2010–2019
Ahoana no hevitr’ i Kristy mikasika ahy?
Aprily 2012


Ahoana no hevitr’ i Kristy mikasika ahy?

Rehefa tia Azy sy matoky Azy ary mino Azy sy manaraka Azy ianao dia hahatsapa ny fitiavany sy ny fanekeny.

Nisy mpanao gazety iray avy ao amin’ ny mpamokatra gazetiboky Breziliana iray izay nandalina mikasika ny Fiangonana rehefa nanomana izany ho matoan-dahatsarotra.1 Nandalina mikasika ny fotopampianarantsika izy ary nitsidika ny foibe fiofanan’ ny misiônera sy ny foibe misahana ny fanampiana olona. Niresaka tamin’ ireo naman’ ny Fiangonana izy ary tamin’ ireo izay tsy tena mankasitraka koa. Nandritra ny resadresaka nifanaovany tamiko dia toa tena sahiran-tsaina tokoa ilay mpanao gazety rehefa nanontany hoe: “Nahoana ary no tsy raisin’ ny olona ho Kristiana ianareo?” Fantatro fa ny Fiangonana no tiany holazaina, saingy noraisiko ho ahy manokana ilay fanontaniana ary dia nametraka tamin’ ny tenako tamim-pahanginana aho hoe: “Moa ve ny fiainako maneho ny fitiavana ny Tompo sy ny fanoloran-tena ho Azy?”

Nanontanian’ i Jesoa ireo Fariseo hoe: “Ahoana no Hevitrareo ny amin’ i Kristy?”2 Mandritra ilay fanaovana tombantombana farany dia tsy ny namana na ny fahavalo akory no hitsara antsika mikasika ny nataontsika amin’ ny maha-mpanara-dia manokana antsika. Fa kosa ho toy ny nolazain’ i Paoly izany: “Fa samy hiseho eo anoloan’ ny fitsaran’ Andriamanitra isika rehetra.”3 Amin’ izay andro izay, ilay fanontaniana manan-danja ho antsika dia hoe: “Ahoana no hevitr’ i Kristy mikasika ahy?”

Na dia tia ny olombelona rehetra aza i Jesoa dia nisy sasany tamin’ ireo manodidina azy izay notsikerainy hoe toy ny mpihatsaravelatsihy,4 adala,5 ary mpanao meloka.6 Ny hafa dia nantsoiny tamim-pankasitrahana hoe zanaky ny fanjakana7 ary fahazavan’ izao tontolo izao.8 Ny sasany dia nantsoiny miaraka amin’ ny tsy fankasitrahana hoe manajamba ny masony9 ary tsy mamoa.10 Noderainy fa madio am-po11 sy noana ny fahamarinana ny hafa.12 Nalahelo izy satria ny sasany dia tsy nino13 ary avy amin’ izao tontolo izao,14 saingy ny hafa kosa dia najainy ho toy ny voafidy,15 mpianatra,16 ary namana.17 Noho izany dia manontany tena isika tsirairay avy hoe: “Inona no hevitr’ i Kristy mikasika ahy?”

Ny Filoha Thomas S. Monson dia namaritra izao androntsika izao ho toy ny fanalavirana “ny zavatra ara-panahy … [amin’ ny alalan’ ny] rivotry ny fiovana izay [manodidina] antsika sy ny fitsipi-pitondrantena eo amin’ ny fiaraha-monina izay [tsy mitsahatra] ny mikorosy fahana eo imasontsika mihitsy.”18 Izao dia fotoana itomboan’ ny tsy firaharahiana sy ny tsy finoana an’ i Kristy sy ny fampianarany.

Ao anatin’ izany tontolo mikorontandrotana izany, dia faly isika satria mpianatr’ i Jesoa Kristy. Hitantsika manodidina eny ny tanan’ ny Tompo. Efa napetraka tsara eo anoloantsika ny toeran-kalehantsika. “Ary izao no fiainana mandrakizay,” hoy ny vavaka nataon’ i Jesoa, “dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao.”19 Ny hoe maha-mpanara-dia ao anatin’ ity lalan-kaleha amin’ izao fotoana izao ity dia ho toy ny mari-panajana mandrakizay any amin’ny mandrakizay.

