Avia, hanaraka Ahy
22–28 janoary: “Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra.” 1 Nefia 11–15


“22–28 janoary: -Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra.- 1 Nefia 11–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“22–28 janoary. 1 Nefia 11–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
Olona mihinana ny voan’ny hazon’aina

Ny fitiavan’ Andriamanitra, nataon’i Sabrina Squires

22–28 janoary: “Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”

1 Nefia 11–15

Rehefa manana asa goavana hampanaovina ny mpaminaniny Andriamanitra dia matetika izany mpaminany izany no omeny fahitana goavana. Nahita fahitana tahaka izany daholo i Mosesy, i Jaona, i Lehia, ary i Joseph Smith, fahitana izay nampivelatra ny sain’izy ireo sy nanampy azy ireo hahita fa tena lehibe sy mahatalanjona ny asan’ Andriamanitra.

I Nefia koa dia nahita iray tamin’ireo fahitana manova fiainana ireo. Nahita ny asa fanompoan’ny Mpamonjy izy sy ny hoavin’ny taranak’i Lehia any amin’ny tany nampanantenaina ary ny anjaran’ny asan’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Taorian’io fahitana io dia voaomana tsara kokoa ho an’ilay asa miandry i Nefia. Ary ny famakiana mikasika io fahitana io dia afaka manampy amin’ny fanomanana anao koa, satria manana asa mba hataonao koa Andriamanitra ao amin’ny fanjakany. Ianao dia anisan’ny “olomasin’ny fiangonan’ny Zanakondry” izay hitan’i Nefia, “izay naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany; ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe” (1 Nefia 14:14).

Jereo koa ny “Néphi a une vision des évènements à venir” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

1 Nefia 11

Naniraka an’i Jesoa Kristy Andriamanitra ho fanehoana ny fitiavany.

Rehefa nanontanian’i Nefia ilay anjely mikasika ny dikan’ilay hazo tao amin’ny fahitan’i Lehia, dia afaka namaly tsotra fotsiny ilay anjely hoe, “Maneho ny fitiavan’ Andriamanitra izany.” Saingy naleony nampiseho an’i Nefia andiana tandindona sy zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Tadiavo ireo tandindona sy zava-nitranga ireo rehefa mamaky sy misaintsaina ny 1 Nephi 11 ianao. Inona no hitanao fa manampy anao hahatakatra ny antony mahatonga an’i Jesoa Kristy ho fanehoana faratampony ny fitiavan’ Andriamanitra?

Ahoana no fomba nanampian’ny Mpamonjy anao mba hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra?

Jereo koa ny Susan H. Porter, “Ny fitiavan’ Andriamanitra: Ilay mampiravoravo indrindra ny fanahy,” Liahona, nôv. 2021, 33–35.

1 Nefia 12–14

Afaka ny ho “[hampirongoana ho fiadiako] ny fahamarinana” sy ny hery.

Tsy hahita firy amin’ny zavatra izay hitany tao amin’ny fahitany i Nefia mandritra ny fahavelomany. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’i Nefia ny nahafantatra ireo zavatra ireo? Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahalala azy ireo? Apetraho ireo fanontaniana ireo isaky ny mamaky zavatra iray hitan’i Nefia tao amin’ny fahitany ianao (jereo ny 1 Nefia 12–14). Inona no fahatsapana azonao mikasika ny anjara asanao ao amin’ilay “asa iray lehibe sy mahatalanjona” an’ny Tompo? (1 Nefia 14:7). Inona avy ny sasany amin’ireo zavatra lehibe sy mahatalanjona nataony ho anao?

Diniho manokana ilay fampanantenana ao amin’ny 1 Nefia 14:14. Tamin’ny fomba ahoana no nanatanterahan’ny Mpamonjy io fampanantenana io teo amin’ny fiainanao? (Ohatra, jereo ny David A. Bednar, “Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe,” Liahona, nôv. 2021, 28–30, indrindra ny fizarana roa farany.)

1 Nefia 13:1–9; 14:9–11

Inona ilay “fiangonana makadiry sy maharikoriko” hitan’i Nefia?

Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks fa ilay “fiangonana makadiry sy maharikoriko” nofariparitan’i Nefia dia maneho “izay rehetra mety ho tsangan-kevitr’olombelona na fikambanana ka manohitra ny finoana an’ Andriamanitra. Ary ny -fahababoana- izay katsahan’io -fiangonana- io hitondrana ny olomasina dia tsy ho fangejana ara-batana loatra mihoatra amin’ny fahababoana entin’ny hevi-diso” (“Stand as Witnesses of God,” Ensign, Mar. 2015, 32). Ahoana no fomba anampian’ny Mpamonjy anao hisoroka ny fahababoana entin’ny hevi-diso sy hiala amin’izany.

1 Nefia 15:1–11

Hamaly ahy Andriamanitra rehefa mangataka amim-pinoana aho.

Efa mba nahatsapa ho toy ny tsy mba naharay fanambarana ho an’ny tenanao manokana ve ianao, toy ny tsy mba niresaka taminao Andriamanitra? Inona no torohevitra nomen’i Nefia ireo rahalahiny rehefa nanana fahatsapana toy izany izy ireo? (Jereo ny 1 Nefia 15:1–11.) Ahoana no ahafahanao mampihatra ny torohevitr’i Nefia eo amin’ny fiainanao?

Sary
sary famantarana ny seminera

1 Nefia 15:23–25

Ny fihazonana mafy amin’ny tenin’ Andriamanitra dia manampy ahy hanohitra ny fitarihan’i Satana.

