Isaorana Andriamanitra
Tena ho tsara kokoa ny zava-miseho raha toa ny olon-drehetra ka tonga saina amin’ ilay hery sy fitiavan’ Andriamanitra ary maneho izany fankasitrahana izany ho Azy.
Ry rahalahy sy rahavavy malala, misaotra anareo izahay amin’ ny fanohananareo sy ny fanoloran-tenanareo. Maneho ny fankasitrahanay sy ny fitiavanay anareo tsirairay avy izahay.
Vao haingana izaho sy Rahavavy Nelson no nankafy ny hatsaran’ ny trondro avy amin’ ny faritry ny zanapehintany tao anatin’ ny vatandrano kely iompiana trondro izay an’ olona manokana. Nilomano haingana sy nivezivezy mandroso sy miverina ireo trondro maro loko ary amin’ ny habeny sy endriny samihafa. Nanontany ilay mpikarakara nijoro tsy lavitra teo aho hoe: “Iza no manome sakafo an’ ireto trondro mahafinaritra ireto?”
“Izaho” hoy izy.
Dia nanontany aho avy eo hoe: “Efa mba nisaotra anao ve izy ireo?”
“Tsia!” hoy izy.
Nieritreritra an’ ireo olona sasantsasany fantatro aho izay toa tsy mahatsiaro ny Mpahary azy sy ilay tena “mofon’ aina”1 ho azy ireo. Miaina isan’ andro isan’ andro izy ireo, ary tsy manana eritreritra momba an’ Andriamanitra sy amin’ ny hatsaram-panahiny amin’ izy ireo.
Tena ho tsara kokoa ny zava-miseho raha toa ny olon-drehetra ka tonga saina amin’ ilay hery sy fitiavan’ Andriamanitra ary maneho izany fankasitrahana izany ho Azy. Nampianatra i Amôna hoe: “Aoka isika hanolotra fisaorana ho an’ [Andriamanitra], fa Izy dia mampihatra fahamarinana mandrakizay.”2 Ny halehiben’ ny fanehoantsika fankasitrahana no handrefesana ny fitiavantsika Azy.
Andriamanitra no rain’ ny fanahintsika.3 Manana vatana nofo sy taolana feno voninahitra sy lavorary Izy.4 Niara-niaina Taminy tany an-danitra isika talohan’ ny nahaterahantsika.5 Ary rehefa nohariany ara-batana isika dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra, ary samy nanana vatana ny tsirairay avy.6
Eritrereto ny zavatra mamelona ny vatantsika. Tena fanomezana avy any an-danitra mihitsy izany. Ny filana rivotra, sakafo, ary rano dia tonga daholo teo amintsika toy ny fanomezana avy amin’ ny Ray any an-danitra be fitiavana. Nohariana ny tany mba hanohanana ny diantsika fohy eto amin’ ny fiainana an-tany.7 Isika dia nateraka niaraka tamin’ ny fananana fahafahana hitombo, hitia, hanambady ary hanorina fianakaviana.
Tendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Ny fianakaviana no rafitra manan-danja indrindra eto an-tany ary mandrakizay. Ao amin’ ny drafitra lehiben’ ny fahasambaran’ Andriamanitra dia azo fehezina any amin’ ny tempoly sy hiomana hiverina hiara-hipetraka eo anatrehany mandrakizay ny fianakaviana. Izany no atao hoe fiainana mandrakizay! Manatanteraka ilay faniriana lalin’ ny zanak’ olombelona izany—dia ny faniriana ara-boajanahary mba hiaraka foana amin’ ireo olon-tiana ao amin’ ny fianakaviana.
Tafiditra ao anatin’ ny tanjony masina isika: “Izao no asako sy voninahitro,” Hoy izy, dia “ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ ny olona.”8 Mba hahatratrarana izany tanjona izany dia “toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”9 Izany fihetsika izany dia fanehoana amin’ ny fomba masina ny fitiavana an’ Andriamanitra. “Fa tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao [Izy] hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.”10
Ivon’ ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra ny asa nanirahana ny Zananilahy, Jesoa Kristy.11 Tonga Izy mba hanavotra ny zanak’ Andriamanitra.12 Noho ny Sorompanavotan’ ny Tompo dia tena misy ny fitsanganana amin’ ny maty (na tsy fahafatesana).13 Noho ny Sorompanavotana dia manana fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay ny rehetra izay ho mendrika izany. Nanazava i Jesoa hoe:
“Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray:
“Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.”14
Noho ny Sorompanavotan’ ny Tompo sy ny fanomezany ny fitsanganana amin’ ny maty—sy noho ity hafatra tena ambony mikasika ny Paska ity—dia isaorana Andriamanitra!
Ireo Fanomezana Ara-batana
Tia ny zanany ny Raintsika any an-danitra.15 Nomeny fanomezana ara-batana sy ara-panahy ny tsirairay. Andeha ho resahiko ny karazany tsirairay. Rehefa mihira ny “Zanaky ny Ray aho” ianareo, dia ataovy ao an-tsaina ny fanomezana natolony anareo izay ny vatanareo manokana. Ireo toetra maro miavaka ananan’ ny vatanareo dia maneho ny “toetoetra araka an’ Andriamanitra”16 anananareo.
