2010–2019
Katsahonareo ny Fianarana: Manana Asa Tokony Hatao Ianareo
Aprily 2012


2:3

Katsahonareo ny Fianarana: Manana Asa Tokony Hatao Ianareo

Omeo fitahiana ireo izay ho zanakao sy ny tokantranonao ho avy amin’ ny alalan’ ny fanovozana fianarana betsaka araka izay tratra amin’ izao fotoana izao.

Ry zatovovavy malalako, tena tianay ianareo tsirairay avy. Hitanay ianareo fa mitsangana amin-kerimpo sy mamirapiratra amin’ ny hazavana ao anatin’ ity izao tontolo izao ity izay ahitana fanamby lehibe maro miaraka amin’ ny fahafahana manao zava-tsoa lehibe maro. Mety mahatonga anao hanontany tena izany hoe hanao ahoana ny hoaviko? Manome toky anareo aho fa amin’ ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra tsara toetra anareo dia mamirapiratra ny hoavinareo! Ianareo dia miaina ao anatin’ ny vanim-potoana izay namerenana tamin’ ny laoniny ireo fahamarinan’ ny filazantsara ary ireo fahamarinana ireo dia hita ao amin’ ny soratra masinareo. Nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianareo tamin’ ny fotoana nanaovana batisa anareo ary ny Fanahy Masina dia hampianatra anareo ny fahamarinana ary hanomana anareo ho amin’ ireo fanambin’ ny fiainana.

Nomen’ Andriamanitra fahafahana misafidy eo amin’ ny lafiny ara-pitondrantena ianareo ary nomeny fahafahana hianatra ety an-tany ary manana asa ampanaovina anareo Izy. Mba hanatanterahana izany asa izany dia manana andraikitra manokana ianareo tsirairay ny hikatsaka fianarana. Ny fanalahidin’ ny hoavinareo, ilay “fanantenanareo mamirapiratra,”1 dia hita ao anatin’ ilay bokikely vaovao Jeunes Soyez Forts (Ry Tanora Mahereza) eo ambanin’ ilay fitsipika hoe ny fianarana sy ao anatin’ ny hasin’ ny fahalalana ho an’ ny Zatovovavy.

“Ny fianarana … dia hanokatra ireo varavaran’ ny fahazoana tombontsoa.”2 Raha toa ianareo ka manaraka ilay fanentanana nataon’ ny Tompo hoe: “Katsahonareo ny fianarana amin’ ny alalan’ ny fandinihana ary koa amin’ ny alalan’ ny finoana,”3 dia tsy hoe hahazo fahalalana fotsiny ianareo avy amin’ ny fandalinana ataonareo fa hahazo fahalalana fanampiny koa rehefa mianatra amin’ ny alalan’ ny finoana.

Katsaho ny fianarana amin’ ny alalan’ ny fandalinana amim-pahavitrihana. Tsy hanana fahafahana firy ianareo hanokanana fotoana betsaka hianarana toy ny amin’ izao fotoana izao. Nanoro hevitra tamim-pahendrena an’ ireo zatovon’ ny Fiangonana ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Ny lamin’ ny fandalinana izay apetrakareo mandritra ny fotoana ianaranareo any an-tsekoly dia hisy fiantraikany lehibe eo amin’ ny fanirianareo tsy tapaka mandritra ny androm-piainana hanovo fahalalana.”4 “Tokony hanovo fianarana betsaka araka izay tratranareo ianareo. … Afoizo izay zavatra tokony hafoy mba hanananareo fahafahana hanao ny asan’ [ity] izao tontolo izao [ity]. … Hofano ny sainareo sy ny tananareo mba ho lasa fitaovana hanaovana ny tsara rehefa miatrika ny fiainana ianareo.”5

Raha niresaka manokana tamin’ ireo zatovovavy ny Filoha Thomas S. Monson dia nilaza izy hoe: “Matetika dia tsy fantatra ny hoavy. Noho izany dia ilaina ny fiomanantsika amin’ ny toe-javatra tsy ampoizina. … Mamporisika anareo aho mba handia fianarana ary hianatra fahaiza-manao tena ilaina, ka raha mitranga ny toe-javatra tahaka izany dia efa vonona ianareo amin’ ny angady sy ny harona.”6

