2010–2019
Ny Fanavotana ho amin’ ny Fitomboana Azo Tsapain-tanana
Aprily 2012


Ny Fanavotana ho amin’ ny Fivoarana Azo Tsapain-tanana

Asa izay niantsoan’ ny Mpamonjy mba ho ataontsika rehetra ny fanavotana fanahy.

Tao anatin’ ny volana vitsivitsy izay dia nampitomboana ny fifantohana amin’ ny fanorenana “fivoarana azo tsapain-tanana” ato am-piangonana, izay hitondrana ny olon-drehetra any amin’ ny fandraisana sy fitandremana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ ny famonjena sy fiainana ny fiovam-po mahery vaika araky ny namaritan’ i Almà azy (jereo ny Almà 5:14). Iray amin’ ireo fomba mahery vaika sy manan-danja indrindra mba hanorenana fivoarana azo tsapain-tanana ato amin’ ny Fiangonana dia ny fifandraisana amin’ ireo izay vita batisa kanefa lasa malaina, dia tsy mahazo ireo fitahiana sy ôrdônansin’ ny famonjena ary ny fanavotana azy ireo. Na inona na inona antsontsika tsirairay—mpampianatra na mpamangy isan-tokantrano, mpampianatra amin’ ny Sekoly Alahady, eveka, ray, reny, na Manampahefana Ambony—isika rehetra dia afaka mirotsaka ao anatin’ ilay asa fanavotana amin’ ny fomba manan-danja. Ny fitondrana ny olon-drehetra rahateo—ny fianakaviantsika, ireo tsy mpikambana, ireo malaina, ary ireo mpanota—hanatona an’ i Kristy mba handraisany ny ôrdônansin’ ny famonjena no antso masina niantsoana antsika rehetra.

Indray Alahady maraina 30 taona lasa izay, raha nanompo tao amin’ ny fiadidian’ ny tsatòka iray aho dia nandray antso an-tariby avy tamin’ ny iray amin’ ireo eveka mahatokinay izahay. Nanazava izy fa nitombo faingana ny paroasiny ka tsy afaka manome antso manan-danja ho an’ ireo mpikambana mendrika rehetra intsony izy. Ny fangatahany taminay dia ny hizarana ny paroasiny. Teo am-piandrasana ny fankatoavana izany izahay dia nanapa-kevitra tamin’ ny naha-fiadidian’ ny tsatòka anay fa hitsidika ilay paroasy ary hiantso ireo rahalahy sy rahavavy mahafinaritra rehetra mendrika ireo ho misiôneran’ ny tsatòka.

Ilay olona fahatelo niresaka tamiko dia vehivavy tanora, mpianatra iray tao amin’ ny oniversite teo an-toerana. Taorian’ ny firesahanay nandritra ny fotoana vitsivitsy dia nandroso ilay antso mba ho misiônera aho. Nisy fahanginana kely nandritra ny fotoana fohy. Dia hoy izy hoe: “Filoha a! Tsy fantatrao angaha fa tsy dia mavitrika anie izaho ato am-piangonana e?”

Nangina kely aho nandritra ny fotoana vitsivitsy ary niteny hoe: “Tsia, tsy fantatro hoe tsy mavitrika ianao.”

Namaly izy hoe: “Tsy dia navitrika tato am-piangonana aho efa ho taona maromaro izay.” Avy eo dia hoy izy hoe: “Tsy fantatrao angaha fa rehefa avy nalaindaina ianao dia tsy moramora foana ny fiverenana?”

Hoy aho namaly hoe: “Tsia. Amin’ ny 9:00 maraina no manomboka ny fotoam-pivavahan’ ny paroasinareo. Rehefa tonga ato am-piangonana ianao dia tsarovy fa miaraka aminay.”

Namaly izy hoe: “Tsia, tsy mora toy izany filazanao izany ilay izy. Maro ny ahiahy miserana ao an-tsainao. Miahiahy ianao raha toa ka hisy olona hiarahaba anao na raha hipetraka irery ianao sy tsy hisy hahatsikaritra mandritra ny fivoriam-bavaka. Ary miahiahy koa ianao raha horaisin’ ny olona tsara ary iza no ho namanao vaovao.”

Tamin-dranomaso izay nirotsaka teo amin’ ny takolany no nanohizany avy eo hoe: “Fantatro fa nivavaka nandritra ny taona maro ny reniko sy ny raiko mba hampiverina ahy ato am-piangonana.” Ary taorian’ ny fahanginana kely dia hoy izy hoe: “Tao anatin’ ny telo volana izay dia nivavaka aho mba hanana ny herimpo sy tanjaka ary fomba hiverenana ho mavitrika indray.” Avy eo dia nanontany izy hoe: “Filoha a! Mety ho valin’ ireo vavaka nataoko ve ity antso ity?”

Nanomboka nirotsaka ny ranomasoko teo am-pamaliana azy hoe: “Izaho dia mino fa namaly ny vavaka nataonao ny Tompo.”

