Mirindra Tsara amin’ ny Feon-kiran’ ny Finoana
Tian’ Andriamanitra ny zanany rehetra. Tiany hiverina any Aminy daholo izy rehetra. Tiany hirindra tsara amin’ ilay feon-kiran’ ny finoana ny rehetra.
Rehefa mihaona amin’ ireo mpikambana rehetra manerana an’ izao tontolo izao ireo Manampahefana Ambony ao amin’ ny Fiangonana dia hitanay manokana fa tena hery iray ho an’ ny tsara ireo Olomasin’ ny Andro Farany. Mankasitraka ny zavatra rehetra ataonareo izahay mba hitahiana ny fiainan’ ny olona rehetra.
Ireo izay misahana ny fifaneraserana amin’ ny daholobe dia tena mahatsapa fa ny fanehoan-kevitra ataon’ ny maro an’ isa sy ireo mpanao gazety eto Etazonia sy manerana an’ izao tontolo izao dia lasa nampitombo ny firesahany ampahibemaso mikasika ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy. Nisy fifanojoana miavaka iray teo amin-javatra maro izay nampitombo be tokoa ny fahatsapana ny fisian’ ny Fiangonana.1
Maro amin’ ireo izay nanoratra mikasika ny Fiangonana no nanao ezaka tamin-kitsimpo mba hahatakatra ny olontsika sy ny fotopampianarantsika. Naneho fanajana izy ireo ary niezaka ny tsy hiangatra, izay ankahasitrahanay tokoa.
Tsapanay koa fa maro ireo olona no tsy mahatakatra an’ ireo zavatra masina. I Lord Sacks Filohan’ ny Rabbin ao Angletera raha niresaka tamin’ ireo mpitarika tao amin’ ny Fiangonana Katôlika Romana tamin’ ny volana Desambra lasa teo tany amin’ ny Pontifical Gregorian University, dia nanamarika hoe lasa mirona amin’ ny tsy finoana tokoa ny faritra sasany eto an-tany. Nanambara izy fa ny loharano iray amin’ izany dia “ny tsy fahaizan’ ny sofin’ ireo mpahay siansa mahery fihetsika izay tsy mino an’ Andriamanitra mihaino ny feon-kiran’ ny finoana.”2
Ilay fahitana lehibe enti-mampiditra ny ao anatin’ ny Bokin’ i Môrmôna dia ilay nofy mifono faminaniana izay nahitan’ i Lehia ny hazon’ aina.3 Io fahitana io dia mamaritra tsotra fotsiny ireo fanamby atrehan’ ny finoana izay miseho amin’ izao androntsika izao ary ilay fisarahana lehibe misy eo amin’ ireo izay tia sy mitsaoka an’ Andriamanitra ary mahatsapa ho tompon’ andraikitra eo anoloany, ary etsy ankilany ireo izay tsy manao ireo zavatra ireo. Nohazavain’ i Lehia ny sasany amin’ ireo fitondran-tena izay manimba ny finoana ireo. Ny sasany dia be rehareha sy mieboebo ary ketrina. Ny hany mahaliana azy ireo dia ilay heverin’ ny sasany hoe fahendren’ izao tontolo izao.4 Ny sasany dia liana kely ihany amin’ Andriamanitra saingy very ao anatin’ ny zavon’ ny haizina sy ny fahotana ato anatin’ izao tontolo izao.5 Ny sasany efa nanandrana ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny teniny saingy menatra an’ ireo mandrabiraby azy ireo ary dia nianjera tany amin’ ny “lalana voarara.”6
Farany, dia misy ireo izay mirindra tsara amin’ ny feon-kiran’ ny finoana. Fantatrareo hoe iza ianareo. Tia ny Tompo sy ny filazantsara ianareo ary miezaka hatrany miaina sy mizara ny hafany, indrindra amin’ ny fianakavianareo.7 Mifanaraka amin’ny bitsiky ny Fanahy ianareo, ary mahatakatra ny herin’ ny tenin’ Andriamanitra, maneho fihetsika masina any an-tokantranonareo ary miezaka amim-pahavitrihana miaina fiainana tahaka ny an’ i Kristy amin’ ny maha-mpianany anareo.