Nanana zavatra maika mba holazaina ny rahalahiny matetika i Nefia. Saingy toa feno fientanentanana manokana izy mahakasika ny zavatra nolazainy azy ireo ao amin’ny 1 Nefia 15:23–25. Inona ilay hafatr’i Nefia ary nahoana araka ny eritreritrao no nahatsapa zavatra mafonja momba izany izy?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar fa ny hoe “tenin’ Andriamanitra” dia azo entina ilazana ny soratra masina, ny tenin’ireo mpaminany velona ary azo entina ilazana an’i Jesoa Kristy mihitsy. Araka ny eritreritrareo, midika inona ny hoe “[mihazona] mafy” amin’ny soratra masina sy amin’ny tenin’ireo mpaminany velona? Mety midika inona izany hoe “[mihazona] mafy” amin’i Jesoa Kristy izany? Afaka mitady ny valiny azo eritreretina mahakasika ireo fanontaniana ireo ianao ao amin’ny hafatry ny Loholona Bednar, “Nefa tsy noraharahianay izy ireo” (Liahona, mey 2022, 14–16).

Nahoana no manampy anao hanohitra ny fahavalo ny fihazonana mafy amin’ny tenin’ Andriamanitra? Afaka manampy anao handrindra ny eritreritrao ny famenoana ity tabilao ity:

 … no manampy ahy handresy ny haizin’ny fakam-panahy? (jereo ny 1 Nefia 12:17)

 … no manampy ahy “tsy hiraharaha” ny fieboeboana sy ny avonavon’izao tontolo izao? (1 Nefia 12:18)

Nahoana no … ny fihazonana mafy amin’ireo soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona?

Nahoana no … ny fihazonana mafy amin’ny Mpamonjy?

Jereo koa ny Jorge F. Zeballos, “Manorina fiainana mahatohitra ilay fahavalo,” Liahona, nôv. 2022, 50–52.

Sary
fianakaviana mamaky ny soratra masina

Ny soratra masina dia toy ny anja-by izay mitarika antsika mankeny amin’ny hazon’aina.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

1 Nefia 11:16–33

Nandefa an’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra noho ny fitiavany ahy.

  • Mba hampianarana an’i Nefia ny fitiavan’ Andriamanitra dia nampisehon’ny anjely iray an’i Nefia ireo zava-nitranga avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Afaka manao izany koa amin’ny zanakao ianao. Omeo sarin’ireo zava-nitranga izay hitan’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 11:20, 24, 27, 31, sy 33 izy ireo (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 30, 35, 39, 4257). Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia ampio ny zanakao mba hitady ny sary izay mifanaraka amin’izany. Inona no ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy sy sary ireo?

  • Ny fihirana hira iray toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 20–21) dia afaka manampy ny zanakao hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra. Aoriana ny fihirana ilay hira dia anontanio ny zanakao ny zavatra nianarany avy tamin’io hira io. Inona ihany koa no ianarantsika momba ny fitiavan’ Andriamanitra avy amin’ny 1 Nefia 11:22–23?

Mampiasà zavakanto mba hanampiana ny ankizy hianatra. Rehefa mampianatra ny zanaka tantara iray ao amin’ny soratra masina ianao dia ampio izy ireo hahazo sary an-tsaina izany. Afaka mampiasa sary, horonan-tsary, saribakoly, akanjo sy ny sisa ianao.

1 Nefia 13:26–29, 35–36, 40

Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fahamarinana sarobidy.

  • Mba hanampiana ny zanakao hianatra fahamarinana “tsotra sy sarobidy” ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia afaka manao sary iray ianao ary manasa ny zanakao hanova na hanala ny ampahany amin’izany mba hahatonga izany hanana endrika hafa. Azonao ampiasaina izany mba hampianarana fa nisy zavatra novaina sy nesorina tao amin’ny Baiboly rehefa nandeha ny fotoana. Iaraho vakina ny 1 Nefia 13:40 ary resaho ny fomba hanampian’ny Bokin’i Môrmôna (“ireto rakitsoratra farany ireto”) antsika hahatakatra ireo “zavatra tsotra sy sarobidy” izay very avy tao amin’ny Baiboly (ireo rakitsoratra “voalohany”). Inona avy ireo fahamarinana “tsotra sy sarobidy” nianaranao avy amin’ny Bokin’i Môrmôna?

Sary
tahadikan’ny ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny samihafa

Namerina tamin’ny laoniny ireo fahamarinana very nandritra ny Apôstazia ny Bokin’i Môrmôna.

1 Nefia 15:23–24

Ny fihazonana mafy amin’ny tenin’ Andriamanitra dia manampy ahy hanohitra fakam-panahy.

  • Omeo fahafahana ny zanakao hizara ny zavatra tsaroan’izy ireo momba ny fahitan’i Lehia. Mety hanampy ny fampiasana sary iray toy ilay anankiray tao anatin’ny rindran-damina tamin’ny herinandro lasa. Inona no nanakana ny vahoaka tsy ho tonga teny amin’ilay hazo? Inona no nanampy azy ireo ho tonga teny amin’izany? Azonao angatahina izy ireo mba hitady ilay anja-by ao amin’ilay sary. Iaraho vakina ny 1 Nefia 15:23–24 mba hahitana hoe maneho inona ilay anja-by ary ahoana no ahafahan’izany manampy antsika.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Fahitana hitan’i Nefia momba an’i Maria sy i Jesoa zazakely

Fahitana hitan’i Nefia momba an’i Maria, nataon’i James Johnson

Hamoaka printy