Avia, hanaraka Ahy 2024
15–21 janoary: “[Manatòna] ka [mihinàna] amin’ny voankazo.” 1 Nefia 6–10


“15–21 janoary:-[Manatòna] ka [mihinàna] amin’ny voankazo.- 1 Nefia 6–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“15–21 janoary. 1 Nefia 6–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
Ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina

Ny nofin’i Lehia, nataon’i Steven Lloyd Neal

15–21 janoary: “[Manatòna] ka [mihinàna] amin’ny voankazo”

1 Nefia 6–10

Ny nofin’i Lehia izay ahitana ny anja-by, ny zavon’ny haizina, sy ny trano iray mijoalajoala, ary ny hazo misy voany “tena mamy” dia fanasana iray manentana ny fanahy mba handray ireo fitahiana avy amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny sorona fanavotana nataony. Kanefa ho an’i Lehia, io fahitana io dia momba ny fianakaviany ihany koa: “Ary indro noho ny zavatra izay hitako dia misy antony maharavoravo ahy ao amin’ny Tompo noho ny amin’i Nefia ary koa ny amin’i Samy. … Nefa indro, matahotra izaitsizy tokoa aho noho ny aminareo ry Lamàna sy i Lemoela” (1 Nefia 8:3–4). Rehefa namarana ny fitantarany ny fahitany i Lehia dia niangavy an’i Lamàna sy i Lemoela “mba hihainoany ny teniny fandrao mba ho feno famindram-po aminy ihany ny Tompo” (1 Nefia 8:37). Na dia efa nandalina ny fahitan’i Lehia imbetsaka aza ianao, amin’izao dia raiso amin’ny fomba nieritreretan’i Lehia azy izany. Mieritrereta olona tianao anankiray. Rehefa manao izany ianao dia hanjary hanana heviny vaovao ny fiarovana avy amin’ny anja-by, ireo loza avy amin’ilay trano mijoalajoala, ary ny hamamin’ilay voa. Ary ho lalina kokoa ny fahatakaranao “ny fihetseham-pon’[ilay] ray be fiantrana” izay nandray io fahitana miavaka io.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

1 Nefia 7:6–21

Afaka mamela ny hafa aho.

Inona no zavatra manaitra anao momba ny ohatra nasehon’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 7:6–21? Ahoana no hitahiana antsika rehefa “[mifamela …] tsy an-kifonofono” isika? Ny horonan-tsary hoe “Le Seigneur délivre Néphi de mains de ses frères rebelles” (Médiathèque de l’Évangile) dia afaka manampy amin’ny fandalinanao.

1 Nefia 8

Mitarika ahy mankany amin’ny Mpamonjy sy manampy ahy hahatsapa ny fitiavany ny fihazonana mafy amin’ny tenin’ Andriamanitra.

Ny fahitan’i Lehia dia manome fanasana iray hisaintsainanao ny toerana misy anao eo amin’ilay dia ataonao manokana mba ho tonga tahaka an’i Kristy. Ny Filoha Boyd K. Packer dia nilaza hoe: “Ao anatiny ianareo; samy ao avokoa isika rehetra. Ny nofn’i Lehia na ny fahitana hitan’i Lehia mikasika ilay anja-by dia ahitana ny zavatra rehetra … ilain’ny Olomasin’ny Andro Farany iray mba hahatakarana ny sedran’ny fiainana” (“Lehi’s Dream and You,” New Era, Jan. 2015, 2).

Rehefa mandalina ianao dia hevero ny hameno tabilao iray mitovy amin’ity iray ity.

Ireo tandindona avy amin’ny fahitana hitan’i Lehia

Ny heviny

Fanontaniana hosaintsainina

Ireo tandindona avy amin’ny fahitana hitan’i Lehia

Hazo sy ny voany (1 Nefia 8:10–12)

Fanontaniana hosaintsainina

Inona no zavatra ataoko amin’izao izay manasa ny hafa handray ny fitiavan’ Andriamanitra?