Fantatray fa tena sahirana ianareo. Ry mpikambana be fanoloran-tena! Miankina aminareo ilay andraikitra hitantanana ny Fiangonana izay tsy ahitana mpitondra fivavahana matihanina mandray karama. Fantatray fa efa fahita mahazatra ny fanokanan’ ireo mpikambana ao amin’ ny episkôpà sy ny fiadidian’ ny tsatòka ary ireo hafa, ora maro hanompoana amim-piniavana. Ohatra tsara eo amin’ ny fanehoana fahafoizan-tena tsy misy tambiny ireo fiadidian’ ny vondrona fanampiny sy ny kôlejy. Izany fanompoana sy fahafoizan-tena izany dia hita eo amin’ ny mpikambana iray manontolo, eo amin’ ireo mpitam-boky, eo amin’ ireo mpampianatra isan-tokantrano sy mpamangy isan-tokantrano ary eo amin’ ireo izay mampianatra any amin’ ireo kilasy. Feno fankasitrahana an’ ireo mpitarika ny Skoto na mpitarika ao amin’ ny garderie koa aho izay manompo amim-kerimpo. Atolotray anareo rehetra ny fitiavanay sy ny fankasitrahanay noho ny zavatra ataonareo ary noho maha ianareo anareo!
Fantatray fa misy mpikambana izay tsy dia liana ary tsy dia maneho fahatokiana amin’ ny sasany amin’ ireo fampianaran’ ny Mpamonjy. Ny fanirianay dia ny hahatakaran’ ireo mpikambana ireo tanteraka ny finoana ary hampitomboany ny fahazotoany sy ny fanoloran-tenany. Tian’ Andriamanitra ny zanany rehetra. Tiany hiverina any Aminy daholo izy rehetra. Tiany hirindra tsara amin’ ilay feon-kiran’ ny finoana ny rehetra. Fanomezana iray ho an’ ny olona rehetra ny Sorompanavotan’ ny Mpamonjy.
Ilaina ny mampianatra sy ny mahatakatra fa tiantsika sy hajaintsika daholo ireo olona rehetra nofaritan’ i Lehia.8 Tsarovy fa tsy anjarantsika mihitsy ny mitsara. Nomena ny Tompo ny fitsarana.9 Ny Filoha Thomas S. Monson dia nangataka manokana antsika mba hanana “herimpo hanajanona ny fitsarana ny hafa.”10 Nangataka ny mpikambana mahatoky tsirairay koa izy mba hamonjy ireo izay efa nihinana ny voan’ ny filazantsara ary dia lavo avy eo ary koa ireo izay mbola tsy nahita ilay lalana ety sy tery. Mivavaka izahay mba hihazonan’ izy ireo ilay anja-by sy hahazoan’ izy ireo anjara amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay hameno “[ny fanahiny] fifaliana mitafotafo.”11
Raha nahitana ny karazan’ olona rehetra ny fahitan’ i Lehia dia ny maha-zava-dehibe mandrakizay ny fianakaviana kosa no fotopampianarana manan-danja indrindra tao anatin’ izany. “Tendrin’ Andriamanitra ny fianakaviana. Izany no rafitra manan-danja indrindra eto amin’ ity fiainana ity ary mandrakizay.”12 Rehefa nihinana ny voan’ ny hazon’ aina i Lehia (ilay fitiavan’ Andriamanitra), dia naniry ny mba “hihinanan’ ny ankohonany amin’ izany koa izy.”13
Ny faniriantsika lehibe dia ny hitaiza ny zanatsika ao anatin’ ny fahamarinana. Ny fitsipika iray izay hanampy antsika hanatanteraka izany dia ny fisorohana ny mitsara diso tafahoatra ny fihetsika iray izay adaladala na tsy malina fa tsy hoe mahameloka. Taona maro lasa izay raha mbola nanan-janaka nipetraka tao an-trano izaho sy ny vadiko, dia nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks fa zava-dehibe ny manavaka ireo fahadisoana ataon’ ireo zatovo izay tokony hahitsy sy ireo fahotana izay mitaky famaizana sy fibebahana.14 Rehefa misy ny tsy fisian’ ny fahendrena dia mila torolalana ny zanatsika. Raha misy ny fahotana dia ilaina ny fibebahana.15 Hitanay fa tena nanampy tokoa izany teo amin’ ny fianakavianay manokana.