Ireo hafatra izay henontsika nandritra ity fihaonambe ity dia famantarana avy amin’ ny Tompo mba hitarihana antsika mandritra ny diantsika amin’ ny maha-mpanara-dia antsika. Rehefa nihaino nandritra izay roa andro lasa izay isika, sy nivavaka mba hahazo fitarihana ary rehefa mandalina ireo hafatra ireo sy mivavaka mikasika azy ireo isika any aoriana dia hanome antsika fitarihana ho an’ ny tena manokana ny Tompo amin’ ny alalan’ ny fanomezana ny Fanahy Masina. Mampitodika antsika bebe kokoa any amin’ Andriamanitra ireo fahatsapana ireo ka dia mibebaka sy mankato ary mino sy mahatoky isika. Mamaly ireo zavatra ataontsika izay maneho finoana ny Mpamonjy. “Raha misy [lehilahy na vehivavy] tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.”20

Ilay antson’ i Jesoa hoe “Avia, manaraha ahy”21 dia tsy natao ho an’ ireo izay niomana ny hifaninana ao anatin’ ilay fifaninanana ara-panahy fotsiny ihany. Raha ny marina, dia tsy fifaninanana ny fahatongavana ho mpanara-dia fa fanasana ho an’ ny rehetra. Ilay dia ataontsika amin’ ny maha-mpanara-dia antsika dia tsy hoe fifaninanana hazakazaka fohy ao anatin’ ilay lalana ary tsy azo oharina mihitsy amin’ ny hazakaza-davitra izany. Raha ny marina dia dia maharitra mandritra ny fiainana mankany any amin’ ny tontolo selestialy kokoa izany.

Ny fanasany dia antso mba hanao ezaka isan’ andro. Hoy i Jesoa hoe: “Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko.”22 “Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan’ andro ka hanaraka Ahy.”23 Mety tsy hahavita hanao izay tsara indrindra avy amintsika isika isan’ andro, saingy raha manandrana isika dia feno fankaherezana sy fanantenana ilay fanasan’ ny Tompo manao hoe: “Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”24

Na aiza na aiza misy anao eo amin’ ilay lalan’ ny maha-mpanara-dia dia eo amin’ ilay lalana marina ianao ary eo amin’ ilay lalana mitondra any amin’ ny fiainana mandrakizay. Afaka mifampitraka sy mifanome hery ianareo ao anatin’ ireo andro lehibe manan-danja ho avy. Na inona na inona olana atrehantsika, na fahalemena manakantsakana antsika na zavatra tsy ho vita manodidina antsika, dia aoka isika hanana finoana an’ ilay Zanak’ Andriamanitra izay nanambara hoe: “Ny zavatra rehetra dia hain’ ny mpino.”25

Mamela ahy ianareo hizara ohatra roa mikasika ny fanaovan’ ny mpanara-dia asa. Ny voalohany dia avy amin’ ny fiainan’ ny Filoha Thomas S. Monson, izay mampiseho ny herin’ ny hatsaram-panahy tsotra sy ny herin’ ilay fampianaran’ i Jesoa hoe: “Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.”26

20 taona lasa latsaka kely teo izay no niresahan’ ny Filoha Monson nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana iray mikasika an’ ilay zatovovavy 12 taona iray izay tratran’ ny homamiadana. Notantarainy ny herimpo nananany sy ny hatsaram-panahin’ ireo namany izay nitondra azy teny amin’ ny Tendrombohitra Timpanogos tany Utah Afovoany.

Nihaona tamin’ i Jami Palmer Brinton aho taona vitsy lasa izay ary naheno an’ ilay tantara tamin’ ny endriny hafa—ilay endriny izay ahitana ny zavatra nataon’ ny Filoha Monson ho azy.

Nihaona tamin’ ny Filoha Monson i Jami tamin’ ny Martsa 1993, iray andro taorian’ ny nilazana fa ilay fivontosana teo amin’ ny lohaliny ankavanana dia homamiadan’ ny taolana izay tena mihombo haingana. Niaraka tamin’ ny fanampian’ ny rainy dia nomen’ ny Filoha Monson tsodranon’ ny fisoronana izy ary nampanantena ny Filoha Monson hoe: “I Jesoa dia ho eo ankavananao sy ho eo ankavianao mba hanohana anao.”

“Talohan’ ny nandaozako ny biraony tamin’ izay andro izay,” hoy i Jami, “Dia novahako ny tadin’ ilay baolina fingotra kilalao izay teo amin’ ny sezako misy kodiarana, dia nomeko azy. Misy soratra mazava be izany hoe ‘ Ianao no tena mahafinaritra indrindra.”

