tsara aho hanao izay tiako hatao amin’ ny volako manokana.” Dia ity ilay fanontaniana somary manindrona ihany ho an’ ny olona tamin’ izany sy ho an’ ny olona amin’ izao fotoana izao izay mila maheno izany: “Nahoana ianao no hialona satria nisafidy ny ho tsara fanahy aho?”
Ry rahalahy sy rahavavy, hisy ny fotoana eo amin’ ny fiainantsika izay hahazoan’ ny olona hafa fitahiana tsy nampoizina na mari-pankasitrahana manokana. Miangavy anareo aho mba tsy ho tafintohina—ary indrindra mba tsy hialona mihitsy—rehefa mahazo fitahiana ny olona hafa iray. Tsy hoe lasa maivan-danja izany isika rehefa mahazo zavatra bebe kokoa ny hafa. Tsy mifaninana izany isika samy isika mba hahitana izay manan-karena indrindra na manan-talenta indrindra na tsara tarehy indrindra na koa aza hoe izay voatahy be indrindra. Ny fifaninana tena ataontsika dia ny fifaninana hanohitra ny fahotana, ary azo antoka fa ny fialonana no anisan’ ny tena mibahana indrindra amin’ izy ireo.
Ankoatra izany, ny fialonana dia hadisoana izay mitohy foana. Mazava ho azy fa malahelo kely isika rehefa misy zavatra mampalahelo mitranga amintsika, saingy ny fialonana dia mitaky antsika mba halahelo noho ny fitahiana mirotsaka amin’ ny rehetra izay fantatsika! Tena mba fomba fisainana hafa kely tokoa izany hoe—tezitra be foana isika isaky ny misy olona faly manodidina antsika! Tsy holazaiko akory aza ny fahasorenana amin’ ny farany rehefa hahita isika fa Andriamanitra dia sady marina no be famindram-po, ka manome “an’ izay rehetra ananany”2 an’ ireo izay mankatò Azy, araka izay voalazan’ ny soratra masina. Noho izany ny lesona voalohany avy ao anatin’ ilay tanimboaloboky ny Tompo dia hoe: ny fitsiriritana na ny fiavonavonana, na ny famingampinganana ny hafa dia tsy manatsara ny momba anao, ary ny fanambanimbanianao ny hafa koa dia tsy mahatsara endrika anao. Noho izany dia aoka ianao ho tsara fanahy sy ho feno fankasitrahana fa tsara fanahy Andriamanitra. Fomba fiainana mitondra hafaliana izany.
Ny lafiny faharoa tiako ho sintonina avy ao amin’ io fanoharana io dia ny fahadisoana mampalahelo izay mety ho ataon’ ny sasany raha toa ka manda tsy handray ny karamany izy ireo any amin’ ny fiafaran’ ny andro satria nandany fotoana loatra izy ireo nieritreretana an’ izay heveriny ho olana tany am-piandohan’ ny andro. Tsy voalaza ao anatin’ ity soratra masina ity hoe nisy olona nanipy ny volany teny amin’ ny tarehin’ ilay tompon-trano na lasa nandeha tamim-pahatezerana tsy nandray vola, saingy mieritreritra aho hoe mety nisy nanao izany.
Ry rahalahiko sy anabaviko malala, ny zavatra niseho tao anatin’ ity tantara ity tamin’ ny 9 ora na tamin’ ny mitataovovonana na tamin’ ny 3 ora dia voafafan’ ilay fanomezan-karama tamim-pahalalahan-tanana ho an’ ny rehetra tany amin’ ny fiafaran’ ny andro. Ny lamina ahafahana mampivelatra ny finoana dia ny mifikitra sy manohy miasa ary mamita ny asa ary mamela an’ ireo ahiahy tany aloha—na izany tena nisy na foronin’ ny saina—ho levona eo anatrehan’ ny haben’ ny valisoa azo. Aza variana mieritreritra ireo olana na fitarainana taloha—izay nisy ifandraisany taminao na tamin’ ny namanao, azoko ampiana mihitsy aza hoe na tamin’ ity Fiangonana marina sy velona ity. Ny fahambonian’ ny fiainanao sy ny an’ ny namanao ary ny fahambonian’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy dia hiharihary amin’ ny andro farany na dia tsy eken’ ny olona rehetra foana aza izany amin’ ny voalohany. Noho izany dia aza miahiahy loatra ny zavatra nitranga tamin’ ny 9 ora maraina rehefa miezaka ny hanome valisoa ho anareo ny fahasoavan’ Andriamanitra amin’ ny 6 ora hariva—na inona na inona fifanarahana arak’ asa nataonareo nandritra ilay andro.
Isika dia mandany fihetseham-po sarobidy sy hery ara-panahy toy izany amin’ ny fifikirantsika mafy amin’ ny fahatsiarovana feo iray nivalana izay notendrentsika nandritra ny fampisehoana rindram-peonkira tamin’ ny pianô natao nandritra ny fahazazana, na amin’ ny fahatsiarovana ny zavatra izay nolazain’ ny vady na nataony 20 taona lasa izay ka dia vonona isika ny hanao izay hahatadidiavany an’ izany sy hahatsapany ho meloka mandritra ny 20 taona fanampiny indray, na amin’ ny fahatsiarovana zava-nitranga iray teo amin’ ny tantaran’ ny Fiangonana izay nanaporofo tsotra izao fa ny olombelona mety maty dia ho sahirana foana raha te-ho lasa tsara toy ilay antenain’ Andriamanitra amin’ izy ireo. Na dia tsy avy aminao aza no niantombohan’ ny iray tamin’ ireo fitarainana ireo dia azonao atao ny mamarana izany eo aminao. Ary dia tena hisy ny valisoa lehibe noho izany fitondrana anjara biriky izany rehefa mijery ny masonao ilay Tompon’ ny tanimboaloboka sy mandamina ny zava-drehetra any amin’ ny fiafaran’ ny fiainantsika eto an-tany.
