Avia, hanaraka Ahy
19-25 febroary: “Ô endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!” 2 Nefia 6–10


“19-25 febroary: -Ô endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!- 2 Nefia 6–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“19–25 febroary. 2 Nefia 6–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Jesoa nivavaka tao Getsemane

Not My Will, but Thine, Be Done [Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao], nataon’i Harry Anderson

19-25 febroary: “Ô endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!”

2 Nefia 6–10

Efapolo (40) taona izay farafahakeliny no nandaozan’ny fianakavian’i Lehia an’i Jerosalema. Tany amin’ny tany iray vaovao tsy misy mpahalala izy ireo; tany amin’ny faritra lavitra teto amin’izao tontolo izao raha avy teo Jerosalema. Nodimandry i Lehia ary efa nanomboka nifanditra sahady ny fianakaviany, fifandirana izay naharitra an-jato taonany maro teo amin’ny Nefita, “izay nino ny fampitandremana sy ny fanambaran’ Andriamanitra,” sy ny Lamanita izay tsy nino izany (2 Nefia 5:6). I Jakôba zandrin’i Nefia, izay natokana ho mpampianatra ny Nefita tamin’izany, dia naniry ny mba hahafantaran’ny vahoakan’ny fanekempihavanana fa Andriamanitra dia tsy hanadino azy ireo na oviana na oviana, ka noho izany dia tsy tokony hanadino Azy na oviana na oviana izy ireo. Izany dia hafatra iray tena ilaintsika ankehitriny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:15–16). “Aoka hotsarovantsika Izy, … satria tsy ariana isika. … Lehibe ny fampanantenan’ny Tompo” hoy ny nambaran’i Jakoba (2 Nefia 10:20–21). Eo anivon’ireo fampanantenana ireo dia tsy misy lehibe mihoatra noho ilay fampanantenana “sorompanavotana tsy misy fetra” mba handresena ny fahafatesana sy ny helo (2 Nefia 9:7). “Noho izany,” hoy i Jakôba namarana, dia “herezo ny fonareo”! (2 Nefia 10:23).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

2 Nefia 6–8

Ny Tompo dia mamindra fo amin’ny vahoakany ary hanatanteraka ireo fanekempihavanany.

Mba hanampiana ny vahoakany hahatakatra fa izy ireo dia isan’ny mpianakavin’i Isiraely ary afaka ny hahatoky an’ Andriamanitra sy ireo fampanantenany, dia nindrana ireo faminanian’i Isaia izay voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 6–8 i Jakôba. Ho anao ihany koa izany hafatra izany, satria ny Olomasin’ny Andro Farany dia anisan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra koa. Rehefa mamaky ireo toko ireo ianao dia mieritrereta fanontaniana toa ireto manaraka ireto:

  • Inona no zavatra ianarako mikasika ny fitiavana manavotry ny Mpamonjy ho ahy? Inona avy ireo teny na andian-teny tena maneho tsara io fitiavana io?

  • Inona no atolotry ny Mpamonjy amin’ny olona izay mikatsaka Azy?

  • Inona no azoko atao mba “hiandrandra[ko]” amim-pahatokiana ny Mpamonjy sy ireo fitahiana nampanantenainy?

Sary
sary famantarana ny seminera

2 Nefia 9:1–26

Manavotra ahy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy.

Ny fomba iray hampitomboana ny fankasitrahantsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia ny fieritreretana izay mety ho nitranga tamintsika raha toa ka tsy nisy Azy. Eo am-pamakianao ny 2 Nefia 9:1–26 dia hevero ny hitanisa na hanisy marika amin’ny loko iray ny zavatra mety ho nanjò antsika raha tsy nisy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Avy eo dia azonao aseho ao anatina lisitra iray na amin’ny alalan’ny loko iray hafa ny zavatra izay afaka ny ho azontsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Araka ny zavatra izay novakinao, ahoana no hanazavanao ny antony ilantsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Inona no hitanao ka mitaona anao hidera “ny fahendren’ Andriamanitra, ny famindram-pony sy ny fahasoavany”? (2 Nefia 9:8).

Ankoatra ny fampianarana ny zavatra nanavotan’i Jesoa Kristy antsika, dia nanome hevi-baovao momba ny nanatanterahany izany koa i Jakoba. Hevero ny hirakitra ny zavatra hitanao ao amin’ny 2 Nefia 9:11–15, 20–24.

Tena talanjona tamin’ny drafitry ny fanavotan’ Andriamanitra i Jakôba ka nihiaka nanao hoe: “Ô endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika”. Tadiavo ireo hiaka nataony ao amin’ny 2 Nefia 9 (ny ankamaroan’ireo dia hita ao amin’ny andininy 8–20). Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny drafitr’ Andriamanitra? Inona no zavatra niainana izay nanampy anao hahatsapa ny sasany amin’ny fahatsapana nananan’i Jakôba? Ao anatin’ny fitsaohana sy ny fandalinana ataonao dia hevero ny hitady hira iray ao amin’ny fihirana izay mety haneho ny fahatsapanao momba Azy, toy ny “Seigneur mon Dieu” (Cantiques, no. 44).

2 Nefia 9:7

Tsy misy fetra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Inona no azonao atao mba hahatakarana tsaratsara kokoa ny halehiben’ny “sorompanavotana tsisy fetra” nataon’i Jesoa Kristy? (2 Nefia 9:7). Angamba azonao atao ny mijery zavatra izay toa tsy tambo isaina, ravin’ahitra eny an-tsaha, voan’ny fasika eny amin’ny moron-dranomasina, na kintana eny amin’ny lanitra. Ahoana no maha-tsisy fetra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? Ahoana no maha-ho an’ny tsirairay manokana izany? Andian-teny inona ao amin’ny 2 Nefia 9 no manampy anao hahatsapa fankasitrahana noho ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao?