Tsy nanadino azy ny Filoha Monson nandritra ny fitsaboana azy tamin’ ny alalan’ ny chimiothérapie sy ny fandidiana azy mba hamonjena ny tongony. Hoy i Jami hoe: “Ny Filoha Monson dia naneho tamin’ ny alalan’ ny ohatra ny dikan’ izany hoe tena mpianatr’ i Kristy izany. Nampitraka ahy tao anatin’ ny alahelo [izy] ka dia nahazo fanantenana lehibe sy maharitra aho.” Telo taona taorian’ ny nihaonan’ izy ireo voalohany dia nipetraka tao amin’ ny biraon’ ny Filoha Monson indray i Jami. Tany amin’ ny faran’ ilay fihaonana dia nanao zavatra izay tsy ho hadinoin’ i Jami velively izy. Zavatra tena ahafantarana ny hatsaram-panahin’ ny Filoha Monson mihitsy no niseho satria navoakany tampoka teo anoloan’ i Jami ilay baolina fingotra kilalao izay nomen’ i Jami azy telo taona lasa talohan’ izany. “Ianao no tena mahafinaritra indrindra!” hoy ny nambaran’ ilay baolina fingotra kilalao. Notehiriziny izany satria fantany fa hiverina ao amin’ ny biraony i Jami rehefa sitrana ilay homamiadany. Efatra ambin’ ny folo taona taorian’ ny nihaonany tamin’ i Jami dia nanatanteraka ny fanambadiany tamin’ i Jason Brinton tao amin’ ny Tempolin’ i Salt Lake ny Filoha Monson.27

Afaka mianatra zavatra betsaka avy amin’ ny maha-mpanara-dia ny Filoha Monson isika. Matetika izy no mampahatsiahy an’ ireo Manampahefana Ambony mba hahatsiaro ity fanontaniana tsotra ity hoe: “Inona no ho ataon’ i Jesoa?”

Hoy i Jesoa tamin’ ilay mpanapaky ny synagoga iray hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.”28 Ny atao hoe mpanara-dia dia mino Azy ao anatin’ ny fotoam-piadanana sy mino Azy ao anatin’ ny fotoam-pahasarotana ary rehefa tsy mahita fahatoniana raha tsy avy amin’ ny alalan’ ny finoana fa tia antsika Izy sy mitazona ny fampanantentany, ny fanaintainantsika sy ny tahotsika.

Vao haingana aho no nihaona tamin’ ny fianakaviana iray izay ohatra tena tsara mikasika ny fomba hinoantsika Azy. Notantarain’ i Olgan sy Soline Saintelus avy any Port-au-Prince, Haiti tamiko ny tantaran’ izy ireo.

Tamin’ ny 12 Janoary 2010, dia tany am-piasana i Olgan ary i Soline tany am-piangonana rehefa namely an’ i Haiti ilay horohorontany nandravarava. Tany an-trano niaraka tamin’ ny namana iray ireo zanany telo—dia i Gancci, dimy taona, i Angie, telo taona, ary i Gansly, herintaona.

Faharavana makadiry no hita teny rehetra teny. Raha tsaroanareo dia an’ arivorivony maro no maty tany Haiti tamin’ izany volana Janoary izany. Nihazakazaka faran’ izay vitany nankany amin’ ilay efitrano fonenany i Olgan sy Soline mba hijery ny zanany. Nirodana tanteraka ilay tranobe nisy rihana telo nipetrahan’ ny fianakaviana Saintelus.

Tsy nitsoaka ireo ankizy. Tsy nisy asa famonjena natao teo amin’ ilay tranobe izay tena rava tanteraka.

I Olgan sy Soline Saintelus dia samy nitory ny filazantsara tao anatin’ ny fotoana feno ary nivady tany amin’ ny tempoly. Nino ny Mpamonjy izy ireo ary ny fampanantenany nataony tamin’ izy ireo. Kanefa rotidrotika ny fon’ izy ireo. Nitomany tsy nisy ohatr’ izany izy ireo.

Nilaza tamiko i Olgan fa nanomboka nivavaka izy tao anatin’ ilay ora maloka indrindra teo amin’ ny fiainany: “Ry Ray any an-danitra, raha toa ka sitrakao, ka mba misy velona na dia ny iray fotsiny amin’ ireo zanakay aza, dia mba ampio re izahay.” Niverimberina nandehandeha teo amin’ ilay tranobe izy sady nivavaka mba hahazo fanentanam-panahy. Niezaka nankahery azy ireo mpifanolobodirindrina taminy ary nanampy azy hanaiky ny fahalasan’ ireo zanany. Nanohy nandehandeha nanodidina an’ ireo korontan-trano rava i Olgan niaraka tamin’ ny fanantenana ary nivavaka. Dia nisy zavatra nitranga izay toa toy ny fahagagana ihany. Naheno feon-jazakely nitomany ary zara raha heno i Olgan. Feon’ ny fitomanin’ ilay zanany kely izany.