Ireo tandindona avy amin’ny fahitana hitan’i Lehia

Renirano (1 Nefia 8:13)

Ireo tandindona avy amin’ny fahitana hitan’i Lehia

Anja-by (1 Nefia 8:19–20, 30)

Ireo tandindona avy amin’ny fahitana hitan’i Lehia

Zavon’ny haizina (1 Nefia 8:23)

Ireo tandindona avy amin’ny fahitana hitan’i Lehia

Trano mijoalajoala sy malalaka (1 Nefia 8:26–27, 33)

Azonao atao ihany koa ny mizaha ireto andininy manaraka ireto hianarana momba ireo vondron’olona efatra hitan’i Lehia: 1 Nefia 8:21–23, 24–28, 30, ary 31–33. Inona avy ireo fahasamihafana misy izay tsikaritrao eo amin’ireo vondron’olona ireo? Nahoana ny sasany no nandao rehefa avy nahavita dia nankeo amin’ilay hazo sy nanandrana ilay voankazo (jereo ny andininy 24–28)? Inona no ianaranao avy amin’io zava-mitranga io?

Jereo ihany koa ny Kevin W. Pearson, “Mijanòna eo akaikin’ilay hazo,” Liahona, mey 2015, 114–16; “Léhi a la vision de l’arbre de vie” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Avelao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo. Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hikaroka samirery ao amin’ny soratra masina ireo fahamarinana hitan’izy ireo. Ohatra, azonao atao ny manasa azy ireo hikaroka samirery na miaraka amina vondrona kely ireo andinin-tsoratra masina mifandray ao anatin’ny tabilao etsy ambony. Hotsaroan’izy ireo sy hankamamian’izy ireo ireo fahamarinana hitany.

Sary
olona mihazona ny anja-by mitondra mankany amin’ny hazon’aina

Common Thread [Randrana iraisana], nataon’i Kelsy sy i Jesse Barrett

1 Nefia 10:2–16

Nahafantatra momba ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy sy nijoro ho vavolombelona momba Azy ireo mpaminany fahiny.

Nahoana araka ny hevitrao no tian’ny Tompo ny fianakavian’i Lehia, sy isika rehetra, mba hahafantatra ireo fahamarinana hita ao amin’ny 1 Nefia 10:2–16? Diniho ny fomba ahafahanao manampy ireo olona akaikin’ny fonao hanasa ny Mpamonjy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny seminera

1 Nefia 10:17–19

Hanambara fahamarinana amiko amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina Andriamanitra. 

Inona no havalinao rehefa angatahina mba hiaina fitsipiky ny filazantsara iray izay tsy takatrao ianao? Diniho ao anatin’ireto soratra masina manaraka ireto ireo fahasamihafana teo amin’ny zavatra navalin’i Nefia teo anatrehan’ny fahitana hitan’i Lehia (jereo ny 1 Nefia 10:17–1911:1) sy ny zavatra navalin’i Lamana sy i Lemoela teo anatrehan’izany (jereo ny 1 Nefia 15:1–10). Inona avy ireo fahamarinana takatr’i Nefia ka nitarika azy hamaly tahaka izany?

Miaraka amin’ny ohatra nasehon’i Nefia ao an-tsainao, ataovy lisitra ireo fitsipiky ny filazantsara tianao hotakarina tsara kokoa. Inona no azonao atao mba hahazoana valiny ho an’ny tenanao manokana? (Jereo ihany koa ny “Hanafaka anao ny fahamarinana” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 30–33.)

Tahaka ny nahitan’i Nefia manokana fa marina ny tenin-drainy, isika koa dia afaka manao toy izany rehefa mandre ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina. Inona no nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly antsika nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra? Tamin’ny fomba ahoana no nahazoanao fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny zavatra nampianarin’izy ireo?

