Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
14 nôvambra. Nahoana no zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132


“14 nôvambra. Nahoana no zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“14 nôvambra. Nahoana no zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
mpivady vao eo anoloan’ny tempoly

14 nôvambra

Nahoana no zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (azonareo tapahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ireo zavatra izay horesahina):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Iza no mila ny fanampiantsika sy ny vavaka ataontsika? Inona no azontsika atao mba hanampiana azy ireo? Iza no tokony hasaintsika amin’ny fiaraha-mientana manaraka?

  • Ny andraikitsika na anjara asantsika. Inona avy ireo asa nampandraiketina izay notontosaintsika? Inona avy ireo asa nampandraiketina izay ilaintsika atao? Tamin’ny fomba ahoana no nanasantsika ny hafa hanatona an’i Kristy, ary ahoana no ahafahantsika manasa ny hafa ankehitriny?

  • Ny fiainantsika. Inona avy ireo zavatra niainana tato ho ato izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Inona no mitranga eo amin’ny fiainantsika, ary ahoana no ahafahantsika mifanohana?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety ny hanaovana izany izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Raha mbola kely ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao dia efa mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fanambadiana any amin’ny tempoly dia azo heverina kokoa ny hanirian’izy ireo sy hiomanany amin’io fitahiana lehibe io. Ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny fahasambarana dia tena ilaina ho an’ny fisandratana ny fanekempihavanana mandrakizain’ny fanambadiana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4). Saingy ny fanambadiana any amin’ny tempoly dia tsy hoe momba ny zavatra horaisintsika any amin’ny fiainana manaraka fotsiny—fa afaka mitondra fitahiana lehibe eto amin’ity fiainana ity koa izany. Ohatra, ireo fanekempihavanana masina atao amin’ Andriamanitra dia afaka manova ny fomba fijerin’ny mpivady ny fiarahan’izy ireo. Ary ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray voafehy ho amin’ny fotoana sy ho an’ny mandrakizay dia manana antoka fa noho i Jesoa Kristy dia hitohy mandrakizay ny fiarahan’izy ireo raha mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataony izy ireo.

Ahoana no ahafahanao manampy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao hahatsapa faniriana lehibe kokoa ny ho voafehy any amin’ny tempoly? Mba hiomananao hampianatra momba ny fanambadiana any amin’ny tempoly dia azonao vakina ny “Fanambadiana” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana ([2004], 97–101).

Sary
ray aman-dreny mitrotro ny zanany

Afaka ny ho voafehy mandrakizay amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly ny fianakaviana.

Miaraha mianatra

Mba hanomezana fahafahana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hizara izay zavatra nianarany tamin’ity herinandro ity dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy ny hoe Nahoana no manan-danja ny fanambadiana mandrakizay ao amin’ny tempolin’ Andriamanitra? Avy eo ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy dia afaka mitady ny andinin-tsoratra masina iray izay novakin’izy ireo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–32 izay afaka manampy azy ireo hamaly ilay fanontaniana sy hanoratra ilay toko sy andininy eo akaikin’ilay fanontaniana. (Raha manampy dia azonao atoro azy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; 132:13–19.) Iaraho mamaky ny sasany amin’ireo toko sy andininy ary ifanakalozy hevitra ny zavatra ampianarin’izy ireo. Afaka mampiasa izay tianao amin’ireto asa atao manaraka ireto ianao mba hanampiana ny zatovo hahatakatra kokoa ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana any amin’ny tempoly.

  • Koa satria ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ihany no misy ny fanambadiana mandrakizay dia mety hanana fahafahana hanazava izany amin’ny olona izay tsy mahafantatra izany ireo olona ampianarinao. Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hanao izany dia azonao asaina haka sary an-tsaina izy ireo hoe misy naman’izy ireo anankiray izay manontany tena hoe nahoana ny Olomasin’ny Andro Farany no mino fa zava-dehibe tokoa izany manao fanambadiana any amin’ny tempoly izany. Angataho izy ireo hamaky ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana,” “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org), na ny pejy 97–98 ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana. Afaka mitady teny, andian-teny ary hevitra azony ampidirina anatina taratasy iray soratany ho an’ilay namany izay manazava ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana any amin’ny tempoly izy ireo. Afaka manome fotoana azy ireo ianao hanoratany taratasy iray ary avy eo dia asao izy ireo hizara ny zavatra nosoratany.

  • Ny fahitana ohatra amina fanambadiana mafy orina iray dia afaka ny hitaona ireo olona ampianarinao hikatsaka io fitahiana io. Fomba iray anaovana izany ny famakiana ireo fizarana ao amin’ny hafatry ny Loholona Whitney Clayton hoe “Ny fanambadiana: Mijere ary mianara” (Liahona, mey 2013, 83–85). Inona no ianaran’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy avy amin’io hafatra momba ny fomba hanorenana fanambadiana mandrakizay sambatra io? Afaka mamaky ihany koa ireo hevitra ao amin’ny “Fananana fanambadiana feno fifaliana” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

  • Angataho hieritreritra zavatra izay mety hanakana azy ireo tsy ho voafehy any amin’ny tempoly ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy. Inona no azontsika atao izao mba hisorohana ireo zavatra ireo? Afaka manao lisitra ny sasany amin’ireo zavatra azony atao amin’izao fotoana izao izy ireo mba hiomanana ho amin’ny fanambadiana mandrakizay. Inona no anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana antsika hiomana ho amin’ny fanambadiana mandrakizay sy hahavita izany?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba hanatanterahana ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

  • Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:16–17; 131:1–4; 132:13–19 (Tena ilaina ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadiana mandrakizay)

  • Hoy ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ny fanambarana ny fahamarinana fototra mikasika ny fanambadiana sy ny ankohonana dia tsy midika akory hoe tsy miraharaha na manambany ny fahafoizantena sy ny fahombiazana asehon’ireo izay tsy mbola afaka miaina io rafitra tena tsara io amin’izao fotoana izao. … Zavatra tsara maro sy zavatra tena ilaina maro—ary indraindray aza ny zavatra rehetra ilaina amin’izao fotoana izao—no afaka ny ho tratra ao anatin’ny toe-javatra tsy tonga lafatra. … Mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana isika fa efa noraisin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy an-tanana mialoha ary amin’ny farany honerany daholo ny fihafiana sy ny famoizan-javatra rehetra nozakain’ireo izay mitodika Aminy” (“Nahoana no manan-danja ny fanambadiana sy ny fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 52).

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Mametraha fanontaniana izay hanentana ireo olona ampianarinao hieritreritra lalina momba ny fanambadiana mandrakizay sy hahatsapa faniriana hiezaka hanatratra izany tanjona izany. Henoy tsara ny valin-tenin’izy ireo ary mamalia amin-katsaram-panahy araka izay hitaoman’ny Fanahy anao.

Hamoaka printy