Ry zatovovavy, araho ny torohevitr’ ireo mpaminany hendry sy entanin’ ny fanahy ireo. Aoka ianareo mba ho mpianatra tsara. Mitsangàna ary mamirapirata any amin’ ny sekolinareo ao anatin’ ny filofosana mafy sy ny fahitsim-po aman-tsaina ary ny fahamarinana. Raha toa ianareo ka sahirana na kivy mikasika ny zava-bitanareo any an-tsekoly dia mitadiava fanampiana any amin’ ny ray aman-dreninareo sy ny mpampianatra anareo ary ireo mpikamban’ ny Fiangonana tia manampy. Aza milavo lefona velively!

Ataovy lisitra ireo zavatra tianareo hianarana avy eo dia “zarao amin’ ny fianakavianareo sy ny namanareo ary ny mpitarika anareo ireo tanjonareo eo amin’ ny lafin’ ny fianarana mba hahafahan’ izy ireo manohana sy mamporisika anareo.”7 Izany no lamin’ ny Fivoaran’ ny Tena Manokana.

Mahita ny fitomboana izaitsizy eo amin’ ny fahalalana zavatra ianareo amin’ ny alalan’ ny teknôlôjia. Tototry ny feo sy ny horonan-tsary sy ny fitaovam-pifandraisana tsy tapaka ianareo. Aoka ianareo mba hahay hifantina ary aza avela handrebireby anareo na hampiadana ny fandrosoanareo ny fitomboan’ izany fampahalalana izany. Mitsangàna ry zatovovavy! Ianareo no mametraka ny tanjonareo. Ianareo no manapa-kevitra hoe inona no tokony hampidirina ao am-ponareo sy ao an-tsainareo.

Ny sasany amin’ ireo fianarana zava-manan-danja indrindra ho ataonareo dia ho any ivelan’ ny efitrano fianarana. Fenoy vehivavy tsara alain-tahaka ny manodidina anareo, izay vehivavy afaka mampianatra anareo fahaiza-manao mikasika ny fikarakarana tokantrano, na ny zava-kanto, na ny mozika, na ny tantaram-pianakaviana na ny fanatanjahan-tena na ny haisoratra na ny haiteny. Fantaro izy ireo ary angataho mba hampianatra anareo. Rehefa nianatra zavatra vaovao ianareo dia ampianaro mandritra ny Atrik’ asa Ifampizarana izany na aoka ianareo mba ho lasa mpampianatra an’ ireo zatovovavy hafa izay anisan’ ny tafiditra ao anatin’ ny zavatra takiana mba hahazoana ilay medaly ho an’ ny zatovovavy izay nampianatra ny hafa.

Ankoatra ilay reniko tena mahafinaritra dia nanana mpampianatra maro aho teo amin’ ny fiainako. Ny fotoana voalohany nahafantarako mikasika ny dingana arahina momba ny fampianarana ny hafa dia fony aho sivy taona monja. Ny mpampianatra ahy tao amin’ ny Kilonga dia nampianatra ahy nanao peta-kofehy point de croix ny soratra hoe: “Hitondra ny Hazavan’ ny Filazantsara ao An-tokantranoko Aho.” Nihantona tao amin’ ny efitranoko izany sary izany nandritra ireo taona naha-zatovo ahy. Notarihan’ io mpampianatro io aho ary nahitsiny sy namporisihany foana rehefa nandeha teny. Nisy mpampianatra maro hafa koa taorian’ izany. Nisy mpanjaitra tena mahay anankiroa nampianatra ahy nanjaitra. Noho ny fitarihan’ izy ireo sy ny faharetan’ izy ireo ary ny famporisihan’ izy ireo dia nampidiriko ho isan’ ny isafidianana tao anatin’ ny fifaninanana zaitra ny akanjolava iray izay nozairiko tamin’ izaho 14 taona ary dia nahazo loka! Izany dingana izany dia nampitombo ny hetahetako hanovo fahalalana sy ho mpianatra mendrika indrindra tao anatin’ ny sehatra hafa koa.