Tsy vitan’ ny nanaiky ilay antso fotsiny izy fa tena lasa mpitory ny filazantsara namiratra tokoa. Ary azoko antoka fa nitondra fifaliana lehibe tokoa tsy ho an’ ny tenany ihany izy fa ho an’ ireo ray aman-dreniny koa ary ho an’ ireo olona hafa ao amin’ ny fianakaviany.

Maromaro ireo zavatra nianarako na nampahatsiahivina ahy avy tamin’ ity tafa sy dinika ity sy ireo nitovitovy tamin’ izany:

  • Fantatro fa maro ireo mpikambana malaina no manana ireo olon-tiany izay mandohalika isan’ andro mangataka fanampiana amin’ ny Tompo mba hanavotana ireo olon-tiany.

  • Nianatra aho fa tsy moramora na tsotra mihitsy ho an’ ireo mpikambana malaina ny miverina ato am-piangonana. Mila fanampiana izy ireo. Mila fanohanana izy ireo ary mila namana.

  • Nianatra koa aho fa manana mpikambana malaina isika izay miezaka sy maniry ny hitady ilay lalana hiverenana amin’ ny fahavitrihana.

  • Nianatra aho fa maro ireo mpikambana malaina no handray antso raha angatahina hanao izany.

  • Nahafantatra aho fa ny mpikambana malaina iray dia mendrika ny horaisina amin’ ny fomba tsy miangatra sy hojerena amin’ ny maha-zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra feno fitiavana azy.

Nandritra ny taona maro dia nanontany tena aho hoe ho nanao ahoana izany tafa sy dinika izany raha toa ka noraisiko tamin’ ny naha-mpikamban’ ny Fiangonana malaina azy izy. Avelako ianareo hitsara.

Lafiny iray ao amin’ ny asan’ ny Tompo izay manan-danja foana ny fampahavitrihana. Raha toa ka andraikitry ny mpikambana tsirairay ny fanavotana dia tokony andraikitry ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka ny mitarika izany asa izany. Izany rahateo no votoatin’ ny asa fanompoana ao amin’ ny fisoronana—mitondra ny olon-drehetra ho ao amin’ ny fanekempihavanana mampisandratra izay mitondra fiadanana, fifaliana ary fahamendrehana.

Tsaroanareo angamba ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna rehefa nahita ireo Zôramita nanalavitra ny Fiangonana i Almà Zanany dia nandrafitra ekipa mpitarika ny Fiangonana izy mba hanavotra ireo olona ireo. Teo am-panatontosan’ izy ireo izany andraikiny izany dia niangavy tamin’ ny Tompo i Almà tamin’ny alalan’ ireto teny ireto izy ireo:

“Tompo ô, hotovinao aminay anie ny hahazoanay fahombiazana amin’ ny fitondrana azy ireo indray hankany Aminao ao amin’ i Kristy.

“Indro, Tompo ô, sarobidy ny fanahiny, ary maro aminy no rahalahinay; noho izany, omeo anay Tompo ô, ny fahefana sy ny fahendrena mba hahazoanay mitondra indray ireto rahalahinay ireto hankany Aminao” (Almà 31:34–35; nampiana fanamafisana).

Volana vitsivitsy lasa izay taorian’ ny fivoriana nihaonako tamin’ ireo mpikambana vao niova fo sy malaina dia nisy rangahy iray niverina navitrika izay mitovitovy taona tamiko nanatona ahy ary nilaza hoe: “Izaho dia tsy navitrika nandritra ny ankamaroan’ ny fiainako. Vao kely aho dia efa nihemotra tato amin’ ny Fiangonana. Kanefa ankehitriny aho tafaverina ary miasa ao amin’ ny tempoly miaraka amin’ ny vadiko.”

Mba hahafahako maneho aminy fa milamina ny zava-drehetra dia toy izao no valinteniko: “Milamina ny zava-drehetra ka tsara fiafarana izany.”

Hoy ny navaliny hoe: “Tsia, tsy milamina ny zava-drehetra. Niverina ato am-piangonana aho saingy namoy ny zanako sy ny zafikeliko rehetra. Ary ankehitriny aho dia manatri-maso ny famoizana ny zafiafiko—izay any ivelan’ ny Fiangonana daholo. Tsy milamina ny zava-drehetra.”

Ao amin’ ny fianakavianay dia manana razambe iray izahay izay lasa mpikamban’ ny Fiangonana tany Eorôpa tamin’ ny fotoana niantombohan’ ny Fiangonana. Lasa nalaina ny zanakalahy iray. Niezaka nikaroka ny taranak’ io razambe tsy navitrika tato am-piangonana io izaho sy Rahavavy Edgley.

