Avia, hanaraka Ahy 2024
1–7 janoary: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna


“1–7 janoary: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“1–7 janoary. Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

Sary
I Môrmôna manoratra eo amin’ny takela-bolamena

1–7 janoary: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy

Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Mbola tsy tonga any amin’ny 1 Nefia toko 1 akory ianao dia hahatsikaritra fa boky miavaka ny Bokin’i Môrmôna. Ireo pejy fanolorana ilay boky dia mamariparitra ny tantara niaviany izay tsy mitovy amin’ny hafa. Ahitana famangian’ny anjely, rakitsoratra taloha nilevina nandritra ny taonjato maro tao amin’ny havoana iray, ary zatovolahy iray nandika ilay rakitsoratra tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra. Ny Bokin’i Môrmôna dia tsy tantara iray fotsiny momba ny sivilizasiôna Amerikana fahiny. Mikatsaka ny handresy lahatra ny rehetra izany fa “i Jesoa no Kristy” (pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna), ary Andriamanitra mihitsy no nitantana ny fomba nandikana izany sy nitehirizana izany ary nanaovana izay hahazoantsika izany. Amin’ity taona ity, rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao, sy mivavaka momba izany, ary mampihatra ireo fampianarany, dia hanasa ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao ianao. Ary mety hanam-paniriana ny hiteny, tahaka ny nataon’ireo Vavolombelona Telo tao amin’ny tenivavolombelon[y], hoe “Fahagagana teo imaso[ko] izany.”

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna

Afaka mampatanjaka ny finoako an’i Jesoa Kristy ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna.

Ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna dia manome zavatra betsaka fa tsy hoe lohateny fotsiny. Ankoatra ireo zavatra hafa, izy io dia mitanisa tanjona maro ananan’io rakitsoratra masina io. Tadiavo ao amin’ny pejin-dohateny ireo tanjona ireo. Afaka manampy anao ny fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto rehefa misaintsaina ianao: Nahoana isika no manana ny Bokin’i Môrmôna? Inona no tsy mampitovy ny Bokin’i Môrmôna amin’ny boky hafa?

Mety ho fotoana tsara izao hanaovana drafitra ho an’ny tena manakona na ho an’ny fianakaviana amin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna mandritra ity taona ity. Rahoviana ary aiza ianao no hamaky? Ahoana no hanasanao ny Fanahy ao anatin’ny fandalinanao? Moa ve misy zavatra manokana hotadiavinao rehefa mandalina ianao? Ohatra azonao atao ny mitady andinin-tsoratra masina izay manatanteraka ireo tanjona hita ao amin’ny pejin-dohateny. Afaka manao lisitra an’ireo andinin-tsoratra masina izay manorina ny finoanao an’i Jesoa Kristy ianao.

Jereo koa ny 2 Nefia 25:26; Môzià 3:5–8; Almà 5:48; 7:10–13; Helamàna 5:12; 3 Nefia 9:13–18; 11:6–14; Môrônia 10:32–33.

Fampanantenana ara-paminaniana. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo [ao amin’ny Bokin’i Môrmôna] ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo” (“Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv 2017, 62–63).

Sary
sary famantarana ny seminera

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna; “Ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo”; “Ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo

Afaka ny ho vavolombelona manambara momba ny Bokin’i Môrmôna aho.

Afaka mijoro ho vavolombelona aminao ny Fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna, na dia tsy nahita ireo takela-bolamena tahaka ireo Vavolombelona Telo sy ireo Vavolombelona Valo aza ianao. Rehefa mamaky ny tenin’izy ireo ianao dia eritrereto ny fomba entin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mampatanjaka ny anao.

Inona no manentana ny fanahinao mahakasika ny fomba nizaran’ireo vavolombelona ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Bokin’i Môrmôna? Saintsaino ny fomba ahafahanao mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna, indrindra ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ohatra, eritrereto hoe miresaka amin’ny namana iray izay mbola tsy naheno velively ny momba ny Bokin’i Môrmôna ianao. Inona no holazainao aminy mikasika izany? Ahoana no fomba hitaomanao ilay namanao mba hamaky izany? Hevero ny hamerina hamaky ny Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna. Afaka mahita antsipirian-javatra izay tsara hozaraina amin’ilay namanao ianao ao anatin’izany.