Ny fanovozana fahalalana amin’ izao fotoana izao dia tena sarobidy rehefa lasa reny ianao. “Ny fari-pahaizan’ ny reny iray dia misy fiantraikany lalina eo amin’ ny safidy ho ataon’ ny [zanany].”8 Ny fahaizan’ ny reny iray dia afaka ho tonga “fanalahidy hampitsaharana [ny] fahantrana.”9 Ny vehivavy nandia fianarana dia “lasa: Miteraka zaza salama kokoa, manan-janaka salama kokoa, manana fahatokian-tena bebe kokoa, mahay mitraka ary manana fomba fisainana sy mahay mandanjalanja tsara kokoa.”10

Hianarantsika ao amin’ ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao” fa “ny reny no tompon’ andraikitra voalohany amin’ ny fikarakarana ny zanany.”11 Ny fampianarana ny zanakao dia anisan’ ny tafiditra ao anatin’ izany fikarakarana sy andraikitrao masina izany. Toy ireo zatovo miaramila izay “efa nampianarin’ ny reniny,”12 ianao no ho mpampianatra tena manan-danja indrindra amin’ ireo mpampianatra ny zanakao hatramin’ izay, noho izany dia fidio tsara izay tianao hianarana. Omeo fitahiana ny zanakao sy ny tokantranonao ho avy amin’ ny alalan’ ny fanovozanao fahalalana betsaka indrindra araka izay vitanao amin’ izao fotoana izao.

Katsahonareo ny fianarana amin’ ny alalan’ ny finoana. Mianatra amin’ ny alalan’ ny finoana isika rehefa manovo amim-pahavitrihana fahalalana ara-panahy amin’ ny alalan’ ny vavaka, ny fandalinana ny soratra masina sy ny fankatoavana ary rehefa mikatsaka ny fitarihan’ ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana rehetra. Raha manao ny anjaranareo eo amin’ ny fanovozana fahalalana ianareo dia afaka manazava ny sainareo ny Fanahy Masina. Rehefa miezaka ny manao izay hahamendrika ny tenanareo ianareo dia hanome torolalana anareo ny Fanahy Masina ary hampitombo ny fahalalanareo.

Fony aho zatovovavy dia nindrana tehina fisosana amin’ ny ranomandry aho, izay tena lava be tamiko sy kiraro fisosana amin’ ny ranomandry izay lehibe loatra tamiko, ary namako iray izay no nampianatra ahy hisosa tamin’ ny ranomandry! Ny andro nandehananay dia andro lohataona iray izay tena tsara, nisy masoandro mibaliaka, ranomandry antonony tsara ary lanitra misy rahona sy mangamanga. Niova ho fifaliana ilay tebiteby naterak’ ireo solampy miaka-drantsana rehefa nihanahay aho. Ary na dia nianjera imbetsaka ihany aza aho niaraka tamin’ ireo tehina fisosana amin’ ny ranomandry ireo dia niarina aho ary nanohy nanandrana hatrany. Lasa tiako io fanatanjahan-tena io!

Tsy ela akory anefa aho dia nahita fa tsy voatery ho tsara tahaka izany foana ny andro hisosana amin’ ny ranomandry sy ny toetr’ andro. Tao anatin’ ireo andro maloka nisosana an-dranomandry dia nisosa an-dranomandry tao anatin’ ny toe-javatra antsoina hoe “hazavana manjavozavo” izahay. Miseho ny hazavana manjavozavo rehefa aparitaky ny rahona ny hazavana avy amin’ ny masoandro. Ka rehefa mijery ny ranomandry eo alohanao ianao dia hitanao fa tsy manana intsony ny fahatsapana ny halalin’ ny toerana ianao, ary sarotra ny mamantatra hoe hatraiza ny halalin’ ilay solampy miaka-drantsana na ny mahita ireo dongodongona eo amin’ ilay havoana.