Ny fanatanterahana ireo zavatra masina ao anatin’ ny tokantrano dia mitahy ny fianakaviantsika. Manan-danja manokana ny fanehoana ohatra. Misy fiantraikany bebe kokoa amin’ ny zanatsika ny zavatra ataontsika noho ny zavatra lazaintsika. Fony aho dimy taona dia naharay filazana ny reniko fa ny zandriny lahy dia maty rehefa voadaroka baomba tany amin’ ny morontsirak’ i Japana ilay sambo mpiady izay nanompoany tany amin’ ny faran’ ny Ady Lehibe II.16 Nahakivy azy tanteraka izany vaovao izany. Tena nampihetsim-po azy izany ka lasa nandeha tany amin’ ny efitrano fatoriana izy. Fotoana fohy taorian’ izay dia nitsikilo tao amin’ ilay efitrano aho mba hijery raha toa izy ka tsy maninona. Nandohalika teo akaikin’ ny fandriana izy ary nivavaka. Nisy fiadanana lehibe nanenika ahy satria nampianatra ahy izy mba hivavaka sy hitia ny Mpamonjy. Ohatra miavaka izay fanehony foana amiko izany. Ny reny sy ny ray izay mivavaka miaraka amin’ ny zanany no mety ho manan-danja kokoa noho ny ohatra hafa.
Ny hafatr’ i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny asa fanompoany ary ny sorompanavotany no ampahany manan-danja ao anatin’ ny zavatra tokony hampianarina ny fianakaviantsika. Tsy misy soratra masina hafa mamaritra tsara kokoa ny finoantsika noho ny ao amin’ ny 2 Nefia 25:26: “Ary miresaka an’ i Kristy isika, mifaly amin’ i Kristy, mitory an’ i Kristy, maminany ny amin’ i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”
Ny iray amin’ ireo fitsipika fototra ao anatin’ ny fahitan’ i Lehia dia ny hoe tokony hihazona mafy ny anja-by ireo mpikambana mahatoky mba hijanonan’ izy ireo eo amin’ ilay lalana ety sy tery izay mitondra any amin’ ilay hazon’ aina. Zava-dehibe ho an’ ny mpikambana ny mamaky sy misaintsaina ary mandalina ny soratra masina.17
Tena manan-danja tokoa ny Bokin’ i Môrmôna.18 Hisy foana mazava ho azy ireo izay hanamaivan-danja ny maha-zava-dehibe izany boky masina izany na hitsikera izany mihitsy aza. Ny sasany mananihany momba izany. Talohan’ ny nandehanako nanao asa fitoriana dia nisy prôfesora tany amin’ ny oniversite iray izay nindrana ny tenin’ i Mark Twain hoe raha esorinao ao anatin’ ny Bokin’ i Môrmôna ny andian-teny hoe “Ary ny zava-nitranga” dia “ho toy ny bokikely tsotra fotsiny izany.”19
Volana vitsivitsy taty aoriana, rehefa nanao asa fitoriana tany Londres, Angletera aho dia nisy mpampianatra iray manana ny maha izy azy tao amin’ ny London University izay mpianatra nivoaka tao Oxford ary manam-pahaizana Egyptiana mikasika ny fiteny Semita. Namaky ny Bokin’ i Môrmôna izy, dia nifanoratra tamin’ ny Filoha David O. McKay avy eo ary nihaona tamin’ ny misiônera. Nampahafantariny azy ny fahareseny lahatra fa ny Bokin’ i Môrmôna dia tena dikan-teny miompana amin’ ny fahalalan’ny Jiosy sy ny fitenin’ny Egyptiana tokoa nandritra ireo vanim-potoana voafaritra ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna.20 Ny ohatra iray nasehony tao anatin’ ny maro dia ilay andian-teny mpampitohy fehezan-teny hoe “Ary ny zava-nitranga” izay nolazainy fa nitovy tamin’ ny fomba handikany ireo teny sy andian-teny izay ampiasaina ao anatin’ ireo asa soratra Semita.21 Nampahafantarina ilay prôfesora fa raha nanampy azy ny fanadihadiana ara-tsaina izay nifototra tamin’ ny asany, dia mbola zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona ara-panahy. Nahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy izy ary natao batisa. Noho izany ilay zavatra hitan’ ny mpanao asa soratra mampihomehy iray ho toy ny zavatra mahatsikaiky dia tsapan’ ny manam-pahaizana iray ho toy ny porofo lalin’ ny fahamarinan’ ny Bokin’ i Môrmôna izay nohamafisin’ ny Fanahy taminy.