Ny taova tsirairay ao amin’ ny vatanareo dia fanomezana mahagaga avy amin’ Andriamanitra. Ny maso tsirairay dia manana fahafahana mampifantoka ho azy any amin’ izay tokony hojerena. Ireo hozaketsika sy hozatra dia mifehy ny maso roa mba hahazoana sary iray lehibe. Mifandray amin’ ny atidoha ireo maso, izay mirakitra ireo zavatra hita.
Paompy mampitolagaga iray ny fonareo.17 Manana vava-fantsona kely malefaka efatra izany izay mandrindra ny fikorianan’ ny ra. Ireo vava-fantsona ireo dia misokatra sy mihidy in-dray hetsy mahery ao anatin’ ny andro iray—in’ enina amby telopolo tapitrisa isan-taona. Kanefa raha tsy hoe ovain’ ny aretina mihatra aminy, izy ireo dia afaka mahazaka izany fiasana mafy izany ao anatin’ ny fotoana izay saika tsy voafetra.
Eritrereto ny rafi-piarovan’ ny vatana. Mba hiarovana izany amin’ ny aretina dia mahatsapa mialoha ny fanaintainana izany. Rehefa tratran’ ny otrikaretina izy dia mamorona hery fiarovana amin’ izany. Manome fiarovana ny hoditra. Miaro amin’ ny faharatrana mety ateraky ny hafanana na hatsiaka be loatra izany.
Manavao ho azy ireo sela tsy miasa intsony ny vatana ary mandamina ny fatran’ ireo singa manan-danja ilainy. Manasitrana ho azy ireo faritra voadidy sy mangana ary taolana tapaka ny vatana. Ny fahafahany miteraka dia fanomezana masina iray hafa avy amin’ Andriamanitra.
Tokony ho tsaroantsika fa tsy mitaky vatana tonga lafatra ny fanatratrarana ny tanjona masin’ ny tsirairay. Raha ny marina, ireo fanahy tena tsara sasantsasany dia mitoetra ao amin’ ny vatana malemy na tsy tomombana. Matetika ireo olona manana fahasembanana ara-batana no manana tanjaka lehibe ara-panahy, satria efa tena miatrika fanamby lehibe izy ireo.
Ireo izay mandalina ny fiasan’ ny vatan’ olombelona dia azo antoka fa “efa nahita an’ Andriamanintra mihetsika ao amin’ ny fahandrianany sy ny heriny.”18 Satria tantanan’ ny lalàn’ Andriamanitra ny vatana, noho izany izay fahasitranana rehetra mitranga dia avy amin’ ny fankatoavana ny lalàna izay ifotoran’ izany fitahiana izany.19
Misy tokoa ireo olona izay manana fihevitra diso hoe ireo toetra mahavariana ananan’ ny vatana ireo dia kisendrasendra na vokatry ny fipoahan-javatra lehibe iray fahagola tany ho any. Anontanio ny tenananao hoe: “Moa mety hahavitana rakibolana iray ve ny fipoahan’ ny toeram-panontana boky iray?” Tsy ho izany mihitsy no hanampoizana ny zavatra hitranga. Fa raha toy izany kosa anefa ny fisehony dia tsy ho afaka velively hamerina amin’ ny laoniny izay pejiny rovidrovitra izany na hanatonta boky vaovao hafa indray!
Raha mitohy tsy misy fiafarana ny fahafahan’ ny vatana miasa araky ny tokony ho izy, miaro, manasitrana, mandamina ary mamorona dia ho mandrakizay ny fiainana ety. Eny, hihitsoka ety ambonin’ ny tany isika! Soa ihany fa nampisy ny fahanterana sy ireo lamina hafa izay hiafara amin’ ny fahafatesan’ ny vatana ny Mpahary antsika. Ny fahafatesana, tahaka ny fahaterahana dia lafin-javatra iray ao anatin’ ny fiainana. Mampianatra ny soratra masina fa “tsy nilaina ny hamonjena ny olona tamin’ izany fahafatesan’ ny vatana izany, satria ho nandrava ny drafitra lehiben’ ny fahasambarana izany.”20 Ny fiverenana any amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny vavahadin’ ny fahafatesana dia fifaliana ho an’ ireo izay tia Azy sy niomana hihaona Aminy.21 Amin’ ny farany dia ho avy tokoa ny fotoana izay “[hanakambanana] indray ao amin’ ny endriny tomombana ny fanahy sy ny vatana; ny rantsambatana sy ny vanintaolana dia samy haverina amin’ ny tena endriny,”22 ary tsy hosarahana intsony. Noho ireo fanomezana ara-batana ireo dia isaorana Andriamanitra!
Ireo Fanomezana Ara-panahy
Noho ny maha manan-danja ny vatana dia ampiasaina ho taberinakelin’ ny fanahy mandrakizain’ ny olona izany. Efa nisy hatrany amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana ny fanahintsika23 ary hitohy hiaina aorian’ ny fahafatesan’ ny vatana.24 Mampihetsika sy manome ny toetra maha-izy ny olona iray ny fanahy.25 Eto amin’ ity fiainana ity sy amin’ ny fiainana ho avy, rehefa mitambatra ny fanahy sy ny vatana, dia lasa olombelona iray tena manan-kasina.