Ry zatovovavy mety mijery ny hoavinareo toy ny nijereko an’ ity solampy miaka-drantsana hanaovana fisosana amin’ ny ranomandry ity ianareo. Mety mahatsapa ianareo indraindray fa miaina ao anatin’ ny hazavana manjavozavo ka tsy afaka mahita izay hiseho eo anoloanareo. Ny fianarana amin’ ny alalan’ ny finoana dia hanome fahatokian-tena anareo ary hanampy anareo hahita ny lalanareo ao anatin’ ny fotoan’ ny fisalasalana.

Ao amin’ ny toko faha-25 ao amin’ ny Matio, ny fanoharana mikasika ny virijiny folo dia mampianatra antsika fa iankinan’ ny aina ny fiomanana ara-panahy ary tsy maintsy tanterahin’ ny tena manokana. Ho tsaroanareo fa nasaina daholo ireo virijiny folo mba hitsena ny mpampakatra mandritra ny fampakaram-bady, saingy ireo virijiny hendry dimy ihany no niomana ka nanana solika tao anatin’ ny fanalany.

“Dia hoy ny adala tamin’ ny hendry: Mba omeo kely amin’ ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.

“Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ ny mpivarotra hianareo ka mividiana ho anareo.

“Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.”13

Mety hieritreritra ianareo fa fitiavan-tena no nasehon’ ireo virijiny izay tsy nizara ny solika nananany, nefa tsy azo natao mihitsy izany. Ny fiomanana ara-panahy dia tsy maintsy ataon’ ny tena manokana tsikelikely ary tsy mety zaraina.

Izao no fotoana hanatanterahanareo amim-pahavitrihana ny fampitomboana—tsikelikely—ny fahalalanareo ara-panahy, amin’ ny alalan’ ny vavaka, sy ny fandalinana ny soratra masina ary ny fankatoavana. Izao no fotoana handratoana fianarana—tsikelikely. Ny eritreritra sy ny zavatra atao tsirairay izay tsara dia hanampy ny solika ao amin’ ny fanalanareo ary hahamendrika anareo hahazo ny fitarihan’ ny Fanahy Masina, ilay mpampianatra antsika avy any an-danitra.

Ny Fanahy Masina dia hitarika anareo mandritra ny dianareo ety an-tany, na dia rehefa mahatsapa ho ao anatin’ ny hazavana manjavozavo aza ianareo, ka tsy mahafantatra izay mety hitranga. Tsy mila matahotra ianareo. Rehefa mitoetra eo amin’ ilay lalana izay mitondra any amin’ ny fiainana mandrakizay ianareo dia hitarika anareo eo amin’ ny fanapahan-kevitra raisinareo sy eo amin’ ny fianarana ataonareo ny Fanahy Masina.

Mijoro ho vavolombelona aho avy amin’ ny zavatra niainako manokana, fa raha mikatsaka fianarana ianareo, tsy hoe amin’ ny alalan’ ny fandinihana fotsiny fa amin’ ny alalan’ ny finoana koa, dia ho tarihan’ ny “Tompo any amin’ izay tokony hataonareo sy tokony ho fantatrareo ianareo.”14

Nahazo ny tsodranon’ ny patriarika aho fony aho tovovavy ary notoroina hevitra mba hanomana ny tenako amin’ ny alalan’ ny fianarana tsara ary hianatra mialoha eo amin’ ny fiainana mikasika ireo zavatra tsara mifandray amin’ ny fikarakarana tokantrano sy ny fikolokoloana fianakaviana. Tena naniry mafy ny hanana fianakaviana aho, kanefa tsy tanteraka izany raha tsy tamin’ ny faha-37 taonako, raha nanambady ihany aho. Lehilahy efa maty vady ny vadiko ary tamin’ ny andro namehezana anay tany amin’ ny tempoly dia nahazo tampoka teo tsy hoe vady fotsiny ihany aho fa fianakaviana iray ahitana zanaka efatra.

