Avia, hanaraka Ahy
29 janoary–4 febroary: “Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo.” 1 Nefia 16–22


“29 janoary–4 febroary: -Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo.- 1 Nefia 16–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“29 janoary–4 febroary. 1 Nefia 16–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
olona maromaro mandinika ny Liahônà

29 janoary–4 febroary: “Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo”

1 Nefia 16–22

Rehefa nandeha nankany amin’ny tany nampanantenaina ny fianakavian’i Lehia dia nanao ity fampanantenana ity tamin’izy ireo ny Tompo: “Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo raha toa ka mitandrina ny didiko ianareo” (1 Nefia 17:13). Hita mazava tsara fa izany fampanantenana izany dia tsy nidika fa ho mora ilay dia. Mbola tsy nitovy hevitra ireo olona tao amin’ny fianakaviana, tapaka ny tsipìka, niady sy maty ny olona, ary mbola tsy maintsy nanamboatra sambo avy tamina akora fototra tsy mbola vita omana izy ireo. Na izany aza, rehefa niatrika fisedrana na asa toa tsy azo tanterahina ilay fianakaviana dia niaiky i Nefia fa tsy lavitra izany mihitsy ny Tompo. Fantany fa Andriamanitra dia “mamelona sy mampahery [ireo mahatoky] ary manomana lalana hahazoany manatanteraka ny zavatra izay efa nandidiany azy” (1 Nefia 17:3). Raha efa nanontany tena ianao hoe nahoana no misy zavatra ratsy mitranga amin’ny olona tsara tahaka an’i Nefia sy ny fianakaviany dia mety hahita hevi-baovao ato amin’ireto toko ireto ianao. Kanefa ny tena manan-danja angamba dia hahita ny zavatra ataon’ny olona tsara ianao rehefa misy zavatra ratsy mitranga.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Sary
sary famantarana ny seminera

1 Nefia 16–18

Hanampy ahy hiatrika ireo olan’ny fiainana ny Mpamonjy.

Niatrika olana goavana, tahaka antsika rehetra, ny fianakavian’i Nefia. Inona ny zavatra azonao ianarana avy amin’i Nefia momba ny fiatrehana fisedrana amim-pinoana an’i Jesoa Kristy? Vakio ny momba ireo zavatra niainany ao amin’ny 1 Nefia 16:17–32; 16:34–39; 17:7–16; 18:1–4; ary 18:9–22. Hevero ny hirakitra ny zavatra hitanao eo ambanin’ny lohateny toy ireto: “Olana,” “Ny fomba niatrehan’i Nefia izany,” ary “Ny fomba nanampian’ny Tompo.” Inona no zavatra nianaranao ka azonao ampiharina amin’ireo olana atrehanao?

Rehefa avy nianatra avy tamin’i Nefia sy ny fianakaviany ianao, dia afaka mirakitra an-tsoratra ireo eritreritra fanampiny eo ambanin’ireto lohateny ireto ianao: “Ireo olako,” “Ny fomba hiatrehako izany,” ary “Ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy ahy.” Rehefa manao izany ianao dia afaka manondro soratra masina toy ireto: Matio11:28–30; Jaona 14:26–27; Môzià 24:13–15. Ny hita ao amin’ny fihirana toy ny: “Où pourrais-je chercher? (Cantiques, no. 68), dia afaka manamafy orina ny finoanao ny Mpamonjy sy ny fanampiana atolony mandritra ny fotoam-pisedrana.

Jereo ihany koa ny Anthony D. Perkins, “Tsarovy ireo olomasinao mijaly, Ry Andriamanitray ô,” Liahona, nov. 2021, 103–5; “Le Seigneur dirige Léhi dans son voyage,” “Le Seigneur commande à Néphi de construire un bateau;” “Faire face aux défis de la vie,” Médiathèque de l’Évangile.

1 Nefia 16:10–16, 23–31; 18:11–22

Mitarika ahy amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra Andriamanitra.

