Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
28 nôvambra. Ahoana no nitondran’i Joseph Smith fanampiana teo amin’ny fanatanterahana ny drafitry ny Ray any An-danitra? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136


“28 nôvambra. Ahoana no nitondran’i Joseph Smith fanampiana teo amin’ny fanatanterahana ny drafitry ny Ray any An-danitra? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“28 nôvambra. Ahoana no nitondran’i Joseph Smith fanampiana teo amin’ny fanatanterahana ny drafitry ny Ray any An-danitra?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
sary hosodoko maneho an’i Joseph Smith

Rahalahy Joseph, nataon’i David Lindsley

28 nôvambra

Ahoana no nitondran’i Joseph Smith fanampiana teo amin’ny fanatanterahana ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (azonareo tapahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ireo zavatra izay horesahina):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Inona no azontsika atao mba hanorenana firaisankina eo anivon’ny olona ao amin’ny kôlejy na kilasy misy antsika? Inona avy ireo tanjona tiantsika hiarahana miasa?

  • Ny andraikitsika na anjara asantsika. Inona no efa ataontsika mba hizarana ny filazantsara? Inona no traikefa ananantsika amin’ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana?

  • Ny fiainantsika. Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika? Inona no nankahery antsika avy amin’ny fandalinantsika ny soratra masina tamin’ity herinandro ity?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety ny hanaovana izany izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

“Joseph Smith, ilay Mpaminany sy Mpahitan’ny Tompo dia efa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto, afa-tsy i Jesoa irery ihany, ho famonjena ny olona eo amin’ity izao tontolo izao ity” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3). Fanambarana feno fahasahiana momba ny anjara asan’i Joseph Smith izany. Efa mba noheverinao ve ny dikan’izany fanambarana izany eo amin’ny fiainanao? Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainanao raha toa ka tsy naverina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Inona no azonao atao mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao hanatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny iraka nampanaovina an’i Joseph Smith?

Eo am-piomananao hampianatra dia azonao jerena, ho fanampin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135, ny hafatry ny Filoha M. Russell Ballard hoe “Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika?” (Liahona, mey 2020, 8–11) sy ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen “Joseph Smith” (Liahona, nôv. 2014, 28–31).

Sary
zatovovavy sy zatovolahy mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Voatahy amin’ny alalan’ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fiainantsika.

Miaraha mianatra

Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba nanampian’i Joseph Smith hahatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra, dia azonao atao ny manomboka amin’ny alalan’ny famerenana mijery ny zavatra nianaran’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy momba ny Mpaminany avy amin’ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 tamin’ity herinandro ity. Ohatra, afaka mitanisa ao anaty lisitra ireo fahamarinana fantany momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany noho i Joseph Smith izy ireo. Nahoana no zava-dehibe ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny tsirairay avy amin’ireo fahamarinana ireo? Ireto asa atao manaraka ireto dia afaka manampy ny kôlejy na kilasy hahatakatra kokoa ny anjara asan’i Joseph Smith ao amin’ny drafitry ny famonjena.

  • Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hiomana hanampy ny hafa hahatakatra ny maha-manan-danja ny Mpaminany Joseph, dia azony vakìna ny “The Restoration of the Gospel of Jesus Christ through Joseph Smith (Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’i Joseph Smith)” ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Preach My Gospel (Torio ny Filazantsarako) ([2019], 36–38). Rehefa miara-miasa tsiroaroa na anaty vondrona kely izy ireo, dia afaka mamantatra hevitra izay toa zava-dehibe ka tokony hozaraina amin’ny hafa. Avy eo dia afaka manao fampiharana mifampizara ny zavatra niainan’i Joseph Smith amin’ny alalan’ny teniny manokana izy ireo. Angataho izy ireo hieritreritra izay zavatra azony atao hizarana ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny. Angamba mety ho afaka mieritreritra olona iray manokana azony izarana io hafatra io izy ireo. Mety ho vonona ihany koa izy ireo ny hizara zavatra niainana tamin’ny fotoana nanampiany olona hahalala momba an’i Joseph Smith.

  • Angataho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy haka sary an-tsaina fa misy naman’izy ireo anankiray any am-piangonana miteny hoe “Tsy azoko antoka fa manana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith aho. Ahoana no ahafantaranao fa mpaminany izy?” Inona no havalintsika? Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith manokana ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:8–19 momba ny fomba ahafahantsika mahazo fijoroana ho vavolombelona na mampatanjaka izany? Angataho mba hanao lisitra ahitana ireo fomba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpaminany Joseph Smith ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ary samy hisafidy zavatra iray tiany hatao amin’ity herinandro ity.

  • Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hahatakatra kokoa ny asa izay notanterahin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joseph Smith, dia azonao asaina hamaky ny pejy 48–53 ao amin’ny Enseignements des présidents de l’Église: Gordon B. Hinckley (2016) izy ireo. Azon’izy ireo atao ny maka iray na roa amin’ireo fotopampianarana na fomba fanao aroso ao amin’ireo loharanom-pitaovana ireo izay tena manan-danja indrindra amin’izy ireo. Afaka manazava ny antony ankasitrahan’izy ireo ny namerenan’ny Tompo ireo zavatra ireo amin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith izy ireo. Mety ho tian’izy ireo ihany koa ny hanoratra taratasy hanehoany ny fankasitrahany ny fomba nitondran’ny asan’i Joseph Smith azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Azon’izy ireo saintsainina ihany koa ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahazoana tombony feno kokoa amin’ireo fitahiana nomen’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba hanatanterahana ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nifantoka tamin’ny fanampiana ireo mpanara-dia Azy hiaina ny filazantsara amin’ny fon’izy ireo manontolo ny Mpamonjy. Ahoana no ahafahanao manampy ireo olona ampianarinao hahita ny tokony ho fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Joseph Smith eo amin’ny fiainany isan’andro?

Hamoaka printy