2 Nefia 9:27–54

Afaka manatona an’i Kristy sy manaraka ny drafitr’ Andriamanitra aho.

Ao amin’ny 2 Nefia 9, i Jakôba dia nampiasa fehezan-teny mahery vaika sy mifanohitra anankiroa: “ny drafitra feno famindram-pon’Ilay Mpahary lehibe,” sy “ny hafetsen’ny tetikadin’ilay ratsy” (2 Nefia 9:6,28). Azonao atao angamba ny manao sarina lalana iray ka omeo anarana hoe, Drafitry ny Ray any An-danitra, izany. Vakio ny 2 Nefia 9:27–52 avy eo. Mitadiava fampitandremana na fanasana izay nomen’i Jakôba mba hanampiana antsika hanaraka io drafitra io. Soraty eo akaikin’ilay lalana ny zavatra hitanao. Ahoana no hiezahan’i Satana hampanalavirana antsika amin’ny drafitr’ Andriamanitra? Inona no tsapanao fa tokony hataonao ho setrin’ireo fampitandremana sy ireo fanasana nataon’i Jakôba ireo?

2 Nefia 10:20, 23–25

Afaka mitondra fifaliana ho ahy ny sorona nataon’i Jesoa Kristy.

Hafatra mitondra fifaliana ny hafatr’i Jakôba. “Teneniko anareo ireo zavatra ireo,” hoy izy, “mba hahazoanareo miravoravo sy manatraka mandrakizay ny lohanareo” (2 Nefia 9:3). Rehefa mamaky ny 2 Nefia 10:20, 23-25 ianao dia inona no zavatra hitanao izay mahafaly ny fonao? Inona no zavatra hataonao mba hahatsiarovana ireo zavatra ireo rehefa mahatsapa tena ho kivy ianao?

Jereo koa ny Jaona 16:33; D. Todd Christofferson, “Ny fifalian’ny Olomasina,” Liahona, nôv. 2019, 15–18; “Jacob invite les Néphites à se réconcilier avec Dieu” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

2 Nefia 9:6–10, 19–24

I Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

  • Ahoana no fomba hanampianao ny zanakao hahatakatra sy hahatsapa fa mila ny Mpamonjy Jesoa Kristy izy ireo? Afaka manampy ihany koa ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity. Mampiasa fanoharana tsotra momba ny lavaka sy ny tohatra izany. Hevero ny hampiasa ny 2 Nefia 9:21-22 mba hiresahana amin’ny zanakao momba ny antony maha-feno fankasitrahana anao noho i Jesoa Kristy.

  • Fomba iray hanampiana ireo zanakao hahatakatra ny antony ilantsika ny Mpamonjy ny mampianatra azy ireo momba ny Fahalavoana. Azonao atao ny mampiseho sarin’i Adama sy i Eva, toy ny Leaving the Garden of Eden (Mandao ny saha Edena) (Médiathèque de l’Évangile), sy ny sarin’i Jesoa Kristy eo amin’ny hazofijaliana. Hevero ny hangataka azy ireo mba hanazava ny zavatra mitranga ao amin’ny sary tsirairay. Inona no mampitovy antsika amin’i Adama sy i Eva? Angamba ny 2 Nefia 9:6–10 dia afaka manampy antsika hahita ny zavatra ataon’i Jesoa Kristy ho antsika. Hevero ny hanasa ny ankizy hizara ny fahatsapana ananany momba an’i Jesoa Kristy. Ny hira toy ny “Ny fitiavany dia natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 42–43) dia mety hanampy.

Mampianara fahamarinana amin’ny alalan’ny tantara sy ohatra. Makà antoka tsara fa mampianatra fahamarinana ireo tantara sy ohatra ampiasainao. Ohatra, rehefa mampiasa ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity, dia ampianaro fa i Jesoa Kristy dia nidina tao amin’ilay “lavaka” mba hanampy antsika isaky ny dingana ataontsika miakatra.

2 Nefia 9:20, 28–29, 42–43, 49

“Finaritra amin’ny fahamarinana ny foko.”

  • Mba hamporisihana ny zanakao mba “[ho] finaritra amin’ny fahamarinana” na hankatò amim-pifaliana ny Tompo (2 Nefia 9:49), dia angamba azonao atao ny mizara ohatra izay ahitana ankizy manao safidy tsara na safidy ratsy iray. Asao ny ankizy mba hitsangana rehefa mitondra fahasambarana ilay safidy ary hipetraka rehefa mitondra alahelo ilay safidy. Oviana isika no nahatsapa ho faly satria nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy isika?

  • Ny zanakao dia mety hifanerasera amin’ny olona (raha tsy efa nanao izany izy ireo) izay mihevitra fa hadalana na lany andro ny didin’ny Tompo. Angamba ianao sy ny zanakao afaka miresaka momba ny fomba hanazavana ny antony maha-faly antsika amin’ny fitandremana ny didy. Nahoana no zava-dehibe ny matoky ny torohevitr’ Andriamanitra na dia tsy takatsika tanteraka aza izany? Afaka mamporisika azy ireo ianao mba hijery fanampiana ao amin’ny 2 Nefia 9:20, 28–29, 42–43 sady misaintsaina ireo fanontaniana ireo sy mifanakalo hevitra momba izany.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Jesoa nanasitrana olona

He Healed Many of Diverse Diseases [Nahasitrana olona maro izay nararin’ny aretina samy hafa Izy), nataon’i J. Kirk Richards

Hamoaka printy