Fotoana ela talohan’ izany dia maro ireo andro izay nahatsapako ho toy ny hoe misosa amin’ ny ranomandry ao anatin’ ny hazavana manjavozavo izany aho, sady nanontany tena hoe: “Hanao ahoana ny hoaviko?” Niezaka aho nanaraka ny torolalana tao amin’ ny tsodranon’ ny patriarika nomena ahy. Nianatra tamim-pahavitrihana aho mba ho tonga mpampianatra any an-tsekoly ary nanohy ny fianarako aho ka lasa talen’ ny sekoly fanabeazana fototra. Nivavaka tamin’ ny Ray any an-danitra aho ary nikatsaka ny fitarihan’ ny Fanahy Masina. Nino tamim-kafanam-po an’ ilay fampanantenan’ ireo mpaminany aho izay nanome toky ahy fa raha toa aho ka “mitoetra ho marina sy mahatoky, mitandrina ny fanekempihavana [nataoko], manompo an’ Andriamanitra, ary tia ny Rai[ko] any an-danitra sy an’ i Jesoa Kristy Tompo dia tsy maintsy hahazo ireo fitahiana mandrakizay izay omen’ ny Raintsika any an-danitra ho an’ ireo zanany mahatoky.”15

Fantatro fa ny fianarako koa dia nanomana ahy ho amin’ ny fiainana iray izay tsy nisy nitovizana tamin’ izay noeritreretiko fony aho zatovovavy. Izaho dia nihevitra fa nianatra mikasika ny fampianarana aho mba hampianatra any an-tsekoly sy hampianatra ireo zanako any aoriana, saingy tsy nahalala aho fa ny Tompo koa dia nanomana ahy hampianatra teny Anglisy tany Mongolie rehefa nanao asa fitoriana tany aho niaraka tamin’ ny vadiko, ary nanomana ahy hampianatra ireo zatovovavin’ ny Fiangonana manerana an’ izao tontolo izao, ary nanomana ahy hampianatra ny hasarobidin’ ny fananana fahalalana amin’ ireo zafikeliko—fitahiana tena lehibe izay tsy noeritreretin’ ny saiko velively ireo rehetra ireo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tena mahafantatra anareo sy tia anareo ny Ray any an-danitra. Nametraka fahatokiana lehibe aminareo Izy ary manana asa izay ianareo ihany no afaka manao azy. Te-hanome antoka anareo aho fa ho vonona amin’ izany asa lehibe izany ianareo raha toa ka mikatsaka fianarana amin’ ny alalan’ ny fandinihana sy amin’ ny alalan’ ny finoana koa. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “Reaching Down to Lift Another,” Liahona, Jan. 2002, 67.

  2. For the Strength of Youth (booklet, 2011), 9.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118.

  4. Gordon B. Hinckley, Way to Be! Nine Ways to Be Happy and Make Something of Your Life (2002), 28.

  5. Gordon B. Hinckley, “Seek Learning,” New Era, Sept. 2007, 2, 4.

  6. Thomas S. Monson, “If Ye Are Prepared Ye Shall Not Fear,” Liahona, Nôv. 2004, 116.

  7. For the Strength of Youth, 9.

  8. Cheryl Hanewicz sy Susan R. Madsen, “The Influence of a Mother on a Daughter’ s College Decision,” Vehivavy sy Tetik’ asa mikasika ny Fampianarana ao Utah, Sarin’ ny Fikarohana, faha-3, (Jan. 2011): 1.

  9. Marjorie Cortez, “Mom’ s Education Key to Halt Poverty Cycle,” Deseret News, Sept. 23, 2011, A1.

  10. Olene Walker, “More Utah Women Need to Finish College,” Salt Lake Tribune, 30 Ôkt. 2011, O4.

  11. “Ny Fianakaviana: Fanambara ho an’ Izao Tontolo Izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  12. Almà 56:47.

  13. Matio 25:8–10.

  14. Henry B. Eyring, “Education for Real Life,” Ensign, Ôkt. 2002, 18.

  15. M. Russell Ballard, “Preparing for the Future,” Ensign, Sept. 2011, 27.