Rehefa nitarika ny fianakavian’i Lehia tany an-tany foana Andriamanitra dia tsy nanome azy ireo sarintany nampiseho ny antsipiriany rehetra tamin’ilay dia Izy. Fa nomeny ny Liahônà kosa izy ireo mba hitarika azy ireo isan’andro. Rehefa mamaky ny 1 Nefia 16:10–16, 23–31 sy ny 18:11–22 ianao dia hevero ny hanao lisitra ireo fitsipika izay maneho ny fomba hitarihan’ Andriamanitra ny zanany (ohatra, ny 1 Nefia 16:10 dia afaka mampianatra fa indraindray Andriamanitra dia mitarika antsika amin’ny fomba tsy ampoizintsika). Inona avy ireo zavatra mitovy hitanao eo amin’ny Liahônà sy ny Fanahy Masina? Inona avy ireo “zava-madinika” izay nampiasainy hitondrana “zava-dehibe” eo amin’ny fiainanao?

Jereo koa ny Almà 37:7, 38–47; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33–34.

Sary
I Lehia mampiasa ny Liahônà

If Ye Are Prepared Ye Shall Not Fear [Raha efa niomana ianareo dia tsy hatahotra], nataon’i Clark Kelley Price

1 Nefia 17:1–6, 17–22

Afaka ny ho fitahiana ireo fitsapana mianjady amiko.

Na dia nanana fisedrana nitovy aza i Nefia sy ireo rahalahiny tany an-tany foana dia samy hafa mihitsy ny zavatra niainan’izy ireo. Azonao atao ny mampitaha ny fitantaran’i Nefia ny dia natao tany an-tany foana (jereo ny 1 Nefia 17:1–6) amin’ny fitantaran’ny rahalahiny izany (jereo ny 1 Nefia 17:17–22). Inona no fantatr’i Nefia na nataony ka nanampy azy hanana fomba fijery feno fahatokiana? Hevero ny hanoratra momba ny fitsapana niseho vao haingana na miseho amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fomba fijery mifono finoana sy fankasitrahana. Inona no tsapanao na ianaranao avy amin’izany?

Jereo koa ny Amy A. Wright, “Manasitrana izay rava i Kristy,” Liahona, mey 2022, 81–84.

Fotoana hisaintsainana mangina. Ny fakana fotoana hieritreretana, na hisaintsainana, na handinihana, na hanoratana dia afaka mitondra anao any amin’ny fahazoana fanentanam-panahy. Afaka manampy antsika hahita ny ifandraisan’ny fotopampianarana na ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny fiainantsika izany. Rehefa mampianatra ny hafa ianao dia omeo fotoana izy ireo mba handinihana sy hanoratana ny zavatra tsapany. Izany koa dia afaka mampitombo ny fahavononan’izy ireo hizara amin’ny hafa ny eritreritr’izy ireo sy ny zavatra tsapan’izy ireo.

1 Nefia 19:22–24; 20–22

Afaka “[mampihatra] ny tenin’ny soratra masina rehetra” amiko aho.

Noho ny soratra masina izay nosoratana taloha ela be, dia mety toy ny hoe tsy ilaina izany izy ireo amin’izao fotoana izao. Saingy nahafantatra zavatra bebe kokoa i Nefia. “Efa nampihariko taminay ny tenin’ny soratra masina rehetra” hoy izy, “mba ho tombontsoanay sy ho fianarana ho anay” (1 Nefia 19:23). Izany no antony iray nahitan’i Nefia hery ara-panahy tena lehibe tao anatin’ny soratra masina.

Diniho ny fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto rehefa mamaky ianao 1 Nefia 20–22:

1 Nefia 20:1–9.Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny vahoaka tamin’ny vaninandron’i Isaia? Inona avy ireo zavatra izay hitanao fa miantefa aminao?

1 Nefia 20:17–22.Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba nitarihan’ Andriamanitra ny vahoaka tamin’ny vaninandron’i Isaia? Ahoana no fomba hanasany anao mba hanaraka Azy?