Jereo koa ny 1 Nefia 2:11–19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:1–3; “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka,” Bokin-kiran’ny Ankizy, 66.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

1 Nefia 8

Mitarika ahy any amin’ Andriamanitra sy manampy ahy hahatsapa ny fitiavany ny fifikirana mafy amin’ny teniny.

  • Mety ho tian’ny zanakao ny manao ny sarin’ny fahitana hitan’i Lehia rehefa mamaky miaraka ny 1 Nefia 8 ianareo. Avelao izy ireo hizara ny sary nataony, ary ampio izy ireo hamantatra ny dikan’ireo fanehoana an’ohatra ao amin’ilay nofy (jereo ny 1 Nefia 11:21–22; 12:16–18; 15:23–33, 36 ary ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity). Angataho izy ireo hizara valiny faran’izay betsaka indrindra azo hamaliana ity fanontaniana ity: Inona no ianarantsika avy amin’ny fahitan’i Lehia?

  • Manana zavatra iray izay azo hanehoana ilay anja-by tao amin’ny fahitana hitan’i Lehia, toy ny fantsona kely na tapa-kazo ve ianao? Avelao ny ankizy mba hihazona izany rehefa mitarika azy ireo manodidina ny efitra ianao hankeny amin’ny sarin’ny Mpamonjy. Nahoana no manan-danja ilay anja-by ao amin’ny fahitana hitan’i Lehia? (Jereo ny 1 Nefia 8:20, 24, 30). Nahoana no maneho ny tenin’ Andriamanitra ny anja-by?

  • Asao ny zanakao sasany mba hamaky ny 1 Nefia 8:10–12 ary hamariparitra ny zavatra hitan’i Lehia. Angataho ny hafa hamaky ny 1 Nefia 11:20–23 ary hamariparitra ny zavatra hitan’i Nefia. Nahoana no nampisehoan’ilay anjely an’i Nefia i Jesoa zazakely mba hampianarana azy momba ny fitiavan’ Andriamanitra? Mifampiresaha amin’ny zanakao mikasika ny fomba nahatsapan’izy ireo ny fitiavan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany. Ny hira iray toy ny “Ny fitiavany dia natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 42) dia afaka manampy azy ireo hieritreritra ohatra.

1 Nefia 10:17–19; 11:1

Hanambara fahamarinana amiko amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina Andriamanitra.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampianao ny zanakao hahatakatra ny zavatra nampianarin’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 10:19? Angamba azonao avalona ao anaty bodofotsy iray ny sarin’ny Mpamonjy na ny zavatra miavaka iray ary asao ny zanakao hamelatra izany. Rehefa mamaky ny 1 Nefia 10:19 ianao dia azon’izy ireo atsangana ny tanany rehefa mandre ny teny hoe “hovelabelarina” sy “Fanahy Masina” izy ireo. Azonao atao avy eo ny mizara zavatra niainana iray ka tao anatin’izany ianao dia nanampian’ny Fanahy Masina hahita fahamarinana.

  • Asao ny zanakao mba hiresaka momba ny zavatra ataony mba hahitana ny valin’ny fanontaniana iray. Inona no mety holazain’i Nefia raha toa ka misy olona iray manontany azy momba ny fomba ahitana ny valinten’ny fanontaniana iray momba ny filazantsara? Amporisiho ny ankizy mba hamantatra izany amin’ny alalan’ny famakiana ny 1 Nefia 10:17–19; 11:1.

  • Moa ve ny zanakao efa nahatsapa hatrizay fa nanampy azy ireo ny Fanahy Masina mba hahafantatra fa marina ny zavatra iray? Avelao izy ireo hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Inona no holazaintsika amin’ny namana iray izay mieritreritra fa tsy afaka mahazo valinteny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy? Inona no hitantsika ao amin’ny 1 Nefia 10:17–19 sy ny 11:1 izay afaka manampy io namana io?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Ny fahitan’i Lehia

The Tree of Life [Ny hazon’aina], nataon’i Avon Oakeson

Hamoaka printy