Ny fotopampianarana fototry ny fahafahana misafidy dia mitaky ny fananana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny izay mifototra amin’ ny finoana fa tsy amin’ ny porofo hita ety ivelany na ara-tsiantifika. Tsy hahomby na hitondra fivoarana mihitsy akory ny fifantohana diso tafahoatra amin’ ny zavatra tsy mbola nambara tanteraka, toy ny fomba mety nitrangan’ ny fiterahan’ ny virijiny na ny Fitsanganan’ ny Mpamonjy tamin’ ny maty na ny fomba tena nandikan’ i Joseph Smith ny soratra masintsika. Resaka finoana ireo. Farany, ny valiny dia ilay torohevitr’ i Môrônia mba hamaky sy hisaintsaina ary avy eo manontany amin’ Andriamanitra amin-kitsimpo, omban’ ny tena finiavana mba hanamafy ny fahamarinana ao amin’ ny soratra masina amin’ ny alalan’ ny fanahy.22 Ankoatr’ izany raha toa ka ampidirintsika ao anatin’ ny fiainantsika ireo zavatra tsy maintsy atao hita ao amin’ ny soratra masina ary raha toa ka miaina ny filazantsara isika dia hanana ny Fanahy ary hahatsapa ny hatsarany miaraka amin’ ny fahatsapana fifaliana ary indrindra fiadanana.23
Mazava fa ny maha-samy hafa an’ ireo izay maheno ny feon-kiran’ ny finoana amin’ ireo izay manetsy tadìny na mihaino zavatra hafa, dia ny fandalinana amim-pahavitrihana ny soratra masina. Nanohina lalina ny foko taona maro lasa izay ny nanamafisan’ ilay mpamimany malala Spencer W. Kimball ny filana ny famakiana sy ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina. Hoy izy hoe: “Hitako fa rehefa goragora ny fifandraisako amin’ Andriamanitra dia toa tsy mihaino izany Andriamanitra ary toa tsy miteny izany Izy ary tena lavitra dia lavitra aho. Raha miroboka tanteraka ao anatin’ ny famakiana ny soratra masina aho dia lasa fohy ilay halavirana ary miverina amin’ ny tokony ho izy ny fiainam-panahy.”24
Manantena aho fa mamaky tsy tapaka ny Bokin’ i Môrmôna miaraka amin’ ny zanatsika isika. Niresaka mikasika izany niaraka tamin’ ny zanako aho. Naneho hevitra roa tamiko izy. Voalohany, ny fikirizana mba hamakian’ ny fianakaviana miaraka ny soratra masina isan’ andro no fanalahidy. Tamim-piravoravoana no namaritan’ ny zanako vavy ny ezaka ataon’ izy ireo isaky ny vao maraina amin’ ireo zanaka izay tena mbola zatovo mba hamaky tsy tapaka ny soratra masina. Mifoha maraina izy sy ny vadiny ary iny mbola rendremana iny dia manaraka ny arofanina vy amin’ ny sisin’ ny tohatra izay mitondra any amin’ ny efitrano hivorian’ ny fianakavian’ izy ireo mba hamaky ny soratra masina. Ny fikirizana no vahaolana ary manampy ny hanihany kely. Mitaky ezaka avy amin’ ny olona tsirairay ao amin’ ny fianakaviana izany saingy ezaka tsy hanenenana. Ireo sampona mandalo dia resy amin’ ny alalan’ ny fikirizana.