Nangady tsy an-kijanona nandritra ny ora maro ny tao ambanin’ ireo korontan-trano rava ireo mpifanolobodirindrina ary notandindomin-doza mihitsy aza ny ain’ izy ireo. Tao anatin’ ny haizin’ ny alina, dia nahareo feo iray hafa tao anatin’ ny faneno mafin’ ireo famaky sy fandraby ireo mpamonjy aina. Najanon’ izy ireo ny fivelivelesan-javatra ary nihaino izy ireo. Tsy nino ny zavatra henony izy ireo. Feon’ ny ankizy kely iray izany—ary nihira izy. Nilaza i Gancci izay dimy taona taty aoriana fa ho henon’ ny rainy izy raha mihira. Tao ambanin’ ny vatosokay mavesatra izay nianjerazera ka nahatonga ny fanapahana ny tanany taty aoriana, no nihiran’ i Gancci ny hira tiany indrindra dia ny “Zanaky ny Ray aho.”29

Niaina fahagagana ny fianakaviana Saintelus rehefa nandeha ny ora maro ary rehefa tao anatin’ ny haizina sy ny fahafatesana sy fahakiviana ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra tao Haiti izay tena maro. Hita ary velona tao ambanin’ ilay tranobe rava i Gancci sy i Angie, ary i Gansly.30

Tsy hoe miseho eo no ho eo foana ny fahagagana. Indraindray isika no mandefa saina lalina hoe nahoana ilay fahagagana izay nangatahantsika mafy tamim-bavaka no tsy mba tonga dia mitranga. Saingy rehefa miantehitra amin’ ny Mpamonjy isika dia hiseho ireo fahagagana nampanantenaina. Halamina tsara daholo ny zavatra rehetra na izany mandritra ity fiainana ity na any amin’ ilay ho avy. Ny Mpamonjy dia manambara hoe: “Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”31 “Aty amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”32

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa tia Azy, matoky Azy sy mino Azy ary manaraka Azy ianao dia hahatsapa ny fitiavany sy ny fanekeny. Rehefa manontany ianao hoe: “Ahoana no hevitr’ i Kristy mikasika ahy?” dia ho fantatrao fa mpianany ianao ary namany ianao. Amin’ ny alalan’ ny fahasoavany dia hanao zavatra ho anao Izy izay tsy ho vitanao ny hanao azy ho an’ ny tenanao.

Miandry amim-pientanentanana ny lahateny famaranana hozarain’ ny mpaminany malalantsika isika. Ny Filoha Thomas S. Monson dia notendrena ho Apôstôlin’ i Jesoa Kristy Tompo fony aho 12 taona. Nandritra ny 48 taona mahery izay dia nomena ilay fitahiana hihaino azy mijoro ho vavolombelona momba an’ i Jesoa Kristy isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa izy dia mitana ny toeran’ ny Apôstôly zokiny indrindra eto an-tany.

Amim-pitiavana sy amim-piderana lehibe an’ ireo mpianatr’ i Jesoa Kristy maro izay tsy mpikamban’ ity Fiangonana ity no hanambaranay amim-panetren-tena fa nisy anjely niverina teto an-tany tamin’ izao androntsika izao. Naverina tamin’ ny laoniny ilay Fiangonan’ i Jesoa Kristy izay naoriny fahiny miaraka amin’ ny hery sy ireo ôrdônansy ary ireo fitahian’ ny lanitra. Ny Bokin’ i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’ i Jesoa Kristy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy an’ izao tontolo izao ary nijaly sy maty ho an’ ny fahotantsika Izy ary nitsangana tamin’ ny maty tamin’ ny andro fahatelo. Nitsangana tamin’ ny maty Izy. Ho avy ilay andro izay handohalihan’ ny lohalika rehetra sy hideran’ ny lela rehetra fa Izy no Kristy.33 Amin’ izay andro izay dia tsy ilay hoe: “Moa ve raisin’ ny olona ho Kristiana aho?” fotsiny no ho ahiahiko. Fa amin’ izany fotoana izany dia hifantoka any Aminy ny masontsika ary hibahana ao am-pontsika ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no hevitr’ i Kristy mikasika ahy?” Velona Izy. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.