Avia, hanaraka Ahy 2024
Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana


“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana,,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Vaovao 2024 (2023)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024

Sary
fianakaviana mandalina ny soratra masina

Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Ho an’iza ity loharanom-pitaovana ity?

Ity loharanom-pitaovana ity dia natao ho an’izay maniry ny hianatra manokana na miaraka amin’ny fianakaviana na ao amin’ireo kilasy ao amin’ny Fiangonana zavatra avy amin’ny Bokin’i Môrmôna. Raha tsy nandalina tsy tapaka ny soratra masina ianao taloha dia afaka manampy anao hanomboka izany ity loharanom-pitaovana ity. Raha efa manana fahazarana tsara amin’ny fandalinana soratra masina ianao dia afaka manampy anao hahazo traikefa manan-danja kokoa ity loharanom-pitaovana ity.

Ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ao an-tokantrano

Ny toerana tsara indrindra ianarana ny filazantsara dia ao an-tokantrano. Ireo mpampianatra ao am-piangonana dia afaka manohana anao, ary afaka mahazo fankaherezana avy amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy misy anao ianao. Saingy mba hahafahana ho tafavoaka velona ara-panahy, ianao sy ny fianakavianao dia mila famahanana isan’andro amin’ny “teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4; jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, Nov. 2018, 6–8).

Ampiasao amin’izay fomba mety hanampy anao ity loharanom-pitaovana ity. Ireo rindran-damina dia manasongadina ireo fitsipika mandrakizay sasany hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary mandroso hevitra sy sahanasa mba hanampiana anao handalina manokana ny soratra masina, na miaraka amin’ny fianakavianao, na miaraka amin’ny namanao. Eo am-pandalinanao dia manaraha ny fitarihan’ny Fanahy mba hahitana fahamarinana mandrakizay izay hanan-danja aminao. Tadiavo ny hafatr’ Andriamanitra ho anao, ary araho ireo bitsika azonao.

Ireo mpampianatra sy mpianatra ao am-piangonana

Raha toa ianao ka mampianatra kilasy ao amin’ny Kilonga, na kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny zatovo na ho an’ny olon-dehibe, na kôlejy ao amin’ny Fisoronana Aharôna, na kilasin’ny Zatovovavy, dia amporisihana ianao hampiasa ireo rindran-damina ato amin’ity loharanom-pitaovana ity rehefa miomana ny hampianatra. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana no fandaharam-pampianarana ho an’ny kilasinao isaky ny alahady. Ireo torohevitra enti-mampianatra ato amin’ity loharanom-pitaovana ity dia natao ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ny any am-piangonana. Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia atombohy amin’ny fiezahanao mba hanana ny traikefanao manokana amin’ny soratra masina izany. Ny fiomananao manan-danja indrindra dia hitranga rehefa mikaroka ny soratra masina sy mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao. Mikaroha fahamarinana mandrakizay izay manampy anao ho lasa kokoa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny Avia, hanaraka Ahy dia afaka manampy anao hamantatra ireo fahamarinana sasany ireo sy hahatakatra ny sahan-kevitra manodidina ny soratra masina.

Ataovy ao an-tsaina hatrany fa ny fianarana ny filazantsara, raha ny tena mety indrindra, dia mifantoka amin’ny any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny andraikitrao voalohany indrindra dia ny manohana ny olona izay ampianarinao amin’ny ezaka ataony amin’ny fianarana sy fiainana ny filazantsara ao an-tokantrano. Omeo fahafahana izy ireo hizara ny zavatra iainany, ny eritreriny, ary hametraka fanontaniana momba ireo andinin-tsoratra masina. Asao izy ireo hizara ireo fahamarinana mandrakizay izay hitany. Manan-danja kokoa noho ny hoe mamita ny ao anatin’ny fitaovana ianarana izany.

Ny Kilonga

Ny fiomananao hampianatra ao amin’ny Kilonga dia manomboka rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna manokana sy miaraka amin’ny fianakavianao ianao. Rehefa manao izany ianao dia aoka hisokatra ho amin’ireo fahatsapana sy hevi-baovao ara-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ireo ankizy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga sahaninao. Aoka ianao hivavaka lalandava, ary ny Fanahy dia afaka hanolotra hevitra anao mba hanampiana azy ireo hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Eo am-piomanana hampianatra dia mety hahazo fitaomam-panahy fanampiny ianao amin’ny alalan’ny fitrandrahana ireo torohevitra enti-mampianatra ato anatin’ity loharanom-pitaovana ity. Ny rindran-damina tsirairay ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana dia ahitana fizarana mitondra ny lohateny hoe “Hevitra enti-mampianatra ny ankizy.” Raiso ho toy ny sosokevitra mba hahazoanao fitaomam-panahy ireo hevitra ireo. Fantatrao ireo ankizy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga sahaninao, ary mbola hanana fahafahana hahafantatra azy ireo kokoa mihitsy aza ianao rehefa mifanerasera amin’izy ireo ao an-dakilasy. Fantatr’ Andriamanitra ihany koa izy ireo, ary hanome anao ireo fomba tsara indrindra hampianarana sy hitahiana azy ireo Izy.

