Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
12 desambra. Ahoana no ahitako valiny ho an’ireo fanontaniako? Fanekem-pinoana sy Filazana Ôfisialy 1 sy 2


“12 desambra. Ahoana no ahitako valiny ho an’ireo fanontaniako? Fanekem-pinoana sy Filazana Ôfisialy 1 sy 2” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“12 desambra. Ahoana no ahitako valiny ho an’ireo fanontaniako?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovolahy manoratra eo amin’ny solaitrabe fotsy

12 desambra

Ahoana no ahitako valiny ho an’ireo fanontaniako?

Fanekem-pinoana sy Filazana Ôfisialy 1 sy 2

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Inona avy ireo asa atao notontosaintsika tato ho ato? Nahomby ve izy ireny? Inona no nizotra tsara, ary ahoana no ahafahantsika manatsara azy ireo?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Iza no mila asa fanompoana avy amintsika? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo?

  • Ny fiainantsika. Inona ireo tanjona tratrarintsika tsirairay avy? Inona avy ireo zavatra niainana azontsika zaraina? Inona avy ireo fitahiana efa noraisintsika?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Tsy maninona izany hoe manana fanontaniana izany. Manontany tena momba ny hoavintsika sy ny tontolo manodidina antsika isika. Manana fanontaniana momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny ho antsika ihany koa isika. Rehefa mamaky ny Filazana Ôfisialy 1 sy ny 2 ianao amin’ity herinandro ity, dia jereo ny zavatra nataon’ny mpaminany sy ny apôstôly mba hahitana ny valin’ny fanontanian’izy ireo (afaka manampy ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Inona no anjara asa notanan’ny fitadiavana valim-panontaniana teo amin’ny fianaranao ny filazantsara? Inona no azonao atao hamporisihana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao mba hitady amin’ny fomba mahatoky ny valin’ireo fanontanian’izy ireo mikasika ny filazantsara ? Rehefa miomana hampianatra ianao, dia hevero ny hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–15; 9:7–9 sy ny “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny Fifehezana fotopampianarana ([2018], 3–5).

Sary
zatovovavy mijery tablette

Afaka ny hatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika rehefa mitady ny valin’ireo fanontaniantsika amin’ny fomba mahatoky isika.

Miaraha mianatra

Satria nianatra ny Filazana Ôfisialy 1 sy 2 ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ampianarinao tamin’ity herinandro ity, dia mety ho nahita fitsipika mifandray amin’ny fandraisana valim-panontaniana momba ny filazantsara izy ireo. Omeo minitra vitsivitsy izy ireo hamakiana ireo fanambarana ireo ary hizara ny zavatra nianarany momba ny fandraisana fanambarana. Ireto asa atao manaraka ireto dia afaka manampy ireo olona ampianarinao hahatakatra kokoa ny fomba fitadiavana ny valin’ny fanontanian’izy ireo momba ny filazantsara.

  • Ireto soratra masina manaraka ireto dia mampianatra fitsipika momba ny fametrahana fanontaniana sy ny fahazoana valiny: Matio 7:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–15; 9:7–9. Afaka miara-mamaky ireo andininy ireo sy manao lisitra ny fitsipika hitany eny amin’ny solaitrabe ny kôlejy na kilasy sahaninao. Nahoana ny Ray any An-danitra no tsy avy dia mamaly feno na miaraka eo no ho eo ireo fanontaniantsika? Ahoana no ahafahantsika manohy maneho finoana rehefa miandry valiny? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23; 78:18). Hevero ny hizara zavatra niainana tamin’ny fotoana nanananao fanontaniana iray momba ny filazantsara ka nandraisanao valiny. Angataho mba hizara zavatra niainana mitovy amin’izany ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

  • Afaka mieritreritra olona ao amin’ny soratra masina izay nametraka fanontaniana nitarika ho amina fanambarana ve ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy sahaninao? (Raha ilaina dia azonao atoro azy ireo ireo soratra masina eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.”) Azon’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy atao ny mamaky momba ireo olona ao amin’ny soratra masina ireo ary mamantatra ny fanontaniana napetrany, ny fomba nitadiavany ny valiny ary ny valiny azony. Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra ireo? Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny zavatra nianarantsika rehefa mitady ny valin’ny fanontaniantsika isika?  

  • Ny hafatry ny loholona W. Mark Bassett “Ho an’ny fivoarantsika sy fianarantsika ara-panahy” (Liahona, nôv. 2016, 52–54) dia manome sosokevitra momba ny fomba itadiavana ny valin’ireo fanontaniana ara-panahy. Azon’ny kôlejy na kilasy sahaninao atao ny miara-mamaky ireo andiam-pehezan-teny efatra ao amin’ny hafatra nozarainy izay manomboka amin’ny hoe “Mba hahatakarana ireo misitery momba an’ Andriamanitra.” Avy eo dia asao ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hamaky ny 1 Nefia 2:16, 19–20; 10:17–19; 11:1 ary hamantatra ny zavatra nataon’i Nefia hitadiavana ny valin’ireo fanontaniany. Asao hieritreritra ny zavatra hataon’izy ireo mba hanarahana ny ohatra nasehon’i Nefia ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy rehefa manana fanontaniana momba ny filazantsara.

  • Ilay tantara ao amin’ny Marka 9:14–27 dia afaka manampy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy rehefa sahirana noho ny fananana fanontaniana na fisalasalana izy ireo. Asao mialoha mba ho vonona hizara ilay tantara ny mpikambana iray ao amin’ny kôlejy na kilasy rehefa tonga mianatra. Avy eo dia zarao ho vondrona telo ny kôlejy na kilasy sahaninao, dia omeo andraikitra hianatra ny iray amin’ireo fanamarihana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland momba ilay tantara ao amin’ny hafatra nozarainy hoe “Tompo ô, mino aho” (Liahona, mey 2013, 93–95) ny vondrona tsirairay. Ahoana no ahafahantsika mampihatra ireo fanamarihana nataon’ny Loholona Holland rehefa manana fanontaniana na fisalasalana momba ny filazantsara isika na ny olona iray fantatsika?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Namporisika ireo olona nampianariny hampiasa ny soratra masina ny Mpamonjy mba hitadiavana ny valin’ny fanontanian’izy ireo. Ahoana no hitahiana ireo olona ampianarinao rehefa mianatra ny fomba hitadiavana ny valin’ny fanontaniany izy ireo?

Hamoaka printy