Hevero ny hanao lisitra an’ireo zavatra izay hozarainao amin’ny namana iray mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Andramo ny hizara ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny fampiasana ny application Livre de Mormon.

Jereo koa ny Ronald A. Rasband, “Anio,” Liahona, nôv. 2022, 25–28; Sujets de l’Évangile, “Livre de Mormon,” Médiathèque de l’Évangile; “Un ange saint de Dieu,” Cantiques, no. 8.

Sary
I Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo miaraka mivavaka

Nizara fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ireo Vavolombelona Telo.

Ny fanambaran’ny Mpaminany Joseph Smith

Fahagagana ny nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna.

Raha misy olona manontany anao hoe avy aiza no niavian’ny Bokin’i Môrmôna dia inona no holazainao? Ahoana no hamariparitanao ny anjara asan’ Andriamanitra teo amin’ny fanomezana antsika ny Bokin’i Môrmôna? Eo am-pamakianao ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona dia mifantoha tsara amin’ny fomba namaritany izany. Raha mifototra amin’ny zavatra novakinao, dia inona araka ny eritreritrao no zavatra tsapan’ Andriamanitra momba ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna?

Jereo koa ny Ulisses Soares, “Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, mey 2020, 32–35.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna

Manampy ahy hanana finoana an’i Jesoa Kristy ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Avelao ny zanakao hijery sy hihazona tahadika irain’ny Bokin’i Môrmôna. Ampio izy ireo hanondro ilay fanampin-dohateny hoe , Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Afaka manampy azy ireo koa ianao hitady ao amin’ny pejin-dohateny, ilay andian-teny hoe “I Jesoa no Kristy, Ilay Andriamanitra Mandrakizay, izay maneho ny tenany amin’ny firenena rehetra.” Ampio izy ireo hahatakatra fa izany dia midika hoe mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna. Lazao fohifohy amin’izy ireo ny fomba nampatanjahan’ny Bokin’i Môrmôna ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Azonao anontaniana koa izy ireo mikasika ny tantara tian’izy ireo indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Afaka manampy azy ireo hahatsiaro ny sasany amin’ireo tantara ireo ny fihirana ny “Ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna” (Bokin-kiran’ny ankizy, 62).

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.

  • Ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity sy ny sary etsy ambany dia afaka manampy ny zanakao hahatakatra ireo tenin’i Joseph Smith ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna: “Ny Bokin’i Môrmôna [no] vato ifaharan’ny fivavahantsika.” Mety hahafinaritra koa ny manorina na manao sarina andohalambo iray miaraka amin’ny vato ifaharana eny an-tampony. Inona no mety hitranga raha esorina ilay vato ifaharana? Inona no hitranga raha toa ka tsy nanana ny Bokin’i Môrmôna isika? Azonareo iarahana mamaky ilay andiam-pehezan-teny farany ao amin’ny teny fanolorana mba hitadiavana ny zavatra hafa ianarantsika rehefa manaiky ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna isika? Ahoana no ahafahantsika manao ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Sary
Andohalambo iray vita amin’ny vato ahitana vato ifaharana iray mihazona izany tsy hirodana

Vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.

Ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo”; “Ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo

Afaka ny ho vavolombelona manambara momba ny Bokin’i Môrmôna aho.

  • Mba hanampiana ny zanakao hahatakatra ny dikan’ny hoe vavolombelona, dia azonao hazavaina amin’izy ireo ny zavatra iray izay hitanao nefa tsy hitan’izy ireo. Avelao izy ireo avy eo hanao izany koa aminao. Izany dia afaka mitondra any amin’ny firesahana momba ireo olona miisa 11 nahita ireo takela-bolamena izay loharano nandikana ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa miaraka mamaky ireo fijoroana ho vavolombelona ianareo, dia afaka miresaka mikasika ny antony hitiavan’ireo vavolombelona ireo ny mba hahafantaran’ny olona hafa ny momba ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Iza no tiantsika mba hiresahana mikasika ny Bokin’i Môrmôna?

Ny fanambaran’ny Mpaminany Joseph Smith

Ny Bokin’i Môrmôna dia nomena antsika tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Joseph nandray ireo takela-bolamena avy tamin’i Môrônia

I Môrônia nanolotra ireo takela-bolamena, nataon’i Gary L. Kapp

Hamoaka printy