Izany no mitondra ahy any amin’ ilay lafin-javatra fahatelo sady farany hozaraiko. Ity fanoharana ity—tahaka ny fanoharana rehetra—dia tsy tena mikasika ny mpiasa na ny karama loatra toy ireo fanoharana hafa izay tsy tena mikasika ny ondry sy osy. Tantara mikasika ny hatsaran’ Andriamanitra izy ity, ny faharetany sy ny famelany heloka ary ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy Tompo. Tantara mikasika ny fahalalahan-tanana sy ny fangorahana. Tantara momba ny fahasoavana. Mampiseho ilay eritreritra henoko taona maro lasa izy ity fa ny zavatra tena tian’ Andriamanitra indrindra mikasika ny maha-Andriamanitra Azy dia ny fahafinaretana tsapany rehefa maneho famindram-po Izy, indrindra amin’ ireo izay tsy manantena an’ izany ary matetika mahatsapa ho tsy mendrika izany.
Tsy fantatro hoe iza ao anatin’ ireto olona marobe manatrika ireto no mety mila mihaino ity hafatry ny famelan-keloka izay tena ao anatin’ ity fanoharana ity, saingy na dia tara tahaka ny ahoana aza no fiheveranao ny tenanao, na dia betsaka tahaka ny inona aza ireo tombontsoa izay heverinao fa navotsotrao, na betsaka toy inona aza ny fahadisoana izay tsapanao fa efa vitanao, na dia firy aza ireo talenta izay heverinao fa tsy anananao, na dia lavitra toy ny inona aza ny dia nataonao izay tsapanao fa nanalaviranao ny tokantrano na ny fianakaviana na an’ Andriamanitra, dia mijoro ho vavolombelona aminao aho fa tsy nanalavitra loatra ianao ka hoe tsy ho takatry ny fitiavan’ Andriamanitra. Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho tratran’ ny hazavana tsy manam-pahataperan’ ny Sorompanavotan’ i Kristy.
Raha toa avy amin’ ny finoana hafa ianareo na efa niaraka taminay fa tsy nijanona dia tsy misy zavatra, raha ao anatin’ ireo toe-javatra roa ireo, izay efa nataonareo ka hoe tsy azo ravana. Tsy misy izany olana hoe tsy azonao vahana izany. Tsy misy an’ izany hoe nofinofy ka tsy ho tanteraka mandritra izao fiainana mandalo izao na any amin’ ny mandrakizay. Na dia mieritreritra aza ianareo fa ianareo ilay mpiasa very sy farany tao amin’ ilay ora fahiraika ambin’ ny folo, dia mbola miseho aminareo ny Tompon’ ny tanimboaloboka. “Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana amin’ ny fahasahiana,”3 ary hiankohoka eo an-tongotr’ Ilay Masin’ i Isiraely. Avia ka homàna “tsy amim-bola na amin-karena”4 eo amin’ ny latabatry ny Tompo.
Manao antso avo manokana aho ho an’ ireo lehilahy manambady sy raim-pianakaviana, ireo mpihazona ny fisoronana sy ireo mbola hihazona ny fisoronana mba “Hifoha sy hiarina avy amin’ ny vovoka … ary ho lehilahy”5 toa izay nolazain’ i Lehia. Matetika fa tsy hoe miseho foana dia ny lehilahy no misafidy ny tsy hamaly ilay antso “hamonjy ny laharana.”6 Ny vehivavy sy ny ankizy matetika dia toa vonona kokoa. Ry rahalahy, mandraisa andraikitra. Ataovy izany ho tombontsoanareo. Ataovy izany ho an’ ireo izay tia anareo sy mivavaka mba hanaovanareo izany. Ataovy izany ho an’ i Jesoa Kristy Tompo izay nandoa sarany tsy takatry ny saina velively mba hanananareo ilay hoavy izay tiany ho anareo.
Ry rahalahy sy anabaviko malala, ho anareo izay notahian’ ny filazantsara nandritra ny taona maro satria tsara vintana ianareo fa nahita izany efa ela tany aloha, ho anareo izay nanatona ny filazantsara tsikelikely taty aoriana, ary ho anareo—na mpikambana na tsy mbola mpikambana—izay mbola misalasala, ary ho anareo tsirairay sy ho an’ ny rehetra, dia mijoro ho vavolombelona aho mikasika ny herin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay manavao sy ny fahagagana avy amin’ ny fahasoavany. Izay finoana ho azonareo amin’ ny farany no zava-dehibe Aminy, fa tsy izay ora hahazoanareo izany.
Noho izany raha efa nanao fanekempihavanana ianareo dia tandremo izany. Raha tsy mbola nanao fanekempihavanana ianareo dia manaova. Raha nanao fanekempihavanana ianareo nefa tsy nanaja an’ izany dia mibebaha ary areno izany. Tsy hisy mihitsy izany hoe tara loatra izany raha toa ka mbola miteny ny Tompon’ ny tanimboaloboka hoe misy ny fotoana. Henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina izay milaza aminareo amin’ izao fotoana izao mihitsy hoe tokony hanaiky ny sorompanavotana nomen’ i Jesoa Kristy Tompo ianareo ary hankafy ny fiarahana miasa Aminy. Aza ahemotra izany fa efa mihatara. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.