Mora tamiko sy ny vadiko ny nanao tsoan-kevitra fa nandritra ireo taranaka enina nifandimby manaraka ary miaraka amin’ ny vinavina tsotsotra natao dia mety ho teo amin’ ny olona miisa 3.000 tao amin’ ny fianakaviana no nafoy. Aleo ampiana taranaka roa fanampiny izany. Mety ho tafakatra any amin’ ny 20.000 ka hatramin’ ny 30.000 ireo zanaky ny Raintsika any an-danitra nafoy.

Ny andraikitra amin’ ny fanavotana dia mifototra amin’ ny iray amin’ ireo fotopampianarana fototra ijoroan’ ny Fiangonana.

“Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ ny olona eo imason’ Andriamanitra;

“Fa indro, ny Tompo Mpanavotra anao dia niaritra fahafatesana tamin’ ny nofo; koa niaretany ny fangirifirian’ ny olon-drehetra, mba hahazoan’ ny olon-drehetra mibebaka sy manatona Azy.  …

“Ary raha toa aza ka miasa amin’ ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ ny fanjakan’ ny Raiko!” (F&F 18:10–11, 15; nampiana fanamafisana).

Nanana fahafahana nanavotra mpikambana malaina vitsivitsy aho nandritra ny fiainako. Ankehitriny rehefa mitondra iray hiverina havitrika ato am-piangonana aho dia tsy fanahy iray monja no alaiko sary an-tsaina—fa mahita taranaka enina, fito, na mihoatra aho—fanahy an’ arivony. Avy eo aho dia mieritreritra an’ ilay soratra masina hoe: “Mitondr[à] olona iray monja ho Ahy, [dia ho] akory ny halehiben’ ny fifalianareo” (F&F 18:15).

Niteny tamin’ ny Apôstôliny ny Tompo hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy” (Matio 9:37). Tsy tokony ho vitsy ny mpiasa. Manana mpihazona ny fisoronana an’ arivony mahavita sy mendrika isika ary mpikamban’ ny Fiangonana an-tapitrisany manolo-tena manerana an’ izao tontolo izao. Manana filankevitry ny paroasy, kôlejin’ ny fisoronana, Fikambanana Ifanampiana ary fikambanana hafa izay miasa isika ary manana andraikitra ny hanavotra daholo. Asa izay niantsoan’ ny Mpamonjy mba ho ataontsika rehetra ny fanavotana fanahy.

Tany am-piandohan’ ity lahateniko ity aho dia nilaza mikasika ny vavaka nataon’ i Almà sy ireo namany raha teo am-pirotsahana ny hanavotra ireo Zôramita izy ireo. Nandritra ny Ady Lehibe faha-II dia miaramila Amerikana miisa 500 teo ho eo sy olona mpanohana avy teo an-toerana no nogadraina tany am-ponja. Vokatry ny fijaliana sy fiahiahiana ny ain’ izy ireo dia nisy tafika mpilatsaka an-tsitrapo izay ahitana miaramila Amerikana miisa 100 nofantenana mba hanavotra ireo gadra ireo. Taorian’ ny fanangonana ireo mpilatsaka an-tsitrapo dia nanome torolalana ho an’ izy ireo arak’ izao voalaza izao ny mpitari-tafika: “Anio hariva ianareo ry lehilahy rehetra dia hihaona amin’ ny mpitondra fivavahanareo, handohalika ary hampanantena amin’ Andriamanitra fa raha mbola velon’ aina dia tsy hamela ny iray amin’ ireo lehilahy ireo hijaly bebe kokoa.” (Jereo ny Hampton Sides, Ghost Soldiers: The Forgotten Epic Story of World War II’ s Most Dramatic Mission [2001], 28–29.) Izany fanavotana nahitam-pahombiazana izany dia fanavotana tamin’ ny fijaliana ara-batana sy ara-nofo. Moa tokony ho latsak’ izany ve ny ezaka ataontsika hanavotana ireo mizaka voka-javatra ara-panahy sy mandrakizay? Moa tokony ho latsak’ izany ve ny fanoloran-tenantsika amin’ ny Tompo?

Eto am-pamaranana, ny fanoloran-tenantsika amin’ ny maha-mpikambana ato amin’ ny Fiangonana marin’ i Kristy dia avy amin’ ny hoe ny Tompo dia nijaly ho antsika tsirairay avy—ny tsy mpikambana, ny mpikambana malaina, na ny mpanota aza ary ireo olona rehetra ao amin’ ny fianakaviantsika. Izaho dia mino fa afaka hitondra olona an’ arivony ho ao amin’ ny fifaliana, fiadanana sy hatsaran’ ny filazantsara isika, ary hitondra olona an’ arivony, sy an-tapitrisany mihitsy aza, ao amin’ ny taranak’ izy ireo ho avy. Izaho dia mino fa afaka ny hahita fahombiazana isika satria Fiangonan’ ny Tompo ity ary noho ny maha-zava-dehibe ny fisoronana sy ny maha-mpikambana antsika dia nantsoina isika mba hitondra fahombiazana. Izany no ijoroako ho vavolombelona aminareo amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.