Mety hoe efa nanao ny sahanasa sasany ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy niaraka tamin’ny fianakaviany ny ankizy ao amin’ny kilasinao. Tsy maninona izany. Tsara ny famerimberenana. Azonao atao ny manasa ny ankizy hifampizara ny zavatra nianarany tany an-trano, nefa tokony hanomana fomba mba handraisan’ny ankizy anjara ianao raha toa izy ireo ka tsy mianatra any an-tokantranony. Mianatra amim-pahombiazana kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny ankizy rehefa averimberina ampianarina amin’ny alalan’ny sahanasa isan-karazany ireo fahamarinana ireo. Raha toa ka hitanao fa mandaitra amin’ny ankizy ny sahanasa enti-mianatra iray dia avereno izany, indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao. Azonao atao ihany koa ny mamerina sahanasa iray avy tao amin’ny lesona teo aloha.

Ao anatin’ireo volana ahitana alahady dimy dia azon’ny mpampianatra ny Kilonga atao ny mamporisika ny hanoloana ny lesona Avia, hanaraka Ahy efa voalahatra hatao ny alahady fahadimy amin’ny iray na ny maromaro amin’ireo sahanasa fianarana ao amin’ny “Tovana B: Ho an’ny Kilonga—Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.”

Kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny zatovo sy ny an’ny olon-dehibe

Antony iray hivoriantsika ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ny fifanohanana sy fifankaherezana eo am-piezahantsika hanaraka an’i Jesoa Kristy. Fomba tsotra hanaovana izany ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe “Inona no nampianarin’ny Fanahy Masina anao tamin’iny herinandro iny rehefa nandalina ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny Avia, hanaraka Ahy ianao?” Ny valin’izany fanontaniana izany dia afaka mitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra manan-danja izay hanorina finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Avy eo ianao dia afaka manasa ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra miainga amin’ireo sosokevitra enti-mandalina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ohatra, ny hevitra ho an’ny fandalinana iray dia mety handroso ny hikarohana ny ao amin’ny Almà 36 ary hanaovana lisitrana teny izay mampianatra momba ny anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’ny fibebahana. Azonao angatahina ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara sy hiresaka momba ireo teny hitan’izy ireo. Na azonao atao ny mandany fotoana fohyy amin’ny fiarahana manangana izany lisitra izany miaraka amin’ireo olona ao amin’ny kilasy.

Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ireo kilasin’ny Zatovovavy

Rehefa mivory mandritra ny alahady ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ireo kilasin’ny Zatovovavy dia somary tsy mitovy amin’ny tanjon’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ny tanjon’izy ireo. Ankoatra ny fifanampiana amin’ny fianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ireo vondrona ireo dia mivory ihany koa mba hanaovana filankevitra mikasika ny fanatanterahana ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.2). Manao izany eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny kilasy sy kôlejy izy ireo.

Noho izany antony izany, ny kôlejy sy kilasy tsirairay avy dia tokony hanomboka amin’ny fitarihan’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy fifanakalozan-kevitra momba ireo ezaka amin’ny ohatra hoe: fiainana ny filazantsara, fanompoana ny olona sahirana, fizarana ny filazantsara, na fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana.

Aorian’izany fotoana fanaovana filankevitra miaraka izany, ny mpampianatra iray dia mitarika ny kilasy na kôlejy amin’ny fiarahana mianatra ny filazantsara. Azo ampandraiketina hampianatra ny olon-dehibe mpitarika na ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy. Ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy, rehefa avy nifandinika tamin’ny olon-dehibe mpitarika, no manome ireo andraikitra ireo.

Ireo olona ampandraiketina hampianatra dia tokony hiomana amin’ny alalan’ny fampiasana ny sosokevitra enti-mampianatra ao amin’ny rindra-damin’ny herinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ao amin’ny rindran-damina tsirairay avy, ity sary famantarana ity dia manondro fa misy sahanasa izay manan-danja manokana ho an’ny zatovo. Izay mety ho sosokevitra rehetra ao amin’ny rindran-damina anefa dia azo ampiasaina ho sahanasa fianarana ho an’ny zatovo.

Mba hahitana santionany amin’ny fandaharam-potoan’ny fivorian’ny kôlejy sy kilasy dia jereo ny Tovana E.

Hamoaka printy