Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
26 desambra. Nahoana no zava-dehibe ny fianakaviana? “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”


“26 desambra. Nahoana no zava-dehibe ny fianakaviana? -Ny fianakaviana: Fanambarana amin’izao tontolo izao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“26 desambra. Nahoana no zava-dehibe ny fianakaviana?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovolahy mahazo fihina

26 desambra

Nahoana no zava-dehibe ny fianakaviana?

Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Iza no olona vaovao ato amin’ny paroasintsika, ary ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahatsapa ho voaray tsara? Inona no ataontsika mba hahatonga ny fotoantsika ao amin’ny kôlejy na kilasy ho manan-danja?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona avy ireo adidy sy andraikitra sasany ananantsika amin’ny maha-zatovolahy sy zatovovavy antsika? Ahoana no ahafahantsika manatanteraka azy ireny amin’ny fomba tsaratsara kokoa?

  • Ny fiainantsika. Inona no ataontsika mba ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa ary handraisana ny heriny eo amin’ny fiainantsika? Inona no ataontsika mba hanampiana ny fianakaviantsika hanatona Azy?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Tsy mitovy daholo ny fianakaviana ary tsy misy fianakaviana tonga lafatra. Fa isika rehetra kosa dia manana Ray aman-dReny any An-danitra izay maniry ny handraisantsika ny fitahiana mba hiaina amim-pifaliana toy ny fianakaviana mandrakizay. Mba hanampiana antsika ho tonga amin’izany, Andriamanitra dia nanentana ny fanahin’ireo mpaminany sy apôstôly hanambara fahamarinana mandrakizay ao amin’ “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org).

Rehefa miomana ny hampianatra ny lanjan’ny fianakaviana ianao dia eritrereto ny antony maha zava-dehibe ny fianakavianao aminao. Inona no anjara asa notanan’i Jesoa Kristy tamin’ny fanampiana ny fianakavianao hahita fahasambarana? Rehefa miomana hampianatra ianao dia azonao halalinina “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org), “Famille” ao amin’ny Jeunes, soyez forts ([2011], 14–15), ary ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Nahoana no manan-danja ny fanambadiana sy ny fianakaviana” (Liahona, mey 2015, 50–53). Fitsipika inona avy amin’ireo loharanom-pitaovana ireo no tsapanao fa hanan-danja indrindra amin’ireo olona ampianarinao?

Sary
fianakaviana manao dia an-tongotra lavitra

Fototry ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika ny fianakaviana.

Miaraha mianatra

Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny maha zava-dehibe ny fianakaviana dia azonao anontaniana izay zavatra nianaran’izy ireo momba ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana rehefa namaky “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” tany an-trano. Inona no zavatra izay nianaran’izy ireo ka mety hanampy azy ireo hampatanjaka ny ankohonan’izy ireo? Ary avy eo dia misafidiana asa atao iray na mihoatra izany etsy ambany mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hahatakatra kokoa ny antony maha-zava-dehibe ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” dia manohana ireo fahamarinana nentanim-panahy ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana. Angamba azonao omena andraikitra ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy na kilasy hamaky ny iray amin’ireo soratra masina ireo ary avy eo hitady ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana andalan-tsoratra mifandray amin’ny soratra masina novakin’izy ireo. Afaka mizara ny zavatra hitany ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy na kilasy.

  • Ny fiainana ny fampianaran’i Jesoa Kristy dia mitarika ho amin’ny fahasambarana marina sy maharitra ao anatin’ny fianakaviantsika. Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hahatakatra izany, dia azonao asaina hisafidy toetra iray tahaka ny an’i Kristy ny olona tsirairay (jereo ny “How Do I Develop Christlike Attributes (Ahoana no hampitomboako ireo toetra tahaka ny an’i Kristy)?” toko faha-6 ao amin’ny Preach My Gospel (Torio ny Filazantsarako) [2019], 121–29) ary avy eo dia mitady soratra masina iray na teny nambara-na mpaminany izay mampianatra momba izany toetra izany. Rehefa mizara ny zavatra hitany ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy, dia afaka mamaly ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo: Inona no ho fiantraikan’ny fiainana feno kokoa io toetra tahaka ny an’i Kristy io amin’ny fianakaviako? Inona no ianarako avy amin’ny ohatra nasehon’ny Tompo mikasika ny fomba hampiharana io toetra ao amin’ny ankohonako?

  • Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe: “Mampitombo haingana dia haingana ny fanafihany ny finoana sy ny ny tenantsika ary ny fianakaviantsika ny fahavalo” (“Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 7). Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hiambina amin’ireo fanafihana ireo, dia azonao atao ny manasa azy ireo hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo toetra be dia be na fitondrantena izay amporisihin’i Satana mba handemena ny fianakaviana. Nahoana no manimba ny fianakaviana ireo zavatra ireo? Avy eo ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy dia afaka mikaroka ao amin’ny andiam-pehezan-teny fahafito ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana ireo fihetsika sy fitondrantena izay afaka manohitra ny fanafihana ataon’i Satana. Ahoana no ahafahantsika mitady ny fanampian’ny Mpamonjy amin’ny fampivelarana ireo fihetsika sy fitondrantena ireo?   Inona no ianarantsika momba ny fomba ahafahantsika miaro ny ankohonantsika amin’ny fitaoman’i Satana?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nanasa ny mpianany hijoro ho vavolombelona ny Mpamonjy ary rehefa nanao izany izy ireo dia nikasika ny fon’izy ireo ny Fanahy. Rehefa mampianatra ianao dia asaivo mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny maha zava-dehibe ny fianakaviana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Hamoaka printy