Ny faharoa dia ny fomba hamakian’ ny zanakay faralahy sy ny vadiny ny soratra masina amin’ ilay fianakaviany mbola misy ankizy kely. Tsy mbola tonga amin’ ny taona ahaizana mamaky teny ny roa amin’ ireo zanany efatra. Ho an’ ilay anankiray izay dimy taona dia mampiasa famantarana amin’ ny tanana izy ireo izay valiany mba handraisany anjara feno ao anatin’ ilay famakian’ ny fianakaviana soratra masina. Ny famantarana omen’ ny rantsan-tanana 1 ho azy dia ny mba hamerenany ny hoe: “Ary ny zava-nitranga,” isaky ny miseho ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna izany. Tsoriko fa tiako ny fiverimberenan’ izany andian-teny izany matetika tokoa. Hanampiana izany koa mba hahasoa ireo fianakaviana mbola misy ankizy kely, ny rantsan-tanana 2 dia ho an’ ny hoe: “Ary dia toy izany no ahitantsika”. Ny rantsan-tanana 3, 4, ary 5 dia fidian’ ny ray aman-dreny arak’ izay teny hita ao amin’ ilay toko izay vakian’ izy ireo.
Fantatsika fa tsy hoe tonga lafatra foana ny fiarahan’ ny mpianakavy mamaky ny soratra masina sy ny takarivan’ ny mpianakavy. Na inona na inona olana atrehanao dia aza kivy.
Aoka ianareo hahatakatra fa ny fananana finoana an’ i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitandremana ny didiny no fitsapana manan-danja indrindra mandritra ny fiainana eto an-tany ary ho toy izany hatrany. Fa ambonin’ ny zavatra rehetra, isika tsirairay dia tokony hahatsapa fa rehefa tsy miraharaha ny feon-kiran’ ny finoana ny olona iray dia tsy maheno ny Fanahy. Nampianatra ny Mpaminany Nefia hoe: “Eny efa nandre ny feony … ianareo; ary niteny tamin’ ny feo tony sy malefaka izy, saingy efa donto ianareo, hany ka tsy nahatsapa ny teniny.”25
Ny fotopampianarantsika dia mazava. Mila matoky tena sy miran-dava isika. Manasongadina ny finoantsika isika fa tsy ny tahotsika. Isika dia mifaly ao anatin’ ny fanomezan-tokin’ ny Tompo fa hijoro eo anilantsika Izy ary hanome fitarihana sy torolalana.26 Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona amin’ ny fontsika fa manana Ray any an-danitra be fitiavana isika ary ilay drafiny feno famindram-po mba hamonjena antsika dia ho tanteraka amin’ ny lafiny rehetra noho ny sorompanavotan’ i Jesoa Kristy.
I Naomi W. Randall, izay nanoratra ny “Zanaky ny Ray Aho,” dia nanoratra hoe: “Mitarika ny fanahiny. Manome toky ny fitiavany fa lasa ny tahotra rehefa maharitra ny finoana.”27
Noho izany dia ndeha isika na aiza na aiza misy antsika eo amin’ ilay lalan’ ny maha-mpianatra ao anatin’ ilay fahitan’ i Lehia, hanapa-kevitra mba hamoha ao anatintsika sy ao anatin’ ny fianakaviantsika ilay faniriana hahazo ilay fanomezana tsy takatry ny saina dia ny fiainana mandrakizay izany. Mivavaka aho mba hirindra tsara amin’ ilay feon-kiran’ ny finoana ianareo. Mijoro ho vavolombelona amin’ ny maha-Andriamanitra an’ i Jesoa Kristy sy amin’ ny tena fisian’ ny Sorompanavotany aho, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.