Satria zava-dehibe ny fanahin’ ny olona iray dia misy vokany mandrakizay ny fivoarany. Mihamatanjaka izany rehefa mifandray ao anatin’ ny vavaka feno fanetren-tena amin’ ny Raintsika any an-danitra be fitiavana.26
Ireo toetra izay hitsarana antsika indray andro any dia ara-panahy daholo.27 Izany dia ahitana ny fitiavana, fahatsaran-toetra, fahamarinan-toetra, famindrampo ary fanompoana ny hafa.28 Rehefa mikambana sy mitoetra ao amin’ ny vatanareo ny fanahinareo dia ho afaka ny hitombo sy haneho ireo toetra ireo amin’ ny fomba izay tena manan-danja tokoa eo amin’ ny fivoaranareo mandrakizay.29 Ny fivoarana ara-panahy dia tratra amin’ ny alalan’ ny dingan’ ny finoana, fibebahana, batisa sy fanomezana ny Fanahy Masina, ary faharetana hatramin’ ny farany, ka ao anatin’ izany ny ôrdônansin’ ny fanafiana masina sy famehezana any amin’ ny tempoly masina.30
Tahaka ny filan’ ny vatana sakafo isan’ andro mba hahavelomany dia ilaina vokisana koa ny fanahy. Vokisana amin’ ny fahamarinana mandrakizay ny fanahy. Tamin’ ny taona lasa isika dia nankalaza ny faha-400 taonan’ ny dikan-tenin’ ny Baiboly Masina natao teo ambany fitarihan’ ny Mpanjaka James. Ary efa ho nanana ny Bokin’ i Môrmôna nandritra ny 200 taona latsaka koa isika izao. Ilay boky iray manontolo na ny ampahany nofantenana avy ao amin’ ny boky dia nadika amin’ ny fiteny miisa 107 izao ankehitriny. Noho ireo soratra masina sarobidy ireo sy ny hafa dia fantatsika fa Andriamanitra no Raintsika Mandrakizay ary ny Zananilahy, Jesoa Kristy, no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Noho ireo fanomezana ara-panahy ireo dia isaorana Andriamanitra!
Ireo Fanomezana avy amin’ ny Filazantsara
Fantatsika fa ireo mpaminany nandritra ny fotoampitantanana maro toa an’ i Adama, Noà, Mosesy, ary Abrahama dia samy nampianatra ny maha-Andriamanitra ny Raintsika any an-danitra sy an’ i Jesoa Kristy, rehefa niseho tamin’ ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ ny 1820 Izy ireo. Naorina ny Fiangonana tamin’ ny 1830. Ankehitriny, 182 taona aty aoriana dia mbola eo ambanin’ ny fanekempihavanana ny hitondra ny filazantsara ho amin’ ny “firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra”31 isika. Rehefa manao izany isika dia handray fitahiana na ny mpanome na ny mpandray.
Ny andraikitsika dia ny mampianatra ny zanany sy manaitra azy ireo mba hahatsiaro an’ Andriamanitra. Taloha ela be dia niteny ny Mpanjaka Benjamina hoe:
“Minoa an’ Andriamanitra; minoa fa misy Izy, ary Izy no nahary ny zava-drehetra, na any an-danitra na ety an-tany; minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra sy ny fahefana rehetra, na any an-danitra na ety an-tany; …
“… Minoa fa ianareo dia tsy maintsy mibebaka amin’ ny fahotanareo ary mandao izany sy manetry ny tenanareo eo anoloan’ Andriamanitra; ary mangataka amin-kitsim-po mba hamelany anareo; ary ankehitriny, raha mino izany zavatra rehetra izany ianareo dia ezaho izay anaovanareo izany.”32
Andriamanitra dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay, fa isika kosa dia miova. Ny fanamby atrehantsika isan’ andro dia ny manao izay ahazoana ny herin’ ny Sorompanavotana mba hahafahantsika tena miova, ho tonga bebe kokoa tahaka an’ i Kristy, ary ho mendrika ny fanomezan’ ny fisandratana sy hiaina mandrakizay hiaraka amin’ Andriamanitra, sy i Jesoa Kristy ary ny fianakaviantsika.33 Noho ireo hery, sy tombontsoa ary fanomezana avy amin’ ny filazantsara ireo dia isaorana Andriamanitra!
Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy, i Jesoa no ilay Kristy, ary ity no Fiangonany, izay naverina amin’ izao andro farany izao mba hanatanterahana ny tanjony masina. Tarihin’ ny Filoha Thomas S. Monson isika ankehitriny, izay tiantsika sy tohanantsika amin’ ny fontsika manontolo, tahaka ny hanohanantsika ireo mpanolotsainy sy ireo Apôstôly Roambinifololahy ho mpaminany, mpahita ary mpanambara ihany koa. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.