Inona koa no hitanao ao amin’ny 1 Nefia 20–22 izay azonao “[ampiharina]” amin’ny tenanao?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

1 Nefia 16:10, 28–29; 18:8–13, 20–22

Rehefa mitandrina ny didy aho dia mitarika ahy ny Tompo.

  • Raha manana kompà, na sarintany, na zavatra hafa izay manampy antsika hahita ny lalantsika ianao dia azonao aseho ny zanakao izany. Mety ho fomba tsara iray hanombohana ny fifanakalozan-kevitra momba ny Liahônà izany, ary azonao vakina ao amin’ny 1 Nefia 16:10, 28–29 ny momba ny Liahônà. Inona no antony sasantsasany mety hahatonga ny kompà na ny sarintany ho tsy azo ampiasaina? Nahoana no nijanona tsy nandeha indraindray ny Liahônà ho an’ny fianakavian’i Lehia? (jereo ny 1 Nefia 18:9–12, 20–22). Inona no nomen’ny Ray any an-danitra antsika amin’izao fotoana izao mba hanoroana antsika ny lalana miverina any Aminy?

  • Mba hanampiana ny zanakao hampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny Liahônà ao amin’ny 1 Nefia 16:10, 26–31; 18:8–22, dia azonao asaina izy ireo mba hieritreritra fanapahan-kevitra manan-danja na sarotra iray. Inona no nomen’ny Ray any an-danitra antsika mba hitarika antsika amin’izao fotoana izao, izay tahaka ny Liahônà ny fiasany? (Jereo ohatra ny, Almà 37:38–44.) Hevero ny hizara zavatra niainana iray manokana izay nitarihan’ny Ray any An-danitra anao.

1 Nefia 15:23–24

Afaka ny ho ohatra tsara amin’ny fianakaviako aho.

  • Rehefa miaraka mamaky ny 1 Nefia 16:21–32 ianareo, dia ampio ny zanakao ma hahita ny fomba nahazoan’ny fianakavian’i Nefia fitahiana noho ny ohatra nasehony (jereo koa ny horonan-tsary “Le Seigneur dirige Léhi dans son voyage” [Médiathèque de l’Évangile]). Afaka mitarika fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba ahafahantsika hitovy amin’i Nefia izany. Asao ny zanakao mba hanomana zavatra iray azon’izy ireo atao mba hitaona amin’ny tsara ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana.

1 Nefia 17:7–19; 18:1–4

Afaka manampy ahy hanao zavatra sarotra ny Ray any An-danitra.

  • Tia mitantara tantara ny ankizy. Azonao asaina izy ireo mba hanampy anao hitantara ny tantaran’i Nefia izay nodidina mba hanamboatra sambo (jereo ny 1 Nefia 17:7–19; 18:1–4; jereo koa ny “Toko 7: Ny fanamboarana ny sambo,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 21–22; na ny horonan-tsary “Le Seigneur commande à Néphi de construire un bateau” [Médiathèque de l’Évangile]). Izy ireo koa dia afaka miaraka mihira ny andininy faharoa amin’ny “Ny herim-pon’i Nefia” (Bokin-kiran’ny ankizy, 64–65). Inona no nanampy an’i Nefia mba hanana herim-po rehefa nanesoeso azy ireo rahalahiny noho izy niezaka nanamboatra sambo?

  • Tsy nahay nanamboatra sambo i Nefia, noho izany dia niantehitra tamin’ny toromarika nomen’ny Tompo izy. Aorian’ny fiarahanareo mamaky ny 1 Nefia 18:1, dia afaka mamita ny zavatra ao anatin’ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity ny zanakao. Eo am-panaovan’izy ireo izany dia resaho amin’izy ireo ny momba ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra manampy antsika hanao zavatra sarotra tahaka ny nanampiany an’i Nefia.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Nefia sy ny fianakaviany mitaingina ilay sambo

They Did Treat Me with Much Harshness [Henjana be ny fitondrany ahy], nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy